Ny Lalana Iverenana ho any Amin’ny Paradisa
REHEFA heverina ny fanirian’ny olona mafy Paradisa sy ireo fiezahana lehibe sy kely natao mba hamerenana indray azy io, dia mety hisy hihevitra fa tokony ho tena paradisa ny tany ankehitriny. Tsy izany anefa no izy.
Ny nomen’ny olombelona ny laharam-pahamehana kosa dia ny fierenana, izay manapaka matetika ka mampitondra faisana ny tontolo iainana sy ny karazan-javamiaina maro eo aminy. Olona maro no nino fa handresy ny harena ara-nofo, ka tsy nanantena intsony izy ireo hoe ho voaova ho paradisa sahala amin’i Edena itỳ tany itỳ indray andro any. Aleony miandrandra fiainana aorian’ny fahafatesana any an-danitra ho ny hany fanantenany Paradisa. Te hilaza io hevitra io fa, voalohany aloha, dia tsy hahazo fahafaham-po mandrakizay ny faniriantsika mafy Edena, ary faharoa, dia nafoin’Andriamanitra ho amin’ny hadalan’ny olombelona sy ny fierenany itỳ planeta itỳ. Izany ve no izy? Inona marina no tahirizin’ny hoavy? Ary aiza no hisy izany hoavy izany?
Ny Paradisa — ho any an-danitra sa ho eto an-tany?
Efa ho 2 000 taona lasa izay, fony niresaka tamin’ny mpangalatra nibebaka iray nohomboana teo anilany i Jesosy Kristy, dia hoy izy: “Hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao.” (Lioka 23:43, NW ). Te hilaza ve i Jesosy fa hiaraka aminy ho any an-danitra ilay mpangalatra? Tsia.
Tsy nieritreritra izany akory io mpanao ratsy io. Nahoana moa? Satria azo inoana fa efa fantany tsara ireo andalan-teny ao amin’ny Soratra Hebreo, izay nisy tamin’ny androny, toy ny tapany voalohany amin’ny Salamo 37:29, manao hoe: “Ny marina handova ny tany”. (Izahay no manao sora-mandry.) Io fahamarinana io ihany no nampianarin’i Jesosy, tamin’ny filazany hoe: “Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5, izahay no manao sora-mandry.) Io andinin-teny io dia mifanaraka amin’ilay antsoina mahazatra hoe Vavaka Nampianarin’ny Tompo, izay manao hoe: “Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:9, 10.
Ampianarin’ny Baiboly fa namorona ny tany, fa tsy ny lanitra, ho fonenan’ny fianakavian’olombelona, Andriamanitra. Ambaran’ny Teniny fa “tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy [ny tany], fa nataony honenana”. (Isaia 45:18). Hafiriana? “Nanorina ny tany tambonin’ny fanorenany Izy, mba tsy hihetsehany mandrakizay doria.” (Salamo 104:5). Eny, “ny tany mbola maharitra mandrakizay”. — Mpitoriteny 1:4.
Fikasan’Andriamanitra ho an’ny ankamaroan’ireo manompo azy ny hanao itỳ tany itỳ ho fonenan’izy ireo mandrakizay. Mariho ny fomba anazavan’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, an’izany. Manambara mialoha toy izao ny Salamo 37:11: “Ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” Hafiriana? Hoy ny Salamo 37:29: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Izahay no manao sora-mandry.) Amin’izay fotoana izay no hahatanterahan’izao andinin-teny izao, izay manambara hoe: “Manokatra ny tànanao Hianao [Andriamanitra] ka mahavoky soa ny [fanirian’ny, NW ] zava-miaina rehetra”, izany hoe ny faniriana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. — Salamo 145:16.
Ahoana ny amin’ireo izay tsy manam-paniriana ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra? Hoy ny ambaran’ny Ohabolana 2:21, 22: “Ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.”
Paradisa tafaorina indray
Tsy ho ela izao ny didim-pitsaran’Andriamanitra dia hampiharina amin’itỳ tontolo ratsy itỳ. (Matio 24:3-14; 2 Timoty 3:1-5, 13). Hitsimbina “olona betsaka” hamakivaky io fandringanana ho avy io anefa Andriamanitra mba hidirany ao amin’ny tontolo vaovao iray hamboariny. — Apokalypsy 7:9-17.
Avy eo Andriamanitra dia hitarika ny asa mahafaly hataon’ireo olom-peheziny amin’ny fanovana ny tany manontolo ho tonga fonenana zary paradisa ho an’ny olombelona. Hoy ny fampanantenan’ny Baiboly: “Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia. (...) Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin’ny tany karankaina.” — Isaia 35:1, 6.
Ao amin’io Paradisa hiitatra io, dia tsy hisy intsony ny hanoanana, ny fahantrana, ny faritanàna feno trano tsizarizary, ny olona tsy manam-ponenana, na ny faritra feno heloka bevava. “Hahavoka-bary betsaka ny tany”. (Salamo 72:16). “Hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany”. (Ezekiela 34:27). “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa”. (Isaia 65:21, 22). “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy”. — Mika 4:4.
Ny antony andehanan’ny sasany any an-danitra
Azo inoana fa heken’ny ankamaroan’ny olona fa manana faniriana mafy paradisa eto an-tany izy ireo. Ara-dalàna izany, satria tsy napetrak’Andriamanitra mihitsy tao amin’izy ireo ny faniriana mafy ny ho any an-danitra; tsy afaka ny haka sary an-tsaina akory aza izy ireo hoe manao ahoana ny fiainana any. Ohatra, tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny mpitondra fivavahana tao amin’ny Eglizy Anglikana nisy azy, i Pat, na dia mpiangona nafana fo aza, dia nilaza toy izao: “Tsy nanana eritreritra ny ho any an-danitra na oviana na oviana aho. Tsy te ho any aho, sady inona koa moa no hataoko any?” — Ampitahao amin’ny Salamo 115:16.
Marina fa ampianarin’ny Baiboly hoe hisy olombelona voafetra ny isany, dia 144 000, tena ho any an-danitra. (Apokalypsy 14:1, 4). Hazavainy toy izao koa ny antony: “Efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo; ary manjaka ambonin’ny tany izy.” (Apokalypsy 5:9, 10, izahay no manao sora-mandry.) Miaraka amin’i Jesosy Kristy Mpanjakany, dia mahaforona ilay “fanjakana”, izay fitondram-panjakana vaovao any an-danitra hitondra ny tany, izy ireo. Ary io fitondram-panjakana io no angatahin’ny Kristiana ao amin’ny vavaka. Hanara-maso ny fanarenana tanteraka ny tany sy ny olombelona io fitondram-panjakana io. — Daniela 2:44; 2 Petera 3:13.
Kanefa, satria tsy misy avy hatrany ao amin’ny olombelona ny faniriana ny hiaina any an-danitra, dia ny fiasan’ny fanahin’Andriamanitra amin’ny fomba tsy manan-tsahala no ‘milaza’ amin’ireo 144 000 mba hahatsapany io ‘fiantsoana ho any ambony’ io, izay fiantsoana manokana. (Romana 8:16, 17; Filipiana 3:14, fanamarihana ambany pejy). Miharihary anefa fa tsy ilaina ny fiasan’ny fanahy masina toy izany eo amin’ny olombelona amin’ny ankapobeny, satria ho eto an-tany zary paradisa no honenany mandrakizay.
Manomana ny lalana ny paradisa ara-panahy
Ahoana no hananan’ny olona iray ny toetra ilaina mba hiainany mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany? “Ary izao no fiainana mandrakizay”, hoy i Jesosy, “dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Ampiarahin’ny Isaia 11:9 ny fifandraisan’olombelona amim-pihavanana sy ny fahalalana an’Andriamanitra, ka hoy ny ambarany: “Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” — Ampitahao amin’ny Isaia 48:18.
Mazava ho azy fa tsy fahalalana ao an-tsaina fotsiny io fahalalana io. Manan-kery eo amin’ny toetran’ny olona iray izy io ka mampitombo toetra araka an’Andriamanitra, toy ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena”. (Galatiana 5:22, 23, NW ). Miezaka hamboly ireo toetra ireo ny Vavolombelon’i Jehovah, ary noho izany, na dia ankehitriny aza, dia mandray fitahiana izy ireo amin’ny fiainana ao amin’ny paradisa ara-panahy mahasoa. — Isaia 65:13, 14.
Toy inona moa ny fifanoheran’ny toe-piainany ara-panahy sy ny an’izao tontolo izao, izay mihamilentika ao anatin’ny tsy fitiavana an’Andriamanitra sy ny fahasimbana ara-pitondran-tena! Tsy ho ela anefa dia horavan’Andriamanitra itỳ tontolo ratsy itỳ. Mandra-pahatongan’izany, dia manasa anao ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitsidika — eny handinika akaiky — ny paradisa ara-panahy misy azy. Aoka ny tenanao mihitsy no hahita fa dieny izao, i Jesosy, ilay Mpanjaka any an-danitra tsy hita maso, dia eo am-pitarihana mangina an’ireo honina ao amin’ilay tontolo vaovao. Eo am-pitarihana azy ireo eo amin’ny lalana ety mankany amin’ny Paradisa ho eto an-tany sy ny fiainana mandrakizay izy! — Matio 7:13, 14; Apokalypsy 7:17; 21:3, 4.
[Sary, pejy 8, 9]
Hankamamy ny fandraisana anjara amin’ny fanovana ny tany ho Paradisa ireo ho tafita velona amin’ny faran’itỳ tontolo itỳ