Fanompoana An’Andriamanitra Manoloana ny Fahafatesana
NOTANTARAIN’I JOÃO MANCOCA
Tamin’ny 25 Jona 1961, dia noravan’ny miaramila ny fivoriana kristianina nataonay teto Luanda, atỳ Angola. Naiditra am-ponja ny telopolo taminay, ary nokapohina tamin-kabibiana aoka izany, hany ka niverimberina nijery anay isaky ny antsasak’adiny ireo miaramila mba hahitana raha nisy maty taminay na tsia. Re nanao fanamarihana ny sasany tamin’izy ireo fa tsy maintsy ho tena misy ny Andriamanitray, satria tafavoaka velona izahay rehetra.
TAORIAN’IZANY fikapohana izany, dia tafajanona dimy volana tao amin’ny fonjan’i São Paulo aho. Avy eo, nandritra ireo sivy taona nanaraka, dia nafindrafindra fonja aho ary niaritra kapoka sy tsy fihinanan-kanina ary fakana am-bavany imbetsaka. Taoriana kelin’ny nanafahana ahy avy tao an-tranomaizina tamin’ny 1970, dia nosamborina indray aho, ka tamin’ity indray mitoraka ity, dia nalefa tany amin’ilay toby famonoana malaza ratsin’i São Nicolau, izay Bentiaba ankehitriny. Notanana tao nandritra ny roa taona sy tapany aho.
Mety hanontany tena ianao hoe nahoana ny olom-pirenena mpanara-dalàna tahaka ahy no nampidirina am-ponja noho ny firesahana tamin’ny hafa ireo zavatra ninoako niorina tamin’ny Baiboly, ary hoe taiza no nandrenesako voalohany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Nandray fitahiana tamin’ny fahazoana fanabeazana tsara
Teraka tamin’ny Oktobra 1925, tao Maquela do Zombo, tanàna any avaratr’i Angola, aho. Rehefa maty i Dada tamin’ny 1932, dia nalefan’i Neny hipetraka tany amin’ny anadahiny, tany Congo Belge (Repoblika Demokratikan’i Congo ankehitriny), aho. Tsy dia izany loatra no niriny hatao, saingy tsy nanam-bola hamelomana ahy izy.
Batista ilay dadatoako, ary nampirisika ahy hamaky ny Baiboly izy. Na dia tonga mpikambana tao amin’ny fiangonany aza aho, dia tsy nanome fahafaham-po ny hetahetako ara-panahy ny zavatra izay nianarako tao, no sady tsy voatosika hanompo an’Andriamanitra aho. Nalatsaky ny dadatoako nianatra anefa aho, sady nampiany mba hahazo fanabeazana tsara. Ankoatra ny zavatra hafa, dia nianatra teny frantsay koa aho. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nianatra teny portogey ihany koa aho. Nahazo asa tamin’ny naha mpandefa telegrafin’ny Foiben’ny Radio, tao Léopoldville (Kinshasa ankehitriny), aho, rehefa nahavita ny fianarako. Avy eo, fony aho 20 taona, dia nanambady an’i Maria Pova aho.
Fivavahana vaovao iray
Tamin’io taona 1946 io ihany, dia voataonan’ny Angoley iray nahita fianarana, izay mpitarika ny antoko mpihiran’ny Fiangonana Batista, aho. Dodona ny hampianatra sy hampisondrotra ireo olona miteny kikongo, izay monina any avaratr’i Angola, izy. Nahazo ilay bokikely The Kingdom, the Hope of the World (Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao), navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society sy nozarain’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny fiteny portogey, izy.
Nadikan’ilay mpitarika antoko mpihira tamin’ny fiteny kikongo io bokikely io, ka nampiasainy mba hanaovana fiaraha-midinika ny Baiboly isan-kerinandro taminay Angoley maromaro niasa tany Congo Belge. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanoratra tany amin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower any Etazonia io mpitarika antoko mpihira io, ka nahazo zavatra vita an-tsoratra fanampiny. Nifangaro tamin’ny fampianaran’ireo fiangonana anefa ny fanazavana nomeny anay. Noho izany, dia tsy haiko ny nanavaka tsara ny Kristianisma marina tamin’ireo fampianarana tsy araka ny Soratra Masina, izay nomen’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina.
Tena voamariko anefa fa hafa noho izay efa reko tao amin’ny Fiangonana Batista ny hafatra ara-baiboly hita tao amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower. Hitako, ohatra, fa heverina ho zava-dehibe, ao amin’ny Baiboly, ny anarana manokan’Andriamanitra hoe Jehovah, ary mety ny hiantsoan’ny Kristianina marina ny tenany hoe Vavolombelon’i Jehovah. (Salamo 83:18; Isaia 43:10-12). Ankoatra izany, dia nanafana ny foko ny fampanantenan’ny Baiboly fiainana mandrakizay ao amin’ny tany zary paradisa, ho an’izay manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana. — Salamo 37:29; Apokalypsy 21:3-5.
Na voafetra aza ny fahalalako ny fahamarinana ara-baiboly, dia tsapako izay tsapan’i Jeremia mpaminany, izay tsy afaka nangeja ny faniriany niredareda mba hiresaka momba an’i Jehovah Andriamaniny. (Jeremia 20:9). Nisy mpiara-mianatra Baiboly taminay niaraka tamiko teo amin’ny fitoriana isan-trano. Nanao fivoriana ampahibemaso teo an-tokotanin’ny dadatoako mihitsy aza aho, ka nanasa ny olona tamin’ny alalan’ny taratasy fanasana nosoratana tamin’ny milina fanoratana. Nisy fotoana nahitana mpanatrika 78. Araka izany, dia nisy fivavahana vaovao niforona, ka ilay mpitarika antoko mpihira angoley no lehibeny.
Ireo fotoam-pigadrako voalohany
Tsy fantatro akory hoe voarara tany Congo Belge izay mety ho fivavahana nanana fifandraisana tamin’ny Fikambanana Watch Tower. Voasambotra àry ny sasantsasany taminay, ny 22 Oktobra 1949. Talohan’ny nitsarana anay, dia niresaka tamiko mangingina ilay mpitsara, ary avy eo dia nataony izay hahafahako, satria fantany fa mpiasam-panjakana aho. Mba hahafahako anefa, dia tsy maintsy miala amin’ilay fivavahana vao niforona vokatry ny asa fitoriana nataonay aho. Nanda tsy hanao izany aho.
Taorian’ny roa volana sy tapany nihazonana anay tany am-ponja, dia nanapa-kevitra ireo manam-pahefana fa hasaina hody any amin’ny tany niavianay izahay Angoley. Niahiahy ny asa nataonay koa anefa ireo manam-pahefana mpanjana-tany portogey rehefa tafaverina teto Angola izahay, hany ka noferany ny fahafahanay. Mpikambana maro kokoa tao amin’ny fivavahanay no tonga avy tany Congo Belge, ka tamin’ny farany dia nahatratra 1 000 mahery ny isanay, nanerana an’i Angola.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia nifindra tao aminay ny mpanara-dia an’ilay mpitondra fivavahana malaza atao hoe Simon Kimbangu. Tsy liana tamin’ny fianarana ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower ireo olona ireo, satria nino izy ireo fa tsy nisy afa-tsy ny mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy ihany no afaka nanazava ny Baiboly. Nanaraka izany fomba fihevitra izany ny ankamaroan’ireo mpiara-mivavaka taminay, anisan’izany ilay mpitarika antoko mpihira, izay mbola noheverina ho lehibenay ihany. Nivavaka mafy tamin’i Jehovah aho mba hanaovany izay hifandraisanay tamin’ny tena solontenan’ny Fikambanana Watch Tower marina tokoa. Nanantena aho fa izany dia hahatonga ireo mpiara-mivavaka taminay rehetra hanaiky ny fahamarinana ara-baiboly, ary hanary ireo fanao tsy araka ny Soratra Masina.
Sosotra noho ny fitoriana nataon’ny vitsivitsy taminay ny mpiara-mivavaka sasany. Noho izany, dia nitoroka anay tany amin’ny manam-pahefana izy ireo, ary niampanga anay ho mpitarika antoko politika iray. Vokatr’izany, tamin’ny Febroary 1952, dia nosamborina ny maro taminay, anisan’izany i Carlos Agostinho Cadi sy i Sala Ramos Filemon. Nohidiana tao amin’ny efitra figadrana iray tsy nisy varavarankely izahay. Nisy mpiambina iray tsara fanahy anefa tao mba nanome anay ny sakafo naterin’ny vadinay sy milina fanoratana iray, izay nahafahanay nanao kopia betsaka kokoa an’ireo bokikelin’ny Fikambanana Watch Tower.
Nalefa tany Baia dos Tigres, faritra ngazana iray any atsimon’i Angola, izahay nony afaka roatokom-bolana. Nanaraka anay tany koa ny vadinay. Nohelohina efa-taona hanao asa an-terivozona tao amin’ny kompania iray momba ny jono izahay. Tsy nisy seranana ho an’ireo botry mpanjono tao Baia dos Tigres, noho izany dia ny vadinay no tsy maintsy nivezivezy nirobo-drano, nanomboka maraina ka hatramin’ny alina, nitatitra ireo trondro mavesatra avy teny amin’ireo botry.
Tao amin’io tobin’ny voafonja io, dia nahita mpiara-mivavaka taminay hafa izahay, ary nanandrana nandresy lahatra azy ireny mba hanohizany ny fianarana ny Baiboly. Naleon-dry zareo anefa nanaraka an’i Toco, ilay mpitarika antoko mpihira. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary nantsoina hoe Tocoistes izy ireny.
Fivoriana iray nandrasana hatramin’ny ela
Raha mbola tany Baia dos Tigres izahay, dia nahita ny adiresin’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Rhodésie Avaratra (Zambia ankehitriny), ka nanoratra tany mba hahazoana fanampiana. Nampitaina tany amin’ny sampan’i Afrika Atsimo ilay taratasinay, ka dia nifanoratra taminay ny tao, nanontany ny fomba nahatonga anay ho liana tamin’ny fahamarinana ara-baiboly. Nampandrenesina ny momba anay ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower any Etazonia, ary nisy fandaharana natao mba handefasana solontena manokana ho atỳ aminay. I John Cooke izany solontena izany, izay misionera efa za-draharaha, noho izy efa nandany taona maro tany an-tany hafa.
Herinandro maromaro no lasa vao navelan’ireo manam-pahefana portogey hitsidika anay ny Rahalahy Cooke, taorian’ny nahatongavany teto Angola. Ny 21 Martsa 1955 izy no tonga tany Baia dos Tigres, ary nomena lalana hijanona tany aminay nandritra ny dimy andro. Nahafa-po tokoa ny fanazavana ny Baiboly nomeny, ka niaiky aho fa nisolo tena ilay hany fandaminana marin’i Jehovah Andriamanitra izy. Ny andro faran’ny fitsidihany, dia nanao ilay lahateny ampahibemaso hoe “Ity Vaovao Tsaran’ilay Fanjakana Ity” ny Rahalahy Cooke. Nisy 82 ny fitambaran’ny olona nanatrika, ka anisan’izany ilay lehiben’ny fitantanan-draharahan’i Baia dos Tigres. Nizarana ny kopian’io lahateny io, vita pirinty, ny mpanatrika tsirairay.
Nifandray tamina Tocoistes maromaro sy ny mpitarika azy ireo ny Rahalahy Cooke, nandritra ny dimy volana nijanonany teto Angola. Tsy nahaliana ny maro tamin-dry zareo anefa izany ho tonga Vavolombelon’i Jehovah izany. Noho izany, izaho sy ireo namako dia nahatsapa fa tokony hohazavaina tsara tamin’ireo manam-pahefana ny toerana notananay. Nataonay an-taratasy izany tamin’ny 6 Jona 1956, ka nalefanay tany amin’“Andriamatoa Governoran’ny Distrikan’i Moçâmedes”. Nambaranay taminy fa tsy nanana fifandraisana intsony tamin’ireo mpanara-dia an’i Toco izahay, ary tokony ho fantatra amin’ny maha “anisan’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah” izahay. Nangatahinay koa ny mba hahazoanay fahalalahana hanao fanompoam-pivavahana. Kanefa tsy nahena ny sazinay, fa vao mainka nampitomboina roa taona aza.
Fisehoan-javatra nitarika ho amin’ny batisa
Nafahana ihany izahay tamin’ny Aogositra 1958, ka nony tafaverina teto Luanda, dia efa nisy fitambaran’olom-bitsy Vavolombelon’i Jehovah hitanay teto. I Mervyn Passlow, misionera nalefa teto hisolo an’i John Cooke, kanefa efa noroahina hiala teto Angola sahady tamin’ny fotoana nahatongavanay, no nandamina azy io, herintaona talohan’izay. Avy eo, tamin’ny 1959, dia tonga nitsidika i Harry Arnott, misionera hafa iray an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Vao nivoaka ny fiaramanidina anefa izy, dia nosamborina, ary toraka izany koa izahay telo mianadahy saika hitsena azy.
Ireo roa hafa, i Manuel Gonçalves sy i Berta Teixeira, Vavolombelona portogey vita batisa vao haingana, dia nafahana rehefa avy nofeperana tsy hanao fivoriana intsony. Noroahina niala teto Angola ny Rahalahy Arnott, fa izaho kosa norahonana mba hanao sonia taratasy iray nilaza ny tsy maha Vavolombelona ahy intsony; raha tsy izany, hono, dia haverina any Baia dos Tigres indray aho. Vita ny fakana am-bavany naharitra adiny fito, dia nafahana tsy nanao sonia na inona na inona aho. Herinandro tatỳ aoriana, ela ny ela, dia afaka natao batisa ihany aho, ary koa i Carlos Cadi sy i Sala Filemon, namako. Nanofa efitrano tao Muceque Sambizanga, faritanàna manamorona an’i Luanda, izahay, ary tao no toerana voalohany nisy ny kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Angola.
Tonga indray ny fanenjehana
Nitombo ny isan’ny olona liana nanomboka nanatrika ireo fivoriana. Hitsikilo anay no nahatongavan’ny sasany, kanefa tian-dry zareo ireo fivoriana, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah izy ireo tatỳ aoriana! Niova ny sehatra ara-politika, ary nanjary sarotra ho anay ny toe-javatra rehefa nanomboka nahazo vahana ny fanindrahindram-pirenena tamin’ny 4 Febroary 1961. Vita soa aman-tsara ihany ny fankalazanay ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, ny 30 Martsa tamin’io taona io, na dia teo aza ny fampielezan-kevitra feno lainga natao momba anay, ary nahitana mpanatrika 130 izany.
Ny volana Jona, raha ilay nitarika ny Fianarana ny Tilikambo Fiambenana iny indrindra aho, dia avy ireo miaramila nandrava ny fivorianay. Navela hody ireo zaza amam-behivavy, fa nosamborina kosa ireo vatan-dehilahy niisa 30, araka izay efa voalaza terỳ amin’ny teny fampidirana. Tsy an-kiato ny vely kibay natao taminay nandritra ny adiny roa. Nandoa ra nandritra ny telo volana aho taorian’izay. Tsy nanampo ny ho velona intsony aho, sady izany rahateo no efa nambaran’ilay nikapoka ahy. Mpianatra Baiboly vaovao mbola tsy vita batisa ny ankamaroan’ireo nokapohina, noho izany, dia nivavaka tamim-pahatsorana ho azy ireo toy izao aho: “Jehovah ô, karakarao ny ondrinao.”
Isaorana an’i Jehovah fa tsy nisy maty izy ireo na dia iray aza, zavatra izay nahazendana ireo miaramila tao. Ny sasany tamin’ireo miaramila ireo dia voatosika hankalaza ny Andriamanitray, izay niaro anay mba ho velona, araka ny filazan’izy ireo! Ny ankamaroan’ireo mpianatra Baiboly ireo, tamin’ny farany, dia tonga Vavolombelona vita batisa, ary loholona kristianina ny sasany ankehitriny. Anisan’ny Komitin’ny Sampana eto Angola i Silvestre Simão, iray tamin’izy ireo.
Fijaliana nandritra ny sivy taona
Araka ny efa voalazako terỳ am-piandohana, dia nijalijaly tamin’ny fomba maro aho nandritra ireo sivy taona nanaraka; nafindrafindra fonja na toby fiasana an-tery vozona. Afaka nanao fanambarana tamin’ireo gadra politika aho tany amin’ireny toerana rehetra ireny, ka maro taminy, ankehitriny, no Vavolombelona vita batisa. Navela hanaraka ahy i Maria vadiko sy ireo zanakay.
Nisy gadra politika efatra saika handositra kanjo tratra, fony izahay tany amin’ny toby fiasana an-tery vozon’i Serpa Pinto. Nampijalijalina tamin-kabibiana, mandra-pahafatiny, teo imason’ny voafonja rehetra, izy ireo. Natao izany mba hampitahorana ireo voafonja ka tsy hieritreretany akory ny handositra. Nandrahona ahy teo anatrehan’i Maria sy ny ankizy toy izao ilay lehiben’ny toby: “Raha mbola tratrako mitory ianao, dia hovonoina tsy misy hafa amin’ny fomba namonoana ireo gadra saika handositra ireo.”
Farany, tamin’ny Novambra 1966, dia nalefa tany amin’ilay toerana izay nanjary ilay toby famonoana mahatsiravin’i São Nicolau, izahay. Nihorona ny hodi-dohako, rehefa tonga tany izahay, nahita fa hay Atoa Cid, ilay nikapoka saiky nahafaty ahy tany amin’ny fonjan’i São Paulo, no mpiandraikitra an’io toby io! Gadra maro no novonoina fotsiny izao isam-bolana, ary noterena hanatri-maso izany famonoana tamin-kabibiana izany ny fianakaviako. Vokatr’izany, dia voadona mafy ny sain’i Maria, ary mbola tsy sitrana tanteraka izy hatramin’izao. Nahazo fanomezan-dalana handefa azy sy ny ankizy tany Luanda aho, tamin’ny farany, ary izy mirahavavy zokiny indrindra, i Teresa sy i Joana, no nikarakara an-dry zareo tany.
Afaka, dia nigadra indray
Nafahana aho ny taona nanaraka, izany hoe tamin’ny Septambra 1970, ka tafahaona indray tamin’ny fianakaviako sy ny rahalahy rehetra teto Luanda. Nitrahotraho ny ranomasoko nahita ny fandrosoan’ny asa fitoriana nandritra izay sivy taona tsy naha teo ahy izay. Fony aho naiditra am-ponja, tamin’ny 1961, dia antokon’olona vitsivitsy efatra no nahaforona ilay kôngregasiôna teto Luanda. Izao, anefa, dia nisy kôngregasiôna lehibe efatra, izay voalamina araka ny tokony ho izy, ary nahazo ny fanampian’ny solontena mpitety faritany, an’ny fandaminan’i Jehovah, isaky ny enim-bolana. Dibo-kafaliana ny foko satria afaka, kanefa dia fohy ihany izany fahafahako izany.
Indray andro, dia nampiantso ahy ny tale jeneralin’ny Polisy ho An’ny Famotopotorana sy ny Fiarovana ny Fitondrana (PIDE), izay efa tsy misy intsony ankehitriny. Rehefa avy nandokadoka ahy teo anatrehan’i Joana, zanako vavy, izy, dia nanolotra antontan-taratasy mba hosoniaviko. Nilazalaza ny raharahako amin’ny maha mpitsikilon’ny PIDE izy io, ary nampanantena valisoa be dia be noho izany. Rehefa nanda tsy hanao sonia aho, dia norahonana haverina tany São Nicolau, toerana izay tsy hahafaka ahy mihitsy, hono.
Notanterahina tokoa ireo fandrahonana ireo tamin’ny Janoary 1971, efa-bolana monja taorian’ny nahazoako fahafahana. Loholona kristianina 37 avy teto Luanda, tamin’ny fitambarany, no nosamborina sy nalefa tany São Nicolau. Voatana tany hatramin’ny Aogositra 1973 izahay.
Afaka, saingy mbola nenjehina ihany
Tamin’ny 1974 dia nambara tany Portogaly ny fahalalahana ara-pivavahana, ary nahatratra an’ireo provansy portogey tany andafin’ny ranomasina koa izy io tatỳ aoriana. Tamin’ny 11 Novambra 1975, dia nahazo ny fahaleovan-tenany tamin’i Portogaly i Angola. Toy inona moa ny fientanam-po tsapanay raha nanao ireo fivoriamben’ny fizaran-taninay voalohany tamin-kalalahana izahay, ny volana Martsa, tamin’iny taona iny ihany! Nanana tombontsoa aho nanao ny lahateny ampahibemason’ireny fivoriana falifaly ireny, tao amin’ny Kianjabe Citadel, teto Luanda.
Kanefa, nanohitra ny fialanalanana notananay ny governemanta vaovao, sady nangotraka ny ady an-trano nanerana an’i Angola. Tena nihasarotra ny toe-draharaha, hany ka voatery nandositra niala teto ireo Vavolombelona vazaha. Telo taminay rahalahy avy teto an-toerana no nasaina nikarakara ny asa fitoriana teto Angola, teo ambany fitarihan’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Portogaly.
Tsy ela dia nanomboka niseho tao amin’ny gazety sy nalefa tamin’ny radio ny anarako. Nampangaina ho saribakolin’ny imperialisma iraisam-pirenena aho, ary koa ho tompon’andraikitra tamin’ny tsy fetezan’ireo Vavolombelona angoley handray fitaovam-piadiana. Ho vokany, dia nampanantsoina hiseho teo anatrehan’ny lehiben’ny provansin’i Luanda, aho. Nohazavaiko taminy tamim-panajana ny fialanalanana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, izay toerana notanan’ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy tany am-boalohany ihany koa. (Isaia 2:4; Matio 26:52). Rehefa nambarako taminy fa efa nandany 17 taona tany am-ponja sy tany amin’ny toby fiasana an-tery vozona aho nandritra ny fanjanahan-tany, dia nanapa-kevitra ny tsy hisambotra ahy izy.
Nilana herim-po ny fanompoana an’i Jehovah teto Angola, tamin’ny naha Vavolombelony, nandritra ireny fotoana ireny. Koa satria natao andry maso ny tranoko, dia tsy afaka nanao fivoriana tao izahay. Kanefa, toy ny nanambaran’ny apostoly Paoly azy, dia ‘voageja nanodidina izahay, nefa tsy tery’. (2 Korintiana 4:8). Tsy niato tamin’ny fanompoanay na oviana na oviana izahay. Nanohy ny asa fitoriana aho, nanompo tamin’ny naha minisitra mpitety faritany ary nampahery ireo kôngregasiôna tany amin’ny provansin’i Benguela sy i Huíla ary i Huambo. Rahalahy Filemon no anarana hafa niantsoana ahy tamin’izany fotoana izany.
Tamin’ny Martsa 1978 dia voarara indray ny asa fitorianay, ary koa nandre vaovao azo antoka aho fa nisy andiana revolisionera mafana fo tafahoatra, nanomana planina mba hamonoana ahy. Noho izany, dia nialokaloka tao an-tranon’ny Vavolombelona iray avy any Nizeria, izay niasa tao amin’ny ambasadin’i Nizeria teto Angola, aho. Iray volana tatỳ aoriana, rehefa tonitony ny toe-draharaha, dia niverina nitsidika ireo rahalahy tamin’ny naha mpiandraikitra mpitety faritany indray aho.
Na dia teo aza ny fandrarana sy ny ady an-trano, dia an’arivony maro ny Angoley nandray tsara ny fitorianay. Noho ny fitomboana niavak’ireo olona tonga Vavolombelona, dia natsangana ny komity niandraikitra ny asa mba hikarakara ny asa fitoriana teto Angola, ka izany dia teo ambany fitarihan’ny sampan’i Portogaly. Nandritra izany fotoana izany, dia nandeha tany Portogaly matetika aho, ka tany dia nahazo fiofanana sarobidy avy tamin’ireo mpanompo kristianina ampy fahaizana, ary koa nahazo fanaraha-maso ara-pitsaboana tena nilaina.
Fahalalahana hitory rehefa ela ny ela!
Fony aho tany amin’ireo toby fiasana an-tery vozona, dia nanaraby ahy matetika ireo mpigadra politika, tamin’ny filazana fa tsy hahita fahafahana mihitsy aho, raha mbola manohy mitory. Namaly toy izao foana anefa aho: “Mbola tsy tonga ny fotoana hamohan’i Jehovah ny varavarana, fa rehefa ho tonga izany, dia tsy hisy olona ho afaka ny hanidy izany.” (1 Korintiana 16:9; Apokalypsy 3:8). Izany varavarana hahafahana hitory izany, dia nivoha nidanadana rehefa nirodana ny Firaisana Sovietika tamin’ny 1991. Tamin’io fotoana io izahay no nanomboka nahazo fahalalahana bebe kokoa hanao fanompoam-pivavahana teto Angola. Nekena ho ara-dalàna teo anatrehan’ny fanjakana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1992. Farany, tamin’ny 1996, dia tafaorina teto Angola ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka voatendry ho anisan’ny Komitin’ny Sampana aho.
Nandritra ireny taona maro nigadrako ireny, dia voakarakara foana ihany ny fianakaviako. Niteraka enina izahay, ka ny dimy no mbola velona. Matin’ny kansera tamin’ny taon-dasa i Joana malalanay. Efatra amin’ireo zanakay tavela ireo no Vavolombelona vita batisa, fa ny iray kosa mbola tsy nanao izany dingana izany.
Fony nitsidika anay ny Rahalahy Cooke tamin’ny 1955, dia Angoley efatra izahay tamin’ny fitambarany no nanambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ankehitriny, dia maherin’ny 38 000 ny mpitory ilay Fanjakana eto Angola, ary mitarika fampianarana Baiboly maherin’ny 67 000 isam-bolana izy ireo. Maro tamin’ireo izay nanenjika anay fahiny no anisan’izany mpitory ny vaovao tsara izany. Tena mahafaly tokoa izany, ary velom-pankasitrahana an’i Jehovah toy inona moa aho tamin’ny niarovany ahy sy ny namelany ahy mba hanatanteraka ny faniriako niredareda, dia ny hanambara ny teniny! — Isaia 43:12; Matio 24:14.
[Sarintany, pejy 20, 21]
(Jereo ny gazety)
Repoblika Demokratikan’i Congo
Kinshasa
Angola
Maquela do Zombo
Luanda
São Nicolau (Bentiaba ankehitriny)
Moçâmedes (Namibe ankehitriny)
Baia dos Tigres
Serpa Pinto (Menongue ankehitriny)
[Sary nahazoan-dalana]
Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.
[Sary, pejy 22, 23]
Ambany: Miaraka amin’i John Cooke tamin’ny 1955. Eo ankavia i Sala Filemon
Ankavanana: Fifankahitana indray tamin’i John Cooke, 42 taona tatỳ aoriana
[Sary, pejy 23]
Miaraka amin’i Maria vadiko