Fitaovana Nampandrosoana ny Fandidiana Fo ny Vavolombelon’i Jehovah
NATAON’NY Daily News any New York tamin’ny 27 Aogositra 1995 ho matoam-baovaon’ny tatitra nataony ny hoe “Ny Fandidiana Tsy Ampiasana Ra”. Nambarany fa ny Hospital-Cornell Medical Center (Foibem-pitsaboana Hopitaly Cornell) any New York dia tokony ho “nampiharihary fomba iray nisy fivoarana mba hanatontosana fandidiana hamiliana lalan-dra tsentsina eo amin’ny fo — ilay fandidiana notakin’i David Dinkins, Ben’ny Tanàna teo aloha, vao haingana — tsy misy fahaverezan-dra na dia indray mitete aza”.
“Nipoitra avy tamin’ny fanahian’ireo Vavolombelon’i Jehovah”, hoy ilay gazety, “ilay zava-mahatalanjona amin’ilay fomba fandidiana vaovao (...) ka ho hita taratra eo amin’ireo dolara ana hetsiny maro voatsitsy ho an’ireo hopitaly ary, ny zava-dehibe, dia ho kely kokoa ny mety hidiran’ny otrikaretina amin’ny alalan’ny ra ho an’ireo marary”. Hoy ny Dr. Todd Rosengart, lehiben’ilay fandaharana fandidiana tsy ampiasana ra ao amin’ilay hopitaly: “Azonay atao ankehitriny ny mampihena ny habetsahan’ny fampidiran-dra tena ilaina mandritra io fandidiana io, avy amin’ny fatra roa ka hatramin’ny efatra isaky ny marary ho [fatra] zero.”
Hoy ny Dr. Karl Krieger, mpandidy fo ao amin’ilay hopitaly sady nanampy tamin’ny fisavana lalana tamin’ilay fomba fandidiana: “Amin’ny fanesorana ny filana ran’ny mpanome ra sy zavatra vita amin’ny ra, izahay dia mampihena koa ny mety hahazoana fanaviana sy otrikaretina sasany aorian’ny fandidiana, mifandray ara-dalàna amin’ny fampidiran-dra.”
Milaza ny manam-pahaizana hafa fa “ny familiana lalan-dra tsentsina tsy ampiasana ra dia mampihena ny fotoana lany amin’ny fikarakarana manokana aorian’ny fandidiana — avy amin’ny adiny 24 na mahery ka hatramin’ny adiny enina monja. Ireo marary nodidiana tsy nampiasana ra dia afa-nitsangana sy afa-nivoaka ny hopitaly hatramin’ny adiny 48 aloha kokoa [noho ireo nampidiran-dra]”. Midika ho fitsitsiana goavana ho an’ireo hopitaly sy ny fitondram-panjakana ary ireo kompaniam-piantohana izany. Notombanan’ny Dr. Rosengart fa “io fandidiana io dia afaka mitsitsy, fara fahakeliny, $1 600 isaky ny marary”.
Nitohy toy izao ilay fitantaran’ny Daily News:
“Mahatsikaiky fa ilay fandidiana vaovao dia tsy nateraky ny fanerena ara-bola na ara-pitsaboana akory aza, fa nateraky ny hafanam-po ara-pivavahana kosa. Nitady fanampiana ho an’ireo mpikambana be taona efa ho fatin’ny aretim-po ny antokon’olona Vavolombelon’i Jehovah — izay manana zavatra inoana mandrara ny fampiasana fampidiran-dra. (...)
“Noho ny fiangavian’ny antokon’olona Vavolombelon’i Jehovah, dia natambatr’ireo dokotera ny teknikany fitsitsiana ra sy ireo fanafody vaovao. Izy ireo koa dia nahita fomba vaovao iray fampiasana ny milina mahazatra manao ny asan’ny fo sy ny havokavoka, ampiasaina mba hihazonana an’ireo marary ho velona mandritra ny fandidiana fo.
“Ho fanampin’ireo marary Vavolombelon’i Jehovah 40 tafiditra tao amin’ilay fandinihana mivantana voalohany, ny ekipa New York-Cornell, enim-bolana lasa izay, dia nampihatra ilay fandidiana tamin’ireo marary amin’ny ankapobeny. ‘Nanomboka tamin’izay, dia nahavita fandidiana hamiliana lalan-dra tsentsina tsy ampiasana ra, fandidiana 100 nisesy, tsy nahitana fahafatesana izy ireo’, hoy i Krieger. Tokony ho 2,3% ny taham-pahafatesana ho an’ny fandidiana ara-dalàna hamiliana lalan-dra tsentsina.”
Maneran-tany dia hopitaly 102 no nanampy tao aminy, fandaharana fandidiana tsy ampiasana ra, ka nahatonga an’ireny fomba fandidiana azo antoka kokoa ireny ho azo ampiharina amin’ny marary amin’ny ankapobeny maneran-tany.