Ireo Fitsipika Fototra Amin’ny Fampinonoana
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY NIZERIA
Raha toa ianao ka nanapa-kevitra ny hampinono ny zanakao, tahaka ireo reny maro be, dia nifidy ny hampiasa fandaharana iray mampiseho fitiavana nataon’ilay Mpamorona ny taranak’olombelona ianao. Ny ronono vokarin’ny tenanao manokana dia hifanentana amin’ny zavatra hentitra mahavelona ilain’ny zanakao, ka mampandroso ny fitomboana sy ny fivelarana ara-pahasalamana. Izy io koa dia hanampy amin’ny fiarovana ny zanakao amin’ireo aretina mahazatra. Manana antony tsara ny OMS (Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana) anambarana toy izao: “[Ny rononon-dreny] no sakafo tsara indrindra mety hisy ho an’ny zazakely iray. Ireo solon-dronono rehetra, ao anatin’izany ny rononon’omby sy ny vovo-dronono ary ireo kobana voamadinika matsora dia ambany.”
Ny fampinonoana koa dia mitondra soa maro ho anao. Tsy misy biberao diovina na tenehina ary tsy voatery hitsangana hankany an-dakozia amin’ny misasaka alina ianao mba hanomana sakafo ho an’ny zanakao. Hitondra soa ara-batana ho anao koa ny fampinonoana, satria hanampy anao izy io hampihena ny lanja azonao nandritra ny fitondrana vohoka ary hanampy ny tranon-jazanao hiverina amin’ny habeny ara-dalàna. Ireo fikarohana dia manipy hevitra fa azo inoana fa kely kokoa ny mety hahavoan’ny kanseran’ny nono an’ireo vehivavy mampinono ny zanany.
“Afaka mampinono ny zanany daholo saika ny reny rehetra”, hoy ny toky omen’ny Famoriam-bolan’ny Firenena Mikambana ho An’ny Ankizy. Koa azo inoana fa afaka manao izany koa ny tenanao. Mety ho hitanao anefa fa tsy mora araka ny nanampoizanao azy ny fampinonoana, indrindra raha sambany vao manandrana manao azy io ianao. Izany dia satria tsy fahaizana voajanahary ny fampinonoana, na dia araka ny natiora aza; fahaizana iray tsy maintsy ianaranao izy io. Mety ho hitanao fa hila andro maromaro na herinandro vitsivitsy mihitsy aza ianao sy ny zanakao mba hanorenana fahazarana milamina sy mahafinaritra.
Alohan’ny hahatongavan’ny zazakely
Raha toa ianao ka tsy nahomby tamin’ny fampinonoana ny zanakao teo aloha, dia miresaha amin’ireo reny izay nahomby tamin’izany. Afaka manampy anao izy ireo hanalavitra na handresy ireo zava-manahirana. Afaka manampy anao koa izy ireo hanorina ny fatokianao amin’ny fahaizanao mampinono ny zanakao amin’ny fomba mandaitra.
Mandritra ny fitondrana vohoka sy aoriany, dia zava-dehibe ny hahazoanao fialan-tsasatra ampy. Ho fanampin’izany, dia ataovy azo antoka fa mihinana sakafo sahaza ianao. Manambara toy izao ilay bokikely avoakan’ny OMS mitondra ny lohateny hoe Fampinonoana (anglisy): “Ny sakafo tsy ara-dalàna aloha na mandritra ny fitondrana vohoka dia mety ho antony mahatonga ny tsy fitomboana ara-dalàna eo amin’ny zaza ao am-bohoka. Midika koa izany fa tsy afaka manangona tavy ampy ilay reny mba hamokarana ronono sahaza atỳ aoriana. Noho izany, dia mila mihinana sakafo voalanjalanja avy amin’ny sakafo isan-karazany ilay reny, mandritra ny fitondrana vohoka sy mandritra ny fe-potoana hampinonoana.”
Zava-dehibe koa ny hikarakarana ny nono. Mandritra ireo volana farany amin’ny fitondrana vohoka, dia sasao ny nononao rehefa mandro ianao, nefa aza asiana savony. Ireo fihary ao amin’ny manodidina (ny faritra matro-bolo) ny lohanono dia mamoaka menaka miady amin’ny mikraoby, ka mahamandimandina ny lohanono sy miaro azy tsy ho azon’ny aretina. Ny savony dia mety hanamaina ny lohanono ary hanaisotra na hahatonga ilay menaka tsy handaitra. Raha toa ka manjary makiana na mangidihidy ny nononao, dia ho tianao angamba ny hanosotra azy amin’ny menaka na ranon-javatra manalefaka. Kanefa, halaviro ny fanisiana izany eo amin’ny lohanono na eo amin’ny manodidina azy.
Taloha, ny dokotera dia nanoro hevitra ireo reny mba “hanamafimafy” ny lohanonony mandritra ny fitondrana vohoka, amin’ny fikosehana azy ireo mafimafy. Na dia noheverina ho miaro ny lohanono mba tsy hanaintaina mandritra ny fampinonoana aza izany, dia asehon’ireo fandinihana fa tsy mahasoa loatra ny fanazaran-tena toy izany. Mazàna ny fanaintainana dia vokatry ny tsy fetezan’ny toeran’ilay zaza minono eo amin’ny tratra.
Tsy anton-javatra miditra amin’ny fampinonoana mahomby ny habe na ny bikan’ny nono, kanefa ny zazakely iray dia tsy afaka “mandray” lohanono fisaka na milentika. Afaka mandinika ny tenanao ianao amin’ny fanerena moramora amin’ny ankibe sy ny fanondro ny fototry ny lohanono tsirairay mba hahazoana antoka fa mivoaka tsara ny lohanono. Raha tsy izany, dia manatòna ny dokotera mpizaha anao. Mety hanoro hevitra anao izy hampiasa coquille fametaka amin’ny nono (na fanosehana), fitaovana tsotra entina mandritra ny fitondrana vohoka na eo anelanelan’ny fampinonoana. Matetika izy ireny dia manatsara ny bikan’ny lohanono fisaka na milentika.
Ireo andro aorian’ny fiterahana avy hatrany
Tsara ny hanombohanao mampinono ny zanakao ao anatin’ny adiny iray aorian’ny fiterahana. Mety hieritreritra ny olona sasany fa aorian’ny fiterahana avy hatrany dia samy mbola reraka ilay reny sy ilay zazakely ka tsy afaka hifampikasoka. Nefa, mazàna dia mahatsiaro ho mahazo aina ho amin’ilay tarehin-javatra indray ilay reny, ary ilay zazakely, rehefa avy nifankazatra nandritra ny minitra vitsivitsy tamin’ny fiainana tetỳ ivelan’ny kibo, dia mitady amim-pahalianana mafy ny fampiononan’ny nono.
Ireo tera-bao dia afaka manome ho an’ilay zaza menavava izay ilainy, dia raha vonivony na matsatso antsoina hoe ronono songo. Io “ranom-bolamena” io dia mahasoa aoka izany ho an’ilay zazakely. Misy taharo izay miady amin’ireo mikraoby manimba ny fahasalamana izy io. Be proteina koa izy io ary kely ny siramamy sy ny menaka ao anatiny, ka mahatonga azy ho ny sakafo tonga lafatra mandritra ireo andro vitsivitsy voalohany amin’ny fiainana. Raha tsy hoe misy zava-manahirana ara-pitsaboana sasany angaha, dia tsy hila sakafo na fisotro hafa ilay zazakely. Ny fampinonoana fanampiny amin’ny biberao dia mety hisakana ny zazakely iray tsy hinono amin-dreniny, satria tsy ilana fiezahana firy ny minono amin’ny biberao.
Amin’ny ankapobeny, ny reny dia mamokatra ronono tsy misy songo, roa ka hatramin’ny dimy andro aorian’ny fiterahana. Ny fitosaky ny ra mankamin’ny nono amin’io fotoana io dia mety hampivonto ny nononao ka hahatonga azy ireo ho mora marary. Ara-dalàna izany. Mazàna ny fampinonoana dia hanalefaka ny fahadisadisana. Indraindray anefa, dia hanafisaka ny lohanono, ny nono mizihitra. Koa satria izany dia manasarotra ny finonoan’ilay zazakely azy io, dia mety ho voatery hanaisotra ronono amin’ny alalan’ny tanana ianao. Azonao atao izany amin’ny fampiasana ireo tanana roa mba hanorana ny nono tsirairay, manomboka eo amin’ny fotony ary mankamin’ny lohanono.
Tsy afaka mamatra ny habetsahan’ny ronono alain’ny zanakao amin’ny nononao ianao, nefa aza manahy — ny tenanao dia ampy fitaovana mba hanome izay rehetra ilain’ny zazakely, na dia kambana aza ny zanakao! Arakaraka ny hampinonoanao no hamokaranao ronono bebe kokoa. Izany no antony iray tsy tokony hanampiana ny rononon-dreny amin’ny fisotro hafa omena amin’ny biberao, toy ny vovo-dronono na ny rononon’omby. Raha manao izany ianao, dia tsy haka ronono firy avy aminao ny zanakao. Ho setrin’izany, dia tsy hamokatra ronono firy ianao.
“Tsy hoe tsy afaka miaro tena firy araka ny niheverana azy ireo zazakely tonga volana ara-dalàna rehefa teraka, ary afaka mandrindra ny sakafony manokana mba hetezan’izany ho azy sy ho an’ny tenan’ny reniny izy ireo, raha toa ka havelan’ny hafa manao izany”, hoy ny nosoratan’i Gabrielle Palmer ao amin’ny Tetikasa Momba ny Fahaizana Mampinono (anglisy). Ny fotopoto-pitsipika tokony hitarika dia ny amin’ny “tolotra sy ny tinady” — rehefa mitady sakafo ny zanakao (mazàna amin’ny alalan’ny fikonainainana), dia manome izay ilainy ianao. Amin’ny voalohany, dia ho tonga isaky ny adiny roa na adiny telo ny tinady. Tokony hampifandimbasinao ny nono roa isaky ny mampinono ny zanakao ianao. Ny ankamaroan’ny zazakely dia mila 20 ka hatramin’ny 40 minitra mba ho afa-po amin’ny sakafo iray, ny zazakely sasany kosa anefa dia tia misakafo miadana, miaraka amin’ny fiatoana. Mety hila hatramin’ny adiny iray ny miada-pihinana toy ireny vao afa-po amin’ny sakafony. Amin’ny ankapobeny, dia mihinana sakafo ampy ny zanakao raha minono fara keliny imbalo izy ao anatin’ny 24 ora, raha renao mitelina izy, ary raha toa, aorian’ny andro fahadimy, ka imbalo na mihoatra izy no mandena amin’ny tantiny ao anatin’ny andro.
Ny fahaizana iray lehibe tokony hanananao rehefa mampinono, dia ny fomba fihazona tsara ny zanakao eo an-tratra. Ny tsy fetezan’ny toerana dia mety hitarika ny tsy fahazoan’ny zanakao ronono ampy. Tsy mety misakafo mihitsy aza ny zazakely sasany.
Mitarika zava-manahirana hafa fahita koa ny tsy fetezan’ny toerana: ny lohanono vakivaky na manaintaina. Manambara toy izao ny Loharanon-kevitra Momba ny Fampinonoana (anglisy): “Anton-javatra maro no mahatonga ny lohanono hanaintaina, ny antony lehibe iray anefa dia ny fomba ‘fihazon’ilay zazakely’ ny nono, ary izany dia miankina amin’ny ampahany lehibe amin’ny toeran’ny lohany raha oharina amin’ny nono. Mba hahazoana ny toerana tsara dia tokony ho akaikin’ny nono ny zanakao, ny lohany tsy mihevaheva (tsy ambony na ambany na mihodina miankavia sy miankavanana), ary mifanitsy amin’ny lohanono mba tsy hisintonany azy io mivilivily.”
Mba hahazoana vokatra tsara, dia tokony hihidy tsara amin’ny nono ny molotr’ilay zazakely, fara fahakeliny telo santimetatra aorian’ny lohanono. Ho fantatrao fa tsara ny toerana raha toa ka mitodika any aminao ny tenan’ny zanakao manontolo, raha toa ka mitsentsitra ela izy, raha toa ka tsy sorena izy sady falifaly, sy raha toa ka tsy manaintaina ny lohanononao.
Rahoviana no hisara-nono?
Aorian’ny herinandro vitsivitsy dia nanjary nifankahafantatra ianao sy ny zanakao, ary azo inoana fa efa nanorina fahazarana milamina sy mahafinaritra ianareo. Mandritra ireo efa-bolana ka hatramin’ny enim-bolana manaraka, dia tsy hila sakafo na fisotro hafa afa-tsy ny rononon-dreniny ny zanakao. Aorian’izany fotoana izany, dia tokony hampidirinao tsikelikely ireo sakafo hafa, toy ny legioma, ny kobana voamadinika, na ny voankazo nopotsehina. Mandra-pahatongan’ny fahasivy na ny fahafolo volany anefa, dia mbola ny ronononao no ho foto-tsakafony; koa tsara foana ny hampinonoana ny zanakao alohan’ny hanomezana azy sakafo mivaingana.
Hafiriana no tokony hanohizanao mampinono? Ela araka izay azo atao, hoy ny torohevitra omen’ny OMS. Reny maro no manohy mampinono tsara hatrany amin’ny faharoa taona, amin’ny fiahiana bebe kokoa ny amin’izay mahasambatra ny zanany noho ny amin’ny taonany. Ilay boky hoe Fikarakarana ny Zanakao Minono (anglisy) dia manambara toy izao: “Tsy sarotra ny mahita ny filan’ny zanatsika hinono hatrany — ny fifaliany rehefa minono ary ny alahelony rehefa tsy omena izany. Ny antony tsotra nefa mahery hanohizana mampinono dia ny mba hampifaly ilay zanaka.”
Porofon’ny maha-be fitiavana ny Mpamorona
Rehefa mampinono ny zanakao ianao, angamba amin’ny alina be iny, rehefa matory avokoa ny sisa amin’ny fianakaviana, dia eritrereto ilay Mpamorona an’io fandaharana io. Na dia tsy azonao aza ny fomba be kojakojany fandehan’ny vatana izay mahatonga azy io hety, dia hanampy anao hahita ny fahendrena sy ny fitiavana ananan’ny Mpamorona antsika ny fahagagana ny amin’ny fampinonoana.
Eritrereto izy io — tsy misy sakafo tsara ho an’ny zazakely noho ny rononon-dreniny. Izy io dia mahafeno tanteraka ireo zavatra takin’ny zazakely iray ho sakafo sy ho fisotro mandritra ireo volana voalohany amin’ny fiainana. Kanefa koa izy io dia fanafody mahagaga izay miaro amin’ny aretina. Izy io dia azo antoka, ara-pahasalamana, tsy mila fanomanana sy tsy andaniam-bola. Izy io dia azo ampiasaina hatraiza hatraiza ary mitombo ny famokarana azy arakaraka ny hitomboan’ilay zazakely.
Ary eritrereto ny amin’ny fahafinaretana entin’izy io ho an’ny reny sy ny zanaka. Ny fanomezana sakafo, ny fifampiresahana sy ny fifampikasohana amin’ny hoditra ary ny hafanana ara-batana amin’ny fampinonoana, ireo rehetra ireo dia manampy amin’ny fampandrosoana ny fatoram-pitiavana sy ny fifankahazoana am-po eo amin’ny reny sy ny zanany.
Tokony hoderaina fatratra tokoa ilay Mpamorona io fandaharana mahatalanjona io. Tsy isalasalana fa hamerina ny tenin’i Davida mpanao salamo, izay nanoratra toy izao koa ianao: “Hidera Anao [Jehovah] aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao”. — Salamo 139:14.
[Efajoro, pejy 29]
Ry Lehilahy Manambady, Aoka Ianao hitondra ny Fanohananao
• Ampahafantaro ny vadinao fa ankasitrahanao ny fampinonoana. Omeo toky ary tohano amim-pitiavana izy.
• Ampio ny vadinao hihinana sakafo voalanjalanja mandritra ny fitondrana vohoka sy mandritra ny fe-potoana hampinonoana ilay zazakely.
• Ataovy azo antoka fa mahazo fialan-tsasatra ampy izy. Ny vehivavy iray sasatra dia mety hanana fahasahiranana mba hamokatra ronono ampy. Afaka manampy azy hampihena ny entany ve ianao, amin’ny fikarakarana ny ankizy hafa na amin’ny fandraisana anjara amin’ny raharaha ao an-tokantrano?
• Raha tsy sorena fa falifaly ny vadinao, dia handeha tsara ny rononony. Ataovy izay hampifalifaly azy araka izay azonao atao. Henoy ireo zava-manahirana azy, ary ampio izy handamina azy ireo.
[Efajoro, pejy 30]
Ny Nono Ampifanoherina Amin’ny Biberao
“Ny rononon-dreny dia mahavelona kokoa, ara-pahasalamana kokoa, miaro ny zazakely amin’ireo aretina mahazatra, ary mampihena ny mety hahazoan’ny reny kanseran’ny fihary atodinaina sy ny kanseran’ny nono. Ankoatra ny maha-lafo vidy azy, dia matetika voatampoka be loatra amin’ny rano tsy madio ireo solon-dronono ho an’ny zazakely ary omena ny ankizy avy ao anatin’ny biberao tsy voatanika. Eo amin’ny fiaraha-monina mahantra, dia tena lehibe ny fahasamihafana, hany ka notombanana ho aina tanora 1 tapitrisa isan-taona no azo novonjena naneran-tany, raha toa ka niverina tamin’ny fampinonoana irery ireo renim-pianakaviana nandritra ny efatra ka hatramin’ny enim-bolana voalohany.” — Tatitra Momba ny Toetran’ny Ankizy Maneran-tany 1993 (anglisy), boky avoakan’ny Famoriam-bolan’ny Firenena Mikambana ho An’ny Ankizy.