Fijerena An’izao Tontolo Izao
Tsy Misy Izany “Loharano Mahatanora” Ara-pitsaboana Izany
Araka ny nolazain’i Andréa Prates, manam-pahaizana momba ny aretin’antitra, dia mety “hitondra soa ihany, kanefa mety hanimba be ny fahasalamanao koa”, ny fampiasana fanafody ara-damaody, toy ny hôrmônina sasany, mba hijanonana ho tanora. Amin’ny ady atao amin’ny fandroson’ny taona, “dia mandaitra kokoa noho ny fitsaboana vaovao ny fahazarana vaovao”, hoy ny torohevitra nomen’ny Dr. Prates. Anisan’ny fahazarana tsara mety hanalava ny androm-piainana ny torimaso ampy, ny fihazonana ny fahatoniana, ny fanalana vonkina ny hozatra sy ny fanaovana fampiasan-tena araka ny antonona, ny fiezahana mampiasa ny saina, sy ny tsy fihinanana sakafo be menaka, hoy ny fanamarihan’ny gazetiboky Superinteressante any Brezila. Zava-dehibe koa ny fandraisana otrikaina sy mineraly, izay hita ao amin’ny voankazo sy ny legioma. Ny sela rehetra ao amin’ny vatana no voakasika amin’ny fandroson’ny taona, ary tsy afaka miara-mandray soa avy amin’ny zavatra tokana monja ny taova samy hafa rehetra ao amin’ny vatana.
Ny Biby Voalohany avy Tamin’ny Selan’ny Biby Mampinono Efa Lehibe
Nanaitra izao tontolo izao ireo mpikaroka any Ekosy tamin’ny faramparan’ny volana Febroary, rehefa nanambara fa namokatra zanak’ondry iray avy tamin’ny ADN-n’ny ondry iray efa lehibe izy ireo. Na dia efa natao hatramin’ny taona maro aza ny famokarana biby avy tamin’ny selan’ny fanjary tsaika, dia noheverin’ny mpahay siansa maro hatramin’izao fa tsy ho azo atao ny hamokatra kambana amin’ny biby mampinono iray efa lehibe, izay hitovy fototarazo aminy. Nilaza ireo mpikaroka fa amin’ny teôria, dia ho azo ampiharina amin’ny olombelona koa io teknika io — izany hoe ny ADN-n’ny sela iray nalaina avy tao amin’ny olon-dehibe iray dia ho azo ampiasaina mba hamokarana kambana amin’io olon-dehibe io, izay hitovy fototarazo aminy, saingy ho tanora kokoa noho izy. Kanefa, araka ny voalazan’ny International Herald Tribune, dia mihevitra an’izany ho tsy azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena i Ian Wilmut, ilay mpahay siansa nitarika ilay tetik’asa. Miombon-kevitra aminy ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, ka manohitra ny famokarana olombelona avy amin’ny sela iray, satria ‘endri-panandramana tafahoatra’ izany, hoy ny tatitra nataon’ny The Journal of the American Medical Association.
Tandremo Io Fihenjanana Io!
“Breziliana an-tapitrisany maro no miady tsy an-kijanona amin’ny fihenjanana”, hoy ny tatitra nataon’ny gazetiboky Veja. Maro amin’izy ireo no mety hino fa mariky ny fahombiazana ny fiasany maharitra ela, na dia efa tonga eo amin’ny fara tampon’ny fahafahany mamita zavatra aza izy, kanefa mety hanimba ny fahasalamana izany fihetsika izany. “Mahatontosa asa tsara ny mpiasa iray rehefa ao anatin’ny fihenjanana araka ny antonona izy, kanefa efa tonga eo amin’ny fara fahafahany mamokatra izy raha efa nihoatra izay mety ho vitany, na dia tsy fantany akory aza izany”, hoy ny fanazavan’ny Dr. Marilda Lipp ao amin’ny Oniversite Katolika. “Ao anatin’ny fihenjanana mafy, dia mahatalanjona tokoa ny zava-bitan’ny olombelona, mandritra ny fotoana fohy. Avy eo, dia trotraka tsotra izao izy.” Mahatsapa fihenjanana lehibe kokoa ireo olona mahita hoe sarotra ny manankina andraikitra amin’ny hafa, hoy ilay tatitra. Ireo izay “tsy mahatafavoaka ny fihetseham-pony, ireo izay mirona hitroatra ao anatin’ny fotoam-pihenjanana ary avy eo dia miezaka halemy fanahy sy hahalala fomba”, no tratran’ny fihenjanana lehibe indrindra, araka ny tenin’ny Dr. Lipp.
Akohokely Elektronika
Any Japon, dia nanjary lamaody ao amin’ilay firenena ny akohokely elektronika, hoy ny tatitra nataon’ny Asahi Evening News, teo am-piandohan’itỳ taona itỳ. Manana efi-jery mampiseho sarin’akohokely arakaraka ny fitomboany, ilay kilalao mitovy bika amin’ny atody. Tsindrio ny bokotra iray, dia hahita akohokely iray hivoaka ny akorany ianao, rehefa afaka dimy minitra. Avy eo ilay “akohokely” dia maneno mba hahafantaran’ilay tompony fa tokony “hamahana” azy izy ka hikarakara ireo zavatra hafa ilainy, amin’ny fanindriana bokotra samihafa. Mety haneno amin’ny fotoana rehetra izy io, na dia mandritra ny alina aza. Mety hitarika ho amin’ny “fahafatesan’ilay” akohokely alohan’ny fotoana ny tsy firaharahana izany. Na ahoana na ahoana anefa, aorian’ny herinandro eo ho eo, dia maty ilay akohokely. Azo atao amin’izay fotoana izay ny manavao indray ny programan’ilay kilalao, mba “hahafoy” akohokely hafa iray, izay manan-toetra hafa. Voalazan’ny tatitra fa mahatsiaro ho miraiki-po amin’ilay akohokeliny elektronika toy ny amin’ny zanaka iray, ny olona sasany. Nilaza toy izao mihitsy aza ny dokotera iray, momba ny akohokeliny: “Nalahelo kokoa aho tamin’ny nahafatesany noho ny tamin’ny nahafatesan’ny iray tamin’ireo marary notsaboiko.”
Fanararaotana Ankizy
“Inoana fa ankizy tokony ho roa tapitrisa maneran-tany no ampahorin’ny anton-draharaha vetaveta”, hoy ny ENI Bulletin. Izany fametavetana ankizy alamina fikambanana izany, izay efa miely patrana any amin’ny faritra maro any Azia, dia mitombo ankehitriny any amin’ireo tanin’i Amerika. Nilaza i Rodrigo Quintana, manam-pahaizana miara-miasa amin’ny Ivon-toeran’ireo Tanin’i Amerika Mikarakara ny Ankizy, fa hita ho nitombo be io olana io tany Amerika Latina tato anatin’ireo folo taona lasa. Tondroin’ny antontan’isa notononin’i Quintana fa ankizy tsy ampy taona an’aliny maro any amin’ireo firenena manerana an’i Amerika Latina no ampiasaina ho mpivaro-tena ankehitriny.
Nisy Soritra Antimatière Hita
Nisy astrofizisiana nahita vao haingana ilay soritra antimatière, izay mirefy 3 500 taon-kazavana ny halavany, mivoaka avy ao amin’ny votoatin’ny Voie lactée, ilay vahindanitra misy antsika, hoy ny tatitra nataon’ny The New York Times. Ny antimatière dia voaforon-javatra bitika toy ny ataoma, izay mitovy tsy misy valaka amin’ny ataoma mahazatra, saingy mifanohitra fahan’aratra aminy. Ny fifandonany amin’ny ataoma mahazatra dia miteraka fahafoanan’izy roa tonta ka mamoaka taratra gamma mahery manana angôvo voafaritra mazava. Fantatr’ireo mpahay siansa hoe antimatière ilay soritra, tamin’ny nanitsiany ny satelitan’ny Compton Gamma Ray Observatory ho afaka handray an’io angôvo io. Raha ny amin’ny vokatra entin’ilay soritra, “dia nilaza ireo astrofizisiana fa tsy mandrahona ny Tany akory izy io, fa mandrahona ny sary nampisehoan’izy ireo ilay vahindanitra fotsiny”.
Fampandosirana Elefanta
“Any Azia, dia manimba voly mitentina dolara an’arivony maro ireo elefanta isan-taona”, hoy i Loki Osborn, manam-pahaizana momba ny biby ao amin’ny Oniversiten’i Cambridge. Araka ny nanaovana tatitra tao amin’ny gazetiboky New Scientist, ireo elefanta atsy Afrika koa dia mihavoasintona ho amin’io loharanon-tsakafo io, izany hoe ny voly. Niezaka hampahatahotra ireo biby ireo ny mpamboly tamin’ny alalan’ny vely amponga na tora-bato, araka ny fanao nentim-paharazana. Elefanta maro nitsofotsofo-poana koa no notifirina, hoy i Osborn, “saingy tsy nampihena firy ny fahavoazan’ny voly izany”. Mino i Osborn sy ny mpamoron-javatra iray fa nahita fitaovana tsara kokoa izy ireo: boaty fanafantsitsiran-javatra nasiana sakay sy menaka tokony ho iray kilaograma, izay atifitra mankeo amin’ny faritra akaikin’ilay elefanta. Nomarihiny fa ny orona lava ben’ny elefanta no anisan’ny mora manambolo indrindra amin’ny an’ny biby. Nandritra ny fitsapana natao tany Zimbabwe, “dia tsy nahahetsika aloha ireo elefanta, avy eo dia nievina ary dia lasa haingana”. Tsy mitondra fahavoazana maharitra akory ny sakay, hoy ilay tatitra.
Mahafaty ny Setro-tsigara avy Nofohin’ny Hafa
“Olona maherin’ny 50 000 isan-taona no matin’ny aretim-po sy ny aretin’ny mpanelira, vokatry ny fifohana setro-tsigara avy nofohin’ny hafa”, hoy ny tatitra iray ao amin’ny gazetiboky amerikana Good Housekeeping. Fanampin’izany, ho an’ireo olona tsy mpifoka izay mitoetra tsy tapaka ao amin’ny faritra feno setro-tsigara, dia mitombo be ny mety hahavoan’ny braonsita sy ny pnemonia ary ny kansera isan-karazany azy. Tsy heverina ho mampidi-doza ilay fofona ratsy mbola maharitra andro maromaro ao amin’ny efitra iray avy nifohan’ny olona sigara. Kanefa, “ny fandotoana ny rivotra ao amin’ny efitra feno setro-tsigara dia mety hahatratra avo enina heny noho ny an’ny lalam-be iray feno fiara mivezivezy”, hoy ilay lahatsoratra. Voalazany koa fa “vokatry ny fifohana setro-tsigara avy nofohin’ny hafa no mahatonga ny fahafatesan’ny olona 1 [tsy mpifoka] isaky ny olona 8 maty noho ny fifohana sigara”.
Ny Zavamaniry ho An’ny Hoavy Ve?
Feno bambou (karazana volotsangana) nanerana ny ekoatera, talohan’ny nikapan’ny mpanjana-tany azy ireny mba hahazoana toerana hambolena, hoy ny The UNESCO Courier. Atsy Afrika fotsiny, dia misy 1 500 ny karazana bambou. Maro samihafa ny fomba azo ampiasana io zavamaniry io. Mahazaka tsindry manaraka ny lavany, mihoatra noho ny tsỳ, izy io, hany ka fitaovana tsara dia tsara ho an’ny fanorenana. Misy trano bambou sasany misy rihana roa any Kolombia, efa zato taona mahery izao ary mbola ampiasaina ihany. Azo ampiasaina mba hanaovana fantsona, solika, sy hanaovan-javatra maro hafa koa ny bambou. Ampiasaina amin’ny sakafo sinoa sy japoney mihitsy aza ny laingon’ny bambou. Nohamaivanina angamba ireo lafy tsaran’ny bambou, tamin’ny lasa. Manosika ny olona sasany hiova hevitra anefa ireo lafy tsarany sy ny fitomboany haingana — lehibe sahady izy io ao anatin’ny dimy taona monja. Manjary mihevitra azy io ho “ny zavamaniry azo ampiasaina indray amin’ny hoavy” izy ireo.
Misy Ifandraisany Amin’ny Sohikan’ny Ankizy ny Kalalao
Lazain’ny fandinihana naharitra dimy taona nataon’ny Ivon-toeram-pirenena Amerikana Momba ny Fahasalamana, fa ny kalalao dia mahatonga ny fitomboan’ny fisehoan’ny sohika eo amin’ny ankizy any amin’ny faritanàna mifanizina, araka ny tatitra nataon’ny Daily News any New York. Tamin’ireo ankizy 1 528 voan’ny sohika, nanaovana fandinihana tao amin’ny tanàna fito, dia 37 isan-jato no tsy nahazaka kalalao mihitsy. Nila fampidirana hopitaly intelo heny noho ny ankizy hafa voan’ny sohika, ny ankizy tsy nahazaka kalalao nefa nampatorina tao amin’ny efitra be kalalao. Nampirisika ny olona hiady amin’ny kalalao ny Dr. David Rosenstreich, lehiben’ilay fandinihana, amin’ny alalan’ny fandri-kalalao, ny fanafody famonoana bibikely, ny asidra bôrika, sy ny fanadiovana tanteraka ny trano. Manampy mba hanesorana ny tain-kalalao mifangaro amin’ny vovoka ny fanadiovana ny trano manontolo amin’ny fitaovana mitroka vovoka, hoy izy. “Tsy maintsy manala izay mety hahazoany sakafo sy rano ianao”, hoy ny teny nanampin’ny Dr. Rosenstreich, “indrindra fa ny zavatra mitete. Tsy maintsy misotro rano mantsy ny kalalao mba ho velona.”