FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/10 p. 26-27
  • Ilay Fitiavana Izay Manery

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay Fitiavana Izay Manery
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Rehefa mipoitra ireo tafio-drivotra
  • Ilay fitiavana izay mihazona antsika ho iray
  • Hazonin’ny Vatofantsiky ny Fanantenana, Atosiky ny Fitiavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • “Tsy Hisy Hamoy ny Ainareo Ianareo”
    ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Ny Fivavahanao — Sambo Iray Izay Tsy Tokony Hilaozana Mihitsy Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Nandresy Fahoriana i Paoly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/10 p. 26-27

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Ilay Fitiavana Izay Manery

TAMIN’NY 1978, dia nisy tafio-drivotra mahery teo amin’i Atlantika Avaratra namerimberina namely ny Queen Elizabeth 2, sambo haitraitra nanaraka zotra an-dranomasina tsy niova. Nisy onja avo toy ny trano misy rihana sivy, niantonta teo amin’ilay sambo, ka nahatonga azy io hitranga mihemotra tahaka ny bosoa. Nianjera ny fanaka sy ireo mpandeha, rehefa nilentika dia niakatra tampoka tamin’ny fomba tsy voafehy ny lohan’ilay sambo. Tamin’ny fomba niavaka, dia tsy nisy afa-tsy fahavoazana kely teo amin’ireo mpandeha 1 200. Nitana ilay sambo tsy ho vaky ny fahaiza-nitantana tsara ara-teknika sy ireo fitaovana tsara ary ny fomba nanamboarana azy tsara.

Taonjato maro lasa izay, dia nisy sambo hafa nogejain’ny tafio-drivotra nahery vaika. Tao amin’ilay sambo ny apostoly Paoly sy ny olon-kafa 275. Natahotra ireo tantsambo hoe ho potika ilay sambo noho ny hamafin’ilay tafio-drivotra, ka toa nanisy “fitaovana fanampiana” (NW ) — rojo vy na mahazaka — tao ambanin’ilay sambo avy tamin’ny ilany iray nankeo amin’ny ilany iray izy ireo, mba hihazonana ireo hazo fisaka izay nahaforona ny vatan’ilay sambon’ny mpandranto, hitambatra. Voavonjy ny mpandeha rehetra tao anatiny, na dia tsy voavonjy aza ilay sambo. — Asan’ny Apostoly toko faha-27.

Indraindray ireo fisedrana eo amin’ny fiainana dia mety hahatonga antsika hahatsiaro ho toy ny hoe ao anatin’ny sambo iray eo amin’ny ranomasina misamboaravoara. Afaka manafotra antsika ka mitsapa ny fitiavantsika hatramin’ny fetra farany ireo onjan’ny tebiteby, ny fahadisoam-panantenana, sy ny fahaketrahana. Mba hahazakantsika tafio-drivotra toy izany ka hanalavirantsika ny fahapotehana, dia mila fanampiana sasany koa isika.

Rehefa mipoitra ireo tafio-drivotra

Voatantara tsara ao amin’ny Baiboly araka ny filaharan’ny fotoana, ny finoana sy ny fiaretan’ny apostoly Paoly. Niasa fatratra ho tombontsoan’ireo kongregasiona kristiana tany am-boalohany izy. (2 Korintiana 11:24-28). Ireo zava-bitany teo amin’ny asan’ny Tompo dia manome teny fanamarinana mazava ny amin’ny fitiavany lalina an’ireo mpiara-belona taminy sy ny fifandraisany mafy tamin’Andriamanitra. Na dia izany aza, dia tsy hoe nisosa foana akory ny fiainan’i Paoly. Na tamin’ny heviny ara-bakiteny na tamin’ny heviny ara-panoharana, dia nizaka tafio-drivotra maro ilay apostoly.

Tamin’ny andron’i Paoly, rehefa nifanehatra tamin’ny tafio-drivotra nahery vaika ny sambo iray, dia niankina tamin’ny fahaizan’ilay antokon-tantsambo, ary koa tamin’ny fomba nihazonana tsara ilay sambo hitambatra, ny fahatafitana velon’ireo mpandeha sy ny fahatafitan’ilay sambo. Tsy latsaka noho izany no nitranga rehefa nifanehatra tamin’ny tafio-drivotra ara-panoharana ilay apostoly. Na dia nizaka famoizan-javatra sy fampidirana am-ponja ary fampijalijaliana ara-batana aza i Paoly, dia avy tao anatin’ny kongregasiona kristiana ny tafio-drivotra mafy indrindra nisedra ny fitoerany ho mafy orina ara-panahy sy ara-pihetseham-po sy ny fahaizany ho tia hatrany.

Ohatra, tsy nitandro hasasarana i Paoly niasa fatratra nandritra ny herintaona sy tapany mba hanorenana ny kongregasiona tao amin’ny tanànan’i Korinto. Nahatonga azy hampitombo tsikelikely fitiavana an’ilay andian’ondry, ireo zavatra niainany niaraka tamin’ireo Korintiana. Niresaka ny amin’ny tenany ho toy ny ray ho azy ireo mihitsy aza i Paoly. (1 Korintiana 4:15). Kanefa, na dia teo aza ny zava-nisy momba ny fitiavany sy ny asa mafy nataony ho tombontsoan’ilay kongregasiona, dia nanao vava ratsy tamin’i Paoly ny sasany tao Korinto. (2 Korintiana 10:10). Rehefa heverina izay rehetra nataony teo amin’ny lafiny fahafoizan-tena, dia tsy maintsy ho nahakivy toy inona moa izany!

Ahoana no nahafahan’ireo izay nahazo ny fitiavan’i Paoly tsy notsitsiny, ho lozabe sy nanivaiva toy izany? Tsy maintsy ho nahatsiaro ho toy ny hoe voatriatra, tahaka ny sambo iray gejain’ny rivo-doza, i Paoly. Ho mora toy inona moa ny hilavoany lefony, ny hahatsapany fa very maina fotsiny ny ezaka nataony tamin’ny lasa, na ny hanjary ho feno lonilony! Inona no nihazona an’i Paoly ho tony? Inona no nisakana azy tsy ho voatriatry ny fahadisoam-panantenana?

Ilay fitiavana izay mihazona antsika ho iray

Tsy namela fisalasalana tao an-tsain’ireo mpamaky ny teniny i Paoly, raha ny amin’ny loharanon’ny tanjany sy ny antony nanosika azy. Izao no nosoratany: “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay”. (2 Korintiana 5:14). Notondroin’i Paoly ilay loharano ambony nanovozany tanjaka sy antony manosika. Ilay hery manery dia “ny fitiavan’i Kristy”. Nanao izao fanamarihana manaraka izao mikasika io andinin-teny io ny manam-pahaizana manokana iray momba ny Baiboly: “Tsy milaza i Paoly hoe ny fitiavantsika an’i Kristy no mahatonga antsika hifikitra mafy amin’ny fanompoantsika. (...) Tsy izay fotsiny ilay izy. Ny fitiavany antsika no mamelona sy mamahana tsy an-kijanona ny fitiavantsika an’i Kristy.” — Izahay no manao sora-mandry.

Ilay fitiavana nasehon’i Kristy tamin’ny nanekeny hiharan’ny fahafatesana nampanaintaina mafy teo amin’ny hazo fijaliana — tamin’izany dia nanome ny ain’olombelona tanteraka nananany ho avotra izy mba hamonjena ny olombelona mino rehetra — no nanosika sy nanery an’i Paoly hanohy hikarakara ireo tombontsoan’i Kristy sy ny an’ny firahalahiana. Noho izany, ny fitiavan’i Kristy dia nifehy an’i Paoly, nisakana azy tsy ho tia tena, sy nitana ny zava-nokendreny ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ireo mpiara-belona taminy.

Eny tokoa, ny fitiavan’i Kristy no loharanon’ny antony manosika ao ambadiky ny lalam-piainana feno fahatokiana arahin’ny Kristiana iray. Rehefa miatrika fisedrana izay afaka ny hisy vokany mampahalemy antsika ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy isika, ny hery manerin’ny fitiavan’i Kristy dia mahatonga antsika ho afaka hihoatra ilay ambaratonga izay hampilavo lefona ny olona iray tsy ampy antony manosika. Manome antsika ny tanjaka mba hiaretana izy io.

Tsy afaka miantehitra amin’ny fihetseham-pontsika tsy lavorary isika mba hanohana sy hanosika antsika. Izany indrindra no izy rehefa tonga ny fisedrana antsika, vokatry ny fahadisoam-panantenana na ny tebiteby. Etsy an-danin’izany, ny fitiavan’i Kristy dia manana ny hery hampifikitra antsika amin’ny fanompoantsika, hanohana sy hanosika antsika, na dia eo aza ny fisedrana mahazo ny tenantsika. Mahatonga ny Kristiana iray ho afaka ny hiaritra mihoatra noho ny ampoizin’ny hafa, ary tsy izay ihany fa angamba mihoatra noho ny ampoizin’ny tenany mihitsy aza, ny fitiavan’i Kristy.

Ambonin’izany, satria maharitra ny fitiavan’i Kristy, dia tsy misy farany velively ny vokany. Hery manery izay tsy mangozohozo na mihena velively izy io. “Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”. (1 Korintiana 13:8). Mahatonga antsika ho afaka hanohy hanaraka an’i Kristy amim-pahatokiana izy io, na inon-kidona na inon-kihatra.

Mampihatra hery izay afaka mandriatra antsika ireo fisedrana ara-pihetseham-po. Noho izany, dia zava-dehibe aoka izany ny isaintsainantsika momba ny fitiavana nasehon’i Kristy ho antsika. Hihazona antsika ho iray ny fitiavan’i Kristy. Mahatonga hety ny fisorohana tsy ho vaky sambo eo amin’ny finoantsika, ny fitiavany. (1 Timoty 1:14-19). Ankoatra izany, ny fitiavan’i Kristy dia manery antsika hanao izay rehetra azontsika atao mba hanomezam-boninahitra ilay nanao izay hetezan’ny fanehoana ny fitiavan’i Kristy, dia i Jehovah Andriamanitra. — Romana 5:6-8.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara