Ny Fiheveran’ny Baiboly
Natao ho An’ny Kristiana ve ny Fandihizana?
“TSY mahajery an’io aho. Tsy maintsy mandeha mivoaka aho”, hoy ny bitsibitsik’ilay tovolahy tamin’ny vadiny rehefa iny izy nitsangana niala tamin’ny toerany iny ka nandao ilay efitra mba handehandeha hifoka ny rivotry ny alina mangatsiatsiaka. Sanganehana izy.
Nasain’ny namana ho amin’ny fiaraha-mikorana iray izy sy ny vadiny. Nanapa-kevitra ireo tompom-panasana ny hanao fampisehoana an-dampihazo, izay nahafaoka vehivavy telo nandihy. Toa tsy nihontsina ny sisa tamin’ny mpijery. Moa ve izy mora tafintohina loatra? Moa ve ireo mpandihy tsy naneho fihetseham-po anaty sy nankafy ny fahalalahana handihy fotsiny? Andeha isika hanandrana hahatakatra ny hevitry ny dihy araka ny fomba fijery kristiana.
Fampitan-kevitra ny fandihizana
Ny iray amin’ireo fomba ampitan’ny olombelona hevitra dia amin’ny alalan’ny fihetsehana na ny fihetsika. Ohatra, tamin’ny fivahiniana tany amin’ny tany iray, dia mpitsidika maro no gaga nahafantatra fa ny fihetsika iray noheverin’izy ireo ho tsy mampaninona dia manana heviny hafa tany — angamba heviny iray tsy faniry. Nanazava toy izao ny misionera taloha iray tany amin’ireo Nosy Salomon sy i Malaysia ary i Papouasie-Nouvelle-Guinée: “Any amin’ny faritra sasany dia misy fihetsika mifono hevitra momba ny lahy sy ny vavy ampifandraisina amin’ny fihetsiky ny vatana sasany. Ohatra, rehefa mipetraka ambany ny vehivavy iray, dia heverina fa tsy mendrika ny handinganan’ny lehilahy iray ny ranjony. Toy izany koa, izany dia tsy misy hafa amin’ny hoe tsy fahamaotinana ny handehanan’ny vehivavy iray eo anoloan’ny lehilahy iray izay mipetraka ambany. Amin’ireo toe-javatra roa ireo, dia misy heviny an-kolaka momba ny lahy sy ny vavy tsikaritra avy hatrany.” Na tsapantsika izany na tsia, dia miteny ny fihetsiky ny vatantsika. Tsy tokony hahagaga, noho izany, raha nampiasaina ho endriny iray amin’ny fampitan-kevitra ny fandihizana nandritra ny tantara manontolo.
Azo aseho amin’ny dihy ny karazana fihetseham-po rehetra — manomboka amin’ny fifaliana sy ny fibitahana amin’ny fankalazana iray ka hatramin’ny fanomezam-boninahitra fombafomba sy fanao nentim-paharazana ara-pivavahana. (2 Samoela 6:14-17; Salamo 149:1, 3). Izao no ambaran’ny The New Encyclopædia Britannica: “Mampita hevitra amin’ny mpijery amin’ny fomba roa miavaka tsara ilay mpandihy, na amin’ny alalan’ny famoahana fihetseham-po amin’ny alalan’ny vatana ary koa ny endrika, na amin’ny alalan’ny fomba filazan-kevitra sarotra iray aseho amin’ny fakana tahaka sy ny fihetsehana.” Amin’ny dihy sasany ilay fampitan-kevitra dia mety ho toa tena mazava tsara. Amin’ny endrika dihy hafa, dia olona mahafanta-javatra vitsy monja no mety hahatakatra ilay fomba filazan-kevitra. Ohatra, amin’ny dihy mirindra kilasika, ny tanana eo amin’ny fo dia manondro fitiavana, fa ny fanondroana ny rantsantanana fahefatra amin’ny tanana havia kosa dia midika ho fanambadiana. Amin’ny opéra sinoa, ny fandehanana manao faribolana iray dia manondro fanaovana dia lavitra, fa ny fihodidinana ny sehatra sady mitana karavasy mahitsy marin-drano kosa dia milaza fitaingenana soavaly; ny saina mainty iray taritaritina mamakivaky ny sehatra dia tafio-drivotra, fa ny saina manga tanora iray kosa dia midika ho tsio-drivotra. Noho izany, eo amin’ny fihetsika sy fihetsehana amin’ny dihy, dia mampita hevitra ny vatana. Mendrika foana anefa ve ilay hafatra?
Fandihizana — Mendrika sy tsy mendrika
Afaka ny ho endri-pialam-boly sy fampiasan-tena mahafinaritra ny fandihizana. Mety ho fanehoan-kevitra madio sy amim-pahatsorana izy io, mampiseho fifaliana ara-batana noho ny fahatsapana fahafinaretana tanteraka satria velona ny tena, na noho ny fankasitrahana ny hatsaram-pon’i Jehovah. (Eksodosy 15:20; Mpitsara 11:34). Mety hahafinaritra ny dihy ataon’antokon’olona sy ny dihy nentim-paharazana sasany. I Jesosy, tao amin’ilay fanoharany ny amin’ilay zanaka mpandanilany foana, dia nanisy firesahana mihitsy aza ny amin’ny antokona mpandihy iray, miharihary fa tarika mpandihy nokaramaina iray, izay tapany tamin’ilay lanonana. (Lioka 15:25). Koa mazava àry fa tsy manameloka ny dihy amin’ny maha-izy azy ny Baiboly. Kanefa, tena mampitandrina ny amin’ny fanairana eritreritra sy faniriana ratsy izy io. Amin’io lafiny io no mety ho tsy maotona, hampidi-doza ny fahasalamana ara-panahin’ny olona iray mihitsy aza, ny karazana fandihizana sasany. (Kolosiana 3:5). Nanomboka tamin’ny andro fahiny, ny fandihizana dia nanaitra ny filan’ny nofo indraindray ary nampiasaina ho amin-java-kendrena nanimba. — Ampitahao amin’ny Matio 14:3-11.
Fantatr’i Satana Devoly, ilay Fahavalontsika, fa fiadiana mahery eo am-pelatanany ny fikambanan’ny fihetsika amin’ny dihy sy ny eritreritra tsy mendrika. (Ampitahao amin’ny Jakoba 1:14, 15.) Fantany tsara ny fanintonana ara-nofon’ny vatana eo am-pihetsehana sy ny fomba ahafahan’izy io mampiditra haingana eritreritra manaitra ny filan’ny nofo. Nampitandrina ny apostoly Paoly fa tapa-kevitra ny hamitaka antsika i Satana mba hahatonga ‘ny saintsika ho simba hiala amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy’. (2 Korintiana 11:3). Alao sary an-tsaina ny ho fifalian’ny Devoly raha toa isika, amin’ny alalan’ny fijerena na ny fandraisana anjara amin’ny fandihizana tsy maotona, ka mamela ny saintsika hitselika ao anatin’ny lobolobon’ny fisainana maloto ara-pitondran-tena. Vao mainka ho finaritra izy raha ampanaranana ny faniriantsika tsy voafehy ka manjary midi-kizo amin’ny fitondran-tena tsy mendrika isika. Nampiasa fihetsika sy dihy ho amin’izany zava-kendrena izany izy tamin’ny lasa. — Ampitahao amin’ny Eksodosy 32:6, 17-19.
Mendrika sa tsy mendrika — Ny fomba amantarana izany
Noho izany, na ataon’antokon’olona ny dihy iray, na ataon’olon-droa, na ataon’olona iray monja, raha miteraka eritreritra maloto ao anatinao ao ireo fihetsika, amin’izay ilay dihy dia manimba anao, na dia mety tsy ho toy izany aza izy io ho an’ny hafa.
Nomarihin’ny sasany fa amin’ny dihy maoderina maro, dia tsy mifampikasika akory ireo miara-mandihy. Kanefa, moa ve ny fikasihana no tena raharaha iadian-kevitra? Mamintina ilay raharaha ny Britannica amin’ny filazana fa “mitovy ny vokany farany — fahafinaretana ara-batana eo am-panaovana dihy sy fahatsapan’ny iray amin’ireo miara-mandihy fahataitairana eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy, na fihinina izy na jerena amim-pahalianana tapany”. Fahendrena ve ny “fahatsapan’ny iray amin’ireo miara-mandihy fahataitairana eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy” ivelan’ny fehim-panambadiana? Tsia, raha araka ny fanambaran’i Jesosy hoe “izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady”. — Matio 5:28.
Safidinao raha handihy ianao na tsia. Mety hanampy anao hanapa-kevitra amim-pahendrena ny fisaintsainana ireto fanontaniana manaraka ireto. Inona no zava-kendren’itỳ dihy itỳ? Manao ahoana ny lazany? Inona no asongadin’ireo fihetsika amin’ilay dihy? Eritreritra sy fihetseham-po inona avy no hetsehiny ato amiko? Faniriana inona avy no tairiny ao amin’ilay miara-mandihy amiko na ao amin’izay mijery? Azo antoka fa tokony hanaraka ny feon’ny fieritreretany ny olona iray, toy ny nataon’ilay tovolahy manambady teo amin’ny teny fampidirana nataonay, na inona na inona ataon’ny hafa.
Tondroin’ny Baiboly fa tian’ny Mpamorona ny hankafizantsika ireo fanomezana ny amin’ny hatsaran-tarehy sy ny ngadona ary ny fihetsika mirindra. Eny, ankafizo izy ireny — kanefa tazony ao an-tsaina fa rehefa mandihy ianao, dia miteny ny vatanao. Tadidio ny toro lalana nomen’i Paoly ao amin’ny Filipiana 4:8, manao hoe: “Na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahate-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.”
[Sary nahazoan-dalana, pejy 30]
Picture Fund/Courtesy, Museum of Fine Arts, Boston