Avy Amin’ny Mpamaky
Famoaboasan-kevitra any An-tsekoly Tena nanohina ahy ilay fitantarana ny amin’ny famoaboasan-kevitra nataon’i Eric tany an-tsekoly hoe “Raha Azoko Natao ny Nanova Fotoana Iray tao Anatin’ny Fandehan’ny Fotoana”. (8 Martsa 1996). Nanaitra tao anatiko fahatsapana fiderana sy fankasitrahana ny ray aman-dreniny izy io. Izy ireo dia tsy maintsy nanokana fotoana sy hery betsaka tamin’ny fitaizana zanakalahy iray izay manana herim-po sy fitiavana an’i Jehovah miavaka aoka izany, na dia mbola kely aza izy.
C. N., Italia