Azo Avotana ny Fanambadianao!
Ny Baiboly dia mirakitra torohevitra azo ampiharina maro be, izay azon’ny lehilahy sy ny vehivavy manambady andraisan-tsoa. Tsy mahagaga mihitsy izany, satria Ilay nanome tsindrimandry hanaovana ny Baiboly ihany no Loharanon’ny fanambadiana.
MIFANARAKA amin’ny tena zava-misy ny fomba ilazalazan’ny Baiboly ny atao hoe fanambadiana. Ekeny fa “hanam-pahoriana”, na hoe hanana alahelo, ny mpivady. (1 Korintiana 7:28). Lazain’ny Baiboly koa anefa fa ny fanambadiana dia afaka mitondra fifaliana, eny faharavoravoana mihitsy aza, ary tokony ho izany koa no izy. (Ohabolana 5:18, 19). Tsy mifanipaka akory ireo hevitra roa ireo. Asehon’izy ireo fotsiny fa afaka manana fifandraisana akaiky sady feno fitiavana ny mpivady, na dia eo aza ireo olana lehibe.
Tsy misy ao amin’ny fanambadianao ve izany? Nanamatroka ilay fifandraisana akaiky sy fifaliana nisy taloha teo aminareo ve ny alahelo sy ny fahadisoam-panantenana? Na dia tsy misy fitiavana efa hatramin’ny taona maro aza ny fanambadianareo, dia azo averina indray ny efa lasa. Mazava ho azy fa tsy maintsy mijery ny zava-misy ianao. Tsy misy lehilahy sy vehivavy tsy lavorary afaka hanana fanambadiana lavorary. Misy zavatra azonao atao anefa mba hanarenana ny tsy nety.
Eo am-pamakianao izao fanazavana manaraka izao, dia miezaha hamantatra hoe inona avy ireo lafin-javatra mahakasika manokana ny fanambadianao. Aza mifantoka amin’ny fahalemen’ny vadinao, fa mifantena kosa fanoloran-kevitra sasantsasany izay azon’ny tenanao ampiasaina, ary ampiharo ny torohevitra omen’ny Soratra Masina. Mety ho hitanao fa mahabe fanantenana kokoa tsy toy izay niheveranao azy, ny fanambadianao.
Andeha hodinihintsika aloha ny amin’ny toe-tsaina, satria faran’izay zava-dehibe ny fomba fihevitrao ny atao hoe fanekena hanaja fanambadiana, sy ny fihetseham-ponao amin’ny vadinao.
Ny fomba fihevitrao ny atao hoe fanekena hanaja fanambadiana
Tena ilaina ny mihevitra ny fanambadiana ho zavatra maharitra, raha tianao ny hampandeha ny fanambadianao. Rehefa dinihina tokoa, dia fandaharana nataon’Andriamanitra mba hampifamatotra olon-droa amin’ny fomba tsy azo sarahina, ny fanambadiana. (Genesisy 2:24; Matio 19:4, 5). Ny fifandraisanao amin’ny vadinao àry dia tsy toy ny asa azonao ialana, na toy ny trano azonao ialana amin’ny tsy fanajana fotsiny ilay fifanekena tamin’ny tompony. Rehefa nanambady kosa ianao, dia nanao fampanantenana mavesa-danja, dia ny hifikitra amin’ny vadinao, na inon-kidona na inon-kihatra. Ny fahatsapana lalina an’io fanekena hanaja fanambadiana io, dia mifanaraka amin’izay nambaran’i Jesosy Kristy, efa ho 2 000 taona lasa izay, manao hoe: “Izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.” — Matio 19:6.
Mety hisy hilaza hoe: ‘Mbola miaraka ange izahay e! Tsy porofo ve izany fa mahatsapa ho manana adidy hanaja fanambadiana izahay?’ Angamba. Araka ny voalaza terỳ am-piandohan’ity fitohitohizan-dahatsoratra ity anefa, dia misy mpivady iray trano kanefa mikatso ao anaty rano mihandrona, voafandrika ao anatin’ny fanambadiana tsy misy fitiavana. Ny hahatonga ny fanambadianao hahafinaritra no tanjonao, fa tsy ny hahatonga azy io ho azo iaretana fotsiny. Ny fanekena hanaja fanambadiana dia tokony hahitana taratra fa tsy mamadika ny tena: tsy vitan’ny hoe tsy mamadika ny fanambadiana, fa tsy mamadika an’ilay olona nanaovanao voady hotiavina sy holalaina koa. — Efesiana 5:33.
Afaka mampiharihary ny halalin’ny fanekenao hanaja fanambadiana ny zavatra lazainao amin’ny vadinao. Ohatra, rehefa mifamaly mafy ny mpivady sasany, dia misy miteny tsy amim-piheverana manao hoe: “Hilaozako eo ianao!”, na hoe: “Andeha hitady olona tena tia ahy aho!” Na tsy natao horaisina ara-bakiteny aza ny teny toy ireny, dia manimba tsikelikely an’ilay fanekena hanaja fanambadiana. Milaza an-kolaka mantsy ny teny toy ireny fa misokatra foana ny varavarana ho amin’ny fisarahana, ary vonona ny hanao izany foana ilay niloa-bava.
Mba hamerenana indray ny fitiavana ao amin’ny fanambadianareo, dia esory tsy ho eo amin’ny resaka ifanaovanareo, ny fandrahonana toy ireny. Rehefa dinihina tokoa, moa ve ianao handravaka ny trano iray raha fantatrao fa mety hiala ao ianao, na ho ela na ho haingana? Koa ahoana àry no anantenanao fa hiezaka hampandeha fanambadiana iray mety tsy haharitra akory, ny vadinao? Aoka ianao ho tapa-kevitra ny hiezaka amim-pahatsorana mba hahita vahaolana.
Izao no nataon’ny vehivavy iray, rehefa nisy fotoana nampikorontana azy mivady. “Na dia tsy tiako aza ny vadiko indraindray, dia tsy nieritreritra ny hanapaka ny fifandraisanay aho”, hoy izy. “Na inona na inona tsy nety, dia nanarina izany izahay mivady. Ary ankehitriny, taorian’ny roa taona tena mazana, dia azoko lazaina amim-pahatsorana fa tena miara-tsambatra indray izahay.”
Eny, midika ho fiaraha-miasa toy ny ekipa iray ny fanekena hanaja fanambadiana — tsy hoe fiaraha-miaina fotsiny, fa fiaraha-mifarimbona kosa mba hanatratra tanjona iombonana iray. Mety hihevitra anefa ianao fa raha izay ilay izy, dia ny fahatsapana adidy fotsiny no mihazona anareo tsy hisaraka. Raha izany no izy, dia aza mamoy fo. Mety ho azo velomina indray ny fifankatiavanareo. Amin’ny fomba ahoana?
Amin’ny fanajanao ny vadinao
Milaza toy izao ny Baiboly: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana”. (Hebreo 13:4; Romana 12:10). Ireo endrika isehoan’ilay teny grika nadika hoe ‘manan-kaja’ eto, dia nadika hoe “heverina ho sarobidy” sy “sarobidy”, ao amin’ny andininy hafa amin’ny Baiboly. Rehefa heverintsika ho sarobidy ny zavatra iray, dia mikely aina isika mba hikarakara azy io. Angamba voamarikao fa izany tokoa no izy raha vao nahazo fiara lafo vidy ny lehilahy iray. Ataony foana izay hampangirana sy hahatsara an’io fiara io, izay sarobidy aminy. Aminy, dia efa loza raha misy kiaka kely fotsiny aza amin’ilay fiara! Mikarakara toy izany ny fahasalamany koa ny hafa. Nahoana? Satria heveriny ho sarobidy izy io, ka tiany harovana.
Karakarao toy izany koa ny fanambadianao ho fiarovana azy io. Milaza ny Baiboly fa “manantena ny zavatra rehetra” ny fitiavana. (1 Korintiana 13:7). Aza manaiky ho azon’ny toe-tsain’ny resy tsy miady, angamba noho ny fiheverana fa tsy misy fanatsarana azo atao intsony, amin’ny filazana hoe: “Tsy nisy fitiavana mihitsy teo aminay, raha ny tena izy!”, na hoe “Kely nanambady izahay”, na hoe “Tsy fantatray izay nataonay”. Nahoana kosa raha manantena zavatra tsaratsara kokoa, ka miezaka hihatsara, ary miandry amim-paharetana izay ho vokany? “Maro amin’ireo olona manatona ahy no reko milaza hoe ‘Tsy zakako intsony!’ ”, hoy ny mpanolo-tsaina iray momba ny fanambadiana. “Tsy mamakafaka ilay fifandraisana izy ireo mba hahitana hoe lafiny inona avy no mila hatsaraina, fa tonga dia ‘adabony’ ny zavatra rehetra, anisan’izany ireo toetoetra iombonany, ny tantara niarahany niaina izay narafiny tamim-pitandremana, ary izay mety ho hoaviny.”
Inona no tantara niarahanao niaina tamin’ny vadinao? Na inona na inona fahasahiranana misy eo amin’ny fifandraisanareo, dia azo antoka fa nisy fotoana nahafinaritra, sy zava-bita, ary zava-tsarotra niarahanareo mivady niatrika, ka mbola tsaroanareo. Saintsaino ny amin’izy ireny, ary asehoy fa manaja ny fanambadianao sy ny vadinao ianao, amin’ny filofosana hanatsara ilay fifandraisanareo. Asehon’ny Baiboly fa liana tokoa ny amin’ny fomba ifampitondran’ny mpivady i Jehovah Andriamanitra. Tamin’ny andron’ny mpaminany Malakia, ohatra, dia nomelohin’i Jehovah ireo lehilahy isiraelita, izay namitaka ny vadiny ka nisaraka tamin’izy ireny, noho ny antony tsy dia nanao ahoana akory. (Malakia 2:13-16). Irin’ny Kristianina hanome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra ny fanambadiany.
Adin’ny mpivady — Manao ahoana ny halehibeny?
Ny antony iray lehibe mahatonga fanambadiana tsy misy fitiavana dia ny tsy fahaizan’ny mpivady mandamina ny adiny. Koa satria tsy misy olona roa mitovy tanteraka, dia hisy tsy fifanarahana hitranga eo amin’ny mpivady rehetra, indraindray. Fa ireo mpivady miady lava kosa, dia mety hahita fa nihanangatsiaka ny fitiavany, rehefa nandeha ny fotoana. Mety hanatsoaka hevitra toy izao mihitsy aza izy ireo: ‘Tsy mifanentana tsotra izao izahay. Miady lava izahay!’
Ny fisian’ny ady fotsiny anefa tsy voatery hidika hoe tonga eo amin’ny tsontsori-mamba hisarahana ilay mpivady. Ny fanontaniana dia hoe: ‘Ahoana no andaminana ny ady?’ Ao amin’ny fanambadiana vanona, dia nianatra ny hiresaka momba ny olana eo aminy ireo mpivady, kanefa tsy hanjary ho “sakay sy maso”, araka ny iantsoan’ny profesora iray azy.
‘Izay hain’ny lela’
Hainareo mivady ve ny miresaka ny amin’ireo olana eo aminareo? Tokony ho samy vonona hifampiresaka ianareo mba handaminana ilay izy. Tena mila fahaizana izany, dia fahaizana izay tsy azo mora foana. Nahoana? Ny antony iray dia satria “tafintohina amin’ny teny” isika rehetra indraindray, noho ny tsy fahalavorariana. (Jakoba 3:2). Ankoatra izany, dia nahita tsy tapaka ny fipoahan’ny fahatezeran’ny rainy na ny reniny tao an-tokantrano ny sasany. Hatramin’ny fahakeliny izy ireny, dia efa azo lazaina ho nampiofanina mba hino fa ara-dalàna ny fipoahan’ny fahatezerana sy ny fitenenan-dratsy. Ny zazalahy iray notezaina tao anatin’ny rivo-piainana toy izany dia mety hanjary ho “olona mora tezitra” na “masiaka” rehefa lehibe. (Ohabolana 29:22). Toy izany koa fa mety hanjary ho “vehivavy tia ady sady foizina” ny zazavavy iray nobeazina toy izany. (Ohabolana 21:19). Mety ho sarotra ny hanaisotra fomba fisaina sy fomba fanao efa tena lalim-paka.a
Tafiditra amin’ny fandaminana ny ady àry ny fianarana fomba vaovao hilazana ny hevitry ny tena. Tsy raharaha kely izany, satria milaza toy izao ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Ny mahafaty sy ny mahavelona [dia] samy hain’ny lela”. (Ohabolana 18:21). Eny, na dia mety ho toa tsotra aza ilay izy, dia manan-kery hanapotika na hamelona indray ny fifandraisanareo ny fomba hiresahanao amin’ny vadinao. “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra”, hoy ny ohabolana hafa iray ao amin’ny Baiboly, “fa ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa.” — Ohabolana 12:18.
Na dia toa ny vadinao aza no voalohany miteraka fanafintohinana, dia eritrereto izay zavatra holazainao mandritra ny fifandirana iray. Mandratra sa manasitrana ny teninao? Manetsika sa mampitony fahatezerana? “Ny teny maharary mahatonga fahasosorana”, hoy ny Baiboly. Mifanohitra amin’izany kosa fa “ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy”. (Ohabolana 15:1). Hanampy trotraka an’ilay toe-javatra ny teny maharary, na dia lazaina amin’ny fomba tony aza.
Mazava ho azy fa raha misy zavatra mampikorontan-tsaina anao, dia zonao ny manambara izany. (Genesisy 21:9-12). Afaka manao izany tsy misy esoeso sy fanabantiana ary fanambaniana anefa ianao. Aoka ianao hifehy tena mafy, ka ho tapa-kevitra ny hifady teny sasany rehefa miresaka amin’ny vadinao. Anisan’izany, ohatra, ny hoe: “Halako ianao”, na hoe “Tahaka izay foana isika tsy nivady.” Ary na dia tsy niresaka manokana momba ny fanambadiana aza i Paoly, apostoly kristianina, dia fahendrena ny hanalavirana ilay fandrika nantsoiny hoe “fiadian-teny”, sy “fifandirana [ny amin’ny zava-madinika, NW ]”.b (1 Timoty 6:4, 5). Raha mampiasa ireo fomba ireo ny vadinao, dia tsy voatery hamaly ratsy ny ratsy ianao. Raha mbola miankina aminao koa, dia ataovy izay hihavanana. — Romana 12:17, 18; Filipiana 2:14.
Ekena aloha fa rehefa tezitra ny tena, dia sarotra ny mifehy ny teny aloaky ny vava. “Afo ny lela”, hoy i Jakoba, mpanoratra ao amin’ny Baiboly. “Tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty.” (Jakoba 3:6, 8). Inona àry no azonao atao, rehefa manomboka misondrotra ny fahatezerana? Ahoana no azonao iresahana amin’ny vadinao mba hampitsahatra ny ady fa tsy handrehitra azy io kosa?
Ny fomba hampitsaharana fifandirana
Hitan’ny sasany fa mora kokoa ny mampitony fahatezerana sy ny mandamina raharaha fototry ny fiadian-kevitra, raha toa ka ny zavatra tsapany no antitranteriny fa tsy ny zavatra nataon’ny vadiny. Ohatra, ny hoe “Nandratra ny fihetseham-poko ny teninao” dia mandaitra kokoa noho ny hoe “Nandratra ahy ny teninao”, na hoe “Ianao indray ve no hiteny zavatra ohatr’izany?” Mazava ho azy fa rehefa maneho ny hevitrao ianao, dia tsy tokony hiharo fahatezerana na fanesoana ny toe-peonao. Ny hampisongadina ilay zava-manahirana no tokony ho tanjonao, fa tsy ny hamely ilay olona. — Genesisy 27:46–28:1.
Tadidio mandrakariva koa fa “ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana”. (Mpitoriteny 3:7). Raha miara-miteny ny olona roa, dia tsy misy mihaino, ary tsy misy raharaha vanona. Koa rehefa anjaranao ny mihaino, dia aoka ianao “halady hihaino, ho malai-miteny”. Zava-dehibe toy izany koa ny hoe aoka ianao “ho malain-ko tezitra”. (Jakoba 1:19). Aza raisina ara-bakiteny avokoa ny teny mahery rehetra lazain’ny vadinao; ary “aoka tsy halaky tezitra [koa] ny fanahinao”. (Mpitoriteny 7:9). Miezaha kosa hahatakatra ny fihetseham-po ao ambadik’ireny teniny ireny. “Ny [fahaiza-mahataka-javatra ananan’ny olona iray, NW ] manindry ny fahatezerany”, hoy ny Baiboly, “ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.” (Ohabolana 19:11). Ny fahaiza-mahataka-javatra dia afaka manampy ny mpivady mba hamantatra ny antony lalina mahatonga tsy fifanarahana.
Ohatra, raha mitaraina ny vehivavy iray hoe tsy manokana fotoana hiarahana aminy ny vadiny, dia azo inoana fa tsy resaka ora sy minitra fotsiny izany. Mety hisy hifandraisany kokoa amin’ny fahatsapany ho tsy raharahaina, na tsy ankasitrahana, izany fitarainany izany. Toy izany koa fa raha mitaraina ny lehilahy iray hoe mividividy zavatra tsy amim-piheverana ny vadiny, dia azo inoana fa tsy resaka vola fotsiny izany. Mety ho noho ny fahatsapany fa tsy mba angatahina mihitsy ny heviny rehefa misy fanapahan-kevitra raisina, no azo inoana kokoa fa mahatonga ilay fitarainana. Ny lehilahy na ny vehivavy manana fahaiza-mahataka-javatra dia handalina, ka hahita ny votoatin’ny olana. — Ohabolana 16:23.
Mora lazaina ve izany fa sarotra atao? Izany tokoa! Indraindray, dia hisy ihany ny teny maharary mahatonga fahatezerana, na dia miezaka toy inona aza ianao. Raha vao hitanao fa manomboka mitranga izany, dia mety hilainao ny manaraka ity torohevitra ao amin’ny Ohabolana 17:14 ity: “Ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.” Tsy mahadiso ny mampihemotra ilay fiaraha-midinika mandra-pahatonin’ny fo. Raha sarotra ny miresaka tsy misy gidragidra, dia mety ho tsara ny hisian’ny namana matotra iray hiaraka aminareo mivady eo, mba hanampy anareo handamina ilay tsy fifanarahana eo aminareo.c
Aoka ianao hihazona fomba fijery mihevitra ny tena zava-misy
Aza kivy raha tsy araka izay nieritreretanao azy fony ianareo niaraka, ny fanambadianareo. Nilaza toy izao ny ekipana manam-pahaizana iray: “Ho an’ny ankamaroan’ny olona, dia tsy fiainan-tsambatra foana akory ny fanambadiana. Indraindray dia tena mahafinaritra izy io, ary indraindray tena mazana.”
Eny, mety ho tsy tahaka ireny ao amin’ny tantaram-pitiavana amin’ny boky ireny ny fanambadiana, kanefa tsy voatery ho tantara ratsy fiafara koa. Na dia hisy fotoana aza tsy maintsy hifandeferanareo mivady, dia hisy fotoana koa hahafahanareo hanadino ny tsy fifanarahana eo aminareo. Amin’izay ianareo dia tsy hanao afa-tsy ny hankafy ny fiarahanareo, hiara-mifalifaly, ary hifampiresaka toy ny mpinamana. (Efesiana 4:2; Kolosiana 3:13). Ireny no fotoana mety hahafahanareo hamelona indray ilay fitiavana nihalefy.
Tadidio fa tsy afaka hanana fanambadiana lavorary ny olon-droa tsy lavorary, kanefa afaka mahita fahasambarana ihany izy ireo. Eny tokoa, afaka ny ho tonga loharanom-pahafaham-po tsy mety ritra ny fifandraisanareo mivady, na eo aza ny zava-tsarotra. Zavatra iray loha no azo antoka, dia izao: Raha samy miezaka ianareo mivady, samy vonona ny hahay hifandefitra, ary samy mitady izay hahasoa ny ankilany, dia misy antony marim-pototra hinoana fa azo avotana ny fanambadianareo. — 1 Korintiana 10:24.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy manala tsiny ny fanaovana teny mahery amin’ny vadin’ny tena ny hery mitaona ananan’ny ray aman-dreny. Izany kosa anefa dia mety hanampy mba hanazavana ny antony mahatonga ny fironana toy izany ho lalim-paka ka sarotra hesorina.
b Ilay teny grika tany am-boalohany nadika hoe ‘fifandirana ny amin’ny zava-madinika’, dia azo adika koa hoe “fifanorisorenana”.
c Manana ireo loholon’ny kongregasiona ny Vavolombelon’i Jehovah. Na tsy natao hitsabaka amin’ny raharaha manokan’ny mpivady aza ireny loholona ireny, dia afaka kosa mitondra fanampiana mamelombelona ny mpivady ao anatin’ny fahorian-tsaina. — Jakoba 5:14, 15.
[Teny notsongaina, pejy 12]
Mandratra sa manasitrana ny teninao?
[Efajoro/Sary, pejy 10]
ATSIPAZO MORAMORA NY BAOLINA
Milaza toy izao ny Baiboly: “Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.” (Kolosiana 4:6). Azo antoka fa mihatra amin’ny fanambadiana ireo teny ireo! Indro misy ohatra: Raha mifanipy baolina no lalao iarahanao amin’olona hafa iray, dia atsipinao ilay izy mba hahafahana hananty azy mora foana. Tsy atsipinao mafy be ilay izy, ka handratra ilay namanao. Ampiharo io foto-pitsipika io rehefa miresaka amin’ny vadinao ianao. Handratra fo fotsiny ny fanipazana mafy teny maharary. Mitenena amim-pahamoram-panahy kosa — amin’ny fahasoavana — mba hahafahan’ny vadinao hahatakatra ny fihevitrao.
[Efajoro/Sary, pejy 11]
FOHAZY NY LASA!
Vakio ireo taratasy sy cartes postales tamin’ny lasa. Jereo ireo sary. Manontania tena hoe: ‘Inona no nanintona ahy tamin’ny vadiko? Toetrany inona avy no nahafinaritra ahy indrindra? Zavatra inona avy no niarahanay nanao? Inona no nampihomehy anay tamin’io?’ Avy eo dia resaho amin’ny vadinao ireny fahatsiarovana ireny. Ny resaka manomboka amin’ny hoe: “Tadidinao ve ilay (...)?” dia mety hanampy anareo mivady hamelona indray ireo fihetseham-po niombonanareo fahiny.
[Efajoro, pejy 12]
VADY VAOVAO, OLANA MITOVY IHANY
Alaim-panahy hanomboka indray ny zava-drehetra miaraka amin’ny vady vaovao, ny olona sasany izay mihevitra fa voafandrika ao amin’ny fanambadiana tsy misy fitiavana. Melohin’ny Baiboly anefa ny fanitsakitsaham-bady, ka ambarany fa “tsy ampy saina”, ary “ta-hanimba tena” ny olona manao io fahotana io. (Ohabolana 6:32). Raha ny tena izy, ny mpanitsakitsa-bady tsy mibebaka dia mamoy ny fankasitrahan’Andriamanitra, kanefa io no karazam-pahavoazana ratsy indrindra mety hisy. — Hebreo 13:4.
Miseho amin’ny endriny hafa koa hoe hadalana tanteraka ny manitsakitsa-bady. Voalohany aloha, dia azo inoana fa ho tojo olana mitovy amin’izay nahazo an’ilay fanambadiany voalohany ilay mpanitsakitsa-bady mampakatra vady vaovao. Mampipoitra lafin-javatra hafa iray tokony hosaintsainina ny Pr. Diane Medved, amin’ny filazana hoe: “Ny zavatra voalohany fantatr’ilay vadinao vaovao momba anao”, hoy izy, “dia ny hoe vonona ny hamadika ianao. Fantany fa mety hamitaka an’ilay olona nampanantenainao fanajana ianao, mahita fialan-tsiny foana ianao, mety hiova ianao ka tsy hanaja intsony ny fanambadianao, ary fandrika hahalatsaka anao ny fahafinaretan’ny nofo, na ny fanomezana fahafaham-po ny tenanao ihany. (...) Ahoana moa no ahafantaran’ilay vadinao faharoa fa tsy ho voasarika indray ho amin’izany ianao?”
[Efajoro, pejy 14]
FAHENDRENA AVY AO AMIN’IREO OHABOLANA AO AMIN’NY BAIBOLY
• Ohabolana 10:19: “Ny teny maro tsy ilaozan’izay ota; fa izay mahatana ny molony no hendry.”
Rehefa tezitra ianao, dia mety hanao vava tafahoatra, ka hanenina rehefa avy eo.
• Ohabolana 15:18: “Izay malaky tezitra manetsika ady; fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.”
Azo inoana fa hahatonga ny vadinao hiaro tena ny fiampangana manindrontsindrona, fa ny fihainoana amim-paharetana kosa dia hanampy anareo roa hiezaka hitady vahaolana.
• Ohabolana 17:27: “Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina.”
Rehefa tsapanao fa miakatra ny fahatezeranao, dia ny mangina no tsara indrindra mba hanalavirana fifandirana mafy.
• Ohabolana 29:11: “Ny fahatezeran’ny adala dia avoakany avokoa; fa ny hendry kosa manindry fo.”
Tena ilaina ny fifehezan-tena. Hahatonga fankahalana fotsiny ao amin’ny vadinao ny filelalelana teny maharary.