Avy Amin’ny Mpamaky
Fanitsakitsaham-bady Misaotra noho ilay fitohitohizan-dahatsoratra tao amin’ny Mifohaza! tamin’ny 8 May 1999, hoe “Ahoana Raha Manitsakitsaka ny Vady?” Niharan’izany aho. Na dia efa telo taona aza izao no nisarahanay, dia mbola mafy foana ny fijaliana. Ireo lahatsoratra ireo dia nanampy ahy hahatakatra fa mila mamela ny lasa homba ny lasa aho, miverina amin’ny fahazarana ara-dalàna, ary manohy ny fiainako.
V. B., Trinité
Efa nanao fikarohana momba io loha hevitra io aho teo aloha, nefa mbola tsy nohazavaina tsara toy io mihitsy ilay izy. Nanomboka tamin’ny fotoana nandrenesako voalohany ny hafatra ao amin’ny Baiboly, dia takatro fa fahamarinana izy io. Nanome ahy antony iray hafa inoana izany i Jehovah ankehitriny.
G. B., Italia
Nahatonga ahy ho voan’ny fahaketrahana mafy sy hahatsapa ho tsy manana haja, ary hahita olana ara-pahasalamana tsy nisy farany, ny nisarahako tamin’ny vadiko. Na dia mbola mitohy ihany aza ny fijaliana, dia mahazo fampiononana erỳ aho noho ny finoako ny fampanantenan’i Jehovah sy ny fitiavana sy ny fanohanana ara-pihetseham-po avy amin’ny kôngregasiônako!
A. B., Kanada
Sivy volana taorian’ny nisarahako tamin’ny vadiko, dia mbola mijaly foana aho miaina irery. Ahoana no hahafahako handeha eny amin’ny arabe nefa tsy mba misy mitantana ahy? Iza no hipetraka eo anilako any amin’ny fivorian’ny kôngregasiôna? Iza no hiaraka amiko any amin’ny dokotera? Misaotra noho ny fampahatsiahivana ahy fa tsy mahafoy ny vady tsy manan-tsiny i Jehovah.
E. S., Brezila
Nitondra fampiononana betsaka ho ahy ilay faritra voafefy hoe “Iza no Tompon’andraikitra?” Nifidy ny hisaraka aho rehefa nanitsakitsaka ahy ny vadiko. Toa an’i Joba, dia naniry ho faty aho indraindray. (Joba 17:11-13). Nanohana ahy anefa ny mpianakaviko sy ny anadahy sy rahavavy kristianina.
M. O., Arzantina
Tsy hoe namaky ilay fitohitohizan-dahatsoratra fotsiny aho, fa tena nigoka azy io mihitsy! Efa nandia an’izany fisaraham-panambadiana izany aho, ary ireo lahatsoratra ireo dia niresaka momba ny fanontaniana sy ny fanahiana rehetra natrangan’izany. Misaotra mikarakara anay.
E. L., Frantsa
Fito taona aho fony nandao ny fianakavianay ny raiko. Tena mafy be taminay ilay izy. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nangataka anay mba handray azy indray i Dada. Nanohitra mafy izany hevitra izany izaho sy ireo rahalahiko, fa nanaiky izany kosa i Neny. Rehefa avy namaky ireo lahatsoratrareo aho, dia manomboka mahatakatra ny antony nandraisan’i Neny izany fanapahan-kevitra sarotra izany.
A. A., Brezila
Misaotra dia misaotra anareo indrindra noho ilay fitohitohizan-dahatsoratra! Mitondra fampiononana ny fahalalana fa mitovy amin’ny fihetseham-po tsapan’ny hafa izay miatrika toe-javatra toy izany koa ny an’ny tena. Hoy anefa ianareo hoe: “Nety ho tsy naneho fitiavana, firaiketam-po, sy fanajana ary tsy nilaza teny fiderana araka izay nilain’ny ankilany ianareo.” Mandratra ny fonay izay efa niezaka nanao izay hampandeha tsara ny fanambadiana misy olana, izany fitenenana izany. Rehefa mikasa ny hanitsakitsa-bady ny olona iray, dia afaka ny ho tonga tena mahatsiravina izy, ary sarotra ny ho tia olona toy izany.
L. W., Etazonia
Miala tsiny izahay raha nahatonga alahelo ho an’ny mpamaky anay, na iza na iza, ireo fanazavana ireo. Tsy ny hilaza an-kolaka hoe afaka manome tsiny ny vadiny noho ny fitondran-tena ratsiny ny mpanitsakitsa-bady iray anefa, ny zava-nokendrenay. Ao amin’ilay faritra voafefy hoe “Iza no Tompon’andraikitra?”, dia nohamafisinay fa tompon’andraikitra amin’ilay zava-dratsy nataony ilay mpanitsakitsa-bady, na eo aza “ny tsy fahalavorarian’ny vady tsy manan-tsiny”. Anisan’ny tapany nandinika momba ny fihavanana indray ilay fitenenana noresahinao. Nanamafy fotsiny izahay fa ilaina ny fifampiresahana tsara, ka nampirisika ny mpivady mihavana indray izahay mba hamantatra izay lafiny, eo amin’ny fanambadian’izy ireo, mahatonga olana, ka mety hilana fiheverana maika. Mety hisy lolompo miafina izay mila ny haboraka koa. Mahatonga ny lahy sy ny vavy samy hiaiky fahalemena sasany, mazàna, ny firesahana toy izany. Rehefa dinihina tokoa, dia “tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra”. (Jakoba 3:2). Ary na dia matetika aza no tena mampijaly ny fanaovana resaka toy izany, dia “tapany iray tena lehibe amin’ny famerenana indray ny fitokisana” izany, araka ny voalazan’ilay lahatsoratray. — MPAMPANONTA.