Fanampiana ho An’ny Tongotra Maharary
“MATY ny tongotro, ray olona!” Miharihary fa fampitomboana filaza izany. Na dia izany aza, dia lehibe tokoa ny olana momba ny tongotra maharary any Etazonia, hany ka an’arivony maro ny manam-pahaizana momba ny tongotra, raikitra ao amin’io fandraharahana io.
Rehefa avy nanao jery todika ireo fandidiana tongotra, maherin’ny 2 000, nataony nandritra ny 14 taona ny Dr. Michael Coughlin, mpandidy momba ny fanitsiana taolana, dia nahatsikaritra zavatra nahazendana. “Sarotra inoana ny zavatra hitako: Saika vehivavy avokoa no nanaovana ireo fandidiana rehetra ireo”, hoy izy. Nahoana ny vehivavy indrindra no mora mahita olana momba ny tongotra?
Antonona ny tongotra sa ara-damaody?
Hita tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ny vehivavy 356 fa efa ho vehivavy 9 tamin’ny 10 no nanao kiraro tery loatra taminy! Anisan’ny miteraka ilay olana ny fomba fanamboarana ny kirarom-behivavy. “Ireo mpanao kiraro dia tsy mampiasa intsony ireo lasitra mitambatra izay mety hanome voditongotra tery sy lohatongotra mivelatra kokoa”, hoy ny fanazavan’i Francesca Thompson, mpandidy momba ny fanitsiana taolana.a
Noho izany, dia vehivavy maro no mahita, rehefa manohatra kiraro, fa rehefa antonona tsara ny lohatongotra, dia malalaka ny voditongotra; fa rehefa mety tsara kosa ny voditongotra, dia tery ny lohatongotra. Ny hafa mifidy kiraro antonona tsara ny voditongony fa tery lohatongotra, satria mety hitsoatsoaka ilay kiraro isaky ny mamindra, raha ilay iray hafa no fidiny.
Efa maharary ny fanerena ny lohatongotra ao anatin’ny kiraro tery lohatongotra. Ireo mpanao kiraro koa anefa mbola mampiakatra santimetatra vitsivitsy ny voditongotr’ilay kiraro. Na dia heverina ho ara-damaody aza ny kiraro avo, dia mahatonga ilay kitro eo am-pototry ny ankibe hiharan’ny fanerena rehetra, ka manery ny tongotra hiroso ho eo amin’ny lohatongotr’ilay kiraro izay mety ho efa tery loatra. “Tsy misy izany kiraro avo mahasalama izany”, hoy ny Dr. David Garrett, manam-pahaizana momba ny tongotra. Misy milaza fa ny kiraro avo, amin’ny farany, dia mety hanimba ny tongotr’ilay manao azy, hanimba ny kitrokeliny, ny kibondranjony, ny lohaliny, sy ny lamosiny. Mety hanafohy ny hozatra sy ny hozaben’ny ranjo koa izy ireny, ka mety hahatonga ny mpihazakazaka ho mora hiharam-pahavoazana mafy amin’ny tongotra.
Tsy mety zatra amin’ny fijaliana iaretany ny tongotry ny vehivavy. Raha ny marina aza, rehefa mandeha ireo taona, dia mirona hivelatra ihany ny lohatongotra — na dia aorian’ny nahatongavan’ny olona iray ho olon-dehibe aza. Tsy toy izany anefa ny an’ny voditongotra. “Iray monja ny taolan’ny voditongotra”, hoy ny Dr. Thompson, “ary mijanona ho kely toy ny tamin’ny ianao 14 taona ihany izy io, rehefa 84 taona ianao.” Izany dia vao mainka manasarotra ny hahitan’ny vehivavy kiraro antonona azy tsara hatreo amin’ny voditongotra ka hatreo amin’ny rantsantongotra.
Fomba fividianan-kiraro
Koa satria manahirana ny mahita kiraro sady antonona tsara no ara-damaody, ahoana no azon’ny vehivavy isorohana ny fahararian’ny tongony? Manomboka any amin’ny toerana fivarotan-kiraro ny valiny. Manoro hevitra toy izao manaraka izao ny manam-pahaizana sasany:
● Rehefa madiva hifarana ny andro ka somary mivonto ny tongotrao no tokony hividianana kiraro.
● Ohary ireo ilan-kiraro roa — fa tsy ny iray ihany.
● Ataovy azo antoka fa antonona tsara ny voditongony ary ampy tsara ny halavan’ny lohatongony sy ny sakany ary ny haavony.
● Eritrereto tsara ny hoe mety hanana karipetra matevina ilay toerana fivarotana, ka mahatonga ireo kiraro, na dia tsy antonona aza, tsy hampaninona vetivety.
● Halaviro ireo kiraro hoditra mafy mangirangirana na kiraro sentetika. Tsy miitatra izy ireny rehefa mandeha ianao, tsy toy ny hoditra malefaka na malambolambo.
● Raha mividy kiraro avo ianao, dia andramo asiana lafika hoditra ao anatiny mba hampahalefadefaka azy bebe kokoa. Aza mieritreritra ny hanao kiraro avo raha tsy mandritra ny fotoana sasany ihany, fa soloy kiraro iva kokoa izy io indraindray ao anatin’ny andro.
Ho fanampin’ireo voalaza eo ambony ireo, dia tadidio mandrakariva fa tokony tsy hampaninona anao ireo kiraro amin’ny fotoana ividiananao azy. Mifanohitra amin’ny zavatra inoan’ny besinimaro, dia tsy misy izany fe-potoana famolahana izany. “Aza mamela mihitsy ny mpivarotra hampiaiky anao hoe tsy hanaikitra intsony ilay kiraro rehefa folaka”, hoy ny fampitandreman’ny Dr. Coughlin. “Ny tongotrao ihany no ho voa mafy eo.”
Ahoana anefa raha tsy misy azonao isafidianana afa-tsy kiraro tery lohatongotra fa antonona tsara ny voditongotra, na antonona tsara ny lohatongotra fa malalaka ny voditongotra? Milaza ny Dr. Annu Goel, manam-pahaizana momba ny tongotra, fa tokony hanapa-kevitra ianao hoe iza amin’ireo no ho mora ahitsy kokoa. “Misy fomba roa fanaovana izany”, hoy izy. “Voalohany, dia azonao atao ny mividy kiraro izay antonona tsara ny lohatongony ary manisika zavatra mba hahatonga ny voditongony ho antonona tsara kokoa. (...) Ny tetika faharoa dia ny mividy kiraro antonona tsara ny voditongony ary manitatra ny lohatongony. Amin’ny ankapobeny anefa, dia amin’ny kiraro hoditra ihany no mety izany.”
Koa satria vehivavy maro no mandeha an-tongotra 15 kilaometatra isan’andro, araka ny fanombantombanana, dia ho tsara raha mandinika ny kiraro anaovany izy ireo. Lazain’ny gazetiboky American Health fa “amin’ny fanehoam-piheverana bebe kokoa ny tongotra — indrindra fa amin’ny fanaovana kiraro antonona — dia afaka misakana ny ankamaroan’ny olana mahazo ny tongotra tsy hitranga ianao”.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny “lasitra” dia zavatra manaraka ny bikan-tongotra anamboarana ny bikan’ny kiraro iray.
[Efajoro, pejy 26]
Olana Efatra Matetika Mahazo ny Tongotra
Kitron’ny ankibe. Fivontosana eo am-pototry ny ankibe izy io. Tsy manaranaka ny kitron’ny ankibe, fa mety ho vokatry ny kiraro tery na avo. Mety hampitony vetivety ny fanaintainana ny fametahana zavatra mafana na gilasy, kanefa ilaina ny fandidiana mba hanesorana tanteraka ny kitron’ny ankibe.
Rantsantongotra mivilana. Milefitra midina ireo rantsantongotra, angamba noho ny kiraro manery mafy loatra ny lohatongotra. Mety hilaina ny fandidiana mba hanitsiana ilay fiovam-bika.
Kitron-drantsantongotra. Fivontosana mikitsoloha eo amin’ny rantsantongotra, vokatry ny fifampikasohana sy ny fanerena, ary indraindray vokatry ny fanaovana kiraro tery loatra. Mety hitondra fanamaivanana vetivety ny fanafody amboarin’ny tena, kanefa mazàna no ilaina ny fandidiana mba hanitsiana ireo rantsantongotra miova bika izay miteraka fifampikasohana.
Kitro. Soson-koditra matevina efa maty, izay miaro ny tongotra amin’ny fifampikasohana miverimberina. Afaka manalefaka azy ireny ny fandomana azy ao anaty rano matimaty nasiana sira Epsom. Aza manandrana mandidy azy ireny anefa, satria mety hampiditra otrikaretina izany.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
The Complete Encyclopedia of Illustration/J. G. Heck