FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g94 8/4 p. 10-13
  • Fisorohana ao An-tokantrano

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fisorohana ao An-tokantrano
  • Mifohaza!—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Lalàna momba ny fitondran-tena
  • Loham-pianakaviana be fitiavana
  • Toerana tsy ahitan-doza ara-pihetseham-po
  • Tapaho ny tsingerin’ny fametavetana
  • Ny faran’ny fametavetana
  • Be Fitiavana sy Manao ny Rariny i Jehovah Rehefa Misy Zava-dratsy Mitranga
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Fiheveran-diso Fahita
    Mifohaza!—1994
  • Mangidy ny Vokany na Tsy Misy Mahita Aza
    Mifohaza!—1991
  • Ahoana no Azonao Iarovana ny Zanakao?
    Mifohaza!—2007
Hijery Hafa
Mifohaza!—1994
g94 8/4 p. 10-13

Fisorohana ao An-tokantrano

Sivy taona i Monique rehefa nanomboka nametaveta azy izy. Nanomboka nitsikilo azy izy rehefa niala akanjo i Monique; avy eo izy dia nanomboka nitsidika ny efitranony tamin’ny alina sy nikitikitika ny faritra manokana amin’ny tenany. Rehefa nanohitra azy i Monique dia tezitra mafy izy. Indray mandeha aza izy dia namely an’i Monique tamin’ny tantanana mihitsy ary nanosika azy hikodiadia tany an-tohatra. “Tsy nisy olona hino ahy”, hoy i Monique nahatsiaro — na dia ny reniny aza. Ilay mpametaveta dia ny raikelin’i Monique.

TSY olona mampiahiahy, mitokantokana mamitsaka any anaty kirihitra akory no mahatonga ny fandrahonana lehibe indrindra amin’ny ankizy. Mpikambana ao amin’ny fianakaviana ihany izy io. Ny ankamaroan’ny fametavetana dia mitranga ao an-tokantrano. Koa ahoana no azo atao mba hahatonga ny tokantrano hahatohitra kokoa ny fametavetana?

Ao amin’ilay bokiny hoe Slaughter of the Innocents, ny Dr. Sander J. Breiner, mpanoratra tantara, dia mandinika ny porofon’ny fametavetana ankizy tao anatin’ny fiaraha-monina tranainy dimy — Egypta, Sina, Gresy, Roma, sy Isiraely. Manatsoaka hevitra izy fa na dia nisy aza ny fametavetana teo amin’ny Isiraely, dia somary nahalana ihany izany raha oharina amin’iretsy sivilizasiona efatra hafa. Nahoana? Tsy mba toa an’ireo mpiara-belona taminy ny mponina teo amin’ny Isiraely fa nampianarina hanana fanajana vehivavy sy ankizy — fomba fihevitra mazava azon’izy ireo avy amin’ny Soratra Masina. Rehefa nampihatra ny lalàn’Andriamanitra teo amin’ny fiainam-pianakaviany ny Isiraelita, dia nisoroka ny fametavetana ankizy. Ny fianakaviana amin’izao andro izao dia mila izany fari-pitsipika madio sady azo ampiharina izany, mbola tsy nisy toy izany.

Lalàna momba ny fitondran-tena

Misy akony eo amin’ny fianakavianao ve ny lalàna ao amin’ny Baiboly? Vakina toy izao, ohatra, ny Levitikosy 18:6: “Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy hianareo: Izaho no Jehovah.” Toy izany koa fa ny kongregasiona kristiana amin’izao andro izao dia mampihatra lalàna hentitra manohitra ny endriny rehetra amin’ny fametavetana. Na iza na iza mametaveta ankizy dia mankahatra ny mety hahavoaroaka azy, hanaovana azy any ivelan’ny kongregasiona.a — 1 Korintiana 6:9, 10.

Ny fianakaviana rehetra dia tokony samy hahafantatra sy hiara-mijery indray ny lalàna toy izany. Mampirisika toy izao ny Deoteronomia 6:6, 7: “Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”. Ny fampianarana tsara ireo lalàna ireo dia milaza zavatra mihoatra noho ny fanaovana sermona tsindraindray fotsiny amin’ny zanakao. Izany dia mahafaoka fiaraha-midinika ifanakalozan-kevitra tsy tapaka. Indraindray ny ray sy ny reny dia tokony hanamafy ny fanohanany ireo lalàn’Andriamanitra momba ny fandriana amin’ny havana akaiky sy ny antony mampiseho fitiavana nahatonga izany lalàna izany.

Azonao atao koa ny mampiasa tantara toy ny an’i Tamara sy i Amnona, zanak’i Davida, mba hampisehoana amin’ireo ankizy fa eo amin’ny raharaha momba ny firaisana dia misy fefy izay tsy tokony hihoaran’iza na iza — anisan’izany ny mpihavana akaiky. — Genesisy 9:20-29; 2 Samoela 13:10-16.

Ny fanajana ireny fotopoto-pitsipika ireny dia azo aseho na dia eo amin’ireo fandaharana momba ny fiaraha-miaina azo ampiharina aza. Any amin’ny tany tatsinanana iray, dia nasehon’ny fikarohana fa mitranga matetika ny fandriana amin’ny havana akaiky ao amin’ny fianakaviana izay iarahan’ny ankizy matory amin’ny ray aman-dreny na dia tsy misy fanerena ara-bola mahatonga izany aza. Mitovy amin’izany koa fa tsy fahendrena, amin’ny ankapobeny, ny hampiraisana fandriana na efitrano ny mpiray tam-po lahy sy vavy, rehefa mihalehibe izy ireo, raha mbola azo ialana koa izany. Na dia rehefa hoe mifanitsa-kitro aza no efa fiainana, dia tokony hampiasa fahaiza-mitsara zavatra tsara ny ray aman-dreny eo amin’ny fanapahan-kevitra ny amin’izay toerana tokony hatorian’ny mpianakavy tsirairay.

Ny Baiboly dia mandrara ny fimamoana, ka milaza tsy mivantana fa afaka mitarika ho amin’ny fahalotoam-pitondran-tena izany. (Ohabolana 23:29-33). Araka ny fandinihana iray natao, ny 60 ka hatramin’ny 70 isan-jaton’ireo niharam-pahavoazana noho ny fandrian’ny havana akaiky dia nanao tatitra fa nisotro ny ray aman-dreniny mpametaveta rehefa nanomboka ny fametavetana.

Loham-pianakaviana be fitiavana

Hitan’ireo mpikaroka fa fahita kokoa ny fametavetana eo amin’ireo fianakaviana misy lehilahy mpanao jadona. Ilay fomba fihevitra miely patrana hoe natao hanome fahafaham-po ny filan’ny lehilahy fotsiny ny vehivavy dia diso, araka ny Soratra Masina. Ny lehilahy sasany dia mampiasa an’io hevitra tsy kristiana io mba hanamarinana ny fakany any amin’ny zanakavavy izay zavatra tsy azony avy amin’ny vady. Io karazana fanerena io dia mety hahatonga ny vehivavy ao anatin’izany toe-javatra izany hanary ny fandanjalanjany ara-pihetseham-po. Maro be aza no manary mihitsy ilay hery manosika voajanahary hiaro ny zanany naterany. (Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 7:7.) Ny fandinihana iray natao, etsy an-danin’izany, dia nahitana fa rehefa tsy tao amin’ny faritry ny tokantrano matetika ireo raim-pianakaviana adalan’asa, indraindray dia nihanaka toy ny lagaly ny fametavetana ataon’ny reny amin’ny zanakalahy.

Ahoana ny amin’ny fianakavianao? Moa ve ianao amin’ny maha-lehilahy manambady, miantsoroka ny anjara asan’ny loham-pianakaviana amim-pitandremana tsara sa manilika izany any amin’ny vadinao? (1 Korintiana 11:3). Moa ve ianao mitondra ny vadinao amim-pitiavana sy voninahitra ary fanajana? (Efesiana 5:25; 1 Petera 3:7). Moa ve asianao fiheverana ny fomba fiheviny? (Genesisy 21:12; Ohabolana 31:26, 28). Ary ahoana ny amin’ireo zanakao? Mihevitra azy ireo ho sarobidy ve ianao? (Salamo 127:3). Sa kosa ianao mihevitra azy ireo ho toy ny enta-mavesatra fotsiny, mora hararaotina? (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 12:14.) Foany ireo fomba fihevitra mivaona sy tsy araka ny Soratra Masina momba ny andraikitry ny mpianakavy ao an-tokantranonao, ary dia hanao izay hahatonga azy io hahatohitra kokoa ny fametavetana ianao.

Toerana tsy ahitan-doza ara-pihetseham-po

Hoy ny vehivavy tanora iray hantsointsika hoe Sandi: “Nitarika mora foana ho amin’ny fametavetana ny toe-javatra nisy ny fianakaviako manontolo. Nitokantokana izy io, ary nifampiolonolona ny mpikambana tsirairay.” Ny fitokantokanana sy ny tsy fileferana ary ny fanafinafenan-javatra tafahoatra — ireo fihetsika tsy mahasoa sady tsy araka ny Soratra Masina ireo dia famantarana ny ankohonana mpametaveta. (Ampitahao amin’ny 2 Samoela 12:12; Ohabolana 18:1; Filipiana 4:5.) Mamoròna rivo-piainana ao an-tokantrano izay tsy ahitan-doza ara-pihetseham-po ho an’ny ankizy. Ny tokantrano dia tokony ho toerana iray izay ahatsapan’izy ireo fa ampaherezina izy, izay ahatsapany fa afaka mamboraka amin-kalalahana ny ao am-pony sy miteny amin-kalalahana izy.

Ankoatra izany, ny ankizy dia mila fatratra fanehoam-pitiavana ara-batana: famihinana sy fanafosafoana sy fitantanana ary sangisangy. Aza manohitra amin’ny fomba tafahoatra ny loza momba ny fametavetana amin’ny tsy fanomezana ireo fanehoam-pitiavana ireo. Ampianaro amin’ny alalan’ny firaiketam-po miharihary sy mafana ny ankizy ary derao fa misy vidiny izy ireo. Mahatsiaro toy izao i Sandi: “Ny fomba fihevitr’i Neny dia ny hoe tsy mety ny midera olona na inona na inona nataony. Mahatonga olona hihevi-tena ho zavatra izany.” I Sandi dia niaritra fametavetana tamim-panginana nandritra ny folo taona, fara fahakeliny. Ireo ankizy tsy mahatsapa tsy fananana ahiahy amin’ny fahalalana fa tiana izy sady olona mendrika, dia mety ho mora tohina noho ny fideran’ny mpametaveta na ny “firaiketam-pony” na ny fandrahonany hanaisotra izany aminy.

Ny olona iray mpandry amin’ankizy, izay nametaveta ankizilahy an-jatony maro nandritra ny fe-potoana 40 taona mahery, dia niaiky fa ireo ankizilahy nanana filana ara-pihetseham-po hahazo namana tahaka azy no nahaforona ireo niharam-pahavoazana “tsara indrindra”. Aza mamorona filana toy izany ao amin’ny zanakao.

Tapaho ny tsingerin’ny fametavetana

Nilaza toy izao i Joba tao anatin’ny fitsapana nahamay: “Maharikoriko ahy ny aiko; hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian’ny fanahiko.” (Joba 10:1). Sahala amin’izany koa fa ray aman-dreny maro no nahita fa afaka manampy ireo zanany izy amin’ny fanampiana ny tenany. Nanamarika toy izao vao haingana ny The Harvard Mental Health Letter: “Ny fanerena mafy ataon’ny fiaraha-monina, manohitra ny firesahan’ireo lehilahy ny fahoriany, dia toa mahatonga ny tsingerin’ny fametavetana hitohy.” Toa hita fa ireo lehilahy izay tsy niresadresaka mihitsy ny fahoriany noho ny fametavetana azy dia azo inoana kokoa fa hanjary ho mpametaveta koa. Mitantara ny The Safe Child Book fa ny ankamaroan’ireo mpanimba ankizy dia efa novetavetaina koa fony mbola ankizy nefa tsy nahazo fanampiana mihitsy mba ho sitrana. Maneho ny fahoriany sy ny fahatezerany amin’ny fametavetana ankizy hafa izy ireny.b — Jereo koa ny Joba 7:11; 32:20.

Mety ho lehibe kokoa ny loza mety hanjo ny ankizy rehefa tsy mianatra mandamina ny zava-manahirana momba ny fametavetana ny tenany tamin’ny lasa ireo reny. Ohatra, manao tatitra ireo mpikaroka fa matetika ireo vehivavy novetavetaina fony izy mbola ankizivavy no manambady lehilahy mpametaveta ankizy. Ankoatra izany, raha tsy nianatra nandamina ny zava-manahirana momba ny fametavetana ny tenany tamin’ny lasa ny vehivavy iray dia takatra mora foana fa mety ho sarotra aminy ny hiresaka amin’ny zanany momba ny fametavetana. Raha mitranga ny fametavetana, dia mety tsy hahay kokoa izy eo amin’ny famantarana izany sy eo amin’ny fandraisana fepetra momba izany. Amin’izay ireo ankizy dia tena hahita faisana noho ny tsy fanaovan’ilay reny na inona na inona.

Araka izany, ny fametavetana dia mety hanaranaka. Mazava ho azy fa misy olona maro izay mifidy ny tsy hiresaka momba ny fahoriany tamin’ny lasa, toa mahay miatrika tsara ny fiainany ihany, ary mendri-piderana izany. Kanefa, ho an’ny olona maro dia mafy kokoa ny fahoriana, ary tsy maintsy mila manao ezaka ifarimbonana izy ireny — anisan’izany ny fitadiavana fanampiana avy amin’olona manam-pahaizana efa za-draharaha, raha ilaina izany — mba hanasitranana ny fery lalina tamin’ny fahazazana toy izany. Ny zava-kendreny dia tsy ny hanaram-po amin’ny fitseran-tena. Iriny ny hanapaka io tsingerina mankarary sady manimba io, dia ny tsingerin’ny fametavetana ankizy, izay mahavoa ny fianakaviany. — Jereo ny Réveillez-vous! 8 Oktobra 1991, pejy faha-3 ka hatramin’ny faha-11.

Ny faran’ny fametavetana

Raha ampiharina araka ny mety ny fanazavana teo aloha dia afaka manao zavatra betsaka mba hampihena ny mety hisian’ny fametavetana ankizy ao an-tokantranonao. Tadidio anefa fa manao zavatra amim-piafenana ireo mpametaveta, manararaotra ny fitokiana aminy izy ireny, ary mampiasa tetiky ny olon-dehibe amin’ankizy tsy manan-tsiny. Azo antoka àry fa tsy maintsy hisy sasany amin’izy ireny toa afa-maina amin’ny heloka bevava maharikoriko vitany.

Matokia anefa fa mahita izay ataon’izy ireny Andriamanitra. (Joba 34:22). Raha tsy mibebaka sy tsy miova izy ireny, dia tsy hohadinoin’Andriamanitra ny asa ratsiny. Hamaky betroka ny nataon’izy ireny Izy amin’ny fotoana voatondrony. (Ampitahao amin’ny Matio 10:26.) Ary hitaky ny rariny izy. I Jehovah Andriamanitra dia mampanantena fotoana iray izay ‘hanongotana hiala amin’ny tany’ ny olona mivadika, ary ny mpandefitra sy ny tsara fanahy izay tia an’Andriamanitra sy ny olombelona toa azy ihany no havela hitoetra. (Ohabolana 2:22; Salamo 37:10, 11, 29; 2 Petera 2:9-12). Manana izany fanantenana mahatalanjona tontolo vaovao izany isika noho ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. (1 Timoty 2:6). Amin’izay, ary amin’izay ihany vao hifarana mandrakizay ny fametavetana.

Mandra-pahatongan’izany, dia tsy maintsy manao izay rehetra azontsika atao isika mba hiarovana ny zanatsika. Tena sarobidy tokoa izy ireo! Ny ankamaroan’ny ray aman-dreny dia ho vonona ny hanao vivery ny tsy fananany ahiahy mba hiarovana ireo zanany kely. (Ampitahao amin’ny Jaona 15:13.) Raha tsy miaro ny zanatsika isika, dia hahatsiravina ny vokany. Raha miaro azy ireo isika, dia manome ho azy fanomezana mahatalanjona — fahazazana ahatsapana tsy fananan-tsiny sady ieren-doza. Afaka mahatsapa toy ny nataon’ny mpanao salamo, izay nanoratra toy izao izy ireo: “Izaho hilaza an’i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy ary Andriamanitro, Izy hitokiako.” — Salamo 91:2.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mitranga ny fametavetana ankizy rehefa misy olona iray mampiasa ankizy iray mba hanomezana fahafaham-po ny fahamaimaizany. Izy io matetika dia mahafaoka ilay antsoin’ny Baiboly hoe fijangajangana, na por·neiʹa, izay mety hahatafiditra fanafosafoana ny filahiana na ny fivaviana, ny fanaovana firaisana, ary ny firaisana amin’ny alalan’ny vava na ny lava-pitombenana. Ireo fanaovan-javatra vetaveta hafa, toy ny fanafosafoana nono, fitaomana hanao fahalotoam-pitondran-tena mivantana, fampisehoana boky na sary vetaveta amin’ankizy, fitadiavana fahafinaretana amin’ny alalan’ny fijerena zavatra mifandray amin’ny firaisana sy fampideraderana ny filahiana na ny fivaviana, dia mety ho anisan’ilay antsoin’ny Baiboly hoe “fitondran-tena tsy voafehy”. — Galatiana 5:19-21, NW; jereo Ny Tilikambo Fiambenana, 15 Septambra 1983, famarihana eo ambanin’ny pejy faha-30.

b Na dia novetavetaina aza ny ankamaroan’ireo mpanimba ankizy fony izy mbola kely, izany akory tsy midika fa mahatonga ny ankizy ho mpametaveta ny fametavetana. Latsaka ny ampahatelon’ny ankizy novetavetaina no lasa mpanimba ankizy.

[Efajoro, pejy 11]

Nilaza toy izao ny olona iray afa-doza tamin’ny fandrian’ny havana akaiky nandritra ny taona maro: “Mamono ankizy ny fametavetana, mamono ny fitokian’izy ireny sy ny zony hahatsapa ho tsy manan-tsiny izy io. Izany no mahatonga ny ankizy ho tsy maintsy arovana. Noho izany aho izao dia voatery manorina indray ny fiainako manontolo. Nahoana no havela hisy ankizy maro kokoa hanao toy izany? ”

Nahoana tokoa moa?

[Efajoro, pejy 11]

Mba Henoy re ny Ankizy E!

TANY Kolombia britanika, Kanada, ny fandinihana iray natao vao haingana dia nandinika ny tena anton’asan’ireo mpanimba ankizy 30. Nahakivy ny vokatra. Ireo olona 30 ireo, dia efa nametaveta ankizy 2 099. Ny antsasany amin’izy ireo no nitana toeram-pitokiana — mpampianatra, mpitondra fivavahana, mpitantan-draharaha, sy mpiasa amin’ny fikarakarana ankizy. Ny mpanimba ankizy iray, izay mpanao nify eo amin’ny faha-50 taonany, dia nametaveta ankizy efa ho 500 nandritra ny 26 taona.

Kanefa, ny The Globe and Mail any Toronto dia manamarika hoe: “ Tamin’ny 80 isan-jaton’ny fisehoan-javatra, dia ampahany iray na mihoatra amin’ny fitambaran’olona (anisan’izany ny namana na mpiara-miasa amin’ilay mpandika lalàna, fianakavian’ilay niharam-pahavoazana, ankizy hafa, niharam-pahavoazana sasantsasany) no nanda na nanamaivana ilay fametavetana.” Tsy mahagaga raha “manipy hevitra ilay tatitra fa ny fandavana sy ny tsy finoana dia mamela ny fametavetana hitohy”.

Ny sasany tamin’ireo niharam-pahavoazana dia nandaza ny mpametaveta. Kanefa, “ny ray aman-drenin’ireo tanora niharam-pahavoazana dia tsy nety nino izay nolazain’ny zanany taminy”, hoy ny The Globe and Mail nanonona ilay tatitra, araka ny voalaza. Mitovy amin’izany koa, ny manam-pahefam-panjakana iray any Alemaina dia nanonona vao haingana ny tatitra iray milaza fa ireo ankizy niharam-pahavoazana tamin’ny fametavetana dia voatery nampahafantatra impito ny tantarany tamin’ireo olon-dehibe vao nino izy ireo.

[Efajoro, pejy 12]

“Mandraisa Fanampiana Dieny Izao”

“RAHA lehilahy ianao ary manao firaisana amin’ankizy, dia mety hiteny anakampo hoe ‘Tiany ilay izy’, na hoe ‘Nangataka an’izany izy’, na hoe ‘Mampianatra azy momba ny lahy sy ny vavy aho’. Mandainga amin’ny tenanao ianao. Ny tena lehilahy dia tsy mba manao firaisana amin’ankizy. Raha mba misy ihany ao aminao sombim-pahatsapana fiahiana izany zaza izany, dia atsaharo ilay fametavetana. Mandraisa fanampiana dieny izao.” — Fanambarana naroson’ny sampan-draharaha miahy ny tombontsoan’ny vahoaka, voatonona ao amin’ilay boky hoe By Silence Betrayed.

[Sary, pejy 13]

Mila fiheverana mafana sy feno fitiavana be dia be ny ankizy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara