Tsy Bibikely Mpanimba Voly Ihany no Matin’ny Fanafody Simika Fiarovam-boly
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY BREZILA
“TENA tsara mihitsy”, hoy ilay mpamboly atao hoe Domingos dos Santos, rehefa nandinika ny voly mangahazony, tao amin’ny toeram-pamboleny any atsimon’i Brezila, izy. Rariny ny azy raha afa-po izy. Toa tsy nodiavim-bibikely mpanimba voly mihitsy mantsy no fijery ny ravin’ny zavamaniry namboleny. Zava-bita iray hafan’ny poizim-bibikely simika ve? Tsia. “Tamin’ny taon-dasa sy tamin’ity taona ity, dia tsy nividy poizim-bibikely aho, na indray mitete monja aza”, hoy i Domingos.
Mpikambana ao amin’ny antoko-mpamboly mihamitombo isa, izay tsy tia mampiasa fanafody simika hiarovana ny voliny i Domingos.a Fomba izay manafoana na, fara faharatsiny, mampihena ny fampiasana zavatra simika kosa no ampiasainy. “Inona avy izany fomba izany?”, hoy aho nanontany an’i Sandro Müller, manam-pahaizana momba ny fambolena, izay nanao andrana vitsivitsy tao amin’ny toeram-pambolem-boasary isan-karazany, tany akaikin’i São Paulo. “Nahoana no mety ny ataon’ny mpamboly raha tsy mampiasa poizim-bibikely hatrany am-boalohany izy?”
Ny tsingerin’ny fanafody fiarovam-boly
Mba hanampiana ahy haka sary an-tsaina ny iray amin’ireo lafy ratsin’ny fampiasana poizim-bibikely simika, dia hoy i Sandro: “Alao sary an-tsaina ny polisy vitsivitsy manenjika andian-jiolahy mpandroba banky. Mandositra ireo mpandroba, ary mihazakazaka miditra ao anaty trano lehibe misy mpiasa birao maro misomebiseby. Koa satria tsy hita intsony ao anaty vahoaka ao, izy ireo, dia miantso helikoptera ny polisy mba handatsaka baomba misy gaza eo amin’ilay trano. Izany dia hamono, tsy ireo mpandroba ihany, fa ireo mpiasa birao tsy manan-tsiny koa, mbamin’ireo mpiambina ilay trano. Toy izany no mitranga rehefa mamerimberina mandraraka poizim-bibikely mahery eo amin’ny voliny ny mpamboly iray. Mamono ireo bibikely mpanimba, izany hoe ireo mpandroba, ny poizina, nefa mamono ireo bibikely mahasoa koa, izany hoe ireo mpiambina.”
“Ka mba efa voavotra aloha ny voly”, hoy ny navaliko. Nanazava anefa i Sandro fa manomboka ny tsingerina iray manimba rehefa ampiasaina tsy asiam-panavahana ireo fanafody fiarovam-boly. Amin’ny ahoana izany? Misy bibikely tsy matin’ny fanisiana fanafody, satria tsy andairan’ny fanafody sasany. Aorian’izany, dia mihaminkamina eo anivon’ny voly tsy misy ‘mpiambina’, izany hoe ireo bibikely mahasoa, izy ireo. Izany no vokatr’ilay poizim-bibikely nampiasain’ilay mpamboly.
Azo antoka fa hitombo haingana ny isan’ny bibikely tsy andairam-poizina, satria tondraka ny sakafo, ary tsy misy fahavalo voajanahary. Ary izany dia hanery an’ilay mpamboly hampiasa poizim-bibikely indray, ary angamba, ilay karazany mahery kokoa mihitsy aza. Any amin’ny faritra sasany ambolena tsaramaso, any Amerika Atsimo, dia mampiasa fanafody fiarovam-boly isan-kerinandro ireo mpamboly. Inona no vokatra faran’io tsingerina io? “Raha mamafy fanafody fiarovam-boly ianao, dia hijinja poizina”, hoy ny mpamboly iray.
Aleo ve mizaka ny voka-dratsiny?
Asehon’ny fikarohana natao fa izay manapoizina bibikely mpanimba, dia manapoizin-tena koa. Teto Brezila fotsiny, araka ny tatitra nataon’ilay gazetiboky hoe Guia Rural, ny fanafody fiarovam-boly dia manapoizina olona 700 000 eo ho eo isan-taona, izany hoe olona iray isaky ny 45 segondra, amin’ny antsalany! Mitatitra koa ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa maneran-tany dia olona 220 000, isan-taona, no maty, satria nahazo poizina avy tamin’ny fanafody fiarovam-boly. Ankoatra izany, dia manimba be ny tontolo iainantsika ny fanafody fiarovam-boly.
Mihevitra ny olona sasany amin’izao andro izao fa mitovy be amin’ny hoe mitady loza ny hoe mitady hampiasa fanafody fiarovam-boly. Na izany aza, dia misy olon-kafa mihevitra matetika fa aleo mizaka ny voka-dratsiny, toy izay tsy hampiasa azy io mihitsy. Toy izao no fanaporofoan-kevitr’izy ireo: Na mampiasa fanafody fiarovam-boly ianao, dia hanan-kohanina, na tsy mampiasa, dia ho noana. Rehefa dinihina tokoa ange, dia mihamitombo ny isan’ny olona eto an-tany e, nefa mihamihena ny habetsahan’ny tany azo volena! Raha tiana ny hisoroka ny mosary maneran-tany, dia tsy maintsy arovana amin’ny bibikely mpanimba izay afaka mandrava azy ny voly.
Mazava fa mitondra olana tena lehibe ny bibikely mpanimba voly. Soa ihany anefa fa misy mpamboly mihamitombo isa hatrany maneran-tany mahafantatra fomba tsara kokoa noho ny fandrarahana fanafody be dia be fiarovam-boly. Antsoina hoe IPM, na fanaraha-maso ny bibikely mpanimba, ampiarahina amin-javatra hafa, io fomba io.
Zavatra hafa azo asolo ny fanafody fiarovam-boly ny IPM
“Fa inona izany IPM izany?”, hoy aho nanontany ny Profesora Evôneo Berti Filho, talen’ny sampan-draharaha momba ny fandinihana bibikely, ao amin’ny Oniversiten’i São Paulo, any Piracicaba, sady mpikaroka mahay momba ny fomba voajanahary iadiana amin’ny bibikely mpanimba voly. Nohazavain’ny Profesora Berti fa ny tanjon’ny IPM dia ny hampihenana ny fampiasana ny poizim-bibikely ho faran’izay kely, sy ny tsy hampiasana afa-tsy ireo poizina izay mamono bibikely mpanimba voafaritra tsara. Ampiarahina àry ny fampihenana ny fampiasana poizim-bibikely sy ny fomba voajanahary iadiana aminy.
Endriny iray amin’io fomba iadiana amin’ny bibikely io ny fifandimbiasam-boly. Ohatra, mety ho azon’ny mpamboly iray atao ny mampifandimby ny voly katsaka amin’ny voly tsaramaso, isan-taona. Ireo bibikely tia katsaka, fa tsy tia tsaramaso, dia na ho faty mosary, na handeha hitady katsaka any amin’ny manodidina. Avy eo, amin’ny fotoana manaraka hambolena katsaka, dia mety ho efa lasa ny ankamaroan’ireo bibikely, fara faharatsiny, mandritra ny fotoana kelikely. Ary amin’ny fotoana hiverenan’ireo andiam-bibikely tia katsaka, dia efa voly hafa indray no eo, ka voatery handeha indray izy ireo, tsy ho ela.
Anisan’ny IPM koa ny fomba biôlôjika iadiana amin’ny bibikely. Izy io dia ny fanangonan’ny mpamboly bibikely, bakteria, virosy ary holatra sy fahavalo voajanahary hafa, mba hanaovana azy ho mpanampy. Ohatra, voamarik’ireo mpikaroka brezilianina fa nisy fanday maro maty, teny amin’ny natiora teny, rehefa avy nahazo virosy iray antsoina hoe baculovirus. Nanatsoaka hevitra izy ireo hoe: koa satria tsy manimba ny olombelona ilay virosy, dia ho azon’ireo mpikaroka atao ny hampiasa ranon-javatra misy azy io eo amin’ny voly, mba ho poizina biôlôjika hamonoana ny fanday mpihinana ny voly saozà sy ny voly mangahazo. Nandaitra ilay izy. Maty tao anatin’ny andro vitsivitsy ireo fanday, rehefa avy nihinana ny voly norarahana poizina. Mandray soa fanampiny amin’izy io ny mpamboly, satria manome azy fiadiana hampiasaina amin’ny ady ho avy koa ireo fanday maty. Amin’ny fomba ahoana?
“Ataon’ilay mpamboly ao anaty fitaovana fitotoana fotsiny ireo fanday maty sy misy poizina”, hoy ny fanazavan’ny Profesora Berti, “totoiny izy ireo, tantavaniny ilay zavatra voatoto, ary ataony mivaingana ao anaty vata fampangatsiahana ilay ranon-javatra azo avy amin’izany.” Avy eo, dia avelan’ilay mpamboly hitsonika ilay izy, tapohany rano, ary ararany amin’ny voliny.
Mety ho ela fiasa angamba io poizim-bibikely biôlôjika io, raha oharina amin’ny poizina simika hafa mitovy aminy, nefa ahazoana fahombiazana 90 isan-jato izy io, fara fahakeliny, hoy ny mpikaroka iray.
Ny fomba voajanahary famonoana bibikely
Anisan’ny fomba biôlôjika lehibe iadiana amin’ny bibikely ny fanangonana bibikely mahasoa mba ho namana hoenti-miady amin’ireo bibikely mpanimba. Kanefa, na eo aza ny ezaka atao mba handresen-dahatra ireo mpamboly mba hampiasa izany fomba izany, dia mbola tsy mazoto amin’izany ny mpamboly maro eto Brezila sy any an-toeran-kafa. Fa nahoana? Amin’ireo mpamboly ireo, dia toa hadalana ny finiavana handefa bibikely eny an-tsaha, toy ny hoe hadalana ny fandefasana kadradraka ao amin’ny trano fonenana, amin’ireo mponina an-tanàn-dehibe. “Mpihinana voly avokoa mantsy rehefa mety ho bibikely, araka ny fiheveran’ny ankamaroan’ireo mpamboly, hany ka faran’izay tsy tian’izy ireo izany hoe hisy bibikely hafa izany indray”, hoy ny Profesora Berti tamiko.
Mazava àry fa tsy hanjary ho be mpitia mihitsy ny fomba biôlôjika iadiana amin’ny bibikely, raha tsy rehefa takatr’ireo mpamboly fa manampy azy ny bibikely sasany. Ohatra, nisy mpamboly voankazo tany Kalifornia, any Etazonia, nila ny fanampian’ny sokatrakely (coccinelles), tany amin’ny faramparan’ireo taona 1800. Tamin’izany fotoana izany, dia nisy bibikely mpanimba voly tonga tany tsy nahy, avy tany Aostralia, ka namely, ary saika nandripaka tanteraka ny voly voasarimakirana sy voasary laoranjy. Roa taona latsaka vao resin’ny sokatrakely ireo bibikely mpanani-bohitra, ka namonjeny ireo voly voasary isan-karazany tany Kalifornia!
Ahitam-bokatra ny fomba biôlôjika iadiana amin’ny bibikely
Ankehitriny, dia eo am-pahitana indray ny anjara asan’ny joaninha (Joanna kely: anaran’ny sokatrakely eto) amin’ny maha ‘mpiambina’ azo ianteherana, ny mpamboly sasany eto Brezila. “Miady amin’ny haon-kazo ny joaninhas eto amin’ity toeram-pambolena voasary isan-karazany ity”, hoy i Sandro tamiko, raha nandeha nanaraka laharam-poto-boasary laoranjy tao amin’ny toeram-pambolena voasary isan-karazany karakarainy izahay. Nijanona teo amin’ny foto-daoranjy iray izy, nanakatra rantsana kely nisy ravina tanora, ary nampidina azy io. Nisy haon-kazo, dia bibikely malai-mihetsika, mitovy habe amin’ny loha paingotra, tsy nihetsika mihitsy, ary ny vavany nipetaka mafy teo amin’ilay ravina, nitsentsitra tsiron-kazo.
Sakafon’ny ‘mpiambina’ anefa ireny haon-kazo ireny. Raha ny marina, dia misy karazana sokatrakely izay mety hankafy ny fihinanana haon-kazo 800 ny tsirairay aminy, mandritra ny androm-piainany. Ampy ve izany mba hahitam-bokatra? “Eny”, hoy i Sandro, “ampy izany raha avelanao hisy ahitra sy ahi-dratsy ampy tsara eny anelanelan’ny voasary maniry mba hipetrahan’ny sokatrakely betsaka sy fahavalo voajanahary hafa betsaka.” Taloha, fony mbola tsy nampiasana fomba biôlôjika iadiana amin’ny bibikely teto amin’ity saham-boankazo ity, hoy ny fanamarihan’i Sandro, dia nandraraka poizim-bibikely simika isan-tapa-bolana izahay. Ankehitriny, noho ireo fahavalo voajanahary, toy ny sokatrakely sy ny bibikely hafa, dia nihena ho isaky ny roa na telo volana no nilana hanaovana izany.
Iray monja amin’ireo mpanampy voajanahary azon’ny mpamboly ianteherana ny sokatrakely. Ny tantely, ny takolapanenitra, ny vorona, ny hala, ny sahona, ny saobakaka, raha bibikely vitsivitsy monja aza no hotononina, ao amin’ny tafiky ny bibikely izay miady andro aman’alina amin’ny bibikely mpanimba. Na dia ny trondro aza, dia manampy mba ho solon’ny fandrarahana poizina. Amin’ny ahoana?
Tany Chine, hoy ny tatitra nataon’i Xiao Fan, mpikaroka ao amin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Ala any Nanking, ao amin’ny Provansin’i Kiangsu, dia tsy nilaina firy intsony ny poizim-bibikely, rehefa nanomboka ny fiompiana trondro an-tanimbary. Misy tady ampandalovin’ireo mpamboly eo amin’ireo zavamaniry mba hilatsahan’ireo bibikely ao anaty rano. “Koa satria mody maty ireo bibikely rehefa latsaka avy eo amin’ny vary maniry, dia mora foana amin’ireo trondro ny mihinana azy”, hoy ny fanazavan’i Fan.
Mamela ireo bibikely mahasoa mba ho velona koa ny fampihenana ny fampiasana fanafody fiarovam-boly. Mifarimbona ireo trondro mpihinana bibikely sy ireny bibikely mahasoa ireny mba hiady amin’ireo bibikely mpanimba. Noho ny fomba biôlôjika iadiana amin’ny bibikely, hoy i Fan, dia efa navalon’ny tantara ny fampiasana poizim-bibikely betsaka. Hita miharihary ny tombony ara-pahasalamana sy ny tombony eo amin’ny tontolo iainana, hoy koa izy.
Marina aloha fa ny toe-karena no ahin’ireo mpamboly kokoa noho ny tontolo iainana, raha toa izy ireo manaiky ny IPM. Rehefa dinihina tokoa, dia ahafahana mitsitsy vola ny fampihenana ny fampiasana fanafody lafo vidy fiarovam-boly, ary izany dia midika ho tombony lehibe kokoa, ho fandrisihana izay hanintona ny olona maneran-tany, na rahoviana na rahoviana. Na izany aza, raha ahazoana voly tsy misy poizina firy sy mitarika koa ho amin’ny tsy fanimbana firy ny tontolo iainana ny fitadiavana tombony ara-bola, amin’izay dia mitondra soa ho an’ny mpamboly sy ho an’ny mpanjifa ary koa ho an’ny tontolo iainana ny IPM. Izao no nambaran’ny mpandinika iray momba izany: “Mandray soa ny rehetra”, raha miaraka amin’ny IPM.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny karazam-panafody fiarovam-boly ampiasaina miely patrana indrindra dia 1) ny poizim-bibikely, 2) ny fanafody famonoana ahitra, 3) ny fanafody fiarovana ny voly amin’ny aretina, ary 4) ny poizim-boalavo. Arakaraka ny hoe inona no manimba ilay voly.
