Vokatra Fampiasa Amin’ny Zavatra Maro Sady Mareva-doko
INONA no iombonan’ny solika gas-oil, ny sakafon’omby, ny savony, sy ny margarine? Any amin’ny tany sasany, ireo zavatra rehetra ireo dia vokarina amin’ny fampiasana ny zavamaniry colza, izay manana voniny mavo madera.
Heverina manokana ho sarobidy, noho ny voany be menaka, io zavamaniry mareva-doko anisan’ny fianakavian’ny voan-tsinapy io, izay vokarina any amin’ny tapany amin’i Eoropa, i Azia, sy i Amerika Avaratra. Hatramin’ny 40 isan-jaton’ny voan’ny colza dia menaka, izay azo ampiasaina amin’ny zavatra isan-karazany.
Ampiasaina amin’ny fanaovana sakafo ny ankamaroan’ny menaky ny colza — angamba hatramin’ny 90 isan-jato. Ampiasaina amin’ny fanaovana margarine, bisikoy (biscuit), lasopy, gilasy, sy zavamamy, izy io. Azo ampiasaina koa mba hamokarana solika gas-oil izay tsy mandoto firy anefa ny menaky ny colza, ka mampihena amin’izany ny fanimbana ny tontolo iainana. Rehefa voadio ilay menaka, dia azo ampiasaina koa mba hanisiana menaka amin’ny milina mora simba, ary rehefa azo izy io, dia azo poretina ho lasa vongana iray feno proteina sy ilaina mba ho sakafom-biby ny faikany.
Vokatra fampiasa amin’ny zavatra maro re izany! Marina tokoa fa afaka milaza toy ny nataon’ny mpanao salamo isika hoe: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra”. — Salamo 104:24.