FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/9 p. 3
  • Nifarana ve ny Fandrahonana Niokleary?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nifarana ve ny Fandrahonana Niokleary?
  • Mifohaza!—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Fandrahonana Niokleary — Tsy Nifarana Velively
    Mifohaza!—1999
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Ady Niokleary?
    Foto-kevitra Hafa
  • Ny Fandrahonana Niokleary — Nifarana Ihany Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Ny Fandrahonana Niokleary — Voaesotra Mandrakizay!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/9 p. 3

Nifarana ve ny Fandrahonana Niokleary?

NANDRITRA ny 40 taona mahery, dia niaina teo ambany fandrahonan’ny fandringanana niokleary izao tontolo izao. Avy eo, tamin’ny 1989, dia nianjera ny Rindrin’i Berlin. Fanambarana mialoha ny hianjeran’ny Kominisma sovietika izany. Tsy ela taorian’izay, dia nifanara-kevitra ireo fanjakana faran’izay matanjaka fa tsy hifampikendry amin’ny bala afomangany intsony izy ireo. Toa nitsahatra, na, fara faharatsiny, nihemotra, ny “Haramagedona” niokleary, hany ka maivamaivana izao tontolo izao ary nisento, rehefa ela ny ela.

Mihevitra anefa ny manam-pahaizana manokana maro fa mbola tsy tokony handihy tsy afa-tavony isika. Tamin’ny 1998, dia naroso dimy minitra ilay famantaranandron’ny fara andro malaza, ao amin’ny The Bulletin of the Atomic Scientists, mba hanondro ny misasakalina latsaka sivy minitra: fanambarana mazava izany fa mbola tsy lasa ny fandrahonana niokleary.a Marina fa niova ny sehatr’ity tontolo ity. Tsy voahazona ao amin’ny fiziriziriana amin’ny fifampitsapan-kery intsony ny ngeza roa tonta eo amin’ny niokleary. Misy firenena maromaro izao efa afaka manao fitaovam-piadiana niokleary! Fanampin’izany, dia manahy ireo manam-pahaizana manokana hoe, na ho ela na ho haingana, dia hisy antokona mpampihorohoro hahazo zavatra radiôaktifa ka hanamboatra baomba ataomika tsotsotra.

Fanampin’izany, dia mbola mitahiry fitaovam-piadiana misy loha niokleary mahatahotra ihany i Etazonia sy i Rosia, na dia efa nampihena be izany aza. Araka ny voalazan’ny antoko-mpikaroka antsoina hoe Komity Misahana ny Tetikady Niokleary, dia fiadiana niokleary 5 000 eo ho eo ankehitriny no vonona ny hampiasaina raha vao misy hatairana. Hoy ny tatitra nataon’izy ireo: “Noho izany, raha mivoaka ny baiko handefasana bala afomanga amin’izao fotoana izao, dia [bala afomanga alefa mankamin’ny kôntinanta iray hafa] sy misy loha niokleary 4 000 (2 000 avy amin’ny andaniny sy ny ankilany) no mety handeha ho any amin’ny tanjony avy, ao anatin’ny minitra vitsivitsy, ary [bala afomanga alefa avy amin’ny sambo mpisitrika] 1 000 hafa misy loha niokleary no mety ho an-dalana ho any amin’ny tanjony avy, fotoana fohy aorian’izany.”

Ny fisian’io tahirim-pitaovam-piadiana io dia mampitombo ny mety hipoahan’ny ady tsy nahy, na ny ady efa nomanina mialoha mihitsy aza. “Mety hahalatsaka ity tontolo ity ao amin’ny fandravan’ny loza aman’antambo termôniokleary ny loza manan-tantara iray, mifanohitra amin’ny fanirian’ireo mpitarika politika”, hoy ny fampitandreman’i Vladimir Belous, Rosianina mpahay tetikady, izay mitana toerana ambony. Koa na dia nifarana aza ny Ady Mangatsiaka, dia tsy tena lasa ny fandrahonan’ny fandripahana tambabe amin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana niokleary. Tena lehibe tokoa ve anefa izany fandrahonana izany? Ho afaka amin’ny fiadiana niokleary ve ity tany ity indray andro any? Handinika izany ireo lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mampiseho ny fahantomoran’ilay “misasakalina” amin’ny ady niokleary ilay famantaranandron’ny fara andro eo amin’ny fonon’ny The Bulletin of the Atomic Scientists. Nandritra ny am-polony taona maro, dia nakisaka ny fanjaitra manondro ny minitra mba hahitana taratry ny fiovana teo amin’ny toe-draharaha politika teo amin’izao tontolo izao.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Fipoahan-javatra eo amin’ny pejy 2 sy 3: U.S. National Archives photo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara