FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/11 p. 26-29
  • Sigara — Lavinao ve Izy Io?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sigara — Lavinao ve Izy Io?
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Napetraky ny fanjakana ireo fameperana
  • Ireo ankizy — Iharam-pahavoazana tsy manam-piarovana
  • Fihevitra niova
  • Varotra any ampitan-dranomasina
  • Aina An-tapitrisany Maro Manjavona Amin’ny Setroka
    Mifohaza!—1995
  • Mpivarotra fahafatesana — Mpividy ve ianao?
    Mifohaza!—1990
  • Nahoana no Miala Amin’ny Sigara?
    Mifohaza!—2000
  • Fahotana ve ny Mifoka Sigara?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/11 p. 26-29

Sigara — Lavinao ve Izy Io?

Ny firenena iray izay nanampy tamin’ny fampidirana ny sigara sy ny paraky teo amin’izao tontolo izao dia mitari-dalana eo amin’ny fampitandremana ny amin’ny loza entin’izy ireny.

“NY SIGARA sy ny paraky”, hoy ny nosoratan’ny mpanoratra tantara iray, “dia tsy nanana tantara an-tsoratra talohan’ny nahitana voalohany an’i Amerika.” Nanolotra azy io an’i Colomb ireo tera-tany tany Caraïbes. Niantoka ny nitohizan’ny fisian’i Jamestown, ilay vohitra britanika naharitra voalohany tany Amerika Avaratra, ny fanondranana azy io tany ivelany. Nanampy tamin’ny famatsiana vola ny Revolisiona Amerikana ny fivarotana azy io. Ary mpamboly paraky i George Washington sy i Thomas Jefferson, prezidà amerikana tany am-boalohany.

Vao haingana kokoa, ny Hollywood dia nampiasa ny sigara ho mariky ny hoe maha-te ho tia, mambabo, sy mitomban-dahy. Nanome azy ireny an’ireo olona nifanena taminy tany amin’ireo tany niadiany ireo miaramila amerikana. Ary voalaza fa taorian’ny ady lehibe faharoa, dia ny sigara no natao takalo, “nanomboka tany Paris ka hatrany Pékin”.

Niova anefa ny toe-javatra. Tamin’ny 11 Janoary 1964, dia namoaka tatitra nisy 387 pejy, izay mampifandray ny fifohana sigara amin’ny emphysème (fibontsinan’ny kitapon-drivotry ny havokavoka amin’ny fomba tsy ara-dalàna) sy ny kanseran’ny havokavoka ary ny aretina lehibe hafa, ny lehiben’ny Fahasalamana Amerikana. Tsy ela ny lalàna federaly dia nitaky ny hametahana teo amin’ny fonosan-tsigara rehetra namidy tany Etazonia, ilay fampitandremana hoe “Tandremo: Mety Hampidi-doza ny Fahasalamanao ny Fifohana Sigara”. Ankehitriny, ny fifohana sigara dia voalaza fa mahatonga fahafatesana tombanana ho 434 000 isan-taona, any Etazonia. Mihoatra noho ny isan’ny Amerikana rehetra maty an’ady nandritra ny taonjato lasa izany!

Napetraky ny fanjakana ireo fameperana

Maherin’ny folo taona lasa izay, i Aspen, any Colorado, toeram-pialan-tsasatra be mpandeha amin’ny ririnina, dia nandrara ny fifohana sigara tao amin’ireo hoteliny fisakafoana. Nanomboka tamin’izay, dia nanjary fahita kokoa tao amin’ireo hotely fisakafoana sy toeram-piasana ary toeran-kafa ho an’ny besinimaro, ireo faritra tsy azo ifohana sigara. Taona maromaro lasa izay, dia nanontanian’ny lehilahy iray avy any Californie ny zanany vavy hoe taiza no faritra tsy azo nifohana sigara tao amin’ny hotely fisakafoana iray tany Virginie. “Dada a”, hoy ny navalin’ilay zanany, “tanin’ny sigara sy ny paraky ange itỳ e!” Tamin’ny fotoana nitsidihany nanaraka, dia ny antsasak’io hotely fisakafoana io no natokana ho an’ireo tsy mpifoka. Vao haingana izay, dia tsy nahita olona nifoka sigara tao izy.

Tsy namaha ilay olana anefa ny fananana faritra mitokana ho an’ny mpifoka. Nanontany toy izao ireo takelaka lehibe misy dokam-barotra tohanan’ny fanjakana, manamorona ireo arabe migodàna lehibe any Californie: “Heverinao ve fa hain’ny setro-tsigara ny mijanona eo amin’ny faritra azo ifohana sigara?”

Rehefa nandrara ny fifohana sigara tao amin’ireo hoteliny fisakafoana lehibe kokoa i New York, dia nilaza ny tsy fanekeny ireo tompon’ny hotely satria hoe hampanalavitra ireo mpizaha tany avy any Eoropa izany, satria any, hoy izy ireo, dia vitsy ny lalàna mifehy ny fifohana sigara. Kanefa, hitan’ny fanadihadiana iray teo aloha kokoa fa 56 isan-jaton’ny Amerikana no azo inoana kokoa fa hankany amin’ny hotely fisakafoana tsy azo ifohana sigara, fa 26 isan-jato monja kosa no tsy hirona firy ny hankany.

Hoy ny soratra iray eo amin’ireo fiarandalamby mandeha any ambanin’ny tany any New York: “Na amin’ny fiteny inona na amin’ny fiteny inona, dia mitovy ilay hafatra: Tsy azo ifohana sigara na oviana na oviana, na aiza na aiza, ao amin’ireo garanay, na ao amin’ireo fiarandalambinay. Misaotra.” Tsy amin’ny teny anglisy ihany fa amin’ny fiteny 15 hafa koa no anambaran’ilay soratra io hafatra io.

Tena zava-dehibe tokoa ve ilay raharaha? Eny. Raha olona 300 no maty tao anatin’ny loza lehibe iray, dia ho nalefa tao amin’ny fampitam-baovao nandritra ny andro maro, angamba nandritra ny herinandro maro mihitsy aza izany. Nilaza anefa ny lahatsoratra iray tao amin’ny The Journal of the American Medical Association fa Amerikana notombanana ho 53 000 no maty isan-taona, noho ny vokatra maharitry ny fifohana ny setro-tsigaran’ny olon-kafa. Izany, hoy izy io, no mahatonga izany fifohana ny setro-tsigara avy nofohin’ny hafa, na mameno ny manodidina, izany ho “ny antony lehibe indrindra fahatelo miteraka fahafatesana azo sorohina, aorian’ny tena fifohana sigara sy ny alkaolisma”.

Ireo ankizy — Iharam-pahavoazana tsy manam-piarovana

Ahoana ny amin’ny fifohana sigara ao an-tokantrano? Hoy ny Healthy People 2000, zavatra vita an-tsoratry ny fitondram-panjakana amerikana izay mametraka ho tanjona ny hampihenana “ny fahafatesana aloha be sy ny aretina sy ny fahasembanana tsy ilaina”: “Ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky dia mahatonga fahafatesana maherin’ny iray isaky ny enina eto Etazonia, ary io no hany antony lehibe indrindra miteraka fahafatesana sy aretina azo sorohina eo amin’ny fitambaran’olona misy antsika.”

Nanampy teny toy izao izy io: “Ny fifohana sigara mandritra ny fitondrana vohoka no antony voalohany indrindra mahatonga ny 20 ka hatramin’ny 30 isan-jaton’ny tsy fahampian-danjan’ny zaza vao teraka, hatramin’ny 14 isan-jaton’ny fahaterahana tsy tonga volana, sy tokony ho ny 10 isan-jaton’ny fahafatesan-jazakely rehetra.” Ireo reny mifoka, hoy izy io, dia afaka mamindra ireo taharon’ny setro-tsigara, tsy amin’ny fampinonoana ilay zazakely na amin’ny fifohana sigara eo akaikiny ihany, fa amin’ny “fametrahana ilay zazakely ao amin’ny efitra iray izay nifohana sigara vao haingana” koa.

Voakasika koa ireo ray. Nanome torohevitra toy izao io zavatra vita an-tsoratra io ihany: “Raha tsy maintsy mifoka ny olona mifandray amin’ny ankizy, dia tokony hifoka any alatrano izy ireo na ao amin’ny faritra izay tsy mampiditra rivotra ao amin’ny toerana mety hisy ilay zaza.” Mitombo ny mety hisian’ny loza, arakaraka ny isan’ny olon-dehibe mifoka ao amin’ny efitra iray ihany, sy arakaraka ny isan’ny sigara fohina. Noho izany, dia hoy i Joycelyn Elders, lehiben’ny Fahasalamana Amerikana teo aloha: “Ireo zanakareo dia iharam-pahavoazana tsy manan-tsiny amin’ireo fahazarana manandevo anareo.”

Misy olon-kafa koa mety hidiran-doza. Nampiseho lehilahy be taona iray mipetraka irery ny dokam-barotra tao amin’ny televiziona notohanan’ny fanjakana tany Californie. Nilaza izy io fa ‘niteniteny azy’ foana momba ny fifohana sigara ny vadiny. “Nandrahona ny tsy hanoroka ahy intsony aza izy, raha tsy niala aho. Nilaza aho fa ny havokavoko itỳ, ary ny aiko itỳ. Diso hevitra anefa aho. Tsy niala aho. Tsy takatro fa tsy ahy ilay aina nafoiko. (...) Ny azy ilay izy.” Nijery tamin’alahelo ny sarin’ny vadiny ilay lahiantitra ka nanampy teny hoe: “Ny vadiko no menaky ny aiko.”

Fihevitra niova

Nandray anjara tamin’ny fihenana be teo amin’ny fifohana sigara tany Etazonia ny fampitandremana toy izany. Mahazendana fa Amerikana tombanana ho 46 tapitrisa — 49,6 isan-jaton’ireo izay efa nifoka — no niala!

Kanefa, manana teti-bola goavana fanaovana dokam-barotra ireo kompanian-tsigara sy paraky ary miady mafy ho setrin’izany. Niadana àry ny fihenana teo amin’ny fifohana sigara. Hoy i Joseph A. Califano, Jr., avy ao amin’ny Foibe Momba ny Fiankinan-doha Amin’ny Zava-mahadomelina sy ny Fidorohan-javatra, ao amin’ny Oniversiten’i Columbia ao New York: “Ny fandrahonana lehibe indrindra ny fahasalamam-bahoaka avy amin’ny indostrian-tsigara sy paraky, [dia] ny fampiasany dokam-barotra sy varotra izay mikendry an’ireo ankizy sy zatovo izay mahaforona andiany vaovao amin’ireo andevozin’ny entam-barony mahafaty.”

Hoy ny The Journal of the American Medical Association: “Tanora tombanana ho 3 000, ankizy sy zatovo ny ankamaroany, no manjary mpifoka tsy tapaka isan’andro. Mahaforona mpifoka vaovao tokony ho 1 tapitrisa isan-taona izany, izay misolo amin’ny ampahany an’ireo mpifoka sahabo ho 2 tapitrisa izay miala na maty isan-taona.”

Maherin’ny antsasaky ny mpifoka amerikana rehetra no manomboka mifoka eo amin’ny faha-14 taonany. Nilaza i David Kessler, lehiben’ny Fitantanan-draharaha Amerikana Momba ny Sakafo sy ny Fanafody, fa amin’ireo ankizy 3 000 izay manomboka mifoka isan’andro, dia efa ho 1 000, any aoriana, no ho fatin’ny aretina mifandray amin’ny fifohana sigara.

Raha mampikorontan-tsaina anao ireo tarehimarika ireo, dia ho tsara ny hitadidiana fa manaraka ny ohatra omentsika ireo zanatsika. Raha tsy tiantsika hifoka izy ireo, dia tsy tokony hifoka koa isika.

Varotra any ampitan-dranomasina

Na dia nihena aza ny fifohan’ny Amerikana sigara, dia mitombo ny varotra any ivelany. Nanao tatitra ny Los Angeles Times fa “nitombo maherin’ny avo telo heny ny fanondranana any ivelany ary niakatra be ny varotr’ireo orinasan-tsigara sy paraky amerikana any ampita”. Nilaza ny The New England Journal of Medicine fa any amin’ireo tany an-dalam-pandrosoana, dia “tsy misy fanantitranterana firy ny amin’ireo loza entin’ny fifohana sigara”, ka mamela an’ireo kompanian-tsigara sy paraky “hiditra haingana ao amin’ny tsena any ivelany”.

Na dia izany aza, dia nilaza i Patrick Reynolds, zanak’i R. J. Reynolds, Jr., sady taranak’ilay nanorina ilay kompania mamokatra ny sigara Camel sy Winston, fa fahafatesana iray amin’ny dimy any Etazonia no vokatry ny fifohana sigara. Nanaovana tatitra koa fa niteny i Reynolds hoe ny fifohana sigara dia miteraka fahafatesana isan-taona maro kokoa noho ny ateraky ny cocaïne, ny alkaola, ny héroïne, ny hain-trano, ny famonoan-tena, ny vonoan’olona, ny SIDA, sy ny lozam-piarakodia mitambatra, ary koa fa izy io no hany antony miteraka fahafatesana sy aretina ary fahazarana manandevo azo sorohina indrindra amin’izao vanim-potoana misy antsika izao.

Toa hafahafa ve ny hoe ilay firenena nanampy an’izao tontolo izao hianatra hifoka no nampitombo fanoherana mihamitombo ny sigara sy ny paraky eo anivon’ny fireneny? Raha izany no izy, dia mety ho tsara ny hanontaniantsika tena hoe: ‘Iza indray no tokony hahalala tsara indrindra ny valin’izany?’

Nilaza momba ny vehivavy iray izay nifoka nandritra ny 50 taona mahery ilay gazetiboky hoe Modern Maturity. Hoy ilay ramatoa: “Rehefa miankin-doha aminy ianao, dia voafandrika.” Nanilika ilay hevi-dravina izay nahatonga azy hanomboka hifoka tamin’ny voalohany anefa izy, namakafaka ireo fialan-tsininy mba hanohizana hifoka, ary dia niala.

“Andramo ange izany [ny miala] e”, hoy ny nosoratany. “Tena mahafinaritra ilay izy.”

[Teny notsongaina, pejy 26]

“Notombanana fa mandritra ireo taona 1990, any amin’ireo tany mandroso, ny sigara sy ny paraky dia hiteraka sahabo ho ny 30 isan-jaton’ny fahafatesana rehetra eo amin’ireo olona 35 ka hatramin’ny 69 taona, ka mahatonga azy io ho ny hany antony lehibe indrindra miteraka fahafatesana aloha be eo amin’ny tontolo mandroso.” — NEW ENGLAND JOURNAL OF MEDICINE

[Efajoro/Sary, pejy 27]

FAMPITANDREMANA MOMBA NY KANSERA

Avy ao amin’ireo bokikelin’ny Fikambanana Amerikana Miady Amin’ny Kansera hoe Facts on Lung Cancer sy Cancer Facts & Figures —1995, ireto fampitandremana manaraka ireto:

• “Manan-tombo 35% ny mety hahavoan’ny kanseran’ny havokavoka an’ireo vehivavy tsy mifoka, raha mifoka ny vadiny.”

• “Tombanana ho ny 90%-n’ny kanseran’ny havokavoka eo amin’ny lehilahy sy ny 79%-n’ny eo amin’ny vehivavy no ateraky ny fifohana sigara.”

• “Ho an’ny olona iray mpifoka sigara 2 fonosana isan’andro, izay nifoka nandritra ny 40 taona, ny taham-pahafatesana ateraky ny kanseran’ny havokavoka dia sahabo ho avo 22 heny noho ny an’ny tsy mpifoka iray.”

• “Ny fiarovana tsara indrindra amin’ny kanseran’ny havokavoka dia ny tsy fanombohana mifoka mihitsy, na ny fijanonana avy hatrany.”

• “Tsy misy izany hoe sigara tsy mampaninona izany.”

• “Mampitombo ny mety hahavoan’ny kanseran’ny vava, ny lohatraoka, ny traotraoka, sy ny lalan-kanina, ny fihinanana paraky tsakoina na vovo-paraky, ary fahazarana faran’izay manandevo.”

• “Mety hahatratra efa ho avo dimampolo heny ny mety hahavoan’ny kanseran’ny takolaka sy ny hihy koa an’ireo mpihinam-paraky maharitra.”

• “Ela velona kokoa noho ny olona manohy mifoka, ny olona miala amin’ny fifohana sigara, na firy taona izy na firy taona. Ireo mpifoka izay miala alohan’ny faha-50 taonany dia mampihena ho antsasany ny mety hahafatesany ao anatin’ny 15 taona manaraka, raha oharina amin’ireo izay manohy mifoka.”

[Efajoro/Sary, pejy 29]

ILAY OLANA SARO-BAHANA HO AN’NY MPAMBOLY

Nandritra ny taranaka maro, dia ny paraky no namelona an’ireo fianakaviana izay manana toeram-pambolena kely loatra ka tsy mahavelona amin’ny alalan’ny vokatra hafa. Miharihary fa manolotra olana momba ny feon’ny fieritreretana ho an’ny olona maro io zava-misy io. Hoy i Stanley Hauerwas, profesora momba ny fari-pitsipika teolojika ao amin’ny Oniversiten’i Duke, sekoly iray naorin’ny andrianan’ny sigara sy paraky: “Heveriko fa ny mahafadiranovana mafy an’ireo olona mamboly paraky dia izao: (...) rehefa nanomboka namboly azy io izy ireo, dia tsy nahafantatra fa hamono olona izy io.”

[Sary, pejy 28]

Tsy mijanona eo amin’ny faritra azo ifohana sigara ny setro-tsigara

[Sary, pejy 28]

Antony lehibe mahatonga ny tokony ho 10 isan-jaton’ny fahafatesan-jazakely rehetra ny fifohana sigara mandritra ny fitondrana vohoka

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara