FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/5 p. 26-27
  • Ahoana no Tokony Hiheveran’ny Kristianina ny Lamesa?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Tokony Hiheveran’ny Kristianina ny Lamesa?
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Araka ny Soratra Masina ve ny Lamesa?
  • Impiry natao sorona moa i Kristy?
  • Lamesa
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Fiangonana Miova Iray any Frantsa
    Mifohaza!—1994
  • Nahoana no Tsy Mitovy Amin’ny An’ny Fivavahana Hafa ny Fomba Ankalazan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Sakafo Harivan’ny Tompo?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Ny Marina Momba ny Eokaristia
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/5 p. 26-27

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Ahoana no Tokony Hiheveran’ny Kristianina ny Lamesa?

NY KATOLIKA mafana fo dia mitovy hevitra amin’ny Papa Jean-Paul II, izay “nanamafy indray fa heverin’ny eglizy ho fahotana ny tsy famonjen’ny Katolika iray Lamesa”, hoy ny The New York Times, vao haingana. Fa inona moa ny Lamesa? Mitovy hevitra ve ny eglizy sy ny Baiboly momba io loha hevitra io?

Faritan’ny boky Things Catholics Are Asked About (Zavatra Anontaniana ny Katolika), nosoratan’i Martin J. Scott, pretra katolika, toy izao ny atao hoe Lamesa: “Ny Lamesa dia sorona tsy misy ran’ny Vatana sy ny Ran’i Kristy. I Kalvery no sorona nisy ran’i Kristy. Amin’ny heviny fototra, dia sorona mitovy tamin’ilay teo amin’ny lakroa ihany ny Lamesa. Tsy hoe sarin-teny, na fanoharana, na fanitaran-dresaka izany.” Hoy koa izy: “Ny Lamesa dia midika ho fampidinana ny Zanak’Andriamanitra ho eo ambonin’ny otelintsika, ka manolotra Azy ho sorona ho an’Andriamanitra.”

Araka ny Soratra Masina ve ny Lamesa?

Mino ny Katolika tso-po fa miorina amin’ny fampianarana araka ny Soratra Masina, ny Lamesa. Mba hanaporofoana izany, dia misarika ny saina ho amin’ny tenin’i Jesosy nandritra ilay mazàna no antsoina hoe Fanasan’ny Tompo farany, izy ireo. Fony i Jesosy nizara mofo sy divay tamin’ny apostoliny tokoa mantsy, dia hoy izy momba ilay mofo: “Ity no vatako”. Momba ilay divay dia hoy izy: “Ity no rako”. (Matio 26:26-28).a Mino ny Katolika fa fony i Jesosy nanonona ireo teny ireo, dia tena nanova ilay mofo sy divay ho vatany sy rany tokoa izy. Mampitandrina toy izao anefa ny New Catholic Encyclopedia (1967): “Tsy tokony hatoky be loatra ny maha ara-bakiteny ny hoe ‘Ity no vatako’, sy ny hoe ‘Ity no rako’ (...) isika, satria ao amin’ny fitenenana toy ny hoe ‘ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan’izao tontolo izao’, (Mt 13.39) sy ny hoe ‘Izaho no tena foto-boaloboka’ (Jn 15.1), ny [“dia” sy “no”] dia midika fotsiny hoe manana ny heviny hoe, na mampiseho.” Na io encyclopédie azo itokisana io àry izany dia miaiky fa ilay teny ao amin’ny Matio 26:26-28 dia tsy manaporofo fa niova ho tena vatana sy ran’i Jesosy tokoa, ilay mofo sy divay tamin’ny Fanasan’ny Tompo farany.

Mety hisy hahatsiaro fa nilaza toy izao i Jesosy, indray mandeha: “Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra: (...) Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana ny fiainana mandrakizay”. (Joany 6:51, 55). Nandray ara-bakiteny ireo tenin’i Jesosy ireo ny sasany tamin’ireo nihaino azy, ka tafintohina. (Joany 6:61). Mety hanontany anefa isika hoe: ‘Nanova ny nofony ho mofo ve i Jesosy tamin’io fotoana io?’ Tsia dia tsia tokoa! Ara-panoharana no nitenenany. Nampitaha ny tenany tamin’ny mofo izy, satria hanome aina ho an’ny olombelona, tamin’ny alalan’ny sorony. Ambaran’ny Joany 6:35, 40 mazava, fa ilay fihinanana sy fisotroana dia hatao amin’ny alalan’ny fanehoana finoana an’i Jesosy Kristy.

Koa satria fombafomba tena lehibe ao amin’ny Eglizy Katolika ny Lamesa, dia mety hihevitra ny olona fa tohanan’ny Soratra Masina izy io. Tsy manohana izany anefa izy. Manazava toy izao ny antony, ny The Catholic Encyclopedia (fanontana tamin’ny 1913): “Ny loharano voalohan’ny foto-pampianarantsika (...) dia lovantsofina, izay manambara hatramin’ny ela be fa manana vidim-piangaviana ny Soron’ny Lamesa.” Eny, miorina amin’ny lovantsofina fa tsy amin’ny Baiboly, ny Lamesan’ny Katolika Romanina.

Na dia ifikirana amim-pahatsoram-po aza ny lovantsofina iray, dia tsy azon’Andriamanitra ekena, raha mifanipaka amin’ny Baiboly. Nomen’i Jesosy tsiny toy izao ireo mpitarika ara-pivavahana tamin’ny androny: “Nofoananareo ny didin’Andriamanitra noho ny lovantsofinareo.” (Matio 15:6). Koa satria noheverin’i Jesosy ho sarobidy ny Tenin’Andriamanitra, dia aoka hodinihintsika ny fampianarana mahakasika ny Lamesa, araka ny fihevitry ny Soratra Masina.

Impiry natao sorona moa i Kristy?

Ny Eglizy Katolika dia mampianatra fa atao sorona i Jesosy, isaky ny misy Lamesa ankalazaina, na dia izingizininy aza fa tsy hoe tena maty tokoa i Jesosy, ary tsy misy ra ilay sorona. Mitovy hevitra amin’izany ve ny Baiboly? Mariho izao lazain’ny Hebrio 10:12, 14 izao: “Indray mandeha monja [i Jesosy] no nanolotra sorona noho ny ota, dia mipetraka mandrakizay eo an-kavanan’Andriamanitra; fanatitra iray monja dia ampy handavorariany mandrakizay izay nohamasininy.”

Na izany aza, dia mety hanohitra toy izao ny Katolika tso-po iray: ‘Fa angaha moa i Jesosy tsy tokony hanolotra ny tenany matetika? Manota imbetsaka ange isika rehetra e!’ Voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Hebrio 9:25, 26 ny valiny omen’ny Baiboly: “Tsy mba (...) hanolo-tena matetika [i Kristy]; (...) indray mandeha monja izy no niseho tamin’izao andro farany izao, mba hamongotra ny fahotana tamin’ny nanolorany ny tenany ho sorona.” Mariho tsara izao: ‘Tsy mba hanolo-tena matetika’ i Kristy. Nohazavain’ny apostoly Paoly toy izao ny antony, ao amin’ny Romana 5:19: “Tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken’ny olona iray [Adama] no hahatongavan’ny maro ho marina kosa noho ny naneken’ny olona iray [Jesosy].” Ny tsy fanekena, na tsy fankatoavan’i Adama indray mandeha monja, dia nahatonga antsika rehetra ho mety maty; ny fanavotan’i Jesosy indray mandeha monja, dia nametraka fototra ho antsika rehetra izay maneho finoana io sorona io. Fototra hahazoana famelana ny helotsika dieny izao, ary hifaliana amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny hoavy, izy io.

Zava-dehibe ve ny hoe natao sorona indray mandeha, na natao sorona matetika i Jesosy? Raharaha mahakasika ny fahatakarana ny hasarobidin’ny soron’i Jesosy izany. Io no fanomezana lehibe indrindra natao hatramin’izay, dia fanomezana izay sady sarobidy no lavorary aoka izany, ka tsy ilaina haverina na oviana na oviana.

Tena mendrika ny hotsarovana tokoa ny soron’i Jesosy. Misy fahasamihafana anefa eo amin’ny hoe mahatsiaro fisehoan-javatra iray sy ny hoe mamerina ilay izy. Ny mpivady iray mankalaza ny fitsingerenan’ny fampakaram-badiny, ohatra, dia mety hahatsiaro ilay andro nahavitan’ny fanambadian’izy ireo, kanefa tsy tena hamerina ilay fombafomba tamin’izay. Isan-taona, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitandrina ny fitsingerenan’ny nahafatesan’i Jesosy, ary manao izany izy ireo, araka ny didin’i Jesosy hoe “ho fahatsiarovana” azy, fa tsy hoe ho fanaovana sorona azy. (Lioka 22:19). Ankoatra izany, mandritra ny taona manontolo, ireo Kristianina ireo dia miezaka mafy mba hamboly fifandraisana mafana amin’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Izany dia ataony amin’ny fampifanarahana ny fiainany sy ny asany ary ny zavatra inoany amin’ny Soratra Masina.

Matetika no midika ho fanaovana fiovana eo amin’ny fisainany izany. Faly anefa ny Vavolombelona mahalala fa raha tsy mivadika izy ireo eo am-panohanana ny Tenin’Andriamanitra, fa tsy ny lovantsofin’olombelona, dia handray fitahiana. Ary raha maneho finoana ny ran’i Jesosy natao sorona ary nalatsaka indray mandeha monja efa ho roa arivo taona lasa izay, izy ireo, dia hanadio azy ireo amin’ny fahotana rehetra izy io. — I Joany 1:8, 9.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Avy ao amin’ny Fandikan-teny Katolika ny andinin-teny rehetra ato amin’ity lahatsoratra ity.

[Sary, pejy 26]

Ny Lamesan’i Md. Giles (tsipiriany)

[Sary nahazoan-dalana]

Erich Lessing/Art Resource, NY

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara