FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/7 p. 20-24
  • Ny Fikatsahanay ny Rariny

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fikatsahanay ny Rariny
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Olana tamin’ny fiangonana
  • Ny tafika sy ny fanambadiana
  • Nampiseho di-doha nanohitra aho
  • Afa-po ny fikatsahako ny rariny
  • Voatohina ny foko rehefa ela ny ela
  • Firotsahana amin’ny fanompoana manontolo andro
  • Rehefa ho tanteraka amin’ny fomba feno ny rariny
  • Manova Olona ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Fizarana 4: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Manova Olona ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Mifohaza!—1997
g97 8/7 p. 20-24

Ny Fikatsahanay ny Rariny

NOTANTARAIN’I ANTONIO VILLA

Tamin’ny 1836, dia novonoin’ny tafika meksikana iray nisy miaramila 4 000 teo ho eo ny olona rehetra — niisa latsaka ny 200 — nonina tany Texas niaro ny Alamo (misiona iray). Taorian’izay, dia nampiasaina ilay hiakan’ady hoe “Tsarovy ny Alamo” mba handrehetana ny ady hitakiana fahaleovan-tena, izay azo tatỳ aoriana tamin’io taona io. Tamin’ny 1845, ny faritra izay anisan’i Meksika teo aloha dia nanjary anisan’i Etazonia, ka tafiditra tao anatin’ny faritany nankahalana azy ny Meksikana. Mbola tsaroana ihany ny tsy fitoviana ara-pirazanana.

TERAKA tamin’ny 1937 aho, tany amin’ny toerana tsy dia lavitra an’i San Antonio, Texas, izay misy ny Alamo. Tamin’izany andro izany, dia nasiana soratra hoe “Fotsy Hoditra Ihany” sy “Hafa” teo amin’ny toeram-pandroana, ny fantsakana, sy ny toerana hafa azon’ny besinimaro naleha. Vetivety dia fantatro fa anisan’ilay hoe “Hafa” izahay teraka Meksikana.

Rehefa nijery filma tany amin’ny sinema ny Meksikana sy ny mainty hoditra, dia tsy navela hipetraka afa-tsy tany ambony rihana, fa tsy teo amin’ny toerana fipetrahan’ny mpijery. Hotely fisakafoana sy toeram-pivarotana maro no tsy nety nandray Meksikana. Indray mandeha, rehefa niditra tao amin’ny toeram-pikojakojana tarehy amam-batana i Velia vadiko sy ny rahavaviny, dia tsy mba nampiseho fahalalam-pomba akory ireo tompon’ilay toerana mba hilazana hoe: “Tsy mandray Meksikana izahay ato.” Nihomehezany fotsiny i Velia sy ny rahavaviny mandra-pialan’izy mirahavavy fa menatra.

Indraindray, dia nisy vazaha — mazàna rehefa mamo izy ireo — nitady vehivavy meksikana, izay noheverin’ny vazaha maro fa naloto fitondran-tena ary hoe efa tandra vadin-koditra aminy izany fahalotoam-pitondran-tena izany. Nieritreritra aho hoe: ‘Tsy hiray toeram-pandroana na fantsakana aminay ry zareo, kanefa hiray fandriana amin’ny vehivavy meksikana.’ Teo am-boalohany, dia tsy nampilamin-tsaina ahy ireny tsy rariny ireny, ary tatỳ aoriana dia nahatonga ahy ho tia nihantsy.

Olana tamin’ny fiangonana

Nahasosotra ahy koa ny fihatsarambelatsihin’ny fivavahana. Samy nanana fiangonana nisaraka ny vazaha sy ny mainty hoditra ary ny Meksikana. Rehefa niomana handray ny Komonio voalohany aho noho izaho Katolika, dia nanolotra ahy valopy vitsivitsy efa nisy daty ny mompera mba homeko ny raiko. Tokony hamerina valopy iray nisy fanomezana izahay isan-kerinandro. Fotoana fohy taorian’izay, dia hoy ilay mompera tamiko: “Tsara ny hilazanao amin’ny dadanao fa mbola tsy tonga atỳ amiko ireo valopy ireo.” Nisy akony teo amiko ny tenin-draiko tamim-pahatezerana hoe: “Izay ihany no mba mahaliana an-dry zareo — ny vola!”

Fahita koa ny toe-javatra nahafa-baraka tamin’ny nisian’ny mpitory teny naka vadin’olona tao am-piangonany. Nahatonga ahy hamerimberina hiteny toy izao ny fisehoan-javatra toy ireny: “Zavatra roa monja no kendren’ny fivavahana — na ny hahazo ny volanao na ny haka ny vadinao.” Noho izany, rehefa tonga nitsidika anay ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nasaiko nandeha, sady nilazako hoe: “Raha mila fivavahana aho, dia izaho ihany no hitady azy.”

Ny tafika sy ny fanambadiana

Tamin’ny 1955, dia niditra tao amin’ny Tafika Ana Habakabaka Amerikana aho, satria nantenaiko hoe raha mahavita tsara kokoa ny asako noho ny hafa aho, dia ao no mety hahazoako ny fanajana tsy nomena ahy noho izaho Meksikana. Tamin’ny fikelezako aina, dia nahazo fankasitrahana aho, ary tatỳ aoriana dia nampiandraiketina fanaraha-maso ny hatsaran’ny fitaovana. Tafiditra tamin’izany ny fanombanana ny asan’ny sampan-draharaha hafa tao amin’ny tafika.

Tamin’ny 1959, dia nanambady an’i Velia aho. Efa tia fivavahana foana i Velia. Kanefa, diso fanantenana izy tamin’ireo fiangonana maro samihafa nalehany. Indray andro, tamin’ny 1960, rehefa nahatsiaro ho tena ketraka izy, dia nivavaka hoe: “Andriamanitra ô, raha misy ianao, dia mba ampahafantaro ahy. Tiako ny hahafantatra anao.” Tamin’io andro io ihany, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah iray nitsidika tao an-tranonay tany Petaluma, Kalifornia.

Tsy ela taorian’izay anefa, dia tsy afaka nifandray tamin’ny Vavolombelona i Velia satria niova ny toerana nanendrena ahy tao amin’ny tafika. Efa tamin’ny 1966, fony aho tany Vietnam, vao nanohy indray ny fianarany Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona tany Seminole, Texas, izy. Rehefa niverina nody avy tany Vietnam aho teo am-piandohan’ny taona nanaraka, dia tsy faly nahita azy niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelona.

Nampiseho di-doha nanohitra aho

Nihevitra aho hoe ho voafitaky ny fivavahana i Velia ka ho diso fanantenana. Koa nanatrika ilay fianarana aho sady nihaino mba hahitako izay ho azo analana sarona ny soritra kely indrindra nampiseho fihatsarambelatsihy. Rehefa nilaza ilay vehivavy fa mialanalana amin’ny politika ny Vavolombelona, dia notapahiko ny teniny hoe: “Inona no asa ataon’ny vadinao?”

“Mamboly landihazo izy”, hoy ny valin-teniny.

“Hay kosa!”, hoy ny nasetriko azy tamim-pieboeboana. “Avy amin’ny landihazo no anaovana ny fanamian’ny miaramila. Koa manohana ny ady izany ianareo!” Nanjary nitabataba sady tsy nisaina aho.

Na dia nalefa lavitra nankany Minot, Dakota Avaratra, aza izahay tamin’ny Jona 1967, noho ny fanendrena vaovao azoko tao amin’ny tafika, dia nifandray tamin’i Velia ny Vavolombelona tany ka nanohy indray ny fampianarana azy Baiboly. Nanomboka nanohitra araka ny fomban-jaza aho. Nataoko fanahy iniana ny tonga tamin’ny fotoana nanaovana ilay fianarana sy ny nanakaratoka ny varavarana, ny ningodongodona niakatra ny tohatra, ny nanipy ny baotiko mafy teo amin’ny gorodona, sy ny nandefa imbetsaka ny rano tao amin’ny toeram-pivoahana.

Vehivavy malefa-piteny sady manaiky vady i Velia, ary mbola tsy nanao na inona na inona mihitsy tsy nisy fahazoan-dalana avy tamiko izy. Na dia namela azy tsy sazoka hianatra Baiboly aza aho, dia fantany fa ho olana lehibe kokoa ny hanatrika ireo fivorian’ny Vavolombelona. Rehefa nampirisihina hanao izany izy, dia izao foana no navaliny: “Aleo aho tsy mandeha. Tsy tiako ny hampahasosotra an’i Tony.”

Kanefa, indray andro dia izao no novakin’i Velia tao amin’ny Baiboly: “Aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra”. (Efesiana 4:30). “Inona no dikan’izany?”, hoy izy nanontany. Nanazava toy izao ilay Vavolombelona nitarika ny fianarana: “Ny fanahy masin’Andriamanitra no nanomezana tsindrimandry hanoratana ny Baiboly. Koa raha tsy manaraka izay lazain’ny Baiboly isika, dia hampalahelo ny fanahy masin’Andriamanitra. Ohatra, tsy mandeha mivory ny sasany, na dia fantany aza fa milaza ny Tenin’Andriamanitra hoe tokony hanao izany isika.” (Hebreo 10:24, 25). Izay fotsiny no nilain’ny fon’i Velia, dia ny fony feno fanetren-tena. Nanomboka tamin’izay izy dia namonjy ny fivoriana rehetra, na dia nanohitra aza aho.

Nitrerona aho hoe: “Ahoana no andaozanao ny trano, kanefa tsy ataonao vonona eo ambony latabatra akory ny sakafoko hariva?” Nianaran’i Velia haingana ny nanao ny sakafoko hariva ho vonona sady mafana. Koa nampiasa fialan-tsiny hafa aho: “Tsy tia ahy na ny zanatsika ianao. Ilaozanao mankany amin’ireny fivoriana ireny izahay.” Na rehefa namely ny zavatra inoan’ny Vavolombelona aho ka niezaka tamim-pahalemem-panahy hiaro azy ireny i Velia, dia nampiasaiko ny teny hoe bocona — “avo vava” — ka nantsoiko hoe bocona tsy manaja sy tsy manaiky izy.

Na dia izany aza, dia nanatrika ireo fivoriana i Velia, ka matetika no nitomany teo am-pandaozana ny trano noho ny teny henjana nampiasaiko. Nanaraka fotopoto-pitsipika sasany ihany anefa aho. Tsy nikasi-tanana ny vadiko mihitsy aho na nieritreritra akory hoe handao azy noho ny finoany vaovao. Nanahy tokoa anefa aho sao nisy lehilahy tsara tarehy tany amin’ireny fivoriana ireny nety ho liana taminy. Mbola nihevitra foana aho fa raha ny amin’ny fivavahana, dia ‘na ny vola na ny vehivavy no tadiaviny’. Matetika aho no nitaraina toy izao rehefa niakanjo handeha hivory i Velia: “Manao metimety ho an’ny hafa ianao fa tsy mba manao metimety ho ahy mihitsy.” Koa rehefa sambany aho vao nanapa-kevitra ny hanatrika fivoriana, dia hoy aho: “Handeha aho — nefa mba hanao andry maso anao fotsiny a!”

Ny tena antony nanosika ahy anefa dia ny hahita zavatra hanoherana ny Vavolombelona. Tany amin’ny iray tamin’ireo fivoriana natrehiko voalohany, dia nisy lahateny iray momba ny fanambadiana “ao amin’ny Tompo ihany”. (1 Korintiana 7:39). Rehefa tonga tany an-trano izahay, dia sady nandevilevy azy mafy aho no nilaza ny tsy fahafaliako hoe: “Hitanao izany! Mitovy amin’ny rehetra ihany ry zareo — manana fitsarana an-tendrony amin’olona na iza na iza tsy iray finoana aminy.” Niteny tamim-pahalemem-panahy i Velia hoe: “Tsy ry zareo ange no milaza izany fa ny Baiboly e!” Avy hatrany dia notoheriko izy sady nasiako totohondry ny rindrina no nikiakiaka aho hoe: “Io indray ianao fa bocona!” Raha ny marina, dia sosotra aho satria fantatro fa marina ny azy.

Nanohy nanatrika fivoriana sy namaky zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelona aho, kanefa ny hitady hahita tsininy tamin’izany no antony nanosika ahy. Nanomboka nanome valin-teny tany am-pivoriana mihitsy aza aho — nefa mba hampisehoana tamin’ny olona fotsiny hoe tsy “Meksikana dondrina” aho.

Afa-po ny fikatsahako ny rariny

Tamin’ny 1971, dia nankany Arkansas izahay noho ny asako tao amin’ny tafika. Nanohy nanatrika fivoriana aho, niaraka tamin’i Velia izay natao batisa tamin’ny Desambra 1969 ho mariky ny nanolorany tena ho an’i Jehovah. Tsy nanohitra azy intsony aho, kanefa koa tsy nisy navelako hiara-mianatra ny Baiboly tamiko. Nitombo be mihitsy ny fahalalako vokatry ny namakiako zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. Kanefa, fahalalana tao an-tsaina fotsiny izany — vokatry ny faniriako hahavita ny tsara indrindra tamin’ny zavatra rehetra nataoko. Nanomboka nanohina ny foko tsikelikely anefa ny fifaneraserana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ohatra, nomarihiko fa nandray anjara tamin’ny fampianarana tao amin’ny fivorian’ny kongregasiona ny mainty hoditra. Teo am-boalohany, dia niteny anakampo aho hoe: ‘Eisy! Rehefa tsy misy mahita ihany ry zareo no manao an’izao.’ Rehefa nanatrika fivoriambe iray tao amin’ny kianja filalaovam-baolina lehibe iray anefa izahay, dia gaga aho nahita fa nisy mainty hoditra koa nandray anjara tamin’ilay fandaharana. Voatery niaiky aho fa tsy misy fanavakavahana eo amin’ny Vavolombelona. Mampihatra ny tena rariny izy ireo.

Nanjary takatro koa fa manana fifankatiavana marina ny Vavolombelon’i Jehovah. (Jaona 13:34, 35). Ary rehefa niara-niasa taminy tamin’ny fanorenana ny Efitrano Fanjakanany aho, dia hitako fa toy ny olona rehetra izy ireo. Hitako izy ireo nanjary reraka, nanao fahadisoana, ary nifamaly mihitsy aza rehefa nisy zavatra tsy nety. Tsy nampandositra ahy anefa ireny tsy fahalavorariana ireny fa vao mainka aza aho nahatsiaro ho nilamin-tsaina kokoa teo anivon’izy ireo. Angamba takatro fa nisy azo nantenaina ny amiko, na dia teo aza ny kileman-toetrako maro.

Voatohina ny foko rehefa ela ny ela

Tamin’ny 1973 no nahatsapako voalohany hoe namboly fifandraisana tamin’i Jehovah aho, rehefa nanazava Ny Tilikambo Fiambenana fa ‘fahalotoan’ny nofo’ ny fifohana sigara ka fahotana mahavoaroaka. (2 Korintiana 7:1). Tamin’izay aho dia nifoka sigara teo amin’ny iray na roa fonosana isan’andro. Teo aloha, dia imbetsaka aho no niezaka hitsahatra tsy hifoka, nefa tsy nahomby. Tamin’izay anefa, isaky ny nahatsiaro faniriana mafy hifoka aho, dia nanao vavaka mangina nangataka ny fanampian’i Jehovah mba hialana tamin’ilay fahazarana maloto. Gaga ny rehetra fa tsy nifoka intsony aho.

Tokony ho tamin’ny 1 Jolay 1975 no ho tonga ny fisotroan-dronono tamin’ny naha-miaramila ahy. Takatro fa raha naniry hanao izay nampianarin’ny Baiboly aho, dia tsy maintsy manolotra ny fiainako ho an’i Jehovah. Mbola tsy nianatra manokana ny Baiboly niaraka tamin’olon-kafa mihitsy aho, koa gaga be ireo loholon’ny kongregasiona tamin’ny Jona 1975, rehefa nilaza taminy aho fa naniry ny hatao batisa raha vantany vao tapitra ny asako tao amin’ny tafika. Nohazavain’izy ireo fa tsy maintsy manatanteraka ny didin’i Jesosy handray anjara amin’ny asa fitoriana aho aloha. (Matio 28:19, 20). Izany no nataoko ny asabotsy voalohany tamin’ny Jolay. Tamin’io andro io ihany aho dia nihaona tamin’ny loholona iray mba hamaly ireo fanontaniana ara-baiboly takina ho an’izay milatsaka hatao batisa. Roatokom-bolana taorian’izay, dia natao batisa aho.

Rehefa nahita ahy natao batisa ny zanakay telo mianadahy — i Vito sy i Venelda ary i Veronica — dia nanomboka nanao fandrosoana ara-panahy haingana. Tao anatin’ny roa taona nanaraka, dia natao batisa izy mianadahy zokiny, narahin’ny zandriny indrindra, efa-taona tatỳ aoriana. Rehefa miresaka amin’ny lehilahy mahalala ny fahamarinana ara-baiboly kanefa tsy manao na inona na inona momba izany, aho, dia matetika no milaza aminy momba ny vokatry ny tsy fanaovany zavatra. Lazaiko azy fa na dia mety tsy hilaza izany aza ny zanany, dia mieritreritra izy hoe: ‘Raha tsy dia zava-dehibe amin’i Dada ny fahamarinana, dia tsy dia zava-dehibe amiko koa izany izy io.’

Firotsahana amin’ny fanompoana manontolo andro

Nanomboka ny fanompoana manontolo andro tamin’ny naha-mpisava lalana ny fianakavianay manontolo tany Marshall, Arkansas. Nanomboka tamin’ny 1979 izaho sy i Velia, ary nanatevin-daharana anay tamin’ilay asa nandritra ireo taona nanaraka ny ankizy, isaky ny nahazo diplaoma avy tany amin’ny lise ny tsirairay.

Teo am-piandohan’ireo taona 1980, dia nandre tatitra momba ny hetaheta fahalalana ara-baiboly teo amin’ny olona tany Ekoatera, Amerika Atsimo, izahay. Koa nataonay ho tanjona ny hifindra tany. Tamin’ny 1989, dia efa lehibe ny zanakay ka afaka namelon-tena. Koa tamin’io taona io, dia nitsidika vetivety an’i Ekoatera izahay mba “hisafo ny tany”. — Ampitahao amin’ny Nomery 13:1, 2.

Tamin’ny Aprily 1990, dia tonga tany Ekoatera, fonenanay vaovao, izahay. Koa satria voafetra ny volanay — ny volako tamin’ny fisotroan-dronono no nivelomanay — dia tsy maintsy nanao teti-bola tamim-pitandremana izahay tamin’ny nampiasanay ny volanay. Nihoatra lavitra noho izay rehetra nety ho sorona ara-bola anefa ireo fifaliana nanompo manontolo andro teto amin’itỳ faritany lonaka ara-panahy itỳ. Teo am-boalohany, dia niasa tao Manta, tanàna seranana, izahay, ary samy nitarika fampianarana Baiboly 10 ka hatramin’ny 12 teo ho eo avy, isan-kerinandro. Avy eo, tamin’ny 1992, dia nanomboka nanompo tamin’ny naha-mpitory mpitety faritany aho, niaraka tamin’ny vadiko. Mitsidika kongregasiona samy hafa izahay isan-kerinandro.

Rehefa ho tanteraka amin’ny fomba feno ny rariny

Rehefa manao jery todika izaho sy i Velia, dia mahita fa ireo tsy rariny nodiavinay fony izahay nihalehibe, dia manampy anay eo amin’ny fanompoanay ankehitriny. Tena ahinay indrindra ny tsy hanamavo na oviana na oviana, na iza na iza mety ho mahantra na tsy nahita fianarana kokoa noho izahay, na izay samy hafa firazanana aminay. Hitanay koa fa maro amin’ireo rahalahinay sy anabavinay kristiana no mandia tsy rariny sosialy ratsy kokoa noho ny nodiavinay. Kanefa, tsy mitaraina izy ireo. Mibanjina hatrany ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy izy ireo, ary izany koa no nianaranay natao. Efa ela no nitsaharanay tsy nitady hahita rariny eto amin’itỳ fandehan-javatra itỳ; aleonay kosa mampiasa ny fiainanay anoroana ny olona ilay hany tena vahaolana amin’ny tsy rariny, dia ny Fanjakan’Andriamanitra. — Matio 24:14.

Nianaranay koa fa izay tena mora tohina noho ny tsy rariny, dia tsy maintsy mitandrina mba tsy hanantena rariny tonga lafatra eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra. Izany no izy satria tsy lavorary avokoa isika rehetra ary mirona hanao ratsy. (Romana 7:18-20). Kanefa, afaka milaza amim-pahatsorana izahay fa nahita fikambanan’ny mpirahalahy be fitiavana, iraisam-pirenena, izay miezaka mafy hanao izay mahitsy araka izay farany azo atao. Antenainay ny hiara-miditra amin’ny vahoakan’Andriamanitra na aiza na aiza, ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra izay hitoeran’ny fahamarinana. — 2 Petera 3:13.

[Teny notsongaina, pejy 21]

Avy hatrany dia notoheriko izy sady nasiako totohondry ny rindrina

[Sary, pejy 22]

Miaraka amin’i Velia, fony aho niditra tao amin’ny tafika ana habakabaka

[Sary, pejy 24]

Miaraka amin’i Velia, tamin’ny 1996

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara