FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/11 p. 12-15
  • Namerina Tamiko ny Fiainako ny Fahamarinana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Namerina Tamiko ny Fiainako ny Fahamarinana
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Alkaolisma sy zava-mahadomelina
  • Fantatry ny reniko ilay izy
  • Fahazoana ny fanampian’ny manam-pahaizana manokana
  • Mbola ny ondry nania tao amin’ny fianakaviana ihany
  • Saika nahita ny fahamarinana aho
  • Novonjen’ny fahamarinana
  • Halaviro ny fanaintainana
  • Lasa Nifandray Tsara Tamin’i Jehovah sy Tamin’ny Reniko Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • “Hitanao Ihany Aho, Jehovah!”
    Mifohaza!—2004
  • Lova Kristiana Tsy Fahita Firy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Maninona àry Izahay no Mifamaly Foana?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/11 p. 12-15

Namerina Tamiko ny Fiainako ny Fahamarinana

Matin’ny SIDA ny ankamaroan’ireo namako taloha. Talohan’ny nahafatesany, dia matetika aho no nahita azy ireo teny amin’ny arabe. Raha tsy noho ny fahamarinana, dia ho efa maty koa aho. Avelao aho hanazava izany.

TERAKA tamin’ny 11 Desambra 1954 aho, ny vaviaivo sady faravavin’i John sy i Dorothy Horry. Nomen’izy ireo anarana hoe Dolores aho, kanefa teo am-pahaterahako, dia niantso ahy hoe Dolly i Neny, satria noheveriny fa toy ny saribakoly kely aho. Raikitra ilay anaram-bosotra, kanefa tsy fantatry ny olona tamin’izay fa hanjary ny zaza nanahirana an’i Neny indrindra aho.

Nipetraka tao amin’ny fitambaran’efitra lalamby izahay — nantsoina toy izany izy io satria nanana drafitra lava sy tery. Teo amin’ny Arabe Faha-61 teto New York no nisy azy io. Tsy dia nahafinaritra ilay fitambaran’efitra; nisy voalavo tao. Kanefa, taorian’ny naha-voakaikitra ahy indray alina, dia nifindra tsy nisy hataka andro izahay.

Tamin’ny 1957, dia nifindra nankany amin’ny ilany atsinanana amin’i Manhattan ambany izahay. Raha noharina tamin’ny toerana nialanay izy io, dia tena nahafinaritra — efitra fatoriana tsara dia tsara, saha fitsangantsanganana goavana iray teny ivelan’ny varavarankeliko, sy fahitana ny Renirano Atsinanana. Afaka nijery ireo sambo nandeha sy ireo ankizy nilalao fotibaolina amerikana sy base-ball teo amin’ilay saha fitsangantsanganana aho. Eny, paradisa ilay izy tamiko. Avy eo dia nanomboka nirodana ilay tontoloko nilamina.

Alkaolisma sy zava-mahadomelina

Nifanditra be i Dada sy i Neny. Tsy takatro ny antony tamin’ny voalohany, kanefa avy eo dia nanomboka tsikaritro fa mamo tamin’ny fotoana rehetra ny dadako. Tsy nahatana asa izy, ary i Neny irery no niasa. Rehefa hitan’ireo namako fa alkaolika i Dada, dia nampahory ny fiainako ny esoeson-teny azoko.

Nitohy niharatsy ny toe-javatra. Tamin’ny farany, dia nanjary nahery setra i Dada ary noroahin’i Neny izy. Koa nanjary fianakaviana tsy nisy afa-tsy reny izahay. Tokony ho valo na sivy taona aho tamin’izay, ary nahatsiaro ho kivy izaitsizy noho ny tarehin-javatra nisy ny fianakaviako. Voatery niasa tsy an-kijanona i Neny mba hitadiavana vola, ka namela anay mirahavavy tany amin’ireo mpifanolo-body rindrina rehefa avy nianatra izahay.

Teo amin’ny kilasy fahenina, dia nanjary mpikomy be aho. Tsy nandeha nianatra aho fa nankany amin’ny Tompkins Square Park (saha fitsangantsanganana) teo akaikinay ary nitady hanadino ny fiainana keliko tamin’ny fisotroan-toaka. Tsy ela aho dia nanomboka niaraka tamin’ny andia-namana be taona lavitra. Vao 11 taona monja aho, kanefa lehibe aho raha noharina tamin’ny taonako, koa afaka niseho ho 16 na 17 taona aho. Nisotro toaka, nifoka marijuana, nampiasa LSD, sy nitsindrona héroïne, io andia-namana vaovao io. Tiako ny hanekena ahy, koa nanomboka nanandrana ireo zavatra ireo aho. Teo amin’ny faha-14 taonako, dia niankin-doha tamin’ireo zavatra ireo aho mba hanaovan-javatra.

Fantatry ny reniko ilay izy

“Izaho no nahitanao masoandro, ary izaho koa no hanapitra ny ainao.” Izany no fitenenana nampiasain’ireo reny teo amin’ny manodidina anay izay voaratra lalina sy diso fanantenana mafy tamin’ireo zanany. Rehefa fantatr’i Neny, izay mazàna dia olona tena tony sy nahafehy tena, fa nampiasa héroïne ny zanany 14 taona, dia nilaza izy fa hanao toy izany indrindra — hanapitra ny aiko.

Nihazakazaka nankao amin’ny efitra fandroana aho ka niezaka hanidy ny varavarana tamin’ny fanaovana ny tongotro hifahatra tamin’ny lakam-pandroana, kanefa votsa loatra aho. Tena sahirana tokoa aho izao! Tsy ilaina ny milaza fa nahazo ny kapoka mafy indrindra teo amin’ny fiainako aho. Ny hany zavatra namonjy ahy tamin’ny fahatezeran’i Neny dia ny nahafahan’ny rahavaviko sy ilay olona nitati-bolana momba ahy, niditra tao amin’ilay efitra fandroana ka nihazona ny reniko mba hahafahako handositra hiala tao an-trano. Rehefa niverina nody aho tamin’ny farany — nandositra nandritra ny andro vitsivitsy aho — dia nanaiky ny handray fanampiana momba ny olana nahazo ahy tamin’ny zava-mahadomelina.

Fahazoana ny fanampian’ny manam-pahaizana manokana

Volana vitsivitsy taorian’izay, dia nahita dokam-barotra tao amin’ny televiziona momba ny trano iray fanarenana ny mpidoroka zava-mahadomelina aho. Toerana ahafahan’ny olona mahita fanampiana izy io, ho an’izay tena maniry tokoa ny hampiana mba handresy ny olana mahazo azy amin’ny zava-mahadomelina. Niara-nidinika tamin’i Neny ny amin’ilay zavatra hitako aho, ary nandefa ahy tany amin’ny iray amin’ireo toerana ireo teto New York izy. Manome rivo-piainana toy ny an’ny fianakaviana, izay ahazoan’ny olona antony manosika mba hanovany ny fomba fiainany manontolo, ilay toerana. Nipetraka tao nandritra ny roa taona sy tapany teo ho eo aho.

Na dia nandray soa avy tamin’ilay fanampiana nomena aza aho, dia diso fanantenana mafy rehefa fantatro fa nisy mpiasa sasany izay nitokiako sy nohajaiko — ary noheverina fa niala tamin’ny fampiasana zava-mahadomelina — niverina tamin’izany indray. Nahatsiaro ho nivadihana sy ho adaladala aho. Nampianatra anay izy ireo fa lainga ilay fitenenana tranainy hoe: “Raha vao andevozin’ny zava-mahadomelina ny tena, dia andevoziny foana”. Izao anefa aho dia nihevitra azy ireo ho porofo velona fa tsy izany no izy.

Na dia izany aza, teo amin’ny faha-17 taonako, dia niverina nody aho, afaka tamin’ny zava-mahadomelina, ary tapa-kevitra ny hanao izay tsara indrindra azoko natao mba tsy hampiasa héroïne intsony. Nandritra izany fotoana izany, dia nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny reniko sy ny rahavaviko.

Mbola ny ondry nania tao amin’ny fianakaviana ihany

Na dia nitsahatra tsy nampiasa zava-mahadomelina aza aho, dia mbola nahatsiaro ho toy ny ondry nania tao amin’ny fianakaviana ihany. Izany no izy satria tsy vonona ny hiaina hifanaraka tamin’ireo fitsipika vaovao tao an-tokantrano aho, anisan’izany ny tsy fifohana sigara, ny tsy famonjena lanonana any amin’ny discothèques, sy ny toy izany. Tsy ela aho dia noroahin’i Neny tsy ho ao an-trano, satria nanda tsy hiova namana sy tsy hanova ny fihetsiko araka an’izao tontolo izao. Tena nankahala azy tokoa aho noho izany, kanefa, raha ny marina, dia izay no zavatra tsara indrindra azony natao ho ahy. Tsy nilefitra izy raha ny amin’ireo fotopoto-pitsipika marina ary tsy niroa saina mihitsy.

Koa nandao ny trano àry aho mba hananana fiainam-baovao sy tsara kokoa ho an’ny tenako. Niverina nankany an-tsekoly aho mba hianatra asa mba hanampiana ahy tamin’ny famatsiana vola ny fandehanako tany amin’ny sekoly ambony. Tena tsara ny nataoko ary neken’ny fiaraha-monina aho. Nahazo asa tsara sy fitambaran’efitra ahy manokana aho. Avy eo, dia niditra an-tsehatra ny fitiavana rehefa nihaona tamin’ny ankizilahy iray niarahako taloha aho. Namitrana ny fifandraisanay izahay ary nikasa ny hanao zavatra araka ny mety ka hivady.

Tatỳ aoriana anefa, dia nanomboka nampiasa zava-mahadomelina ilay ankizilahy niarahako ary nanomboka nikororosy fahana ny toe-javatra ho anay roa. Tsy nahazaka ilay fanaintainana ara-pihetseham-po aho ka nanao izay fantatro fa tsara indrindra — nodontoiko tamin’ny zava-mahadomelina ny fihetseham-poko. Nanjary nampiasa cocaïne, izay nanome ilay nantsoina hoe fahamamoana ho an’ny mpanan-karena, aho. Neken’ny besinimaro ny cocaïne tamin’izay, satria olona maro no tsy nihevitra azy io ho nanandevo. Hita ho ratsy kokoa noho ny héroïne anefa izy io tamiko.

Nandritra ny antenatenan’ireo taona 1970, dia nampiasa cocaïne nandritra ny telo taona teo ho eo aho. Tamin’ny farany, dia nanomboka tsikaritro ilay olana nifampidipiditra nisy ahy, ary nanomboka nanontany tena aho hoe: ‘Dia izao fotsiny ve ny fiainana?’ Nanatsoaka hevitra aho fa raha izao fotsiny, dia sasatra ny miaina aho. Niverina nankany amin’i Neny aho ka nilaza taminy fa tofoka aho ary koa fa hiverina ho any amin’ilay foibe fanarenana. Taorian’ny herintaona sy tapany tao, dia afaka tamin’ny zava-mahadomelina indray aho.

Saika nahita ny fahamarinana aho

Nahazo asa tsara indray aho ary nahita trano nahafinaritra sy ankizilahy niarahana. Nifamofo izahay. Tetsy an-danin’izany, dia nifandray tsy tapaka tamiko i Neny. Niresaka tamiko momba ny Baiboly izy ka nandefa gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! tany amiko, kanefa tsy nojereko mihitsy izy ireny. Nolazaiko an’i Neny ny fikasako hanambady sy hanana fianakaviana. Koa nalefany tany amiko ny boky iray izay nanova mandrakizay ny fiainako — Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra.

Rehefa namaky io boky io aho, dia fantatro izay niriko ary fantatro fa nandeha nitady izany tany amin’ny lalana tsy izy aho. Ela ny ela ka nisy nahatakatra izay tsapako sy izay tena tao am-poko. Tsy olona hafahafa aho nanana ireo fihetseham-po nananako — olona ara-dalàna aho! Kanefa, nihomehy ahy ilay olona nahamatimatim-pitia ahy, rehefa niezaka hampiseho taminy ilay boky Fiainam-pianakaviana sy ny Baiboly aho. Tsy vonona ny hanao ireo fiovana ilaina mba hananana fiainam-pianakaviana sambatra izy. Koa sarotra ilay fanapahan-kevitra tokony horaisiko — na hiara-mitoetra aminy na handao azy. Nanapa-kevitra aho hoe tamin’izay no fotoana tokony hialana.

Romotra ilay ankizilahy niarahako. Rehefa niverina nody aho indray andro, dia hitako fa norovitiny tamin’ny hareza avokoa ny akanjoko rehetra. Saika ny zava-drehetra nananako dia nafoy avokoa — kiraro, akanjo ivelany, fanaka — na tatatataka na namidiny. Ny hany sisa nananako dia ireo akanjo teny an-koditro. Te hiampatra aho dia ho faty. Indraindray ianao dia sasatra ny miady mafy eo amin’ny fiainana. Koa miverina manao izay efa nataonao foana mba hizakana izany ianao — manadonto ny fihetseham-ponao amin’ny zava-mahadomelina. Noheveriko fa na izay na ny famonoan-tena no azo atao.

Na dia niverina tamin’ny zava-mahadomelina indray aza aho, dia tsy nilaozan’i Neny mihitsy. Nitsidika ahy izy ka nitondra Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Indray takariva, nandritra ny resadresaka nifanaovanay, dia nolazaiko azy izay tsapako — fa sasatry ny miezaka aho ary koa fa efa lany haika aho. Niteny fotsiny izy hoe: “Efa nanandrana ny zavatra hafa rehetra ianao, koa nahoana raha manandrana an’i Jehovah?”

Novonjen’ny fahamarinana

Tamin’ny 1982, dia nanaiky hanao izay nampirisihany ahy mafy nandritra ny taona maro mba hataoko aho. Nanomboka nianatra ny Baiboly tamim-pitandremana aho. Tsy ela aho dia nanjary nientanentana momba ireo zavatra nianarako. Nanomboka takatro fa tena sarobidy amin’i Jehovah ny fiainako ary koa fa tena misy zava-kendrena ny fiainana. Takatro anefa fa raha hanompo an’i Jehovah aho, dia hisy fiovana maro be tokony hataoko ary koa fa hila fanohanana ara-pihetseham-po sy ara-panahy aho. Koa nangataka tamin’i Neny aho raha nahazo niverina nody.

Mailo i Neny, satria matetika aoka izany aho no nandiso fanantenana azy. Niresaka tamin’ny loholona kristiana iray izy mikasika ny fangatahako hiverina hiara-mipetraka aminy. Rehefa tsapan’ilay loholona fa nihevitra i Neny hoe azo nantenaina fa nety hiova tokoa aho tamin’itỳ indray mandeha itỳ, dia nampirisika izy hoe: “Nahoana raha avela hanandrana indray izy?”

Soa ihany fa tsy nandiso fanantenana an’i Neny aho tamin’itỳ indray mandeha itỳ. Nanohy nianatra ny Baiboly aho ary nanomboka nanatrika tsy tapaka ireo fivoriana kristiana. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia niova tanteraka ny fomba fiainako. Nahatonga ahy ho tafavoaka tamin’ireo fotoan-tsarotra ny torohevitra omen’ny Baiboly, ny Teny fahamarinan’Andriamanitra. (Jaona 17:17). Natsahatro mihitsy aza ny fifohana sigara, fahazarana nanandevo izay sarotra kokoa tamiko ny nandresy azy noho ny fahazarana nanandevo tamin’ny héroïne sy ny cocaïne. Sambany aho vao tena nahatsiaro hoe faly fa velona.

Volana vitsivitsy taorian’izay, tamin’ny 24 Desambra 1983, dia nanamarika ny fanolorako tena ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny batisa tao anaty rano aho. Ny volana Aprily nanaraka, dia nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy, endri-panompoana nampitomboina, aho. Teo am-boalohany, dia naneso ahy ireo namako taloha rehefa nahita ahy teny amin’ny fanompoana. Tsy misy hafa amin’izay nampitandreman’ny apostoly Petera mialoha toy izao izany: “Ary amin’izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy hianareo amin’izany fanaranam-po amin’ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy”. — 1 Petera 4:4.

Tamin’ny Septambra 1984, dia tonga mpisava lalana maharitra aho, ary tsy ela dia nitarika fampianarana Baiboly folo isan-kerinandro. Ny sasany tamin’ireo fampianarana ireo dia olona izay naneso ahy fony aho vao nanomboka teny amin’ny fanompoana. Fotoana tena nampientanentana teo amin’ny fiainako izany, satria afaka nanampy tanora maromaro hanaraka ny fahamarinana ara-baiboly aho. Naniry hanan-janaka foana aho, koa ny nahatongavako ho renin’ny zanaka ara-panahy, raha azo atao ny milaza izany, dia loharanom-pifaliana tsy an-kijanona ho ahy. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 4:15.

Rehefa nandeha ireo taona, dia hitako teny amin’ny arabe teny akaikin’ny tranonay ireo namana taloha izay niara-nampiasa zava-mahadomelina tamiko. Vokatry ny niombonany fanjaitra tamin’ny olona efa voan’ny SIDA, dia voan’ny SIDA izy ireo ary nanana endrika nampahatahotra. Maro hatramin’izay no maty. Fantatro fa raha tsy noho ny fahamarinana ara-baiboly, dia azo inoana fa ho efa maty koa aho. Raha ny marina, dia namerina tamiko ny fiainako izy io.

Halaviro ny fanaintainana

Matetika aho no maniry ny hoe raha mba nahalala ny fahamarinana mantsy aho fony kely, dia ho nanalavitra fiainana feno fanaintainana sy alahelo. Ankehitriny i Jehovah dia manampy ahy mba hanamaivanana ireo fanaintainana vokatry ny nandanilaniana foana ny fahatanorana, kanefa tsy maintsy miandry mandra-pahatongan’ny fandehan-javatra vaovao aho mba hahazoana fanasitranana tanteraka an’ireo holatra ara-pihetseham-po. (Apokalypsy 21:3, 4). Amin’izao andro izao, dia miezaka mafy ny hilaza amin’ireo tanora aho fa voatahy izy ireo mahalala an’i Jehovah sy manana ny fanampian’ny fandaminany mba hampiharana izay zavatra ampianarin’i Jehovah.

Mety ho toa mahasodoka sy manintona izao tontolo izao. Ary tiany ny hinoanao fa afaka mahazo ny endri-pahafinaretany tsy misy fanaintainana ianao. Tsy mety hisy tsotra izao anefa izany. Hanararaotra anao izao tontolo izao, ary rehefa afa-po izy, dia hariany ianao. Milaza amim-pahamarinana ny Baiboly fa ny Devoly no andrianan’izao tontolo izao — eny tokoa, ny andriamaniny — ary koa fa tsy tokony ho tia an’izao tontolo izao na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao isika. (Jaona 12:31; 14:30; 16:11; 2 Korintiana 4:4; 1 Jaona 2:15-17; 5:19). Koa satria andevon’ny fahalotoana ny olona eo amin’izao tontolo izao, dia tsy afaka mitondra ny fahasambarana marina ho anao ny fiarahana aminy. — 2 Petera 2:19.

Ny fanantenako dia ny hoe ny fitantarana ireo zavatra momba ny tenako ireo dia hanampy ny hafa hahita fa “ny tena fiainana” — ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra — no hany fiainana mendrika ny hanaovana ezaka mafy. Tsy maninona izay fiakarana sy fidinana mety ho hitantsika eo am-pandehanantsika ao amin’ny fahamarinana, fa tsy tsara kokoa akory ny toe-javatra ao amin’ny tontolon’i Satana. Miezaka tsotra izao ny hahatonga azy io hiseho ho tsara kokoa i Satana. Mangataka ao amin’ny vavaka aho mba hahafahan’ny tenako, miaraka amin’ireo anadahiko sy rahavaviko kristiana rehetra, hampifantoka ny masoko hatrany amin’ny tena fiainana, eny, ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tany zary Paradisa. (1 Timoty 6:19). — Notantarain’i Dolly Horry.

[Sary, pejy 15]

Miaraka amin’ny reniko, mitory eo amin’ny Tompkins Square Park

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara