FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g93 8/10 p. 6-9
  • Ny Vidiny Mahatsiravina Aloa Noho ny Fanalana Zaza

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Vidiny Mahatsiravina Aloa Noho ny Fanalana Zaza
  • Mifohaza!—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Izay tsapan’ny reny
  • Izay tsapan’ny zazakely mbola any am-bohoka
  • Izay tsapan’ny dokotera
  • Tsy Tena Mamaha Olana ny Fanalana Zaza
    Mifohaza!—2009
  • Ny Fanalana Zaza — Io ve no Vahaolana?
    Mifohaza!—1995
  • Ny Zava-manahirana Lehibe Momba ny Fanalana Zaza — Ny Famonoana Zaza 60 Tapitris
    Mifohaza!—1993
  • Manana ny Valiny ve Ireny Fivavahana Ireny?
    Mifohaza!—1993
Hijery Hafa
Mifohaza!—1993
g93 8/10 p. 6-9

Ny Vidiny Mahatsiravina Aloa Noho ny Fanalana Zaza

ZAZAKELY any am-bohoka 50 tapitrisa ka hatramin’ny 60 tapitrisa no maty isan-taona amin’ny alalan’ny fanalana zaza. Takatrao ve ny hevitr’izany isa izany? Toy ny hoe fanafoanana isan-kerinandro ny mponina rehetra ao amin’ireo Nosin’i Hawaii izany!

Sarotra ny manangona ny tarehimarika marina satria tsy mitahiry taratasy firaketana momba ny fanalana zaza ny ankamaroan’ireo fitondram-panjakana. Ary any amin’izay ameperana na iheverana ny fanalana zaza ho tsy ara-dalàna, dia tsy afaka ny manao afa-tsy vinavina ireo manam-pahaizana. Nefa, sahalahala amin’izao ny endriky ny fanalana zaza amin’ny ankapobeny:

Any Etazonia, dia ny fandidiana faharoa fanao indrindra ny fanalana zaza, aorian’ny fanalana ny kambontenda. Fanalana zaza maherin’ny 1,5 tapitrisa isan-taona no tanterahina. Mora ny mahatakatra fa ny ankamaroan’ireo vehivavy — 4 amin’ny 5 — dia tsy manambady. Manala zaza avo roa heny matetika kokoa noho ny miteraka ireo vehivavy tsy manambady, kanefa, amin’ny antsalany, dia miteraka avo folo heny matetika kokoa noho ny manala zaza ireo vehivavy manambady.

Any Amerika Afovoany sy any Amerika Atsimo — izay Katolika ny olona amin’ny ankapobeny — no ahitana ireo lalàna henjana indrindra momba ny fanalana zaza maneran-tany. Na dia izany aza, dia be dia be ny fanalana zaza tsy ara-dalàna, ka mampidi-doza ny fahasalaman’ireo vehivavy. Ireo vehivavy brezilianina, ohatra, dia nanala zaza teo amin’ny efatra tapitrisa teo ho eo tamin’ny taon-dasa. Mihoatra ny 400 000 tamin’izy ireo no tsy maintsy nitady fikarakarana ara-pitsaboana noho ny fihasarotan’ny fanalana zaza. Tany Amerika Latina, dia ny ampahefatr’ireo fitondrana vohoka rehetra teo ho eo no nofaranana.

Eny ampitan’ny Atlantika, ao amin’ny kontinenta afrikana, dia henjana koa ny lalàna. Fahita ny voina sy ny fahafatesana, indrindra eo amin’ireo vehivavy mahantra, izay mitady ny fanampian’ireo mpanasitrana tsy ara-dalàna.

Manerana an’i Moyen-Orient, dia tany maro be no manana lalàna voasoratra henjana, nefa mbola tadiavina be dia be ary azon’ireo vehivavy afaka mandoa vola be ihany, ny fanalana zaza.

Ny ankamaroan’ireo tany any Eoropa Andrefana dia manome lalana hanao fanalana zaza sasany, ary any amin’ireo tany any Skandinavia no malalaka indrindra izany. Ny Sampandraharaham-pirenena Britanika Momba ny Fahasalamana dia nitana ny isan’ireo fanalana zaza natao hatramin’ny naha-ara-dalàna io fanao io tamin’ny 1967. Nahitana fitomboana avo roa heny ny isan’ny fanalana zaza niaraka tamin’ny fitomboan’ny zaza sary, ny aretina mifindra amin’ny alalan’ny firaisana sy ny fivarotan-tena ary ny faharariana eo amin’ny taovam-pananahana.

Ny any Eoropa Atsinanana dia mahita fiovaovana betsaka amin’izao fotoana izao, ary toy izany koa ireo lalànany momba ny fanalana zaza. Any amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha, dia tombanana ho efa ho 11 tapitrisa ny fanalana zaza tanterahina isan-taona, anisan’ny isa ambony indrindra manerana an’izao tontolo izao. Noho ireo fomba tsy mampiteraka sarotra vao azo sy ny toe-piainana ara-toe-karena tsizarizary any amin’izany faritra izany, dia mety hanala zaza eo amin’ny inenina ka hatramin’ny intsivy eo ho eo mandritra ny androm-piainany ny vehivavy iray amin’ny antsalany.

Manerana an’i Eoropa Atsinanana, ny fironana amin’ny ankapobeny dia ho amin’ny fanomezana fanalalahana. Ohatra iray manaitra ny any Romania, izay nandraran’ny fitondrana teo aloha tamim-paharisihana ny fanalana zaza sy ireo fomba tsy mampiteraka, mba hampitomboana ny isan’ny mponina. Noterena hanan-janaka efatra fara fahakeliny ireo vehivavy, ary tamin’ny 1988, dia feno zaza nariana ireo toeram-pitaizana zaza kamboty tany Romania. Hatramin’ny nanesoran’ny fitondram-panjakana revaolisionera tamin’ny 1989 ireny fameperana momba ny fanalana zaza ireny àry, dia zaza 3 amin’ny 4 no esorina, ny isa ambony indrindra any Eoropa.

Manana ny isan’ny fanalana zaza betsaka indrindra i Azia. Noho ny planina ataony, izay mampirisika ny tsy hananana afa-tsy zaza iray, ary satria ny fanalana zaza no tsy maintsy atao, dia manana ny isa ambony indrindra amin’ny fanalana zaza ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina, amin’ny fanalana zaza 14 tapitrisa isan-taona. Any Japana, dia mandravaka sary vongana kely vita amin’ny vato amin’ny tantin’ivy sy kilalao ireo vehivavy, ho fahatsiarovana ireo zaza nesoriny. Mampiahiahy fatratra ny besinimaro ny pilina tsy mampiteraka, ka ny fanalana zaza no fomba voalohany ampiasaina ho amin’ny fandrindram-piterahana.

Manerana an’i Azia, ary indrindra any India, dia namorona toe-javatra mahasanganehana ho an’ireo izay miady ho an’ny zon’ny vehivavy, ny haitao ara-pitsaboana. Ny teknika toy ny fakana ny ranondoha mba hanaovana tsikera (amniocentèse) sy ny échographie dia azo ampiasaina mba hamantarana aloha kokoa hatrany na ho lahy na ho vavy ilay zazakely. Hatramin’ny ela ny kolontsaina tatsinanana no nanome vidiny ambony ny zanaka lahy noho ny zanaka vavy. Koa any amin’izay azo ampiasana mora foana ny fanalana zaza sy ireo fomba ahafantarana mialoha na ho lahy na ho vavy ilay zazakely, dia tsaika vavy be dia be no nesorina, ka nahatonga ny isan’ny zazakely lahy sy vavy tsy hifandanja. Eo amin’ny toerana tsy mifandrindra izao, raha ny marina, ny fihetsiketsehan’ireo izay mitaky ny zon’ny vehivavy: mitaky ny zon’ny vehivavy hanala ny tsaika vavy ao an-kibony.

Izay tsapan’ny reny

Toy ny amin’ny fomba fitsaboana hafa, dia misy loza mety hitranga sy fanaintainana ihany amin’ny fanalana zaza. Mandritra ny fitondrana vohoka, dia mikombona tsara ny vozon’ny tranon-jaza mba hiarovana ilay zazakely. Mety hampanaintaina sy handratra ny fanokafana sy ny fampidirana fitaovana ao. Mety haka antsasak’adiny na toy izany ny fanalana zaza atao amin’ny alalan’ny fitrohana, ka ao anatin’izany fotoana izany dia mety hahatsapa fanaintainana antonontonony na mety ho mafy mihitsy sy fivonkinan-kozatra ny vehivavy sasany. Mahatonga hihetsi-jaza alohan’ny fotoana ny fanalana zaza atao amin’ny alalan’ny fampidirana ranoka masira, izay indraindray ampiana prostaglandine, tenan-javatra izay manamora ny fiantombohan’ny fihetsehan-jaza. Mety haharitra ora maromaro na andro maromaro mihitsy aza ny fikainkonana (contractions) ary mety hampanaintaina sy hanasatra ara-pihetseham-po.

Anisan’ny fihasarotan’ny fanalana zaza avy hatrany ny fahaverezan-dra, ratra na triatra eo amin’ny vozon’ny tranon-jaza, loadoaka amin’ny tranon-jaza, vaingan-dra, tsy fahazakana fanoranana, fanintona, fanaviana sy fangovitana ary fandoavana. Be dia be ny mety hahazoana aretina raha mbola tafajanona ao anatin’ny tranon-jaza ny sombintsombiny amin’ilay zazakely na ny ahitra. Fahita ny hoe tsy vita tsara ny fanalana zaza, ka mety hilana fandidiana amin’izay mba hanesorana ireo tambatsela mihalo tavela na hanesorana ny tranon-jaza mihitsy aza. Manipy hevitra ny fandinihana ofisialy natao tany Etazonia sy Grande-Bretagne ary Tsekoslovakia teo aloha fa ny fanalana zaza dia mampitombo be dia be ny mety tsy hahafahana hiteraka intsony, ny fisian’ny zaza an-tsoson-koditra, ny fahafahan-jaza, ny fiterahana zaza tsy tonga volana, ary ny fahavoazan’ilay zazakely hatrany am-bohoka.

Nanamarika i C. Everett Koop, minisitry ny Fahasalamana Amerikana teo aloha, fa tsy nisy mihitsy nanao “fandinihana ny amin’ny fihetseham-po na ny fahatsapana ho meloka mahazo ny vehivavy efa nanala zaza ary maniry zazakely mafy izay tsy ho azony ankehitriny”.

Tokony ho nampidirina tao amin’ireo antokon’olona nohadihadiana momba ny fanalana zaza ireo tanora kristiana madio izay mitoetra ho virijiny noho ny fanajany ny aina sy ny lalàn’Andriamanitra. Ny fanadihadiana toy ireny dia ho nahitana fa manana fifandraisana mahasoa sy fahatsapan-tena ho mendrika bebe kokoa ary filaminan-tsaina maharitra izy ireo.

Izay tsapan’ny zazakely mbola any am-bohoka

Inona no tsapan’ilay zazakely mbola any am-bohoka, voaro tsara ao anaty hafanan’ny kibon-dreniny ka tafihina tampoka amin-kery mahafaty avy eo? Tsy afaka afa-tsy ny haka sary an-tsaina isika, satria tsy hisy mihitsy ho afaka hilaza mivantana ilay tantara amintsika.

Atao amin’ireo telo volana voalohany amin’ny fiainana ny ankamaroan’ireo fanalana zaza. Hatreo dia efa miaina sy mitelina ilay tsaika kely ary mitepo ny fony. Afaka mampiolikolika ny rantsantongony kely izy, mamonkina ny totohondriny, mivadibadika ao anatin’ny tranony misy rano — ary mahatsapa fanaintainana.

Tsaika maro be no sintonina avy ao am-bohoka ary trohina ho ao amin’ny tavoara iray amin’ny alalan’ny tioba tsy misy rivotra marani-doha. Antsoina hoe fitrohana tsy misy rivotra ilay fomba fanaovan-javatra. Ny herin’ny fitrohana (avo 29 heny noho ny herin’ny aspirateur iray fanadiovan-trano) dia mandrotidrotika ilay vatana kely. Esorina ao an-kibo amin’ny fanokafana ny vozon’ny tranon-jaza sy amin’ny fikaohana (curetage), ny zazakely hafa, ka antsy iray miendrika faraingo no ikaohana ny soson’ny tranon-jaza, andidiana manify ilay zazakely.

Mety ho faty amin’ny alalan’ny fanalana zaza amin’ny fampidirana ranoka masira na fanapoizinana amin’ny sira, ireo tsaika maherin’ny telo volana sy tapany. Loahana amin’ny fanindronana lava be ny fonon’ny ranondoha, ka esorina ny sasany aminy, ary soloana ranoka masira marihitra. Raha mbola eo am-pitelemana sy eo am-pisefoana ilay zazakely, dia mikofokofoka sy mifanintona izy, feno ilay ranoka manapoizina ny avokavony marefo. Ny vokatra manaikitr’ilay poizina dia mandoro ny sosona ivelany amin’ny hoditra, ka mamela izany havaivay sy hiketronketrona. Mety hanomboka hisy fahaverezan-dra ao amin’ny atidohany. Mety ho tonga ao anatin’ny ora vitsivitsy ny fahafatesana mampanaintaina, kanefa indraindray rehefa manomboka andro iray na toy izany atỳ aoriana ny fihetsehan-jaza, dia zazakely iray mbola velona fa eo am-pialana aina no miporitsaka.

Raha efa lehibe loatra ilay zazakely ka tsy azo vonoina amin’ireny fomba ireny na fomba mitovitovy amin’ireny, dia mbola misy safidy iray — ilay atao hoe hystérotomie, fandidiana ny tranon-jaza atao mba hamaranana ny aina fa tsy hamonjena izany akory. Sokafana amin’ny alalan’ny fandidiana ny kibon’ilay reny, ary saika zazakely iray velona foana no esorina avy ao. Mety mbola hitomany mihitsy aza ilay izy. Nefa tsy maintsy avela ho faty ilay izy. Ny sasany dia iniana vonoina amin’ny fanemporana azy na ny fanaforana azy ao anaty rano na amin’ny fomba hafa.

Izay tsapan’ny dokotera

Hatramin’ny taonjato maro ireo dokotera dia nanaraka ireo fitsipika sarobidy lazaina ao amin’ilay fianianan’i Hippocrate hajaina fatratra, izay milaza toy izao amin’ny tapany aminy: “Tsy hanome fanafody mahafaty na ho an’iza na ho an’iza aho, na dia angatahina aza izany, na hanoro hevitra olona mba hihinana izany, ary tsy hanome fanafody asisika izay hitarika fanalan-jaza aho, fa hampiasa ny fahaizako manasitrana amin’ny fomba marina sy mendri-kaja.”

Ady ara-pitsipi-pitondran-tena amin’ny asa inona avy no atrehin’ireo dokotera izay mamarana ny aina any am-bohoka? Milazalaza izany toy izao ny Dr. George Flesh: “Tsy nanelingelina ahy ara-pihetseham-po mihitsy ireo fanalana zaza voalohany notanterahiko tamin’ny naha-interne ahy. (...) Nanomboka nahatsapa tsy fahafaham-po aho taorian’ny nanaovako fanalana zaza an-jatony maro. (...) Nahoana aho no niova? Fony aho nanomboka ny asako, dia nisy mpivady nanatona ahy mba hangataka ahy hanala ilay zaza tao an-kibon’ilay ramatoa. Noho ny vozon’ny tranon-jazany henjana, dia tsy afaka nanokatra izany aho mba hanatanteraka ilay fanalana zaza. Nangataka azy hiverina herinandro tatỳ aoriana aho, rehefa halefaka kokoa ny vozon’ny tranon-jazany. Niverina izy mivady ary nilaza tamiko fa niova hevitra izy ireo. Nampiteraka ilay vehivavy aho fito volana tatỳ aoriana.

“Taona maro tatỳ aoriana, dia niara-nilalao izahay sy i Jeffrey kely tao amin’ny dobo filomanosan’ny kliobana tenisy izay naha-mpikambana anay sy ny ray aman-dreniny. Sambatra sady nahafatifaty erỳ izy. Tsiravina aho nieritreritra fa vato nisakana ara-teknika fotsiny no nisakana ahy tsy hamarana ny nety ho fiainan’i Jeffrey. (...) Mino aho fa ny fanendahana tsaika iray amin’ny fandrantsanana azy noho ny fangatahan’ny reniny fotsiny, dia asa mampietry izay tsy tokony hanomezan’ny fiaraha-monina lalana.”

Niresaka momba ny asa notontosainy tao amin’ny klinika fanalana zaza iray toy izao ny mpanampy ny dokotera iray, izay niala tamin’ny asany: “Anisan’ny asanay ny manisa ny sombintsombiny tamin’ny tenan’ireo zazakely nesorina. (...) Raha mody any an-tranony mbola misy potik’ilay zazakely ao amin’ny tranon-jazany ny zazavavy iray, dia mety hahita zava-manahirana lehibe izy. Naka ireo sombintsombiny aho ka nandinika tamim-pitandremana azy ireny mba hahazoana antoka fa tao ny sandriny roa, ny tongony roa, ny vatany, ny lohany. (...) Manan-janaka efatra aho. (...) Nisy fifanipahana goavana teo amin’ny asako sy ny fiainako manokana izay tsy azoko nampiarahina. (...) Raharaha manahirana ny fanalana zaza.”

[Sary, pejy 7]

Any Azia, izay aniriana kokoa zanaka lahy, dia tsaika vavy an’arivony maro no esorin’ny dokotera

[Sary nahazoan-dalana]

Sary: Jean-Luc Bitton/Sipa Press

[Sary, pejy 8]

Mpanao gazety nanatrika fihetsiketsehana anoherana ny fanalana zaza, maka ny sarin’ny tsaika dimy volana nesorina ara-dalàna

[Sary nahazoan-dalana]

Sary: Nina Berman/Sipa Press

[Sary, pejy 8]

Fihetsiketsehana anohanana ny fanalana zaza tany Washington, D.C, Etazonia

[Sary nahazoan-dalana]

Sary: Rose Marston/Sipa Press

[Sary, pejy 9]

Any Etazonia, dia vehivavy mitady hanala zaza 4 amin’ny 5 no tsy manambady

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara