Manontany ny Tanora Hoe . . .
Ahoana no Iatrehako Izao Nandaozan’i Dada Anay Izao?
“Mafy tamiko ny nihalehibe tsy nisy an’i Dada. Fanehoam-piheverana kely: izay no mba nilaiko.” — Henry.a
TELO ambin’ny folo taona i Joan, fony nandao ny tokantrano ny rainy. Taorian’ny nandehanany, dia tsy nifandray firy tamin-janany izy. Voagejan’ny fanandevozan’ny zava-pisotro misy alkaola mantsy izy. Mampalahelo fa tsy i Joan irery no tratran’izany; misy tanora maro nilaozan-drainy koa.
Raha nitranga taminao izany, dia tena mety ho hitanao fa mafy ny miatrika izany. Mety ho difotry ny alahelo sy ho feno fahatezerana ianao, na ho ory sy ho ketraka indraindray. Mety halaim-panahy hikomy mihitsy aza ianao. Araka ny nolazain’i Solomona, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, indray mandeha, “ny fampahoriana dia [mahatonga ny hendry hanao zavatra amin-kadalana, NW ]”. — Mpitoriteny 7:7.
‘Fanaovan-javatra amin-kadalana’
‘Nanao zavatra tamin-kadalana’ i James, taorian’ny nandaozan-drainy ny tokantrano. Hoy i James: “Tsy nanaiky ny fahefan’iza na iza aho, eny fa na dia ny an’i Neny aza. Niady tamin’olona imbetsaka aho. Nandainga foana aho sady nivoaka an-tsokosoko tamin’ny alina, satria tsy nisy nifehy ahy. Nanandrana nanakana ahy i Neny, nefa tsy nisy vokany.” Tena nanatsara ny fiainan’i James ve ny fikomiana? Tsy izany velively. Nilaza i James fa tsy ela izy dia “nanandrana zava-mahadomelina sy ningitrika, ary tsy nifindra kilasy”. Tsy ela dia nihanitombo ny ditrany. “Nitselika entam-barotra aho”, hoy ny fiekeny, “ary nanendaka koa. Voasambotra indroa aho, ary natao an-tranomaizina nandritra ny fotoana fohy, nefa tsy nahafay ahy izany.”
Rehefa nanontaniana izay nahatonga azy ho mpikomy toy izany i James, dia nilaza hoe: “Koa satria lasa ny raiko, dia tsy nisy nifehy ahy. Tena tsy noeritreretiko mihitsy hoe nampitondra fahoriana be an-dreniko sy ny zandriko lahy sy vavy ary ny tenako koa aho. Nila ny hanehoan’i Dada fiheverana sy ny hofeheziny aho.”
Vao mainka manaratsy ny toe-javatra anefa ny fikomiana. (Joba 36:18, 21). I James, ohatra, dia tsy hoe nitondra zava-nanahirana ho an’ny tenany ihany fa ho an-dreniny sy ny iray tam-po aminy koa, izay nijaly noho ny fihenjanana tsy amin’ny antony akory. Ny mbola ratsy kokoa aza dia hoe manimba ny fihavanan’ny olona iray amin’Andriamanitra ny fananana fihetsika feno fikomiana. Raha ny marina mantsy, dia mandidy ny tanora mba hankatò an-dreniny i Jehovah. — Ohabolana 1:8; 30:17.
Fandresena ny fahatezerana
Ahoana àry no iadianao amin’ny fahatsapana fahatezerana sy ny fahasosorana mafy mety hanananao amin-drainao? Voalohany indrindra, dia mety hilainao hotadidina fa tsy fahadisoanao ny nandaozan-drainao anao. Mila mitadidy koa ianao fa tsy voatery hidika akory izany hoe tsy tia anao na tsy miahy anao intsony izy. Marina aloha fa mety hankarary fo ny tsy mba niezahan-drainao kely akory nitsidika an-janany. Araka ny nasehon’ilay lahatsoratra teo aloha amin’ity fitohitohizan-dahatsoratra ity anefa,b dia ray maro tsy ao an-trano no tsy nifandray tamin-janany, tsy noho izy tsy tia azy akory, fa noho izy mahatsiaro ho meloka sy ho menatra loatra. Ny hafa, tahaka ny rain’i Joan, dia andevozin’ny zava-mahadomelina na ny zava-pisotro misy alkaola, ka tsy afaka nanao zavatra ara-dalàna intsony.
Na ahoana na ahoana, dia tadidio fa tsy lavorary ny ray aman-dreninao. Milaza toy izao ny Baiboly: “Samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. (Romana 3:23; 5:12). Marina aloha fa tsy manala tsiny ny fihetsika mandratra fo na ny tsy fandraisana andraikitra izany. Ny fanekenao anefa fa efa raiki-tampisaka amintsika rehetra ny tsy fahalavorariana, dia mety hanampy anao tsy ho tezitra na ho sosotra mafy intsony, ka hitera-pahavoazana ho anao ihany.
Izay voalaza ao amin’ny Mpitoriteny 7:10 dia afaka manampy anao hiady amin’ny fahatsapana ho tezitra sy ho sosotra mafy amin’ny ray aman-dreninao. Mariho fa mampitandrina ny amin’ny tsy tokony hifantohana amin’ny lasa izy io; hoy izy: “Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin’ny fahendrena no anontanianao izany.” Araka izany, dia aza mieritreritra lava ny amin’ny toe-javatra lasa, fa aleo mifantoka amin’ny fanaovana izay handraisan-tsoa be indrindra amin’ny toe-javatra misy anao.
Fanaovana ny dingana voalohany
Ohatra, mety hieritreritra ny hanao ny dingana voalohany mba hifandraisana amin-drainao ianao. Marina aloha fa izy no nandao anao, ary mety hihevitra ara-drariny ianao fa izy no tokony hanatona voalohany. Raha tsy nanao izany anefa izy, ary mampalahelo anao sy mampahory anao ny tsy fisian’ny fifandraisana eo aminareo mianaka, nahoana moa raha ianao mihitsy no miezaka manatsara ny toe-javatra? Tsy zavatra mendrika ny hatao ve izany? Diniho ny fomba nandaminan’i Jesosy Kristy zavatra, rehefa nanao izay nampalahelo azy ny namany sasany. Tamin’ilay alina farany niainany tamin’ny naha olombelona azy, dia nandao azy ny apostoliny. Nirehareha i Petera fa hifikitra amin’i Jesosy izy, na inona na inona hitranga. Kanefa, dia nanda an’i Jesosy i Petera — ary tsy indray mandeha, fa intelo mihitsy! — Matio 26:31-35; Lioka 22:54-62.
Mbola tian’i Jesosy foana anefa i Petera, na dia teo aza ny kileman-toetrany. Taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, dia nanao ny dingana voalohany izy mba hamerenana indray ny fifandraisan’izy ireo, tamin’ny fisehoany tamin’i Petera tamin’ny fomba manokana. (1 Korintiana 15:5). Mahaliana fa rehefa nanontanian’i Jesosy i Petera hoe: ‘Tia Ahy va hianao?’, dia hoy izy: “Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho.” Na dia teo aza ny zavatra nahamenatra nataon’i Petera, dia mbola tia an’i Jesosy foana izy. — Jaona 21:15.
Toy izay nitranga tamin’i Petera sy i Jesosy, dia mety hisy fanantenana, tsy araka ny hiheverana azy, ny toe-javatra misy anao sy ny rainao. Raha manao ny dingana voalohany ianao, ka miantso azy an-telefaonina, sy manoratra taratasy, na mitsidika azy, dia angamba hanao zavatra ho setrin’izany izy. Nahatsiaro toy izao i Henry, izay voalaza tetsy am-piandohana: “Nanoratra ho an’i Dada aho indray mandeha, ary namaly ny taratasiko izy, ka nilaza fa nirehareha noho ny amiko izy. Nataoko tao anaty tranon-tsary ilay taratasy ary napetako teo amin’ny rindrina, nandritra ny taona maro. Mbola atỳ amiko foana izy io mandraka ankehitriny.”
Nanao ny dingana voalohany mba hitsidika ny rainy alkaolika koa i Joan sy ny iray tam-po aminy. “Efa hafahafa izy tamin’izay”, hoy ny fieken’i Joan, “nefa mbola nahafinaritra ihany ny nahita azy.” Angamba hahasoa anao ny fanaovana ny dingana voalohany. Raha tsy misy vokany ilay izy amin’ny voalohany, dia mety ho tianao ny hanandrana indray rehefa afaka elaela.
Fizakana ny alahelo vokatry ny tsy niraharahana anao
Mampahatsiahy antsika i Solomona fa “ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana”. (Mpitoriteny 3:6). Indraindray ny tanora iray dia tsy maintsy miatrika ilay zava-misy mankarary fo hoe: tsy ta hanana fifandraisana amin-janany ny rainy. Raha manao toy izany ny rainao, dia angamba ho takany ihany indray andro any fa matiantoka izy noho ny tsy nihazonany fifandraisana taminao.
Mandra-pahatongan’izany anefa aloha, dia matokia fa ny tsy firaharahany anao dia tsy midika hoe tsy misy vidiny ianao. Nilaza toy izao i Davida mpanao salamo ao amin’ny Baiboly: “Ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.” (Salamo 27:10). Eny, mbola sarobidy eo imason’Andriamanitra ihany ianao. — Lioka 12:6, 7.
Koa raha mahatsiaro ho kivy na ho ketraka àry ianao, dia manatòna an’Andriamanitra amin’ny vavaka. (Salamo 62:8). Lazao aminy tsara izay tsapanao. Matokia fa hihaino anao sy hampionona anao izy. Nanoratra toy izao ny mpanao salamo iray hafa ao amin’ny Baiboly: “Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.” — Salamo 94:19.
Afaka manampy anao hiatrika izany tsy firaharahana anao izany koa ny fiarahana mafana amin’ny namana kristianina. Hoy ny Ohabolana 17:17: “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.” Afaka mahita izany tena sakaiza izany ianao ao anatin’ny kongregasiona kristianin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mety hanampy anao indrindra ny mahafantatra ny sasany amin’ireo mpiandraikitra ao amin’ny kongregasiona. Nanome izao torohevitra izao i Peter, anadahin’i Joan: “Miresaha amin’ireo be taona ao amin’ny kongregasiona, ary hanampy be dia be anao izy ireo. Raha nilaozan-drainao ianao, dia ampahafantaro azy ireo izay tsapanao.” Ireo mpiandraikitra ao amin’ny kongregasiona koa dia mety hanome fanoloran-kevitra azo ampiharina eo amin’ny fiantsorohana ireo andraikitra izay an-drainao teo aloha, toy ny fanamboarana ny simba amin’ny trano.
Mety ho loharanom-panohanana koa ny reninao. Marina aloha fa mety ho tratran’ny fahoriam-po koa izy. Raha milaza ny fihetseham-ponao amim-panajana anefa ianao, dia tsy isalasalana fa hanao araka izay fara heriny izy mba hanampiana anao.
Tohano ny fianakavianao!
Mety hisy fiantraikany eo amin’ny fianakavianao amin’ny lafiny maro ny tsy maha eo ny rainao. Mety ho voatery hiasa ny reninao — angamba hanao asa roa mihitsy — mba hahitana vola ampy hivelomana. Mety ho voatery hiantsoroka andraikitra bebe kokoa ianao sy ny iray tam-po aminao ao an-tokantrano. Afaka miatrika izany fiovana izany anefa ianao, raha mamboly fitiavana kristianina tsy misy fitiavan-tena. (Kolosiana 3:14). Hanampy anao hihazona fihetsika tsara sy tsy ho sosotra intsony izany. (1 Korintiana 13:4-7). Hoy i Peter: “Ny fanampiako ny fianakaviako no zavatra mety tokony hataoko, ary mahita fahafaham-po aho, amin’ny fahafantarana fa manampy an-dreniko sy ny anabaviko aho.”
Tsy isalasalana fa mampalahelo sy mankarary fo ny fandaozan’ny raim-pianakaviana iray ny tokantrano. Afaka matoky anefa ianao, fa noho ny fanampian’Andriamanitra sy ireo namana sy fianakaviana kristianina be fitiavana, dia afaka miatrika izany ianao sy ny fianakavianao.c
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana.
b Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe . . . Nahoana no Nandao Anay i Dada?”, ao amin’ny Mifohaza! tamin’ny 8 Desambra 2000.
c Raha mila fanazavana fanampiny ny amin’ny fiainana ao amin’ny tokantrano tsy misy afa-tsy ray na reny, dia jereo ny lahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe...”, niseho tao amin’ny Mifohaza! (frantsay) 22 Desambra 1990, sy 22 Martsa 1991.
[Sary, pejy 26]
Nisy tanora sasany nanao ny dingana voalohany mba hifandraisana tamin-drainy