FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/8 p. 24-25
  • Iza no Antikristy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no Antikristy?
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiheveran-diso
  • Iza koa no anisan’ny antikristy?
  • Inona no hanjo ny antikristy?
  • Iza no Antikristy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Antikristy
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Nahoana no Tokony Hofantarina ny Antikristy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Antikristy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/8 p. 24-25

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Iza no Antikristy?

“EFA RENAREO FA HO AVY NY ANTIKRISTY.”—1 JAONA 2:18.

RAHA nisy nampitandrina anao fa misy mpanao heloka bevava lozabe mizotra mankany akaikin’ny tanànanareo, inona no hataonao? Mety hanao izay hahafantarana mahakasika ny tena endriny sy ny fomba fiasany angamba ianao. Hiambina koa ianao.

Misy tarehin-javatra toy izany koa ankehitriny. Nampitandrina antsika toy izao ny apostoly Jaona: “Ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesosy dia tsy mba avy amin’Andriamanitra; ary izany no fanahin’ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin’izao tontolo izao sahady izy.” (1 Jaona 4:3) Misy antikristy toy izany izay sady fahavalon’Andriamanitra no mpamitaka ve mandrahona ny fahasambaran’ny zanak’olombelona ankehitriny?

Miverina indimy ny teny hoe “antikristy” ao amin’ny roa amin’ireo epistily nosoratan’i Jaona. Manondro fitambaran’olona manohitra ny fampianaran’ny Baiboly mahakasika an’i Jesosy Kristy izy io, ary mahafaoka ireo mpisandoka izay milaza tena ho Kristy na olona nirahiny. Manome fanazavana azo ianteherana mahakasika ny antikristy ny Baiboly. Toy ny zava-mitranga indraindray amin’ny olona ahiahina ho meloka, dia ny laza masaka mahakasika ity antokon’olona ity no mahaliana kokoa ny olona noho ny tena fahamarinana.

Fiheveran-diso

Noheverin’ny olona nanomboka tamin’ny andron’ny apostoly Jaona, fa manondro olona iray voafaritra tsara ilay antikristy. Olona maro samihafa no noheverina ho antikristy. Noheverina fa i Néron, Emperora Romanina no antikristy, taonjato maro lasa izay. Resy lahatra ny maro, tatỳ aoriana, fa i Adolf Hitler no antikristy, noho ny fankahalana nivaivay sy ny horohoro nampihariny. Nampiharina tamin’i Friedrich Nietzsche, filozofa alemà, mihitsy aza io teny io. Mbola mino koa ny hafa fa mbola ho avy ny antikristy ary hiseho ho mpanao politika lozabe, izay hifehy izao tontolo izao. Mino izy ireo fa ilay antikristy nolazain’i Jaona mihitsy ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy toko faha-13. Milaza izy ireo fa fomba hamantarana an’io ho tompon-dakan’ny faharatsiana io ilay marika 666 eo aminy.

Mihevitra ireo olona manohana ireo hevitra ireo fa antikristy iray ihany no nambaran’ i Jaona. Inona anefa no asehon’ny teniny? Hoy ny 1 Jaona 2:18: “Tahaka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady.” Eny, “maro no antikristy”, fa tsy iray ihany, izay fototry ny fikorontanana ara-panahy tamin’ny taonjato voalohany. Tsy antikristy iray fa maro no mahaforona kilasin’ny antikristy ankehitriny. Manimba ny toe-piainana ara-panahin’ny taranak’olombelona izy ireo. (2 Timoty 3:1-5, 13) Iza no mahaforona ny antikristy?

Andeha hojerentsika, ohatra, ilay bibidia voalazan’ny Apokalypsy toko faha-13. Hoy ny apostoly Jaona: “Ny bibi-dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an’ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan’ny liona.” (Apokalypsy 13:2) Inona no hevitr’ireo teny ireo?

Mifandray ny Apokalypsy toko faha-13 sy ny Daniela toko faha-7, araka ny manam-pahaizana momba ny Baiboly. Nataon’Andriamanitra izay hahitan’i Daniela bibidia ara-panoharana, ka anisan’izany ny leoparda sy ny bera ary ny liona. (Daniela 7:2-6) Inona moa no fanazavana nomen’ilay mpaminanin’Andriamanitra momba azy ireo? Nanoratra izy fa mifanandrify amin’ny mpanjaka na fitondram-panjakana eto an-tany ireo bibidia ireo. (Daniela 7:17) Afaka manatsoaka hevitra àry isika fa manondro mpitondra fanjakana ireo bibidia voalazan’ny Apokalypsy. Anisan’ny antikristy koa izy ireo, satria manohitra ny Fanjakan’Andriamanitra.

Iza koa no anisan’ny antikristy?

Nanana fahavalo maro i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra tamin’izy tetỳ an-tany. Mbola misy manohitra azy ihany anefa amin’izao andro izao, na dia tsy hita maso intsony aza izy. Mariho izay anisan’izy ireo.

Hoy ny apostoly Jaona: “Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an’i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka.” (1 Jaona 2:22) Namboamboarin’ny mpivadi-pinoana sy ny mpampianatra ao amin’ny fivavahan-diso ny fampianarana tsotran’i Jesosy, ka lasa fitaka ara-pivavahana. Mandà ny fahamarinana ara-baiboly izy ireo ary mampiely lainga amin’ny anaran’Andriamanitra sy Kristy. Tsy manaiky ny tena fifandraisan’ny Ray sy ny Zanaka izy ireo satria mampianatra momba ny Trinite. Anisan’ny antikristy koa izy ireo, araka izany.

Nampitandrina ny mpianany toy izao i Jesosy ao amin’ny Lioka 21:12: “Hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin’ny synagoga sy ao an-trano-maizina ... noho ny anarako.” Miaritra fanenjehana mahery vaika ny Kristianina marina nanomboka tamin’ny taonjato voalohany. (2 Timoty 3:12) Manohitra an’i Kristy ny mpampijaly toy ireny. Anisan’ny antikristy koa izy ireny.

“Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.” (Lioka 11:23) Nilaza i Jesosy eto fa anisan’ny antikristy izay manohitra azy sy ny fikasan’Andriamanitra izay tohanany. Inona no hanjo azy ireo?

Inona no hanjo ny antikristy?

“Haringan[’Andriamanitra] ny mpiteny lainga; ny olona mpandatsa-dra sy mpamitaka dia ataon’i Jehovah ho zava-betaveta”, hoy ny Salamo 5:6. Mihatra amin’ny antikristy ve izany? Eny. Nanoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Maro ny mpamitaka efa lasa any amin’izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy.” (2 Jaona 7) Handringana ny antikristy Andriamanitra Tsitoha noho ireo lainga sy fitaka nataon’izy ireo.

Koa satria efa akaiky io fotoana handringanana io, dia tsy tokony havelan’ny Kristianina marina hampihena ny finoany ny fitaka sy ny faneren’ny antikristy, indrindra fa ny an’ny mpivadi-pinoana. Maika izao fampitandreman’i Jaona izao: “Mitandrema hianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka.”—2 Jaona 8.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Néron, pejy 2 sy 24: Courtesy of the Visitors of the Ashmolean Museum, Oxford

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara