Ny Fiheveran’ny Baiboly
Inona moa ny Fanahy Masin’Andriamanitra?
“Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra; ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.” — Lioka 3:21, 22.
REHEFA nandaha-teny teo anatrehan’ny filôzôfa maromaro tany Gresy fahiny ny apostoly Paoly, dia niantso an’Andriamanitra hoe “Tompon’ny lanitra sy ny tany”. Nilaza i Paoly fa io Andriamanitra io no “nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra” sy “manome izao rehetra izao aina sy fofonaina ary ny zavatra rehetra”. (Asan’ny Apostoly 17:24-28). Ahoana no anatanterahan’Andriamanitra izany rehetra izany? Amin’ny alalan’ny fanahiny masina, na ny heriny miasa.
Hazavain’ny Baiboly koa fa manana ‘fahatanjahana be sy hery tsy toha’ Andriamanitra. (Isaia 40:26). Eny, namorona izao rehetra izao manontolo Andriamanitra, ary mampiseho ny fahatanjahany sy ny heriny izy io.
Hery miasa
Tsy ho tena marina ny hilazana fa herin’Andriamanitra ny fanahy masina. Izany no izy satria ny hery dia mety ho ao amin’ny olona iray na ny zavatra iray, fa tsy miseho, na tsy miasa, toy ny herin’aratra voatahiry ao amin’ny bateria iray voafahana, nefa tsy ampiasaina. Ny Soratra Masina anefa dia mampiseho ny fanahin’Andriamanitra ho mihetsika, somary mitovy amin’ny rianaratra izay mikoriana avy amin’ny bateria ampiasaina. (Genesisy 1:2). Noho izany, ny fanahy masin’Andriamanitra dia ny hery alefany, ny heriny miasa.
Indraindray ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny fanahy masina hoe manatanteraka asa na hoe tsy eo amin’Andriamanitra fa any an-toeran-kafa. (Matio 28:19, 20; Lioka 3:21, 22; Asan’ny Apostoly 8:39; 13:4; 15:28, 29). Mety hihevitra ny olona sasany namaky andalan-teny toy ireny fa manana ny maha izy azy manokana ny fanahy masina, ka miavaka amin’Andriamanitra. Nahoana ny Soratra Masina no mampiasa izany fomba filaza izany? Zavatra mitokana izay misaraka amin’Andriamanitra ve ny fanahy masina?
Ambony sy hafa tanteraka noho ny zavatra hita maso noforoniny Andriamanitra Tsitoha. Fanahy izy, ka tsy hitan’ny vavahadin-tsaintsika izay voafetra ihany ny mety ho vitany. (Jaona 4:24). Milaza ny Baiboly fa mipetraka any an-danitra i Jehovah Andriamanitra, ary avy any no ijereny ny taranak’olombelona. (Salamo 33:13, 14). Tsy mahagaga izany. Tsy maintsy ho lehibe noho ireo singa izay ampiasainy ilay Mpamorona. Mifehy azy ireny sy mampiasa azy ireny ary mamolavola azy ireny, izy. — Genesisy 1:1.
Avy any amin’ny fonenany tsy hita maso Andriamanitra dia afaka mampitranga zavatra, na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, ary na aiza na aiza. Noho izany, dia tsy mila ny ho eo amin’ilay toerana iasan’ny heriny miasa izy. Afaka maniraka ny fanahiny mba hanatanteraka asa iray izy. (Salamo 104:30). Mety hahatakatra izany mora foana ireo olona amin’izao andro maoderina izao izay mampandeha fitaovana ao an-tokantrano amin’ny alalan’ny télécommande tsy misy tariby. Amin’izao andro izao, dia manaiky isika fa misy ny hery tsy hita maso, toy ny elektrisite na ny onjam-peo infrarouges. Toy izany koa fa afaka manatanteraka izay rehetra kasainy hatao Andriamanitra, amin’ny alalan’ny heriny, na ny fanahy masiny, tsy hita maso. Tsy voatery mifindrafindra toerana akory anefa izy amin’izany. — Isaia 55:11.
Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia nety ho sarotra takarina izany hevitra izany. Ny firesahana ny amin’ny fanahy masina ho hery misaraka amin’Andriamanitra, dia tsy isalasalana fa nanampy ireo mpamaky hahatakatra ny fomba nampiasan’Andriamanitra ny heriny, na dia tsy nankeo amin’ny toerana nanaovan’io heriny io ilay asa aza ny tenany. Rehefa miresaka momba ny nanaovan’ny fanahy masina an’izao na izao ny Baiboly, ny tiany holazaina, raha ny marina, dia hoe ny tenan’Andriamanitra mihitsy no nandefa na nampiasa ny heriny tamin’olona na zavatra, mba hanatanterahana ny sitrapony.
Ireo fomba fiasa samihafan’ny Fanahy Masina
Nampiasa ny fanahy masina i Jehovah rehefa namorona ny zavatra rehetra misy aina na tsy misy aina. (Salamo 33:6). Nampiasa azy io koa Andriamanitra mba handringanana tamin’ny alalan’ny safo-drano, ny taranaka iray nahery setra sy tsy nibebaka. (Genesisy 6:1-22). Io hery miasa io ihany no nampiasain’Andriamanitra mba hamindrana ny aina sarobidin’ny Zanany Lahy ho ao an-kibon’i Maria, virjiny jiosy. — Lioka 1:35.
Indraindray ny fanahy masina dia nanatanjaka olona sasany mba hanana fahasahiana sy herim-po hanambarana ny fahamarinana teo anoloan’ny fahavalo, na dia nety ho namoizany ny ainy aza izany matetika. (Mika 3:8). Ary misy ohatra maro ao amin’ny Baiboly, indrindra fa mahakasika faminaniana, ny amin’ny nanomezana fahaiza-mahataka-javatra manokana ho an’ny lehilahy sy vehivavy, tamin’ny alalan’io hery io. Koa satria tsy misy olombelona afaka milaza marina mialoha izay hoentin’ny hoavy, izany dia fomba fiasa miavaky ny fanahy masina. — 2 Petera 1:20, 21.
Ny fanahy masina koa dia afaka manome hery ny olona hanao fahagagana. Ohatra, tamin’ny alalan’io hery io no nahafahan’i Jesosy nifehy ny herin’ny natiora, nanasitrana aretina, ary nanangana ny maty mihitsy aza. (Lioka 4:18-21; 8:22-26, 49-56; 9:11). Tamin’ny alalan’ny fanahy masina no nandaminana sy nanatanjahana ireo Kristianina tany am-boalohany mba hijoroany ho vavolombelon’Andriamanitra naneran-tany. — Asan’ny Apostoly 1:8; 2:1-47; Romana 15:18, 19; 1 Korintiana 12:4-11.
Miasa ho tombontsoantsika ny herin’Andriamanitra
Mety ho afaka hanovo avy ao amin’io loharanon-kery tsy mety ritra io ve ny olombelona manompo an’Andriamanitra amin’izao andro izao? Eny! Manome ampahany amin’ny fanahy masina ho an’ny vahoakany Andriamanitra mba hanampiana azy ireo hahatakatra hoe inona no sitrapony ka hanatanteraka izany. Manaiky hanome ny fanahy masiny izy ho an’ireo izay mangataka amim-pahatsorana, sy ireo izay manana antony manosika tsara ao am-pony, ary ireo izay manao zavatra mifanaraka amin’ny zavatra takiny. (1 Korintiana 2:10-16). Afaka manome “hery mihoatra noho ny mahazatra” ho an’ny olombelona tsy lavorary io fanahy masina io, mba hahafahan’izy ireo hanompo an’Andriamanitra amim-pahatokiana, na dia misy vato misakana aza. Azo antoka àry fa fanirian’ny olona matahotra an’Andriamanitra rehetra ny hahazo sy ny hihazona ny fanahin’Andriamanitra. — 2 Korintiana 4:7, NW; Lioka 11:13; Asan’ny Apostoly 15:8; Efesiana 4:30.
Tsy ho ela Andriamanitra dia hampiasa io heriny matanjaka io mba hamaranana ny tsy rariny sy ny fijaliana eto amin’ity tontolo ratsy ity, ka amin’izany dia hanamasina ny anarany lehibe sy masina. Hisy vokany tsara eo amin’izao tontolo izao manontolo ny fanahy masina, ary hiharihary amin’ny rehetra ny vokatr’izy io, ka hanome voninahitra an’ilay Loharanony. — Galatiana 5:22, 23; Apokalypsy 21:3, 4.