Tovovavy Kely Manana Fanantenana Mahafinaritra
NAHARAY taratasy avy tamin’i Stephanie, zazavavy 12 taona, ny mpampanonta ny Mifohaza! “Tiako ny hilaza aminareo fa tena nanampy ahy tany am-pianarana ireo gazety”, hoy izy. “Tsy ela izay mantsy, dia nasaina nanao fikarohana momba ny loha hevitra hoe ‘Kolontsaina Tsy Mitovy’ izahay. Nikaroka tao anatin’ireo gazety izahay mianakavy, ary nanety fanazavana sy sary nifanentana tamin’ilay loha hevitra. Napetako teo amin’ny baoritra manify izy ireny, avy eo.” Nasain’ny mpampianatra an’i Stephanie nifidy izay dimy tsara indrindra ireo mpianatra. “Ny ampitso”, hoy i Stephanie, “dia hitako fa anisan’ny dimy voalohany ny ahy.”
Anisan’ny nanovozan’i Stephanie hevitra ny Mifohaza! 22 Oktobra 1998 (frantsay) nitondra ny lohateny hoe “Ho Tia ny Namany ve ny Olona Indray Andro Any?” Vavolombelon’i Jehovah izy, ka mino mafy fa afaka miara-miaina sady mifanaraka tsara ny olona tsy mitovy kolontsaina. Izy mantsy anisan’ilay fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena, izay ahitana mpifahavalo taloha, nefa nampiraisin’ny fahamarinana ara-baiboly. Anisan’ireny ny Tutsi sy ny Hutu, ny Alemà sy ny Rosianina, ny Armenianina sy ny Tiorka, ny Japoney sy ny Amerikanina. Samy miezaka mafy hanahaka ny Mpamorona azy izy ireny. Amin’ny lafiny inona? Mamaly izany ity andinin-teny anisan’ny nampiasain’i Stephanie ity: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Miezaka mafy ny Vavolombelon’i Jehovah mba tsy hizaha tavan’olona toy izany koa rehefa mifandray amin’ny hafa.
Tsy andrin’i Stephanie izay hahatanterahan’ny fampanantenan’ny Baiboly, dia ny hitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra ny rariny eto an-tany. (Apokalypsy 21:3, 4) Matahotra sady manahy ny amin’ny hoavy ny tanora maro eto amin’ity tontolo ity, fa miavaka kosa i Stephanie satria manana fanantenana mahafinaritra.