FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/2 p. 21-23
  • Mitandrema Amin’ny Hakamoana Mamaky Teny

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitandrema Amin’ny Hakamoana Mamaky Teny
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo soa azo avy amin’ny famakian-teny
  • Fomba fijery voalanjalanja
  • Ny fomba azon’ny ray aman-dreny anampiana
  • Ny Baiboly — Fanampiana faran’izay tsara
  • Nahoana no Ilain’ny Ankizy ny Mamaky Teny? Fizarana 1: Hamaky sa Hijery?
    Ho An’ny Fianakaviana
  • Milofosa Amin’ny Famakian-teny
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fomba Hamakiana sy Hitadidiana
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Fandraisan-tsoa avy Amin’ny Famakiana Isan’andro ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/2 p. 21-23

Mitandrema Amin’ny Hakamoana Mamaky Teny

MANENIKA an’izao tontolo izao misy antsika ny karazana vaovao iray ny amin’ny olana amin’ny famakian-teny. Antsoina hoe hakamoana mamaky teny izy io. Izy io dia faritana hoe “fahafahana mamaky teny saingy tsy liana amin’ny fanaovana izany”.a (Merriam-Webster’s Collegiate Dictionary, Tenth Edition). Eny, ny famakian-teny — izay nanaranam-po tamin’ny naha-fahafinaretana azy taloha — dia matetika akifika ho toy ny latasy tsy mahafinaritra ankehitriny. “Tsy maintsy miady mafy ianao mba hamakian-teny”, hoy ny fitarainan’ny zazavavy 12 taona iray, “ary tsy mahafinaritra izany.”

Olon-dehibe maro no kamo mamaky teny koa. I Etazonia, ohatra, dia mirehareha fa 97 isan-jato ny tahan’ny isan’ny olona mahay taratasy; kanefa, tokony ho ny antsasaky ny olon-dehibe amerikana no mahalana vao mamaky boky na gazety! Mazava fa tsy miaraka foana amin’ny faniriana hamaky teny ny fahaizana mamaky teny. Marina izany na dia eo amin’ireo olona nahita fianarana ambony aza. “Rehefa tonga ao an-trano aho reraka aorian’ny andro nanasatra iray”, hoy ny lehilahy iray nahazo diplaoma tany amin’ny Oniversiten’i Harvard, “dia mandefa ny televiziona aho fa tsy maka boky. Mora kokoa izany.”

Inona no nitranga tamin’ny famakian-teny? Tato anatin’ireo am-polony taona faramparany, ny fitiavan’ny besinimaro azy io dia tsy nahatohitra ny fampitam-baovao misarika ny saina. “Izao isika manana MTV [Televiziona Mozika] — sy VCR [magnétoscope] sy Nintendo [kilalao vidéo] ary Walkman — izao dia toa tsy mora toy ny tamin’ny fotoana nilamina kokoa ny mieritreritra hoe hisasatra hamaky boky”, hoy ny nosoratan’i Stratford P. Sherman ao amin’ny gazety Fortune. Angamba ny zavatra mandany fotoana be indrindra mifaninana amin’ny famakian-teny dia ny televiziona. Eny tokoa, eo amin’ny faha-65 taonany ny Amerikana amin’ny antsalany dia ho nandany sivy taona tamin’ny fiainany nijerena televiziona!

Koa satria ireo valisoa amin’ny famakian-teny atao sorona matetika aoka izany ho an’ny televiziona, dia ho tsara ny handinihana izao manaraka izao.

Ireo soa azo avy amin’ny famakian-teny

Manentana ny fakana sary an-tsaina ny famakian-teny. Mieritreritra eo amin’ny toeranao ny televiziona. Ny zava-drehetra dia aseho mazava: ny toetoetry ny endrika sy ny fiovaovam-peo ary ny faritra taza-maso.

Amin’ny famakian-teny anefa, dia mifantina an’ireo mpilalao ianao, mametraka ny sehatra, sy mitarika ny fanaovan-javatra. “Manana fahalalahana be dia be tokoa ianao”, hoy ny zazalahy iray 10 taona. “Afaka maka sary an-tsaina ny mpilalao tsirairay araka izay fomba irinao hisehoany indrindra ianao. Mifehy kokoa an’ilay toe-draharaha ianao rehefa mamaky boky, noho ny rehefa mijery zavatra ao amin’ny televiziona.” Araka ny nomarihin’ny Dr. Bruno Bettelheim, “ny televiziona dia mambabo ny fakana sary an-tsaina fa tsy manafaka azy io. Ny boky tsara iray dia sady manentana no manafaka ny saina”.

Mampitombo ny fahaizana ara-pitenenana ny famakian-teny. “Tsy misy ankizy na olon-dehibe mihatsara kokoa amin’ny fijerena televiziona, arakaraka ny fanaovana izany bebe kokoa”, hoy ny fanamarihan’i Reginald Damerall ao amin’ny Oniversiten’i Massachusetts. “Ireo fahaizana takina [amin’ny fijerena televiziona] dia tsotra aoka izany, hany ka mbola tsy nahare ny amin’ny tsy fahaizana mijery televiziona isika.”

Mifanohitra amin’izany, ny famakian-teny dia mitaky sy mampitombo fahaizana ara-pitenenana; mifandray amin’ny fomba tsy azo sarahina amin’ny fitenenana sy ny fanoratana izy io. Hoy ny mpampianatra teny anglisy iray ao amin’ny lise: “Tsy misy isalasalana fa ny fahombiazanao amin’ny maha-mpianatra anao dia miankina betsaka indrindra amin’ny voambolanao, na eo amin’izay mety ho takatrao eo am-pamakianao teny, na eo amin’ny fomba fanjohianao hevitra eo am-panoratanao, ary tsy misy fomba na inona na inona hampitomboana voambolana tsara afa-tsy amin’ny alalan’ny famakian-teny — tsy misy mihitsy na dia iray aza.”

Mampandroso faharetana ny famakian-teny. Sary maherin’ny arivo no mety hiserana eo amin’ny efi-jerin’ny televiziona ao anatin’ny adiny iray monja, ka tsy mamela afa-tsy fotoana kely ho an’ilay mpijery mba hisaintsainana momba izay hitany. “Mamolavola ara-bakiteny hampifantoka ny saina mandritra ny fotoana fohy io teknika io”, hoy ny Dr. Matthew Dumont. Tsy mahagaga raha mampifandray ny fijerena televiziona tafahoatra amin’ny fanaovana fanapahan-kevitra amim-pahataitairana sy ny fiovaovan-kevitra — na eo amin’ny ankizy na eo amin’ny olon-dehibe — ny fandinihana sasany.

Mitaky faharetana ny famakian-teny. “Ireo fehezanteny sy fehintsoratra ary pejy dia miseho tsikelikely, misesy, sy mifanaraka amin’ny lojika izay tsy voavinavina avy hatrany velively”, hoy ny nosoratan’i Neil Postman, manam-pahaizana amin’ny fampitan-kevitra. Amin’ny hafainganam-pamakiany teny, ilay mpamaky dia tsy maintsy manazava ny hevi-teny sy manombana ary misaintsaina momba izay eo amin’ilay pejy. Ny famakian-teny dia fomba iray be kojakojany fanaovana izay hahatakarana hevitra, fomba izay mitaky — sy mampitombo — faharetana.

Fomba fijery voalanjalanja

Na dia eo aza ireo soa azo avy amin’ny famakian-teny, dia tsy maintsy ekena fa manana ny maha-tsara azy koa ny televiziona. Afaka manan-tombo amin’ny famakian-teny izy io raha ny amin’ny fampitana karazana fanazavana sasany.b Afaka manentana ny fahalianana ho amin’ny famakian-teny mihitsy aza ny zavatra aseho mahaliana be iray ao amin’ny televiziona. “Anaovana tatitra fa ireo fandaharana ao amin’ny televiziona izay mamoaka amin’ny fomba mampihetsi-po lalina ny literatiora sy ny siansa ho an’ny ankizy dia mitaona ny ankizy hitady boky momba an’ireo foto-kevitra ireo sy izay mifandray aminy”, hoy ny The Encyclopedia Americana.

Tena ilaina ny fomba fijery voalanjalanja. Fampitam-baovao roa samy hafa ny zavatra vita pirinty sy ny televiziona. Samy manana hery sy fetra raiki-tampisaka aminy ny tsirairay avy. Ny tsirairay avy dia azo ampiasaina — na ampiasaina amin’ny fomba ratsy. Eny, ny famakian-teny tafahoatra izay tonga hatramin’ny fitokanana irery dia afaka manimba tsy misy hafa amin’ny fijerena televiziona tafahoatra. — Ohabolana 18:1; Mpitoriteny 12:12.

Kanefa, matetika ny famakian-teny no atao tsinontsinona noho ny fitiavana kokoa ny fialam-boly jeren’ny maso. Milaza ny alahelony toy izao ny mpanao gazety japoney iray: “Miala avy amin’ny kolontsain’ny mpamaky teny ho amin’ny an’ny mpijery isika.” Voamarika indrindra izany eo amin’ny tanora. Vokatr’izany, dia maro amin’izy ireo no kamo mamaky teny eo am-pitomboany ka any aoriana dia mijaly noho ny vokatr’izany. Noho izany, ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany hamboly faniriana hamaky teny?

Ny fomba azon’ny ray aman-dreny anampiana

Manomeza ohatra. Manome izao fananarana mifanentana izao ny lahatsoratra iray ao amin’ny Newsweek, mitondra ny lohateny hoe “Ny Fomba Hitaizana Mpamaky Teny Tsara”: “Raha mandany fotoana be dia be eo anoloan’ny televiziona ianao, dia azo inoana fa ho toy izany koa ny zanakao. Etsy an-danin’izany, raha mahita anao migalabina amim-pifaliana mamaky boky tsara iray ireo zanakao, dia ho takatr’izy ireo fa tsy manao teny lavareny fotsiny momba ny famakian-teny ianao, fa mampihatra izany koa.” Ny mbola tsara kokoa, dia mamaky teny mafy amin’ny zanany ny ray aman-dreny sasany. Amin’ny fanaovany izany, izy ireo dia mamorona rivo-piainana mafana — zavatra izay mampalahelo fa tsy misy ao amin’ny fianakaviana maro amin’izao andro izao.

Manangàna fitahirizam-boky. “Asio boky eo amin’ny manodidina — boky be dia be”, hoy ny torohevitry ny Dr. Theodore Isaac Rubin. “Tadidiko ny famakiana azy ireny satria teo izy ireny ary satria namaky azy ireny koa ny hafa rehetra.” Hamaky ny ankizy raha azo raisina mora foana ireo boky. Ho lehibe kokoa mihitsy aza ny faharisihana hamaky raha anisan’ny fitahirizam-bokiny manokana ireo boky.

Ataovy mahafinaritra ny famakian-teny. Voalaza fa raha tia mamaky teny ny ankizy iray, dia ny antsasaky ny ady eo amin’ny fianarana no vita. Koa ataovy ho fanandraman-javatra mahafinaritra ho an’ny zanakao ny famakian-teny. Amin’ny fomba ahoana? Voalohany, dia asio fetrany ny fotoana hijerena televiziona; saika omena ny laharam-pahamehana eo alohan’ny famakian-teny foana izy io. Faharoa, dia mamoròna rivo-piainana izay mitarika ho amin’ny famakian-teny; manasa ho amin’ny famakian-teny ny fotoana sy ny faritra mangina, toy ny fitahirizam-bokin’ny tena misy jiro manazava tsara. Fahatelo, dia aza anerena ny famakian-teny. Ataovy izay hisian’ny fitaovana sy ny fahafahana hamakian-teny, kanefa avelao ilay ankizy hamboly ilay faniriana.

Manomboka mamaky teny amin’ny zanany aloha be ny ray aman-dreny sasany. Mety hahasoa izany. Milaza ny manam-pahaizana sasany fa eo amin’ny fahatelo taonany, ny ankizy iray dia mahatakatra ny ankamaroan’ny teny amin’ilay fiteny hampiasainy amin’ny resadresaky ny olon-dehibe mahazatra — na dia mbola tsy mahalaza tsara ireo teny ireo aza izy. “Manomboka mianatra mahatakatra ny fiteny aloha kokoa sy haingana kokoa noho ny mianatra mampiasa azy io am-bava ny ankizy”, hoy ny boky The First Three Years of Life. Hoy ny Baiboly ny amin’i Timoty: “Raha mbola zazakely ianao dia efa nahafantatra ny soratra masina”. (2 Timoty 3:15, NW ). Ilay teny hoe zazakely dia avy amin’ny teny latina hoe infans, izay midika ara-bakiteny hoe “tsy mpiteny”. Eny, nandre an’ireo teny ao amin’ny Soratra Masina ela be talohan’ny nahafahany niteny izany i Timoty.

Ny Baiboly — Fanampiana faran’izay tsara

“Fitambarana haisoratra mahatalanjona ny Baiboly”, hoy ny boky The Bible in Its Literary Milieu. Eny tokoa, ireo bokiny 66 dia mirakitra rindran-teny poetika, hira, sy filazalazana ara-tantara izay azon’ny tanora sy ny antitra koa ianarana. (Romana 15:4). Ankoatra izany, ny Baiboly dia “ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa ho fampianarana, ho fananarana, ho fandaminan-javatra, ho fifehezana amin’ny rariny”. — 2 Timoty 3:16, NW.

Eny, ny fitaovana famakian-teny lehibe indrindra azo raisina dia ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Noho ny antony tsara no nitakiana tamin’ny mpanjaka isiraelita tsirairay avy mba hananana kopia manokana amin’ny Soratra Masina ka ‘hamakiana izany amin’ny andro rehetra hiainany’. (Deoteronomia 17:18, 19). Ary nodidiana i Josoa mba hamaky ny soratra masina “amin’ny feo iva” — izany hoe anakampo, amin’ny feo malemy — “andro aman’alina”. — Josoa 1:8, NW.

Ekena fa misy tapany amin’ny Baiboly tsy mora vakina. Mety hitaky fampifantohana ny saina izy ireo. Tadidio fa nanoratra toy izao i Petera: “Tahaka ny zaza vao teraka, dia mampitomboa faniriana mafy ny ronono tsy misy fangarony izay an’ny teny.” (1 Petera 2:2, NW ). Miaraka amin’ny fanazaran-tena, ny fironana ho amin’ny ‘rononon’ny’ Tenin’Andriamanitra dia mety ho tonga ara-dalàna toy ny fanirian’ny zazakely fatratra ny rononon-dreniny, ary izany dia faniriana tonga ho azy. Azo ambolena ny fankasitrahana ny famakiana ny Baiboly.c Mendrika tsara ny hanaovana ezaka izany. “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao”, hoy ny nosoratan’ny mpanao salamo. (Salamo 119:105). Moa ve isika rehetra tsy mila izany tari-dalana izany amin’izao fotoana misamboaravoara misy antsika izao?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tsy tokony hampifangaroina amin’ny “tsy fahaizana taratasy”, izay “tsy fahaizana mamaky teny na manoratra”, ny hakamoana mamaky teny.

b Noho ny fanekena izany, dia nampian’ny Fikambanana Watch Tower vidéocassettes momba ny foto-kevitra samihafa mifandray amin’ny Baiboly ny famoahany zavatra vita pirinty, tato anatin’ireo taona faramparany.

c Mba hanampiana ny ankizy hampitombo faniriana fatratra ny fahalalana ny Baiboly, ny Fikambanana Watch Tower dia namoaka fitaovana fianarana Baiboly notsorina, toy Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly sy ny Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe. Samy misy amin’ny cassettes koa ireo boky roa ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara