Avy Amin’ny Mpamaky
Fifandanjana Ara-batana Taorian’ny namakiako ilay lahatsoratra hoe “L’équilibre: un don de Dieu” (22 Martsa 1996, frantsay), dia nahatsiaro ho voatosika hisaotra anareo aho. Mianatra momba ny taovam-pandrenesana aho amin’izao fotoana izao, ary tsy misy na dia iray aza amin’ireo boky fianarako manana fanazavana feno sy mora azo toy ilay lahatsoratra ao amin’ny Mifohaza! Faran’izay tsara koa ilay sarina sofina.
J. P. A., Brezila
Karavato Misaotra anareo indrindra noho ilay lahatsoratra hoe “Qui a inventé la cravate?” (8 May 1996, frantsay). Amin’ny maha-mpitory Vavolombelon’i Jehovah ahy, dia nanao karavato tamin’ny hafanana maherin’ny 30°C. aho rehefa nandray anjara tamin’ny asa fitoriana isan-trano. Matetika aho no namoron-kevitra hoe tsy maintsy ho mpanao Inquisition lozabe tamin’ny taonjato faha-13 no namorona ny karavato. Mba hisokirana fieken-keloka avy tamina heretika, izy dia nandrahona ny hampijaly azy io amin’ny fandroritana ny vatany, na amin’ny fanaporetana ny ankibeny, na amin’ny fampangotrahana azy amin’ny menaka, na amin’ny fanaovana karavato amin’ny tolakandron’ny fahavaratra.
W. B., Etazonia
Mety hisy hihevitra fa mampijaly ny manao karavato, na manao ahoana na manao ahoana ny toetr’andro. Mendri-piderana anefa, any amin’ny kolontsaina izay iheverana ny karavato ho fihaingoana mety, ny ahazakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny ankapobeny, ny fanaovana karavato, na dia manahirana aza izany, rehefa mandray anjara amin’ny fanompoana sy manatrika fivoriana kristiana izy ireo. — MPAMPANONTA.
Paraky Tamin’ny fianaranay momba ny fahasalamana tany an-tsekoly, dia nianatra momba ny zava-mahadomelina izahay. Nasehoko ny mpampianatra ahy ny Mifohaza! 8 May 1996 misy ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Paraky — Tsy Manimba ve Izy Io?” Navelany hanao kopia 30 tamin’io lahatsoratra io aho mba homeny ny hafa sy mba hamakiany ilay lahatsoratra tamin’ireo kilasy ampianariny. Tian’ireo ankizy tao amin’ny kilasy nisy ahy izy io, ary nahapetraka gazety vitsivitsy tamin’izy ireo mihitsy aza aho.
M. C., Etazonia
Fanadalana Momba ny Lahy sy ny Vavy Misaotra noho ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Rehefa Tsy Hisy Fanadalana Momba ny Lahy sy ny Vavy Intsony!” (8 Jona 1996). Tamin’ny nizarako ilay gazety tamin’ny hafa, dia hitako fa vehivavy maro no velom-pankasitrahana noho ireo fanoloran-kevitra ny amin’ny fomba hanalavirana ny fanadalana sy ny tokony hatao rehefa adalaina ny tena. Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia ny tenako mihitsy no nanaovana fihetsika vetaveta tany am-piasana ka nolazaiko tany amin’ny polisy ilay izy. Noderaina aho noho ny fomba niatrehako ilay tarehin-javatra.
Tsy tononina anarana, Alemaina
Velom-pankasitrahana tokoa aho noho ireo lahatsoratra ireo. Eo amin’ny taona faharoa ao amin’ny lise aho izao, ary efa niharan’ny fanadalana ny tenako, na dia mbola tsy niresaka ny amin’izany tamin’iza na iza mihitsy aza aho. Nampirisika ahy hamboraka ilay tsiambaratelo tamin’ny ray aman-dreniko sy ny mpampianatra ahy ireo lahatsoratra ireo. Ankehitriny aho dia afaka mitana ny fijoroako ho enti-manohitra ireo mpanadala.
K. Y., Japon
Sekretera aho, 21 taona, ary vao haingana no nadalain’ny mpampiasa ahy. Raha mbola nitady ny fomba hanatonana azy mba hilazako ny fihetseham-poko aho, dia nahazo io nomeraon’ny Mifohaza! io. Nomeko iray ilay mpampiasa ahy, ary dia novakiny ilay izy. Niala tsiny izy ary nampanantena fa tsy hamerina intsony izay nataony tamiko.
D. N. I., Nizeria
Ankasitrahako ny nanapoiranareo an’io raharaha lehibe io, kanefa araka ny sarinareo, dia ny lehilahy ihany no manao fanadalana. Mazava fa mampiseho fomba fijery miangatra ianareo.
H. T., Etazonia
Lazain’ny ankamaroan’ny mpikaroka fa mihoatra be dia be noho ny isan’ny lehilahy ny isan’ny vehivavy iharam-pahavoazana noho ny fanadalana momba ny lahy sy ny vavy. Na dia izany aza, dia niaiky ireo lahatsoratra fa mety hisy hanadala koa ny lehilahy, ary nanonona ohatra voafaritra mazava izy io. — MPAMPANONTA.
Ny ankamaroan’ireo lahatsoratra momba io foto-kevitra io dia tsy manasongadina afa-tsy ny tokony hataon’ny vehivavy mba hiarovan-tena, ary manao tsirambina ny fampianarana ny lehilahy mba hanaja vehivavy. Rehefa heverina tokoa, raha tsy misy mpanadala, dia tsy hisy fanadalana. Namelabelatra ny hoe “Fitondran-tena mendrika ho an’ny lehilahy” ilay lahatsoratrareo. Noho izany, dia mendri-piderana izy io.
O. C., Taïwan