[Efajoro, pejy 21]
Fanafody Fiarovam-boly Nolovana
Na dia hampiasa ny IPM aza ny mpamboly rehetra maneran-tany manomboka anio, dia tsy hifarana velively ny olana ny amin’ny fanafody fiarovam-boly. Tombanan’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO) fa misy ambim-panafody fiarovam-boly maherin’ny 100 000 taonina voatahiry any amin’ireo tany an-dalam-pandrosoana. “Ny ampahany lehibe amin’ireo tahiry, dia ambiny avy tamin’ny fanafody fiarovam-boly azo tamin’ny alalan’ny fifanekena fanampiana”, hoy ny fanamarihan’ilay gazetiboky Our Planet, izay avoakan’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Tontolo Iainana. Anisan’izany ny DDT ary ny fanafody hafa fiarovam-boly betsaka dia betsaka, izay heverina ho fako mampidi-doza ankehitriny. Raha tsy esorina io fanafody fiarovam-boly nolovana io, dia “azo ampoizina ny loza”, hoy ny Our Planet.
Ilana vola be anefa ny fanaovana izany. Ny fanesorana ny fanafody fiarovam-boly nolovana atsy Afrika fotsiny dia mety hahatratra 100 tapitrisa dolara. Iza no handoa ny faktiora? Mandefa antso any amin’ireo tany nanome ireny fanafody ireny ny FAO, mba hanampy eo amin’ny fanaovana izany. Kanefa, araka ny nohazavain’ny FAO, dia “tokony hangatahana fanampiana koa ireo kompania mpanao zavatra simika momba ny fambolena, izay matetika no anisan’ny nahatonga tahiry be loatra na tsy ilaina akory amin’ireny fanafody fiarovam-boly ireny”. Hatramin’izao anefa, dia mbola “tsy vonona [ireo kompania ireo], hanome vola hanesorana ireny tahiry tranainy ireny”.
[Efajoro, pejy 22]
Nahoana no Niteraka Adihevitra ny Zavamaniry Novana Fototarazo?
Fitaovana iray hafa enti-miady amin’ny bibikely mpanimba voly, ny teknôlôjia ampiasana fototarazo. Noho ny fahalalana mihamitombo ananan’ny olombelona momba ny fomba fiasa anatin’ny môlekiolan’ny ADN, dia nisy mpikaroka afaka nampitambatra sombina ADN avy tamin’ny karazan-javamaniry samy hafa, ka nahazoana zavamaniry manana fiarovana raiki-tampisaka iadiany amin’ny bibikely mpanimba.
Ohatra iray amin’izany ny katsaka. Nisy injeniera mpanova fototarazo naka fototarazo avy tamin’ny loharano hafa ary namindra azy io ho ao amin’ny ADN-n’ny katsaka. Avy eo, dia namokatra prôteinina izay hita fa mahafaty ny bibikely mpanimba, ilay fototarazo nampidirina. Ny vokany dia katsaka voaova fototarazo izay mahatohitra ireo bibikely fahavalony.
Na izany aza, dia miteraka adihevitra ireo zavamaniry novana fototarazo. Manizingizina ireo mpanohitra fa mety hampaharary ny olona, na mety hanjary ahidratsy mirobona be ilay zavamaniry novana fototarazo. Mampitandrina ny mpahay siansa sasany fa hiteraka haingana bibikely mpanimba izay tsy handairana poizim-bibikely ny zavamaniry manana fototarazo mpamono bibikely. “Tsy tokony hafana fo be loatra amin’ny fanovana fototarazo isika”, hoy ny fampitandreman’i Berti, mpandinika bibikely. “Tadidio fa nientam-po erỳ ny olona tany amin’ireo taona 1950, fony nohobina fatratra ho nahavita fahagagana ireo poizim-bibikely! Amin’izao andro izao, dia fantatsika fa tsy marina izany. Niteraka bibikely mahagaga ny poizim-bibikely mahagaga. Iza no mahalala izay olana hateraky ny zavamaniry mahagaga, hitantsika amin’izao andro izao, izay novana fototarazo?”
Na dia azo vahana avokoa aza ny olana biôlôjika rehetra, dia manahy ny amin’ny fitsofotsofohan’ireo mpahay siansa ao amin’ny rafi-pandovan-toetra ny olona sasany. Mihevitra ny sasany fa mety hamaha ny olana tranainy momba ny fanafody fiarovam-boly, ny teknôlôjia ampiasana fototarazo, nefa mety hiteraka olana ara-pitondran-tena vaovao.
[Sary, pejy 23]
Mety hahalany bibikely mpanimba voly an-jatony maro ny sokatrakely iray