FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/11 p. 20-25
  • ‘Tsy Velona ho An’ny Tenanay Intsony Izahay’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Tsy Velona ho An’ny Tenanay Intsony Izahay’
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanapahan-kevitra iray lehibe dia lehibe
  • Ny fanompoanay atỳ Afrika
  • Nanjary raharaha lehibe ny fanindrahindram-pirenena
  • Tandindomin-doza ny ainay
  • Nampidirina am-ponja noho ny finoany
  • Namonjy toerana vaovao maro nanendrena anay
  • Niverina tatỳ aminay indray!
  • Navelako Hitarika ny Diako i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Mikarakara Antsika Foana i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Nahazo Fitahiana na ‘Tamin’ny Mora na Tamin’ny Sarotra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Fizarana 4: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
Mifohaza!—1998
g98 8/11 p. 20-25

‘Tsy Velona ho An’ny Tenanay Intsony Izahay’

NOTANTARAIN’I JACK JOHANSSON

Nanome baiko ahy hitsangana teo amoron’ilay ony, teo amin’ny hazavan’ny jiro anoloana tamin’ilay fiara Land Rover, ilay miaramila afrikanina, avy eto Malawi. Rehefa nampiakatra ny basiny ho eo an-tsorony izy, dia niolomay nankeo amoron’ilay ony i Lloyd Likhwide ka niantoraka nankeo anoloako. Niangavy toy izao izy: “Izaho tifirina! Izaho tifirina, fa tsy izy! Tsy io vahiny io, fa tsy nisy ratsy nataony!” Nahoana ny Afrikanina iray no vonona hanao sorona ny ainy ho ahy izay eoropeanina? Mamelà ahy hanazava ny fomba nahatongavako ho misionera tatỳ Afrika, efa ho 40 taona lasa izay.

TAMIN’NY 1942, fony aho vao sivy taona monja, dia maty ny reniko, ka namela zanaka dimy mianadahy tamin’i Dada. Izaho no zandriny indrindra. Maty an-drano i Dada, efa-bolana tatỳ aoriana. Anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany tany Failandy izy. I Maja, zokinay vavimatoa, no nikarakara anay rehetra, ary vitanay ihany ny nikarakara ny toeram-pambolena sy fiompianay. Nitari-dalana teo amin’ny ara-panahy koa i Maja, ary tao anatin’ny herintaona taorian’ny nahafatesan’i Dada, dia nanamarika ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’ny batisa anaty rano izy sy ny zokiko lahy iray. Herintaona tatỳ aoriana, dia natao batisa aho, teo amin’ny faha-11 taonako.

Fanapahan-kevitra iray lehibe dia lehibe

Tamin’ny 1951, rehefa vita ny fianarako tao amin’ny kolejy iray fianarana momba ny varotra, dia nanomboka niasa ho an’ny Ford Motor Company tany Failandy aho. Enim-bolana tatỳ aoriana, dia nisy zavatra tsy nampoiziko avy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray manam-pahendrena, izay mpitory mpitety faritany. Nanasa ahy hanao lahateny tamin’ny fivoriambe iray izy, dia lahateny momba ny fitahiana entin’ny fanompoan’ny mpisava lalana, na fanompoana manontolo andro. Noho izaho niasa tontolo andro, dia sadaikatra aho, ary tsapako fa tsy ho afaka hiteny avy amin’ny foko mihitsy aho. Noresahiko tamin’i Jehovah tao amin’ny vavaka ilay izy. Takatro fa ‘tsy tokony ho velona ho an’ny tenany intsony ny Kristianina, fa ho an’Izay efa maty hamonjy azy’, koa nanapa-kevitra ny hanova ny zavatra nomeko ny laharam-pahamehana àry aho, mba hahatongavako ho mpisava lalana. — 2 Korintiana 5:15.

Nampanantena ny hampitombo ny karamako ho avo roa heny ny lehibenay, raha nijanona niasa tao amin’ilay kompania aho. Avy eo, rehefa hitany fa efa tapaka ny hevitro, dia hoy izy: “Ny anao no mety. Ny fiainako manontolo no laniko tato amin’ity birao ity, nefa moa ve aho mba tena nanampy ny hafa tokoa?” Tonga mpisava lalana àry aho tamin’ny May 1952. Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia afaka nanao ilay lahateny momba ny fanompoan’ny mpisava lalana tamim-patokian-tena tanteraka aho.

Voaheloka enim-bolana an-tranomaizina aho noho ny fialanalanana kristianina, volana vitsivitsy taorian’ny nanombohako ny fanompoan’ny mpisava lalana. Taorian’izany, dia nohazonina nandritra ny valo volana niaraka tamin’ny tanora Vavolombelona hafa aho, tao amin’ny nosy Hästö-Busö, tao amin’ny Hoalan’i Failandy. Nantsoinay hoe Gileada Kely io nosy io, satria nandamina fandaharam-pianarana feno dia feno momba ny Baiboly izahay. Ny tanjoko anefa dia ny hanatrika ilay tena Gileada, ny Sekolin’i Gileada An’ny Watchtower, tany akaikin’i South Lansing, any New York.

Raha mbola voatazona tao amin’ilay nosy aho, dia naharay taratasy avy tamin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower, nanasa ahy ho tonga mpitory mpitety faritany eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Raha vao nafahana aho, dia tokony hitsidika kôngregasiôna any amin’ny faritra niteny soedoà, any Failandy. Vao 20 taona monja aho tamin’izany, ka nahatsapa tena ho tsy ampy fahaizana, nefa natoky an’i Jehovah aho. (Filipiana 4:13). Nahafinaritra ireo Vavolombelona tao amin’ireo kôngregasiôna notsidihiko. Tsy mba nanamavo ahy mihitsy izy ireo, satria hoe vao “zaza” aho. — Jeremia 1:7.

Rehefa nitsidika kôngregasiôna iray aho ny taona nanaraka, dia nihaona tamin’i Linda, izay avy tany Etazonia fa nanao vakansy tany Failandy. Nanao fandrosoana ara-panahy haingana izy rehefa tafaverina tany Etazonia. Fotoana fohy taorian’izany, dia natao batisa izy. Nivady izahay tamin’ny Jona 1957. Nasaina hanatrika ny kilasy faha-32 amin’ny Sekolin’i Gileada izahay, tatỳ aoriana, tamin’ny Septambra 1958. Rehefa nahazo diplaoma izahay ny volana Febroary taorian’izay, dia notendrena ho eto Nyasaland, antsoina ankehitriny hoe Malawi, atỳ amin’ny faritra atsimoatsinanan’i Afrika.

Ny fanompoanay atỳ Afrika

Tianay ny nivoaka niara-nanao fanompoana ampahibemaso tamin’ireo rahalahinay afrikanina, izay niisa 14 000 mahery teto Nyasaland, tamin’izany fotoana izany. Nanao dia lavitra tamin’ny fiara Land Rover izahay indraindray, ary nitondra izay rehetra tena nilainay tamin’izany. Nisy vohitra izay mbola tsy nahatongavana vazaha mihitsy nijanonanay, ary noraisina tsara foana izahay. Raha vao tonga izahay, dia nivoaka ny tranony ny mponina rehetra tao amin’ilay vohitra mba hijery anay. Rehefa avy niarahaba tamim-pahalalam-pomba izy ireo, dia nipetraka teo amin’ny tany, ary tsy niteny fa nandinika anay no nataony.

Matetika ireo mponina no naneho hatsaram-panahy taminay ka nanorina trano bongo ho anay. Natao tamin’ny feta izany indraindray, ary tamin’ny farinomby indraindray, ary zara raha antonona fandriana iray. Nitsoriaka teo akaikin’ilay trano bongo ny hyènes (karazana alikadia) tamin’ny alina, ary tao an-doha fandriananay mihitsy izy ireo no nitomany valala ka nampihoron-koditra anay. Hery nandoza kokoa noho ny bibidia anefa no nadiva hatrehin’ny Vavolombelona teto Nyasaland.

Nanjary raharaha lehibe ny fanindrahindram-pirenena

Nangotraka ireo fihetsiketsehana nitakiana fahaleovan-tena nanerana an’i Afrika. Teto Nyasaland, dia nantenaina ny hidiran’ny rehetra tao amin’ny antoko politika tokana izay nisy tamin’izany fotoana izany. Tampotampoka teo, dia nanjary raharaha nahamay teto amin’ny firenena ny tsy fombanay ny atsy na ny aroa. Izaho no nikarakara ny asa am-birao tamin’izany fotoana izany, rehefa tsy teto an-toerana i Malcolm Vigo, mpiandraikitra ny sampanay. Nangataka hihaona tamin’ny Dr. Hastings Kamuzu Banda, izay praiminisitra teto Nyasaland tamin’izany fotoana izany, aho. Nisy loholona kristianina roa hafa niaraka tamiko. Nohazavainay taminy ny fialanalanana tananay, ary nisaraka tamim-pisakaizana izahay. Na izany aza anefa, tokony ho iray volana tatỳ aoriana, tamin’ny Febroary 1964, dia ny ain’i Elaton Mwachande no voalohany nafoy noho ny fanenjehana: nisy vahoaka romotra nandefona azy ho faty. Voatery nandositra ny Vavolombelona hafa tao amin’ny vohitra nisy azy.

Nandefa telegrama tany amin’ny Dr. Banda izahay, niangavy azy hampiasa ny fahefany mba hampitsaharana izany herisetra izany. Tsy ela dia naharay fiantsoana hiseho tany amin’ny biraon’ny praiminisitra aho. Niaraka tamiko i Harold Guy, misionera iray hafa, sy i Alexander Mafambana, Vavolombelona teo an-toerana, mba hihaona tamin’ny Dr. Banda. Nisy minisitra roa tao amin’ny governemanta koa nanatrika teo.

Raha vantany vao tafapetraka izahay, dia nanomboka nanofahofa ilay telegrama teo ambony lohany ny Dr. Banda, tsy niteny tsy nivolana. Tamin’ny farany, dia nanapaka ny fanginana izy ka nilaza hoe: “Andriamatoa Johansson, inona no antony nandefasanao telegrama toy ity?” Nohazavainay taminy indray ny fialanalanana ara-politika tananay, ary hoy koa aho hoe: “Amin’izao namonoana an’i Elaton Mwachande izao, dia ianao irery sisa no afaka manampy anay.” Toa nahafa-po ny Dr. Banda izany teny izany, ka somary nitony izy.

Nanizingizina anefa ny iray tamin’ireo minisitra nanatrika teo fa ny Vavolombelona tany amin’ny vohitra lavitra iray dia tsy nety niara-niasa tamin’ny manam-pahefana teo an-toerana. Avy eo, ilay minisitra faharoa dia nanonona anarana vohitra nitokana iray hafa, ka niampanga ny Vavolombelona tao ho nanivaiva ny Dr. Banda. Tsy afaka nanome anay ny anaran’izay nanao izany anefa izy ireo. Nohazavainay fa ampianarina hanaja foana ireo manam-pahefana ao amin’ny fitondrana ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nahomby anefa ny ezaka nataonay mba hanitsiana ny fiheveran-dison’ny Dr. Banda sy ireo minisiny.

Tandindomin-doza ny ainay

Nahazo fahaleovan-tena i Nyasaland, tamin’ny 1964, ary lasa Repoblikan’i Malawi tatỳ aoriana. Nitohy ara-dalàna ihany ny asa fitorianay, saingy nihanitombo ny fanerena. Nandritra izany fotoana izany, dia nisy Vavolombelona tany amin’ny faritra atsimo niantso an-telefaonina, ary nilaza fa nipoaka ny fikomiana ara-politika tany. Tsapanay fa nilaina ny handehanana tany avy hatrany mba hanombanana ny toe-javatra nisy ny Vavolombelona sy hitondrana fankaherezana. Efa nandeha irery matetika tany anaty akata ny tenako taloha, ary nanaiky tamin-kerim-po ny hanaovako izany i Linda. Tamin’ity indray mandeha ity anefa, dia niangavy ahy izy mba hitondra an’i Lloyd Likhwide, Vavolombelona tanora iray teo an-toerana. Nanaiky ihany aho tamin’ny farany ka hoy aho anakampo hoe: ‘Raha izay no hahafaly azy, dia tsy maninona.’

Nisy nilaza taminay fa tsy maintsy niampita ony iray tamin’ny baka izahay talohan’ny amin’ny 6.00 hariva, ora fanombohan’ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina. Nanao araka izay fara herinay izahay mba ho tonga alohan’io ora io, saingy nanatara anay ny lalan-dratsy. Tatỳ aoriana vao fantatray fa, hay, nisy baiko nomena mba hitifirana izay rehetra teo andafin’ny ony nisy anay, raha dila ny amin’ny enina ora. Rehefa nidina nanatona ilay ony ilay fiaranay, dia hitanay fa efa lasa namonjy ny teny ampita ilay baka. Niantso azy io ny Rahalahy Likhwide mba hiverenany haka anay. Niverina tokoa izy io, saingy nisy miaramila iray teo amboniny nikiakiaka hoe: “Tsy maintsy hotifiriko ilay vazaha!”

Tamin’ny voalohany, dia noheveriko hoe rahom-bava fotsiny izany, nefa rehefa nihananakaiky ilay baka, dia nanome baiko ahy hitsangana teo anoloan’ny jiron’ilay fiarakodia ilay miaramila. Tamin’izay ilay namako afrikanina no niantoraka nankeo anelanelanay, ka niangavy an’ilay miaramila mba hitifitra azy, fa tsy hitifitra ahy. Toa nampihetsi-po an’ilay miaramila ny fahavononany ho faty ho ahy, ka nampidininy ny basiny. Tonga tao an-tsaiko ilay tenin’i Jesosy hoe: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.” (Jaona 15:13). Akory ny hafaliako noho ny nanarahako ny torohevitr’i Linda mba hitondra io rahalahy malala io niaraka tamiko!

Ny ampitson’iny, rehefa niverina ho any Blantyre izahay, dia nisy tovolahy maromaro nisakana ny lalana. Nitaky ny hampisehoan’ny Rahalahy Likhwide ny karatra maha mpikambana azy tao amin’ilay antoko izy ireo. Zavatra iray ihany no tsy maintsy natao, dia ny namakivaky ilay vahoaka, ary haingana! Nalefako mafy tampoka ny fiarakodia, ka niantsambotra ilay izy, ka taitra ry zareo, fa izahay kosa lasa nandositra. Raha azon’ilay andian-jatovo romotra teo mantsy ny Rahalahy Likhwide, dia azo inoana fa ho fatiny mihitsy. Rehefa tafaverina tao amin’ny biraon’ny sampana izahay, dia samy nivadi-po mafy, nefa samy velom-pankasitrahana an’i Jehovah noho ny fiarovany.

Nampidirina am-ponja noho ny finoany

Nivoaka ny fandrarana ofisialy ny asanay teto Malawi tamin’ny Oktobra 1967. Nisy Vavolombelona tokony ho 18 000 teto tamin’izany fotoana izany. Tapa-bolana tatỳ aoriana, dia renay fa nisy Vavolombelona niisa 3 000 nampidirina am-ponja tany Lilongwe renivohitra. Nanapa-kevitra ny hankany izahay ny alin’iny, tany amin’ny 300 kilaometatra, na dia mba hankaherezana azy ireo fotsiny aza. Nofenoinay zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower ilay Land Rover, ary noho ny fiarovan’i Jehovah, dia tsy nisy nampijanona anay rehefa nandalo sakan-dalana maro izahay. Teny an-dalana, isaky ny kôngregasiôna nolalovanay, dia namelanay baoritra feno sakafo ara-panahy tonga tamin’ny fotoana nilana azy indrindra.

Nitodi-doha nankany amin’ilay fonja izahay ny ampitso maraina. Nampalahelo ny zavatra hitanay! Avy ny orana ny alina tontolo, ary nohazonina tany ivelan’ny trano ireo rahalahinay sy anabavinay kristianina, tao amin’ny tokotany iray nifefy. Hotsaka izy ireo ary ny sasany nanandrana nanahy ny bodofotsiny teo amin’ny fefy. Nataonay izay hahafahana hiresaka tamin’ny sasany tamin’izy ireo avy teo ivelan’ilay fefy.

Notsaraina ny antoandron’iny izy ireo ary nisy olona maromaro nilaza tena ho Vavolombelona niseho teo amin’ny hazo meloka, misy ny vavolombelona. Niezaka izahay nanao izay hifanojoan’ny masonay, nefa tsy nisy fihetseham-po hita taratra teo amin’ny tavany. Kivy izahay rehefa nanda ny finoany avokoa ireo rehetra teo amin’ny hazo meloka! Nolazaina tamiko anefa fa tsy nisy na iray aza tamin’ireo izay nanda ny finoany ireo, fantatry ny Vavolombelona teo an-toerana ho Vavolombelon’i Jehovah. Hita fa fanandramana hanakivy ny tena Vavolombelona fotsiny ilay izy.

