FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/1 p. 7-11
  • Ireo Fanalahidin’ny Fampianarana Tsara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Fanalahidin’ny Fampianarana Tsara
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanohanan’ny ray aman-dreny, fanalahidy lehibe iray
  • Fiaraha-miasa amin’ny mpampianatra
  • Rehefa mody ny zanakao
  • Ampandrosoy ny fianarana sy ny andraikitra
  • Fahatsapan’ny mpianatra adidy, fanalahidy tena lehibe iray
  • Ny fiarahanay miasa amin’ny sekoly
    Ny Sekoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Afaka Manampy ny Ray Aman-dreny
    Mifohaza!—2012
  • Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Manomeza fanabeazana ireo zanakao hatramin’ny vao fahakelezany indrindra
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/1 p. 7-11

Ireo Fanalahidin’ny Fampianarana Tsara

VAO haingana izay, ny The New York Times dia nanasongadina tantara iray teo amin’ny fonony momba an’i Latoya, 16 taona, mpianatra ao amin’ny lise. Iraika ambin’ny folo taona izy, hoy izy, fony nanomboka nikapoka sy nametaveta azy ny rainy. Nandao ny fianakaviana ny reniny, izay nampiasa zava-mahadomelina. “Ilay fonenana”, hoy ny tatitra nataon’ilay gazety, “dia trano nilaozana iray tsy nisy toeram-pidiovana sy fivoahana, raha ny marimarina kokoa dia efitra iray nampahatahotra azy loatra ny natory tao.” Kanefa, niavaka i Latoya. Na dia teo aza izany rehetra izany, teo am-piandohan’itỳ taona itỳ dia prezidàn’ny National Honor Society tao amin’ny lise nisy azy i Latoya ary nitana mention Bien tamin’ny antsalany tamin’ny fianarana natokana ho an’ny mpianatra sangany.

Inona no afaka manampy ankizy iray, na dia avy amin’ny toe-piainana ratsy aza izy, mba hianarany tsara any an-tsekoly? Matetika ny fanalahidy iray ho amin’ny fampianarana tsara dia ny fananana olon-dehibe iray miahy — tsara kokoa raha ny iray amin’ny ray aman-drenin’ilay ankizy na izy roa — izay manohana sy tafiditra lalina amin’ny fampianarana ilay ankizy. Nihevitra izany ho zava-dehibe aoka izany ny mpianatra iray tamin’ny taona famaranana tao amin’ny lise, hany ka voatosika hilaza toy izao izy: “Miaraka amin’ny fanohanan’ny ray aman-dreny ihany no ahafahan’ny ankizy mitozo mianatra any an-tsekoly.”

Miombon-kevitra amin’izany ny ankamaroan’ny mpampianatra. Nilaza toy izao ny mpampianatra iray any New York: “Ho an’ny mpianatra tsirairay izay mianatra tsara sy mahavita fianarana — ary misy maro izy ireo — dia misy ray na reny izay nanohana foana.”

Fanohanan’ny ray aman-dreny, fanalahidy lehibe iray

Ny Reader’s Digest tamin’ny taona lasa dia namakafaka ilay fanontaniana hoe: “Nahoana ny mpianatra sasany no mianatra tsara kokoa noho ny hafa?” Iray tamin’ireo fanatsoahan-kevitra ny hoe “ireo fianakaviana mafy orina dia manome tombony ho an’ireo ankizy any an-tsekoly”. Manome fiheverana feno fitiavana ho an’ny zanany ny ray aman-dreny amin’ny fianakaviana toy ireny ary mampita amin’izy ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondran-tena sy zava-kendrena araka ny tokony ho izy. Izao anefa no nomarihin’ny raim-pianakaviana iray: “Tsy afaka manome tari-dalana araka ny tokony ho izy ianao raha tsy mahafantatra izay mitranga any an-tsekoly.”

Fomba tsara iray hahafantaran-javatra ny fitsidihana. Nanoratra toy izao ny reny iray izay zatra manao fitsidihana: “Rehefa mandeha amin’ny lalantsaran’ny sekoly misy ny zanako vavy aho dia mandre teny ratsy, teny mamoafady. Misy ankizy mifanoroka sy mifanafosafo hatraiza hatraiza — raha sarimihetsika izany dia ho nokilasina ho visa A.” Mety hanampy anao hahatakatra ny maha-sarotra ny hahazoan’ny ankizy amin’izao andro izao fampianarana tsara, ary koa ny hananany fiainana ara-pitondran-tena tsara, ny fitsidihana toy ireny.

Zava-dehibe ny nanamarihan’ny boky The American Teacher 1994 toy izao: “Ireo mpianatra izay niharan’ny herisetra dia azo inoana kokoa fa hilaza hoe ny ray aman-dreniny dia tsy mifandray firy amin’ny sekoly, toy ny amin’ireo fihaonana manokana amin’ny mpampianatra, fivorian’ny ray aman-dreny na fivorian’ny antokon’olona, na fitsidihana ny sekoly.”

Nampiharihary izay ilain’ny ray aman-dreny hatao ny reny be fiahiana iray. “Mankanesa any!”, hoy izy. “Aoka ho fantatry ny fitantanan-draharahan’ny sekoly fa liana amin’izay ianaran’ny zanakao ianao. Mitsidika matetika ny sekoly aho ary manatrika ny fampianarana.” Nanantitrantitra ny hasarobidin’ny maha-mpisolovavan’ny ankizy ny reny hafa iray. Hoy ny fanazavany: “Nankany amin’ny birao ny zanako mba hiresaka tamin’ny mpanolo-tsaina iray ary tsy noraharahaina ara-bakiteny. Rehefa nitondra ahy nankany ny zanako ny ampitson’iny, dia nikely aina izy ireo nanampy ahy — sy ny zanako.”

Itỳ renin-jazalahy efatra itỳ dia nanamafy koa ny maha-zava-dehibe ny hanehoana fahalianana amin’ny zavatra atao any an-tsekoly izay misy akony mivantana amin’ny fampianarana ny zanakao. “Tongava amin’ny andro atokana ho fitsidihan’ny ray aman-dreny ny sekoly, ny fampirantiana ara-tsiansa — na zavatra inona na zavatra inona mety hataon’ny zanakao ka anasana ny ray aman-dreny”, hoy izy. “Manome anao fahafahana hifankahita amin’ireo mpampianatra ny zanakao izany. Ilain’izy ireo ny mahafantatra fa mihevitra ny fampianarana ny zanakao ho tapany tena lehibe amin’ny fiainany, ianao. Rehefa mahafantatra izany ireo mpampianatra, dia mirona kokoa hanokana fotoana sy ezaka fanampiny ho an’ny zanakao izy ireo.”

Fiaraha-miasa amin’ny mpampianatra

Mety hihevitra ny ray aman-dreny sasany fa manana zava-dehibe kokoa hatao izy ireo amin’ireo takariva andaharan’ny sekoly fotoana manokana mba hifanampian’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra. Kanefa, raha ny marina, inona no zava-dehibe kokoa noho ny fanaovana ny tenanao ho mora hatonin’ireo izay miezaka hanampy ny zanakao hahazo fampianarana tsara? Tena zava-dehibe ny fiaraha-miasa tsaran’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra!

Any Rosia dia misy fandaharana tsara dia tsara mba hanatsarana ny fiaraha-miasan’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra. Raketina an-tsoratra eo amin’izay antsoina hoe Dnievnik — firaketana an-tsoratra ny zavatra atao isan’andro izay ampiarahina amin’ny kalandrie iray — ireo anjara rehetra ao an-tsekoly. Tsy maintsy mitondra ny Dnievnik-ny isaky ny mandeha mianatra ny mpianatra ka manome azy io ny mpampianatra rehefa angatahiny. Tsy maintsy mampiseho koa ny Dnievnik-ny amin’ny ray aman-dreniny, izay angatahina hanao sonia azy io isan-kerinandro, ireo mpianatra. Araka ny nomarihin’i Victor Lobachov, rain’ankizy efa mianatra any Moscou, dia “manampy ny ray aman-dreny hahafantatra tsara ireo anjaran’ny zanany sy ny naotiny, io fanazavana io”.

Ireo mpampianatra amin’izao andro izao anefa dia matetika no mitaraina fa tsy maneho fahalianana amin’ny fampianarana ny zanany ireo ray aman-dreny. Nilaza ny mpampianatra iray ao amin’ny lise any Etazonia fa nandefa taratasy 63 tamin’ireo ray aman-dreny izy indray mandeha mba hampahafantarana azy ireo ny amin’ny naoty ratsin’ny zanany any an-tsekoly. Ray aman-dreny telo monja no namaly tamin’ny fifandraisana taminy!

Marina tokoa fa mampalahelo izany! Tokony ho tafiditra lalina amin’ny fampianarana ny zanany ny ray aman-dreny, ary izany dia andraikitr’izy ireo voalohany indrindra. Nilaza marina ilay raharaha ny mpampianatra iray rehefa niteny hoe: “Ny zava-kendrena voalohany indrindra amin’ny fampianarana ara-dalàna dia ny hanohanana ny ray aman-dreny amin’ny famokarana olon-dehibe tanora mampiseho fahaiza-mandray andraikitra.”

Araka izany, dia tokony hanao ny dingana voalohany ny ray aman-dreny amin’ny fanaovana izay hahafantarana an’ireo mpampianatra ny zanany. Araka ny nilazan’ny renim-pianakaviana iray azy, dia “mila mahatsapa ho afaka hiantso anao an-telefaonina na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona ny mpampianatra”. Ary tokony handray an-tanan-droa — hampirisika mihitsy aza — an’ireo mpampianatra hiresaka malalaka momba ny zanany, ireo ray aman-dreny. Ny ray aman-dreny dia tokony hametraka fanontaniana voafaritra tsara toy ny hoe: Manan-java-manahirana amin’ny zanako ve ianao? Manaja ve izy? Manatrika ny fianarana rehetra ve izy? Tonga ara-potoana ve izy?

Ahoana raha milaza zavatra tsy mahafinaritra momba ny zanakao ilay mpampianatra? Aza mihevitra fa tsy marina izany. Mampalahelo fa tanora maro izay miseho ho manana fiainana mendri-kaja ao an-trano na any amin’ny toeram-panompoam-pivavahany no manana fiainana roa sosona, raha ny marina. Koa mihainoa amim-panajana an’ilay mpampianatra, ary hamarino izay lazainy.

Rehefa mody ny zanakao

Inona no tsapanao, amin’ny maha-ray na reny anao, rehefa miverina mody avy miasa ianao? Feno fihenjanana ve? Kivy ve? Mety hahatsapa ratsy kokoa noho izany aza ny zanakao rehefa mody avy mianatra izy. Koa nampirisika toy izao ny ray iray: “Ataovy ho zavatra mahafinaritra ny fodiana. Azo inoana fa sarotra ho azy ilay andro.”

Rehefa azo atao izany, dia azo antoka fa faniry ny haha-ao an-trano ny ray na ny reny rehefa tonga ilay ankizy. Araka ny nomarihin’ny reny iray, dia “tsy afaka milaza aminao izay mitranga ny ankizy raha tsy eo ianao mba hiresaka aminy. Koa mikezaka aho mba ho eo rehefa mody ny ankizy”. Tokony hahafantatra, tsy izay ataon’ny zanany ihany, fa izay heveriny sy tsapany koa, ny ray na ny reny. Mahafaoka fotoana sy ezaka be dia be ary fanadihadiana amim-pahalemem-panahy ny fanaovana izay hahafantarana izany. (Ohabolana 20:5). Zava-dehibe ny fifampiresahana isan’andro.

Hoy ny fanamarihan’ny mpampianatra iray ao amin’ny sekoly fanabeazana fototra any New York: “Amin’ny andro manokana iray dia mety ho nampitaina tamin’ny zanakao ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondran-tena mampiavaka ny vondron-tsekoly isam-paritra iray ao anatin’ny krizy.” Koa nampirisika toy izao izy: “Aoka ianao ho mailo ny amin’izay mitombo ao am-pon’ny zanakao. Makà fotoana, na manao ahoana na manao ahoana ny mety ho harerahanao, mba hampiresahana azy malalaka sy hanoloana izay fotopoto-pitsipika ara-pitondran-tena ratsy rehetra amin’ny tsara.” — Ohabolana 1:5.

Mitovy amin’izany koa fa nanoro hevitra toy izao ny mpampianatra mainty molaly iray ao amin’ny lise: “Toy izay hanontany fotsiny izay nitranga tany an-tsekoly, dia hahasoa ny hametrahana fanontaniana mivantana sy voafaritra tsara mikasika ilay andro sy ny zavatra natao nandritra io andro io. Tsy voatery hatao amin’ny fomba henjana na be adinadina izany, fa amin’ny fifanakalozan-kevitra tsotra toy ny resaka amin’ilay ankizy.”

Nampirisika mafy toy izao i Richard W. Riley, sekreteram-panjakana amerikana momba ny fampianarana: “Miresaha mivantana amin’ny zanakareo, indrindra fa amin’ireo zatovo, momba ireo loza entin’ny zava-mahadomelina sy ny alkaola ary momba ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondran-tena tianareo hananan’ny zanakareo. Mety hamonjy ny ain’izy ireo ny resaka manokana toy izany, na dia mahatonga anao ho saikatsaikatra aza izany.”

Na oviana na oviana ny ray na ny reny iray, indrindra fa izay manana andraikitra ao amin’ny kongregasiona kristiana, dia tsy tokony hanao izay hiheverana fa be atao loatra izy ka hoe tsy ho afaka hihaino ny zanany. Na dia mety hanelingelina aza ny mandre izay lazain’izy ireo, dia avelao ho fantatr’izy ireo amin’ny endrikao sy ny fihetsikao fa mahafaly anao ny firesahan’izy ireo malalaka aminao. Nanoro hevitra toy izao ny mpianatra iray: “Aza tafintohina rehefa miresaka momba ny zava-mahadomelina na ny momba ny lahy sy ny vavy any an-tsekoly ny zanakao.”

Noho ny faharavan’ny fiainam-pianakaviana, dia maro amin’izao andro izao no mety ho azo resahina ho “kamboty”. (Joba 24:3; 29:12; Salamo 146:9). Ao anatin’ny kongregasiona kristiana mazàna dia misy olona afaka manampy tanora izay mila fanampiana. Afaka manampy ve ianao?

Ampandrosoy ny fianarana sy ny andraikitra

Ny ankamaroan’ny tanora dia tsy mahatsapa ho adidy ny hianarana lesona sy ny hanaovana enti-mody, toy ny nataon’i Latoya, izay voalaza teo amin’ny teny fampidirana. Mila fampirisihana be dia be ny ankabeazany mba hianarana. Mikasika ny zanany mihitsy, dia hoy i Joseph Fernandez, lehiben’ny sekoly taloha tany New York: “Nanorina fotoam-pianarana tsy maintsy narahina izahay tao an-trano. Nataonay ho azo[n’ny zanakay] nampiasaina ireo boky, nampirisihinay ny fandehanana nankany amin’ny tranomboky, ary nataonay ho laharam-pahamehana ny fankanesana tany an-tsekoly sy ny fidirana lalina tamin’izany.”

Hoy ny mpitantan-draharahan’ny sekoly hafa iray: “Mila mametraka boky sy tantara manodidina ny zanatsika isika, araka ny fomba ametrahantsika televiziona sy sarimihetsika sy vidéos ary fivarotana goavana manodidina azy ireo ankehitriny.” Rehefa manao ny enti-modiny ny ankizy, dia mety ho azon’ny ray aman-dreny atao ny manao fandaharana mba ho eo akaiky eo manao fianarana na famakian-teny manokana ny tenany. Afaka mahita amin’izany ny zanakao fa mihevitra ny fampianarana ho sarobidy ianao.

Any amin’ny tokantrano maro dia ny televiziona no zava-tsarotra indrindra misakana ny fianarana. “Hatreo amin’ny faha-18 taonany”, hoy ny mpampianatra iray, “dia nandany adiny 11 000 tany an-dakilasy sy adiny 22 000 nijerena televiziona ny tanora.” Mety hilain’ny ray aman-dreny ny mametra ny fijeren’ny zanany televiziona, angamba amin’ny tsy fijeren’ny tenany afa-tsy indraindray ihany. Fanampin’izany, dia aoka ho tsapan’ny tenanao ho adidy ny hianaran-javatra miaraka amin’ny zanakao. Miaraha mamaky teny. Mandahara fotoana isan’andro mba hijerena ny enti-mody.

Any an-tsekoly ny zanakao dia hahazo anjara maro mba homanina. Hanatontosa izany ve izy ireo? Azo inoana fa hanao izany izy ireo raha toa ianao ka nampianatra azy hiantsoroka andraikitra ao an-tokantrano. Fomba lehibe iray hanaovana izany ny fanendrena azy ireo hanao raharaha ho fahazarana isan’andro. Avy eo, dia takio ny hanatontosan’izy ireo izany mifanaraka amin’ny fandaharam-potoana voafaritra tsara. Marina fa hitaky ezaka be dia be avy aminao ny fampiofanana toy izany, kanefa izany dia hampianatra ny zanakao hanana fahatsapana andraikitra izay ilain’izy ireo mba hahombiazana any an-tsekoly sy eo amin’ny fiainana any aoriana.

Fahatsapan’ny mpianatra adidy, fanalahidy tena lehibe iray

Nampahafantatra fanalahidy hafa ho amin’ny fampianarana tsara i Arthur Kirson, mpanolo-tsaina manome tari-dalana rehefa nilaza toy izao mikasika an’i Latoya, voalaza teo am-piandohana: “Ny fotoana voalohany nihaonako taminy dia taorian’ny iray tamin’ireo fisehoan-javatra lehibe tao an-tranony. Teo io ankizy io nipetraka, voarangotra ny tarehiny [noho ilay zavatra nolazaina fa fametavetana nataon-drainy]. Ary ny hany zavatra mba hitako fa nampanahy azy dia ny fianarany any an-tsekoly.”

Eny, fanalahidy tena lehibe iray ho amin’ny fampianarana tsara ny fahatsapan’ny ankizy mafy fa adidy ny fianarana. Hoy ny fanamarihan’ny tanora iray any New York: “Raha ny amin’ny sekoly amin’izao fotoana izao dia miankina tanteraka amin’ny mpianatra ny hamboleny fandrisihana ny tenany sy fifehezan-tena mba handraisany soa.”

Ohatra, nilazan’ny mpampianatra iray toy izao ny reny iray izay nanahy momba ny fampianarana ny zanany: “Aza manahy ianao Rtoa Smith. Kinga saina aoka izany i Justin, hany ka tsy hila hahafantatra ny fomba fanoratra izy. Hanana sekretera hanao izany ho azy izy.” Na manao ahoana na manao ahoana ny hakingan-tsain’ny ankizy iray, dia zava-dehibe ny hahaizana mamaky teny sy manoratra tsara — anisan’izany ny famoronana lahatsoratra mazava sy ny sora-tanana azo vakina ary ny tsipelina araka ny marina.

Manafintohina fa tsy nanohitra ny mpampianatra sasany rehefa nilaza toy izao ilay psikology fanta-daza atao hoe Carl Rogers: “Tsy misy olona tokony hanandrana hianatra zavatra izay tsy hitany ny maha-azo ampiharana azy.” Inona no maha-diso ny fanambarany? Araka ny tokony hiharihary dia matetika ny ankizy iray no tsy afaka mahita mialoha ny ho hasarobidin’izay asaina hianarany. Amin’ny toe-javatra maro dia tsy takatra ny hasarobidin’izany raha tsy rehefa amin’ny fiainana any aoriana. Mazava fa mila mahatsapa ny adidin’ny tenany ny ankizy iray amin’izao andro izao mba hahazoana fampianarana tsara!

Ohatra tsara i Cindy, 14 taona, ao amin’ny taona fahasivy, tanora izay mampiseho fahatsapana adidy toy izany. Hoy ny fanazavany: “Mijanona aho aorian’ny ora fianarana ary miresaka amin’ireo mpampianatra ka manjary mahafantatra azy ireo. Miezaka hamantatra izay iriny avy amin’ny mpianany aho.” Mihaino tsara koa izy ao an-dakilasy ary manao ho laharam-pahamehana ny enti-modiny. Rehefa mihaino ao an-dakilasy na rehefa mamaky teny ny mpianatra mahomby dia manao ho fahazarana ny manao izany miaraka amin’ny pensilihazo sy taratasy mora raisina mba hahafahan’izy ireo handray an-tsoratra tsara.

Tena zava-dehibe koa mba hahazoana fampianarana tsara ny fahatsapana fa adidy ny hanalavirana naman-dratsy. Hoy ny fitantaran’i Cindy: “Mitady foana olona izay manana fari-pitondran-tena tsara aho. Ohatra, anontaniako ireo mpiara-mianatra ny amin’izay heverin’izy ireo momba an-dRanona mampiasa zava-mahadomelina na manao firaisana amin’olona maromaro. Raha toa izy ireo ka milaza zavatra toy ny hoe: ‘Inona kosa moa no maha-ratsy an’izany?’, dia takatro fa tsy namana tsara izy ireo. Raha mampiseho rikoriko tokoa amin’ny fitondran-tena toy izany anefa ny olona iray ka milaza fa tiany ny ho hafa, dia hifidy ny hipetraka eo akaikiny aho amin’ny fotoan’ny sakafo antoandro.”

Mazava fa misy zava-tsarotra maro misakana ny fahazoana fampianarana tsara amin’izao andro izao. Azo atao anefa ny mahazo fampianarana toy izany raha samy mampiasa an’ireo fanalahidy, ireo mpianatra sy ray aman-dreny. Hodinihintsika manaraka ny fandaharana hafa iray izay afaka manampy anao be dia be amin’ny fahazoana fampianarana tsara.

[Efajoro, pejy 7]

Fampihantana sa Fifehezana Amim-pitiavana

Mampitandrina ny Baiboly fa mitarika ho amin’ny loza ny fampihantana ny tanora. (Ohabolana 29:21). Mifanaraka amin’izany, dia hoy i Albert Shanker, prezidàn’ny American Federation of Teachers (Federasionan’ny Mpampianatra Amerikana): “Misy ray aman-dreny mihevitra fa manao ny zava-drehetra amin’ny fomba tsara ho an’ny zanany izy raha manao ny zava-drehetra amin’ny fomba itiavan’ny ankizy hanaovan’izy ireo izany. Ary fantatsika fa ratsy izany.”

Tanora maro aza no mahafantatra fa ratsy ny fampihantana toy izany. Teo am-piandohan’itỳ taona itỳ dia nanao tatitra toy izao ny gazety iray any Massachusetts: “Hitan’ny fanadihadiana iray natao tamin’ny mpianatra 1572 ao West Springfield ao amin’ny taona fahenina ka hatramin’ny faharoa ambin’ny folo fa, ‘ny famelan’ny ray aman-dreny hanaram-po’, fa tsy ny faneren’ny mitovy taona amin’ny tena, dia hery mitaona lehibe kokoa iray mitarika ho amin’ny fampiasana zava-mahadomelina sy alkaola eo amin’ny ankizy amin’io sokajin-taona io.”

Anisan’ny nahatonga ny fihanahan’ny fanaovana firaisana amin’olona maro ny fampihantana toy izany ny tanora. Eny tokoa, araka ny lazain’ny Baiboly, dia mitondra henatra ho an’ny fianakaviana ny tsy fanomezana fifehezana. — Ohabolana 29:15.

[Efajoro, pejy 10]

Izay Azon’ny Ray Aman-dreny Atao

✔ Ataovy izay hahafantarana ny sekoly misy ny zanakao sy ny zava-kendreny ary ny fihetsiny manoloana ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondran-tena sy zavatra inoana tananao.

✔ Aoka ianao hanjary hifankahalala tsara amin’ireo mpampianatra ny zanakao, ary miezaha hanorina fifandraisana tsara eo amin’ny fiaraha-miasa amin’izy ireo.

✔ Manehoa fahalianana lalina amin’ny enti-modin’ny zanakao. Miaraha mamaky teny aminy matetika.

✔ Fero izay jeren’ny zanakao ao amin’ny televiziona sy ny habetsahan’izay jereny.

✔ Araho maso ny fahazaran’ny zanakao eo amin’ny sakafo. Mety hisy vokany ratsy eo amin’ny fahafahany mifantoka ny sakafo tsy manjary.

✔ Ataovy azo antoka fa ampy ny torimason’ny zanakao. Tsy mianatra tsara ny ankizy reraka.

✔ Miezaha hanampy ny zanakao hifidy namana mahasoa.

✔ Aoka ianao ho mpinamana be amin’ny zanakao. Mila namana matotra betsaka araka izay mety ho azony izy.

Izay Azon’ny Ankizy Atao

✔ Miaraka amin’ny fanampian’ny ray aman-dreninao, dia mamera tanjona eo amin’ny fianarana ka ataovy izay hanatratrarana izany. Miaraha midinika ny amin’ireny tanjona ireny amin’ny mpampianatra anao.

✔ Fidio amim-pitandremana ny sampam-pianarana harahinao, miaraka amin’ny fanampian’ny mpampianatra anao sy ny ray aman-dreninao. Amin’ny ankapobeny ny taranja azo isafidianana izay mora dia tsy ny tsara indrindra akory.

✔ Miezaha hanorina fifandraisana tsara amin’ny mpampianatra anao. Fantaro izay antenainy aminao. Miaraha midinika ny amin’ny fandrosoanao sy ny zava-manahirana anao amin’izy ireo.

✔ Mihainoa tsara any an-dakilasy. Aza manaiky ho voatarika hampiseho fihetsika tia manakorontana.

✔ Fanteno amim-pahendrena ny namanao. Afaka manampy na manakantsakana ny fandrosoanao any an-tsekoly izy ireo.

✔ Ataovy tsara araka izay azonao atao ny enti-modinao sy ny anjaranao. Omeo ny fotoana tsara indrindra izy ireny. Mangataha fanampiana amin’ny ray aman-dreninao na olon-dehibe matotra hafa iray raha mila izany ianao.

[Sary, pejy 8]

Mihainoa amim-panajana raha manana fitarainana momba ny zanakao ny mpampianatra iray

[Sary, pejy 9]

Anontanio momba ny fianarana ny zanakao isan’andro

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara