FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/10 p. 31
  • Fiaraha-monina Eo Ambony Tongo-kazo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiaraha-monina Eo Ambony Tongo-kazo
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Toeram-piafenana lasa zava-manintona mpizaha tany
  • Victoria — Ilay Farihy Lehiben’i Afrika
    Mifohaza!—1998
  • “Fitaterana Tonga Lafatra” any Kanada ny Lakana
    Mifohaza!—2010
  • Trondro
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ilay Renirano Mikoriana Miverina
    Mifohaza!—2008
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/10 p. 31

Fiaraha-monina Eo Ambony Tongo-kazo

Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! atsy Bénin

“IRAY amin’ireo zava-manintona voalohany ny mpizaha tany atsy Bénin i Ganvié”, hoy ny fanambaran’ny mpitari-dalana amin’ny fitetezan-tany manketo Afrika Andrefana. Hoy ny iray hafa: “Ny Afrikana mihitsy koa dia variana amin’i Ganvié; hahita mpizaha tany afrikana maro toy ny [mpizaha tany] tandrefana ianao.”

Miavaka tokoa i Ganvié. Vohitra iray misy mponina 15 000 izy io, izay miorina eo amin’ny tongo-kazo eo ambonin’ireo ranon’ny Farihy Nokoué, avaratra amin’i Cotonou, eto Bénin. Tsy misy bisikilety, tsy misy fiara, tsy misy lalan’ny mpandeha an-tongotra, sy tsy misy lalana, ao Ganvié. Raha te ho any an-tsekoly, ho any an-tsena, ho any amin’ny toeram-pitsaboana, ho any an-tranon’ny mpiara-monina iray, na ho any an-toeran-kafa, ireo mponina, dia miditra ao anaty lakana iray vita tamin’ny hazo iroko noloahana.

Manana lakana maromaro ny ankamaroan’ireo fianakaviana — iray ho an’ny Ray, iray ho an’ny Reny, ary indraindray iray ho an’ny ankizy. Mianatra mivoy dieny mbola kely ny ankizy. Eo amin’ny fahadimy taonany, ny zaza iray dia mahatondra lakana irery. Tsy ela izy dia matoky tena tsara ka mahajoro ao anaty lakana iray mba hanipy harato fanjonoana kely. Ankafizin’ny ankizy sasany ny manintona ny sain’ireo mpitsidika amin’ny fijoroana amin’ny lohany ao anaty lakany.

Eo amin’ny tsena mitsinkafon’i Ganvié, ireo mpivarotra, izay vehivavy ny ankamaroany, dia mipetraka ao anaty lakany miaraka amin’ireo entam-barony miavosa eo anoloany — zavatra manamanitra sakafo, voankazo, trondro, fanafody, kitay, labiera, sy radio mihitsy aza. Satroka mololo be sofina no manaloka azy ireo amin’ny masoandro tropikaly eo am-pivarotany amin’ny olon-kafa, izay mivoy ny lakany mankeo mba hividy zavatra. Indraindray ireo mpivarotra dia ankizivavy kely. Aza manaiky ho voafitaky ny taonany! Mianatra dieny mbola kely ny fahaizan’ny mpivarotra manao fandraharahana amim-pahakingana izy ireo.

Raha mbola mividy sy mivarotra ao an-tsena ireo vehivavy, ireo lehilahy kosa dia mikarakara ny fanjonoana, na ny fiompiana trondro, raha ny marina kokoa. Tafiditra amin’ny fomba fisamborany trondro ny fandentehana rantsankazo an-jatony maro ao amin’ny fanambanin’ny rano marivo feno fotaka, mba hamoronana alan-drantsankazo matevina. Mirohotra mba hihinana ireo rantsankazo mihalo ny trondro. Rehefa afaka andro vitsivitsy, dia miverina miaraka amin’ny haratony ireo lehilahy mba hanangona ny trondro.

Toeram-piafenana lasa zava-manintona mpizaha tany

Ireo Toffinu ao Ganvié dia tsy hoe “Olon’ny Rano” foana akory, araka ny ahafantarana azy ireo amin’izao andro izao. Teo am-piandohan’ny taonjato faha-18, dia nankeo amin’ilay farihy sy ireo heniheny izy ireo mba handosirana ny fanenjehan’ny fanjakana afrikana nifanila taminy. Milaza ireo manam-pahaizana manokana fa ilay anarana hoe Ganvié dia mampiseho taratr’io tantara io, satria amin’ny fiteny toffin, ny teny hoe gan dia azo adika hoe “voavonjy izahay”, ary ny teny hoe vie dia midika hoe “fiaraha-monina”. Araka izany, ny anaran’io renivohitr’ireo tanàna eo amin’ny farihy io dia azo adika amin’ny heviny malalaka hoe “ny fiaraha-monina izay nahita fandriampahalemana ihany”.

Fomba fiady nahomby ny fitadiavana handositra teo amin’ilay faritra feno heniheny manodidina ny Farihy Nokoué, satria tsy namela ny miaramila na iza na iza hanao vivery teo amin’ny rano na ireo faritra mety ho tondra-drano ny finoana ara-pivavahan’ilay fanjakana rafiny. Koa nanome fomba ivelomana sy toeram-pialokalofana amin’ny fahavalo ilay farihy. Hafahafa ny hoe io faritra malaza ankehitriny io, izay tsidihin’ny mpizaha tany sesehena amin’ny lakana mandeha maotera, dia toeram-piafenana taloha.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara