FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/5 p. 16-19
  • Tendrombohitra Sinay — Vatosoa Iray any An’efitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tendrombohitra Sinay — Vatosoa Iray any An’efitra
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fizahana ilay tendrombohitra
  • Ny fiakarana an’i Ras Safsafé teo anilany
  • Tao anatin’ilay mônasitera
  • Nanjombona ny fandaozana ilay toerana
  • Namonjy ny Codex Sinaïticus izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Sinay — Tendrombohitr’i Mosesy Sady Tendrombohitry ny Famindram-po
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Sinay
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Hita Ihany Ilay Baiboly!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/5 p. 16-19

Tendrombohitra Sinay — Vatosoa Iray any An’efitra

TSY hohadinoiko na oviana na oviana ny fientanam-po tsapako tamin’ny nahitako voalohany ilay Tendrombohitra Sinay, izay efa nisy hatramin’ny ela. Rehefa namakivaky faritra nafana sy be vovoka tao amin’ny Saikinosin’i Sinay, any Ejipta, ilay taxi nitondra anay, dia nipoitra tampoka teo amin’ny Lemak’i er-Raha, midadasika sy mangadihady. Nanerinerina avy teo amin’ilay tany lemaka ilay Tendrombohitra Sinay nahatahotra. Toy ny vatosoa napetraka tany an’efitra no fijery azy. Nampientam-po ny nisaintsaina hoe nety ho teto amin’ity tendrombohitra ity mihitsy no nandraisan’i Mosesy ny Lalàna avy tamin’Andriamanitra!

Na dia mbola iadian-kevitra aza ny amin’ny toerana marina misy ilay Tendrombohitra Sinay voalazan’ny Baiboly, dia efa taonjato maro izao no nisian’ny mpanao fivahiniana masina tonga eto, satria inoan’izy ireo fa io ilay tendrombohitra malaza. Tamin’ny taonjato fahatelo am.f.i. no efa nisian’ny mpampijaly tena tonga teto, noho ny fikendrena ny hitoka-monina mba hisaintsaina zavatra ara-pivavahana. Tamin’ny taonjato fahenina, dia nanome baiko ny hanorenana mônasitera, mitovy amin’ny tanàna mimanda, teto ilay emperora avy tany Byzance antsoina hoe Justinien I, mba hiarovana ireo mpampijaly tena ireo, ary koa mba hahazoana antoka fa hisy Romanina teo amin’ilay faritra. Fantatra ankehitriny ho ny mônasiteran’i Mb. Catherine io mônasitera eo akaikin’ny Tendrombohitra Sinay, izay efa nisy hatramin’ny ela, io. Andao hiaraka amiko ho eny amin’ny Tendrombohitra Sinay!

Ny fizahana ilay tendrombohitra

Rehefa avy namakivaky ilay lohasaha karakaina ilay mpitondra taxi arabo nitondra anay, dia nametraka anay sy ilay namako teo am-pototr’ilay mônasitera indrindra. Havoana misy hantsam-bato mihanjahanja no tazana manodidina ilay faritra, ary mahafinaritra ny maso ny mahita ny fefy hazo milahatra sy ny zaridaina maitson’ilay mônasitera. Nolalovanay fotsiny anefa izy io, satria ny tanjonay voalohany dia ny hianika ilay tendrony any atsimo sy ny hilasy teny ny alina manontolo. Fantatra araka ny lovantsofina ho ny Tendrombohitra Sinay io tendrony io, dia i Djebel Mousa, izay midika hoe “Tendrombohitr’i Mosesy”.

Nianika nandritra ny adiny roa izahay, ka tonga teo amin’ilay antsoina hoe Debok’i Elia, lohasaha kely izay mampizara roa ilay tandavan-tendrombohitra Sinay mirefy telo kilaometatra. Araka ny lovantsofina, dia tao amin’ny zohy iray teo akaiky teo no nandrenesan’i Elia ny feon’Andriamanitra. (1 Mpanjaka 19:8-13). Niato mba hiala sasatra teo ambany hazo sipresy 500 taona izahay. Nisy lava-drano tranainy iray koa teo. Fahafinaretana ny anay nisotro ny ranony madio sy mangatsiatsiaka izay natolotry ny Arabo iray anay!

Nanaraka ny lalana mahazatra falehan’ny mpizaha tany izahay, ary nanao ezaka mafy nandritra ny 20 minitra indray, niakatra ireo zanatohatra 750 tamin’ny tohatoha-bato, mandra-pahatonganay teny amin’ilay tampony. Nahita eglizy kely iray izahay teny. Manizingizina ireo moanina fa eo amin’ilay toerana nandraisan’i Mosesy ny Lalàna indrindra no misy azy io. Teo anilan’ilay eglizy dia nisy tsefa-bato izay lazain’izy ireo fa niafenan’i Mosesy rehefa nandalo Andriamanitra. (Eksodosy 33:21-23). Ny marina anefa dia tsy misy mahalala ny toerana marina nitrangan’izany. Na ahoana na ahoana, dia nahatalanjona ny zavatra tazana avy teny an-tampony! Nibanjina laharan-tendrombohitra granita nanopy mena izay nihatsy hita tao ambadiky ny lemaka feno vato niparitadritaka, izahay. Eo atsimoandrefana no manerinerina eo amin’ny 2 637 metatra ny Djebel Katherina, na Tendrombohitra Catherine, ilay toerana avo indrindra eo amin’ilay faritra.

Ny fiakarana an’i Ras Safsafé teo anilany

Tamin’ny andro iray hafa, dia afaka nianika an’i Ras Safsafé, ilay tendrony amin’ilay tandavan-tendrombohitra mirefy telo kilaometatra, izay misy an’i Djebel Mousa koa, izahay. Tendrony iray any avaratra i Ras Safsafé, ary izay somary iva kokoa noho i Djebel Mousa. I Ras Safsafé dia mitsatoka be eo amin’ny Lemak’i er-Raha, izay nilasian’ireo Isiraelita fony i Mosesy niakatra mba handray ny Lalàna avy tamin’i Jehovah.

Rehefa nianika hanatona an’i Ras Safsafé izahay, ka namakivaky tendrony sy lohasaha kely kokoa, dia nandalo chapelles sy zaridaina ary loharano aolo, soritry ny fotoana nisian’ny moanina sy mpitoka-monina zato mahery nitoetra teto, tao anaty zohy sy efi-bato. Ankehitriny, dia moanina iray monja sisa tavela.

Tao amin’ny zaridaina iray voahodidin’ny fefy avo nisy tariby niranirany no nahitanay ilay moanina tokana. Nampandrosoiny izahay, ary nanazava izy fa efa dimy taona izao no niasany tao amin’io zaridaina io, ka indray mandeha isan-kerinandro ihany izy no midina ao amin’ilay mônasitera. Nanoro anay ny lalana nankany amin’i Ras Safsafé ilay moanina, ary dia nandeha niakatra izahay mandra-pahatonganay teo amin’ny toerana avo dia avo nahitana ireo tendro nanodidina, tamin’ny farany. Afaka nahita ny Lemak’i er-Raha nidadasika terỳ ambaninay terỳ izahay. Avy teo amin’io toerana avo io indrindra indrindra no nieritreretako hoe teto no toerana niakaran’i Mosesy ilay tendrombohitra, avy teny amin’ny tobin’ny Isiraelita, mba hijoroany teo anatrehan’Andriamanitra. Naka sary an-tsaina an’ireo Isiraelita telo tapitrisa tafangona “tandrifin’ny tendrombohitra”, teo amin’io lemaka midadasika io, aho. Nalaiko sary an-tsaina koa i Mosesy nidina ny hantsana iray teo akaiky, nitrotro ireo vato fisaka roa nanoratana ny Didy Folo. — Eksodosy 19:2; 20:18; 32:15.

Afa-po izahay, satria tsy very maina ny ezaka mafy nataonay mba hianihana, ka nandeha nilamina niverina tany amin’ny nisy ny lainay izahay, raha mbola nilentika ny masoandro. Tamin’ny hazavan’ny afo kely, dia namaky ampahany amin’ny Eksodosy izay milazalaza ny zavatra niainan’i Mosesy teto izahay, ary avy eo dia nandeha natory. Efa antoandro be, ny ampitso maraina, vao nandondòna teo amin’ny varavaran’ny mônasiteran’i Mb. Catherine izahay.

Tao anatin’ilay mônasitera

Heverina ho anisan’ny tsangambato lehibe indrindra ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina ny mônasiteran’i Mb. Catherine. Moanina ôrtôdôksa grika no nanao azy io ary, tsy ny toerana misy azy fotsiny no mampahalaza azy, fa ny sary masina ao anatiny sy ny fitahirizam-bokiny koa. Nandritra ny ankamaroan’ny tantarany, dia nitokana loatra ilay mônasitera ka nahalana sy nahafaly erỳ ny fahatongavan’ny mpitsidika. Namihina ny vahiny mpitsidika, sy nanoroka azy tamim-pisakaizana, ary nanasa ny tongony mihitsy aza, ireo moanina. Afaka nandehandeha nalalaka tao amin’ireo trano be dia be tao anatin’ny manda avo nirefy 13 metatra manodidina ilay mônasitera, ireo mpitsidika. ‘Mijanòna mandritra ny herinandro, iray volana, ela araka izay tianao’, hoy ny teny naverimberin’ireo moanina tamim-pahalalam-pomba. Ankehitriny anefa, dia tena enta-mavesatra ho an’ireo moanina sahabo ho 12 sisa tavela ny fitiavany mandray vahiny. Mpitsidika hatramin’ny 50 000 mantsy izao no tonga mitsidika ilay mônasitera, isan-taona.

Koa satria vahoaka be izany, dia noferana ho adiny telo isan’andro ny fitsidihana, ary dimy andro isan-kerinandro. Ampahany kely amin’ilay mônasitera ihany no azon’ny mpizaha tany tsidihina: ny kianja misy ilay Lava-dranon’i Mosesy (teo i Mosesy no nihaona tamin’ilay tonga vadiny, araka ny voalazan’ny angano), sy ny Eglizin’ny Fiovan-tarehy (ilay eglizy tranainy indrindra eran-tany mbola miasa, araka ny inoan’ny maro), ary ny fitahirizam-boky iray. Aseho an’ireo mpizaha tany koa ny Chapelle-n’ny Roimemy Mirehitra, ilay tena toerana nahazoan’i Mosesy porofon’ny fanatrehan’Andriamanitra, hoy ireo moanina tamin’ireo mpizaha tany. Koa satria ireo moanina mihevitra azy io ho ny toerana masina indrindra eto an-tany, dia asaina manala kapa ireo mpitsidika tonga eto, toy ilay toromarika nomen’Andriamanitra an’i Mosesy. — Eksodosy 3:5.

Diso fanantenana izahay, satria tsy navela hanopy maso an’ilay fitahirizam-boky malazan’ilay mônasitera, dia ilay zavatra tena mahaliana anay eto. Rehefa nangataka ny mba hisian’ny toe-javatra maningana izahay, dia nihiaka toy izao ilay mpitondra mpitsidika: “Tsy misy hevitra mihitsy! Minitra vitsy sisa dia hikatona ny mônasitera.” Fotoana fohy taorian’izay anefa, rehefa tsy tafaraka tamin’ilay antokon’olona nitsidika izahay, dia nibitsibitsika taminay toy izao ilay mpitondra mpitsidika: “Avia atỳ!” Nandalo teo ambany tady izahay, niakatra tohatra nisy arofanina, nandalo teo anoloan’ny moanina frantsay iray izay gaga nahita anay teo, ary dia tonga tao amin’ny iray tamin’ny fitahirizam-boky tranainy indrindra sy malaza indrindra eran-tany! Mirakitra asa soratra 4 500 mahery amin’ny teny grika, arabo, siriàka, ary ejipsianina, izy io. Nisy fotoana naha tao koa ny Kôdeksa Sinaiticus tsy hay tombanana. — Jereo ilay faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-18.

Nanjombona ny fandaozana ilay toerana

Fitsidihana ny efitra misy taolam-paty no namarana ny fitsidihanay. Any ivelan’ny rindrin’ilay mônasitera no misy azy io. Misavovona be ao ny taolam-patin’ireo moanina sy mpitoka-monina efa hatramin’ny taranaka maro. Natokana ny taolan-tongotra sy ny taolan-tanana, ny karandoha, ary ny toy izany. Kely sisa dia hahatratra ny valindrihana ireo karandoha. Nahoana no heverina fa ilaina ny anaovana toerana mampihoron-koditra toy izao? Kely dia kely mantsy ny fasana ananan’ireo moanina. Koa rehefa misy maty, dia fanaon’izy ireo ny manaisotra ny taolana tao amin’ny fasana tranainy indrindra mba hisian’ny toerana handevenana. Fanantenan’ny moanina tsirairay ny hampiarahana ny taolany amin’ny an’ireo namany ao amin’ilay efitra misy taolam-paty, indray andro any.

Somary nanjombona, araka izany, ny nifaranan’ny fitsidihanay. Azo antoka anefa fa tsy very maina ny ezaka natao. Nankafizinay ny nahita ny faritra taza-maso mahatahotra sy ilay mônasitera malaza. Rehefa nandao ilay toerana anefa izahay, dia tohina lalina ny fonay noho ny fieritreretana fa angamba izahay nandeha tamin’ny lalana nodiavin’i Mosesy sy ny firenen’Isiraely, 3 500 taona lasa izay, teto amin’ny Tendrombohitra Sinay, dia vatosoa iray any an’efitra. — Nisy nanome.

[Efajoro, pejy 18]

Zava-dehibe no Hita

Tamin’ny taonjato lasa, i Konstantin von Tischendorf, manam-pahaizana alemà momba ny Baiboly, dia nahita sora-tanana amin’ny Baiboly amin’ny teny grika, izay vita tamin’ny taonjato fahefatra, ary antsoina ankehitriny hoe Kôdeksa Sinaiticus, tao amin’ny mônasiteran’i Mb. Catherine. Ampahany lehibe amin’ny Soratra Hebreo, avy tamin’ny dikan-teny Septante grika, ary koa ny Soratra Grika manontolo, no mahaforona azy io. Iray amin’ireo kopia fenon’ny Soratra Grika tranainy indrindra fantatra izy io.

“Vatosoa tsy manan-tsahala” no niantsoan’i Tischendorf azy io, ary tiany hampahafantarina ny besinimaro ny votoatin’izy io. Araka ny voalazan’i Tischendorf, dia nanolo-kevitra tamin’ireo moanina izy hoe tokony homena ny tsar rosianina izay mpiaro ny Eglizy Ôrtôdôksa Grika, ilay sora-tanana, satria afaka mampiasa ny fahefany izy io ho tombontsoan’ilay mônasitera.

Aranty eo amin’ny rindrin’ilay mônasitera ny dikan-tenin’ny taratasy iray napetrak’i Tischendorf, izay misy ny fampanantenany hoe ‘hamerina ilay sora-tanana, tsy simba, ary voaro tsara, any amin’ny Fikambanana Masin’ny Tendrombohitra Sinay [izy], raha vao mangataka izany io’. Tsapan’i Tischendorf anefa fa tsy nahatakatra ny maha zava-dehibe an’ilay sora-tanana na ny ilana hampahafantarana azy io ireo moanina. Tsy naverina tao amin’ny mônasiteran’i Mb. Catherine àry izy io. Na dia nanaiky handray vola 7 000 roubles avy tamin’ny fitondram-panjakana rosianina aza ireo moanina tamin’ny farany, ho an’ilay sora-tanana, dia mbola be fiahiahiana izy ireo hatramin’izao ny amin’ny fanandraman’ny manam-pahaizana manokana hanala sarona ny haren-tsarobidiny. Tamin’ny farany, dia lasa any amin’ny British Museum ilay Kôdeksa Sinaiticus, ka any no ahitana azy io ankehitriny.

Tsara homarihina fa nisy boaty 47 nirakitra sary masina sy sora-tanana amin’ny hodi-biby hita tao ambanin’ny manda avaratr’ilay mônasitera, tamin’ny 1975. Hita niaraka tamin’izany koa ny takelaka 12 mahery, izay tsy nisy tao amin’ilay Kôdeksa Sinaiticus. Hatramin’izao, dia tsy ny rehetra, fa antokona manam-pahaizana manokana vitsy dia vitsy monja, no afaka mijery ireo takelaka ireo.

[Sarintany, pejy 17]

Tendrombohitra Sinay

[Sary nahazoan-dalana]

NASA photo

Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

[Sary, pejy 16, 17]

Lemak’i er-Raha, sy i Ras Safsafé

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary, pejy 18]

Djebel Mousa sy ny mônasiteran’i Mb. Catherine

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

Sary nalaina tao amin’ny British Museum ary isaorana azy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara