Fiangaviana avy Amin’ny Fo
NY MIFOHAZA! (frantsay) 8 May 1996 dia nisy fitohitohizan-dahatsoratra momba ny fananganan-janaka. Gaga sady faly izahay nahita ny fandraisana tsara voarainay avy tamin’ny mpamaky manerana ny tany. Nanohina ny fo indrindra itỳ taratasy manaraka itỳ.
“Mahatsapa ho voatosika hanazava aho fa ny maro aminay izay nanome ny zanakay no te hihazona azy, raha ny tena izy. Zatovo tsy manambady aho, ary mbola mpianatra. Raha vao fantatry ny ray aman-dreniko fa bevohoka aho, dia nampahafantatra ahy izy ireo fa tokony ho izay hahasoa ilay zaza no hataoko alohan’ny ahy ary hanome azy mba hatsangan’olona. Nilazana aho fa ‘sady mila reny no mila ray ny zazakely iray’, ka zavatra izay tsy ho azoko omena izany. Tsy tian’ny ray aman-dreniko ny hihazonako an’ilay zazakely — tsy nisy toerana ho ahy tao an-tranon’izy ireo raha manana zazakely aho. Inona no azoko natao? Nanjohy hevitra toy izao izy ireo: ‘Ho sorena amin’ny zanakao ianao noho izy hanaisotra ny fahafahanao.’
“Raha vao nanomboka hita ny kiboko, dia nesorina tany an-tsekoly aho ary nalefa hipetraka tany amin’ny havana iray. Rehefa nandao ny tranonay aho, dia fantatro fa tsy horaisina tsara ao aho, raha tsy efa teraka sy nanome ilay zazakely ho an’olona.
“Nalefa tany amin’ny akany ho an’ny vehivavy niteraka tsy nanambady aho. Rehefa nanontany ahy ny mpanao asa sosialy iray raha tsy hiova ny fanapahan-kevitro hanome an’ilay zazakely mba hatsangan’olona, dia fantatro fa tsy takany hoe tsy nanan-tsafidy aho. TE HIHAZONA NY ZANAKO AHO! Naniry mafy foana hahita azy mitokelaka sy faly aho. Tokony ho fantatr’ireo mpamaky ny gazetinareo fa mitovy fihetseham-po amiko ny reny maro, dia ny reny niteraka.
“Tsy nomena tena safidy aho. Koa nataoko izay nolazaina tamiko fa ‘hahasoa indrindra’ an’ilay zaza. Ary niaina tao anatin’ny ratram-po lalina aho hatramin’izay. Manahy aho sao mety hihevitra ilay zanako lahy fa sady tsy niraharaha azy mihitsy aho no tsy naniry azy.
“Ankehitriny, amin’ny maha-Kristiana ahy, dia ankasitrahako foana ny torohevitry ny Baiboly momba ireo tarehin-javatra sarotra kokoa ampidirantsika ny tenantsika noho ny tsy fampiharantsika ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Izany dia mampiseho ny vokatra mampijaly sy miitatra lavitra ateraky ny fanjohian-kevitr’izao tontolo izao. Tokony ho fantatr’ireo olona natsangana anefa fa tsy hoe tsy nirina izy ireo satria fotsiny hoe nomena mba hatsangan’olona. Mba ampahafantaro azy ireo izany, aza fady!”