Nandritra izany fotoana izany, dia nisy baiko navoaka nandroaka anay hiala teto amin’ilay firenena. Nalain’ny fanjakana ny biraon’ny sampanay tao Blantyre, ary nomena 24 ora ireo misionera mba handaozany ilay firenena. Tena hafahafa mihitsy ny nahita polisy namoha ny vavahady mba hidiranay rehefa niverina nody izahay. Ny ampitso tolakandro, dia nisy polisy tonga mba hisambotra sy hitondra anay teny amin’ny seranam-piaramanidina. Hita hoe tsy fidiny azy ihany ny nanao izany.

Nandao an’i Malawi izahay ny 8 Novambra 1967, ary fantatray tsara fa nadiva handia fisedrana nivaivay ireo rahalahinay kristianina teto. Nalahelo mafy azy ireo izahay. Maro no namoy ny ainy; an-jatony maro no niaritra fampijalijaliana nahatsiravina; an’arivony maro no namoy ny asany sy ny tranony ary ny fananany. Na izany aza, dia saika izy rehetra no tsy nivadika.

Namonjy toerana vaovao maro nanendrena anay

Na teo aza ny zava-tsarotra, dia tsy nieritreritra ny hiala tamin’ny asa misionera mihitsy izahay. Mifanohitra amin’izany kosa, fa nanaiky fanendrena vaovao izahay: ny ho any Kenya, tany nahitana faritra taza-maso sy karazan’olona tsy nitovy tanteraka. Nahatalanjona an’i Linda ireo Masai. Tamin’izany fotoana izany, dia tsy nisy Masai Vavolombelon’i Jehovah, na iray aza. Avy eo anefa dia nihaona tamin’i Dorcas, vehivavy masai, i Linda, ary nanomboka niara-nianatra ny Baiboly taminy.

Fantatr’i Dorcas fa mba hampifaliana an’Andriamanitra, dia tsy maintsy manao izay hahara-dalàna ny fanambadiany izy. Tsy nety anefa ny rain’ireo zanany roa, koa niezaka namelona irery ny zanany i Dorcas. Tezitra mafy tamin’ireo Vavolombelona ilay lehilahy, nefa tsy faly koa izy satria tafasaraka tamin’ny fianakaviany. Tamin’ny farany, dia tsy nahaleo tohika an’i Dorcas izy, ka nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa. Nanitsy ny fomba fiainany izy, ary tonga Vavolombelona, ka nisoratra tamin’i Dorcas. Tonga mpisava lalana i Dorcas, ary loholon’ny kôngregasiôna ankehitriny ny vadiny sy ny zanak’izy ireo lahimatoa.

Voarara tampoka ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Kenya tamin’ny 1973, ka voatery nandao ilay tany izahay. Volana vitsivitsy monja tatỳ aoriana, dia nesorina ilay fandrarana. Efa nahazo ny fanendrena anay fahatelo anefa izahay tamin’izay: ny ho any Congo (Brazzaville). Tonga tany izahay tamin’ny Aprily 1974. Efa ho telo taona tatỳ aoriana, dia nisy niampanga lainga anay misionera ho mpitsikilo, ary norarana ny asanay. Nanampy trotraka izany ny nipoahan’ny ady tao Brazzaville, taorian’ny namonoan’ny sasany ny filoham-pirenena. Notendrena ho any amin’ny tany samy hafa avokoa ny misionera hafa rehetra, fa izahay kosa nasaina nijanona tany, ela araka izay azo atao. Nandritra ny herinandro maro dia tsy fantatray, isaky ny handeha hatory izahay ny alina, raha mbola ho velona ihany ny ampitso maraina. Natory tsara ihany anefa izahay, satria nitoky tamin’ny fiahian’i Jehovah. Angamba ireny volana vitsivitsy nitoeranay irery tao amin’ny biraon’ny sampana ireny no fotoana nisedrana mafy indrindra sy nanatanjahana indrindra ny finoanay hatramin’izay, teo amin’ny fanompoan’ny misionera nataonay.

Voatery nandao an’i Brazzaville izahay tamin’ny Aprily 1977. Avy eo dia nisy vaovao tena nahazendana nolazaina taminay: notendrena ho any Iran izahay mba hanangana biraon’ny sampana vaovao tany. Ny fanamby voalohany natrehinay dia ny fiezahana mafy nianatra ny farsi, fiteny persanina. Nahatonga anay tsy ho afaka hanome afa-tsy valin-teny faran’izay tsotra, mitovy amin’ny an’ny ankizy kely, tany amin’ny fivorian’ny kôngregasiôna, ny fianarana fiteny vaovao! Nanomboka ny revôlisiôna tany Iran tamin’ny 1978. Nijanona tany izahay nandritra ny fotoana nahamafy indrindra ilay ady. Tamin’ny Jolay 1980 anefa, dia voaroaka hiala tao avokoa izahay misionera rehetra.

Nitondra anay niverina tatỳ afovoan’i Afrika ny fanendrena anay fahadimy: i Zaïre, izay Repoblika Demokratikan’i Congo ankehitriny. Nanompo tany Zaïre izahay nandritra ny 15 taona, nisy fotoana nandrarana ny asa koa nandritra izany. Fony izahay tonga tany, dia tokotokony ho 22 000 ny Vavolombelona narisika tao amin’io tany io, ary ankehitriny izy ireo dia mihoatra ny 100 000!

Niverina tatỳ aminay indray!

Nesorina ny fandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah teto Malawi, tamin’ny 12 Aogositra 1993. Roa taona tatỳ aoriana, dia notendrena hiverina eto amin’ny nanombohanay izahay sy i Linda, dia eto Malawi, ilay tany kanto sy misy mponina sariaka, tany fantatra amin’ny hoe Ilay Fo Feno Fitiavan’i Afrika. Nanomboka tamin’ny Janoary 1996, dia faly izahay niasa teo anivon’ny mponina falifaly sy tia fihavanana eto Malawi. Ankamaminay ny fiaraha-manompo indray amin’ireo rahalahinay mahatoky eto Malawi. Maro tamin’izy ireo no niaritra fanenjehana naharitra 30 taona. Loharanom-pampaherezana ho anay ireo rahalahinay afrikanina, ary tianay izy ireo. Nihatra tamin’izy ireo tokoa ny tenin’i Paoly hoe: “Tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no idirantsika amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 14:22). Afaka mitory amin-kalalahana sy manao fivoriambe lehibe izao ireo Vavolombelona miisa efa ho 41 000 eto Malawi.

Tianay be avokoa ny toerana rehetra nanendrena anay. Nianaranay sy i Linda fa afaka mamolavola antsika ho olona tsara kokoa ny zavatra rehetra iainantsika, na misedra mafy toy inona aza izany, raha toa ka mihazona “ny fifaliana avy amin’i Jehovah” isika. (Nehemia 8:10). Sarotra tamiko ihany ny nifanaraka tamin’ny toe-javatra, rehefa voatery nandao ny toerana nanendrena anay izahay. Nanampy ahy anefa ny fahaizan’i Linda nifanaraka tamin’ny toe-javatra vaovao, ary indrindra indrindra ny finoany matanjaka an’i Jehovah, ka nahatonga ahy hankasitraka ny fitahiana amin’ny fananana “vady [tsara]”. — Ohabolana 18:22.

Mahasambatra sy mampientana tokoa ny zavatra niainanay! Nisaotra an’i Jehovah foana izahay noho ny fiarovany anay. (Romana 8:31). Efa-polo taona mahery izay no lasa hatramin’ny nanaovako ilay lahateny momba ny fitahiana entin’ny fanompoana manontolo andro. Faly izahay fa ‘nizaha toetra an’i Jehovah ka nahita fa tsara Izy’. (Salamo 34:8; Malakia 3:10). Azonay antoka fa ny hoe ‘tsy velona ho an’ny tenanay intsony izahay’ no fomba fiaina tsara indrindra mety hisy.

[Sarintany/Sary, pejy 24]

(Jereo ny gazety)

Firenena nanompoanay

Iran

Repoblikan’i Congo

Repoblika Demokratikan’i Congo

Kenya

Malawi

[Sary, pejy 21]

Handeha hankaty Malawi, nandalo an’i Le Cap, any Afrika Atsimo

[Sary, pejy 23]

Fony izahay nosamborina sy voaroaka teto Malawi

[Sary, pejy 25]

Dorcas, vehivavy masai, sy ny vadiny

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara