FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/10 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1998
  • Ny Fomba Iatrehako ny Fiakanakanam-piteny
    Mifohaza!—1998
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1999
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/10 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Fiakanakanam-piteny Misaotra anareo indrindra aho noho ilay lahatsoratra hoe “Ny Fomba Iatrehako ny Fiakanakanam-piteny” (8 Febroary 1998). Tena nampahery manokana ahy ny fitantarana momba an’i Sven Sievers, satria manao ady mafy sahala amin’ny azy koa aho. Tao anatin’ireo taona maro, dia nanampy ahy ho afaka hanao lahateny misosa kokoa ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika.

E. Z. S., Brezila

Atao isan-kerinandro ao amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika. — MPAMPANONTA.

Miakanakam-piteny hatramin’ny fahazazako koa aho. Tena marina mihitsy ny anareo rehefa nilaza ianareo hoe tokony hiezaka hahatakatra ny manjo ny olona miakanakam-piteny ny hafa fa tsy hangoraka azy kosa. Misaotra noho iny lahatsoratra iny.

E. C., Italia

Fanoheran’ny Ray Aman-dreny Vao naharay ilay nomerao tamin’ny 8 Febroary 1998 aho, ary vao avy namaky ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana Raha Manohitra ny Hanambadiako ny Ray Aman-dreniko?” (8 Febroary 1998). Heveriko fa diso aho raha nanohitra ny hanambadian’ny zanako vavy. Voaresaka tao amin’ilay lahatsoratra anefa ny zavatra maro izay mampanahy ahy: ny taonany mbola kely loatra, ny toetran’ilay ho vadiny, ny fieritreretana azy hoe hiditra eo ambany zioga tsy mitovy miaraka amin’ny tsy mpino, ny mety hahavoan’ny SIDA azy, ary ny tsy fitovian’ny kolontsain’izy ireo. Mivavaka aho mba ho voatohin’ity lahatsoratra ity ny fon’ilay zanako vavy.

N. B., Etazonia

Mpitory manontolo andro aho, efa valo taona izao. Kristianina koa ny ray aman-dreniko, ary nisy tsy fifanarahana teo aminay momba ny fanapahan-kevitro hanambady. Misaotra anareo indrindra noho ny nanomezanareo io fanazavana mahasoa io.

T. C. F., Tanzania

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara