Ho Avy Tsy ho Ela ny Tontolo Iray Tsy Hisy Heloka Bevava!
REHEFA mijery ny tarehin-javatra misy an’izao tontolo izao ankehitriny isika, dia miharihary fa tena sarotra ny tsy ho voataona hanao ratsy. Raha ny marina, dia teraka tsy lavorary isika rehetra, ka mirona hanao zava-dratsy. (1 Mpanjaka 8:46; Joba 14:4; Salamo 51:5). Ary hatramin’ny nandroahana an’i Satana Devoly avy tany an-danitra, dia manao ezaka bebe kokoa noho ny hatramin’izay izy mba hampisy korontana. — Apokalypsy 12:7-12.
Nahatsiravina ny vokatr’izany. Nahariharin’ny fanadihadiana natao tamin’ny ankizy 4 000 tany Ekosy, ohatra, fa efa nanao heloka bevava ny androatokon’ireo eo anelanelan’ny 11 sy 15 taona. Nasehon’ny fanadihadiana natao nanerana an’i Grande-Bretagne fa efa ho ny ampahatelon’ny zatovo no tsy nenjehin’ny eritreriny raha nangalatra entana tany amin’ny fivarotana. Ary maherin’ny antsasany no niaiky fa raha nomena famerim-bola mihoatra izy ireo, dia hihazona izany.
Manampy mba hahatakarana ny antony mahatonga ny olona hangalatra, ilay boky italiana hoe Lʹoccasione e lʹuomo ladro (Ny Toe-javatra Fanararaotra sy ny Mpangalatra). Lazain’io boky io fa “tsy mahafehy tena firy” ny mpangalatra, ary “tsy mahay mampihemotra ny fanomezana fahafaham-po ny faniriany” izy ireo. Manampy ilay boky hoe tsy matihanina akory ny ankamaroan’ny mpangalatra, fa “mpanararaotra [fotsiny] izay vonona hanararaotra tarehin-javatra”.
Mahaliana fa manao fanamarihana koa ilay boky, momba ny antony mahatonga olona maro “hitan-tena tsy handika lalàna”. Manatsoaka hevitra izy io fa ilay antony dia tsy noho izy ireo “matahotra sazy ampiharin’ny lalàna, fa noho izy ireo manana fitsipi-pitondran-tena izay misakana azy tsy hanao izany”. Aiza no ahafahan’ny olona mianatra fitsipi-pitondran-tena toy izany?
Ny fampianarana ilaina
Hevero izay ianarana avy amin’ireo fitaovana fampitan-kafatra maro. Ohatra, amin’ny ankapobeny, ilay hafatra ampitain’ny sarimihetsika sy ny televiziona dia hoe azo ekena ny herisetra sy ny fanitsakitsaham-bady ary ny fanaovana an-keriny. Tsy mahagaga àry raha tsy mahafehy tena firy ny olona. Maneho fahendrena kosa ny fampianaran’ny Baiboly hoe: “Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.” — Ohabolana 16:32.
Tsy tokony hahagaga raha olona maro no “tsy mahay mampihemotra ny fanomezana fahafaham-po ny faniriany”, rehefa heverina ny fampielezan-kevitra amin’izao andro izao. Impiry akory moa ny olona no mandre hoe: “Mividiana izao ankehitriny izao, ary any aoriana vao haloa ny vola.” “Aza mampihafy tena.” “Mendrika ny tsara indrindra ianao.” “Karakarao ny tenanao.” Aseho ho ara-dalàna sady mety, ny fanomezana fahafaham-po ny fanirian’ny tena. Ny fomba fijery tsy mihevitra afa-tsy ny tena toy izany anefa, dia mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Baiboly hoe: “Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa.” — Filipiana 2:4.
Tsy hekenao ve fa mpanararaotra avokoa ny ankamaroan’ny olona manao ny tsy marina? Mampalahelo fa mihamitombo ny isan’ny olona vonona hanararaotra tarehin-javatra, mba ho tombontsoan’ny tenany manokana. Tsy manontany tena izy ireo raha mety na tsia ny fanaovan-javatra iray. Ny hany zavatra ahiny dia hoe: ‘Tsy ho tratra ve aho raha manao an’itỳ?’
Inona no ilaina? Araka ny nomarihina tetsy ambony, dia ilaina ny fitsipi-pitondran-tena. Izany dia hisakana ny olona tsy hanao heloka bevava, tsy hanao tsinontsinona ny fahamasinan’ny aina sy ny fanambadiana, tsy hihoatra ny fefin’ny fitondran-tena mety, sy tsy hanitsakitsaka ny zon’ny hafa amin’ny fomba hafa. “Tsy mahalala henatra intsony”, hoy ny Baiboly, ireo izay tsy mianatra ny fitsipi-pitondran-tena toy izany. (Efesiana 4:19). Ny heloka bevava ataon’ny olona tsy tia an’Andriamanitra toy ireny no misakana antsika tsy hahita tontolo tsy misy heloka bevava.
Ny fomba hahatongavan’ny tontolo vaovao
Mazava ho azy fa olona maro no miezaka hanao araka izay fara heriny mba hanao ny marina, hanaja sy haneho fiheverana ny mpiara-belona aminy, sy hitan-tena tsy handika lalàna. Ho hadalana anefa ny hiheverana fa hanao izany ezaka izany ny olona rehetra eto amin’izao tontolo izao. Tsy hanao izany ny maro, toy ny ankamaroan’ny olona velona tamin’ny andron’i Noa, lehilahy marina: Tsy nety nanao izay mahitsy izy ireny. Teo amin’izany tontolo feno herisetra izany, dia i Noa sy ny fianakaviany ihany no nitan-tena tsy hanao fitondran-tena ratsy, ka nahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. Nanafoana an’ireo tsy tia an’Andriamanitra tao amin’ny Safo-drano naneran-tany ilay Mpamorona antsika, ka tamin’izany dia nampisy tontolo iray tsy nisian’ny heloka bevava nandritra ny fotoana voafetra.
Zava-dehibe ny hitadidiana fa tsy hoe tantara mahaliana fotsiny ilay fitantaran’ny Baiboly ny amin’ny Safo-drano sy ny fandringanana an’ireo tsy tia an’Andriamanitra. Hoy ny nohazavain’i Jesosy Kristy: “Tahaka ny tamin’ny andron’i Noa, dia hisy toy izany koa amin’ny andron’ny Zanak’olona”. (Lioka 17:26; 2 Petera 2:5; 3:5-7). Tsy nisy hafa tamin’ny nandringanan’Andriamanitra an’izany tontolo nahery setra talohan’ny Safo-drano izany, dia handringana koa an’itỳ tontolo feno heloka bevava itỳ izy.
Avy amin’ny fahefana azo itokiana no ahafantarantsika izao zava-misy manaraka izao, izay nambaran’i Jaona, apostoly malalan’i Jesosy: “Mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:17). Hampiditra tontolo vaovao iray ny faran’itỳ tontolo itỳ. Ao amin’io tontolo vaovao io, araka ny voalazan’ny Baiboly, “[Andriamanitra dia] hitoetra eo amin[’ny olombelona], ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana”. — Apokalypsy 21:3, 4.
Milazalaza ny fomba hahatongavan’io tontolo vaovao io ny Baiboly, ka hoy koa izy hoe: “Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.” (Ohabolana 2:22). Koa satria ny marina ihany no ho sisa tavela eto an-tany, dia ho tanteraka izao faminanian’ny Baiboly izao: “Ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” — Salamo 37:11.
Ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, na dia ny biby aza dia hanjary tsy hasiaka. Hoy ny nambaran’ny Baiboly mialoha: “Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry; ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ary ny zanak’omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, ary ny zazakely no hiroaka azy. (...) Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” — Isaia 11:6-9; 65:17; 2 Petera 3:13.
Akaiky ny tontolo vaovaon’Andriamanitra
Izao ilay vaovao tsara: Ho tanteraka tsy ho ela haneran-tany izany toe-piainana handry feizay izany. Nahoana isika no afaka mahazo antoka toy izany? Noho ny faminanian’i Jesosy ny amin’izay hitranga alohan’ny faran’izao tontolo izao avy hatrany. Anisan’ny zavatra hafa, dia izao no nambarany mialoha: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ny tany samy hafa.” Hoy ny teny nanampiny: “Noho ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro.” — Matio 24:7, 12.
Nanambara mialoha toy izao koa ny iray tamin’ny apostolin’i Jesosy: “Any am-paran[’itỳ tontolo itỳ] dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, (...), tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, (...) tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra”. (2 Timoty 3:1-5). Azo antoka fa miaina ‘atỳ am-paran’itỳ’ tontolo itỳ isika! Tsy ho ela àry izy itỳ dia hosoloana ny tontolo vaovao sy marin’Andriamanitra!
Nampiaiky olona an-tapitrisany maro ny fianarana Baiboly fa hisy ny tontolo iray tsy hahitana heloka bevava, ary manaiky an’ilay fanasana mba hampianarina ireo lalan’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona antsika, izy ireo. (Isaia 2:3). Ho tianao ve ny hiaraka amin’izy ireo? Vonona hanao ny ezaka mba hahazoana fiainana ao amin’ny tontolo vaovao iray tsy hisy heloka bevava ve ianao?
Nasehon’i Jesosy izay tena ilaina voalohany indrindra. Hoy ny nohazavainy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” Araka izany, dia miankina amin’ny fianaranao ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny fampiharanao izay ianaranao, ny hahasoa anao mandrakizay. — Jaona 17:3.
[Sary, pejy 8, 9]
Milazalaza tontolo vaovao iray tsy hisy heloka bevava ny Baiboly, ary milaza ny fomba mety hahitantsika izany