Maro no Tonga Nanampy sy Naneho Fangoraham-po
TONGA nanampy an-tsitrapo koa ny olona maro avy amin’ny faritra samy hafa eto Etazonia sy avy any amin’ny firenen-kafa. Anisan’izy ireo i Tom (etsy ambony), 29 taona, mpamono afo avy any Ottawa, any Kanada. Izao no nolazainy tamin’ny Mifohaza!: “Hitako tamin’ny tele ny zava-nitranga, ka naniry hampahery an’ireo namako mpamono afo eto New York aho. Nidina nankatỳ aho ny zoma, ary tonga mba hanampy teo amin’ny toerana nitrangan’ilay loza ny asabotsy. Nampiarahina tamin’ireo olona nanala ny potipoti-javatra tamin’ny alalan’ny siô aho.
Nokarohinay miadana tamin’ny angady ilay antontana potipoti-javatra, mba hitadiavana zavatra mety hamantarana an’ireo mpamono afo maty. Nahita fitaovana fanapitsohana varavarana sy fampitohizana fantson-drano aho. Tsy maintsy nitandrina be izahay nanao io asa io. Efa ho 50 izahay, nefa adiny roa vao nahafeno kamiao iray mpitatitra fako.
Ny alatsinainy 17 Septambra dia nisy fatina mpamono afo navoakanay. Nihazakazaka nitsofoka tao amin’ilay tranobe izy ireo ny talata talohan’izay. Tsy hohadinoiko mandrakizay ny zavatra hitako tamin’izay: Niato sy nanala ny satroka fiarovan-dohany daholo ny mpamonjy voina rehetra, ka nijoro teo ho fanajana ireo namanay namoy ny ainy.
Rehefa nijoro nitazana ny toerana nitrangan’ilay loza aho, dia vao mainka niaiky tanteraka fa mora maty tokoa ny olona ankehitriny. Nahatonga ahy hieritreritra ny fiainako sy ny asako ary ny fianakaviako izany. Tena mahafa-po ny asako, na dia mety hampidi-doza aza, satria afaka manampy olona aho ary afaka manavotra aina mihitsy aza.”
Mitondra izay ilaina ny Vavolombelona
Fitopolo teo ho eo ny olona nandositra nankany amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ireo roa andro voalohany nitrangan’ilay loza. Rava ny hotely nipetrahan’ny sasany ary very ny entany, ka nomena efitrano nipetrahana sy akanjo nisoloana ary norosoana sakafo izy ireo. Nampionona azy ireo mihitsy aza ny anti-panahy kristianina za-draharaha.
Nandefa vatsy sy fitaovana vonjimaika koa ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hampiasain’ireo mpikaroka sy mpamonjy voina, niasa teo amin’ny toerana nitrangan’ilay loza. Nampindramina fiara koa ny sampan-draharahan’ny mpamono afo mba hitondrany ny mpiasany eny amin’io toerana io. Anisan’ireo olona an-jato nanala potipoti-javatra aman-taonina isan’andro, i Ricardo (ambony ankavanana), Vavolombelon’i Jehovah, 39 taona, mpaka fako. Hoy i Ricardo tamin’ny Mifohaza!: “Tena nahakivy ilay izy, indrindra fa ho an’ireo mpamono afo nitady ny namany tsy hita popòka. Hitako nisintona ny namany iray mbola velona izy ireo. Nisy anankiray maty nianjeran’ny fatin’olona. Maro ireo mpamono afo no nitomany, ary tsy nahatanty aho, ka nitomany koa. Tsy nisy olona be herim-po noho ireo lehilahy ireo tamin’io andro io.”
“Ny fotoana sy ny sampona”
Olona an’arivo no maty tamin’iny loza iny. Nisy Vavolombelona 14, fara fahakeliny, tamin’ireo. Teny amin’ilay toerana nitrangan’ilay loza izy ireo, na tsy lavitra teny. Tsy maintsy nankany amin’ny mpitsabo nify teny akaikin’ny Foibe Ara-barotra Iraisam-pirenena, ohatra, i Joyce Cummings, vehivavy 65 taona avy any Trinité. Nampalahelo fa tamin’io fotoana io no nitrangan’ilay loza. Toa sempotry ny setroka izy, ka nentina haingana tany amin’ny hopitaly tsy lavitra teo, nefa tsy voavonjy. Anisan’ireo olona maro niharan’ny “fotoana sy ny sampona” izy. (Mpitoriteny 9:11) Mpitory tena nazoto no nahafantaran’ny olona azy.
Niasa ho an’ny orinasa mpanera, tao amin’ny rihana faha-84 tamin’ilay tranobe atsimo, i Calvin Dawson. (Jereo ny faritra voafefy.) Tao amin’ny biraony izy ary hitany tsara ilay tranobe avaratra vao nodonin’ilay fiaramanidina. Nitelefaonina azy ny mpampiasa azy, satria tsy tao am-piasana, mba hanontaniana ny zava-nitranga. Hoy ilay mpampiasa azy: “Niezaka nanazava tamiko ny zavatra hitany i Calvin. Nilaza izy hoe: ‘Misy olona mitsambikina!’ Nasaiko nivoaka sy namoaka ny hafa avy tao amin’ny birao izy.” Tsy tafavoaka anefa i Calvin. Hoy ihany ilay mpampiasa azy: “Olona tena nahafinaritra raha i Calvin, sady tianay rehetra, na dia ny tsy mpivavaka aza. Tena tia an’Andriamanitra izy sady tsara fanahy, ka izany no nitiavanay azy.”
Anisan’ny Vavolombelona niharan-doza koa i James Amato (ambany ankavanana amin’ny pejy fahafolo), manan-janaka efatra ary kapitenin’ny sampan-draharahan’ny mpamono afo eto New York. Nolazain’ny olona nahafantatra azy fa tena be herim-po izy, ka “sahy mitsofoka ao amin’ny trano mirehitra, na dia efa mandositra aza ny olona.” Nasondrotra grady i James, na dia mbola tsy hita popòka aza.
Mpamono afo efa hatramin’ny fito taona koa ny Vavolombelona iray atao hoe George DiPasquale. Melissa no anaran’ny vadiny ary manan-janaka vavy roa taona antsoina hoe Georgia Rose izy. Anti-panahin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Staten Island izy. Tao amin’ny rihana fahafolo tamin’ilay tranobe atsimo izy rehefa nirodana izy io. Anisan’ireo namoy ny ainy koa izy, rehefa niezaka hamonjy olona.
Ireo dia roa monja tamin’ireo mpamono afo sy polisy ary mpamonjy voina, namoy ny ainy rehefa niezaka tamin-kerim-po mba hamonjy olona. Tena tsy manan-tsahala ny herim-pon’izy ireo. Rehefa avy nasondrotra grady ny mpamono afo maromaro, dia nilaza toy izao tamin’izy ireo i Rudolph Giuliani, ben’ny tanànan’i New York: “Mandrisika anay rehetra ny fahavononanareo sy ny fahasahianareo hiatrika ny mafy indrindra. ... Tsy misy ... be herim-po noho ny sampan-draharahan’ny mpamono afon’i New York.”
Fitoriana mitondra fampiononana
Nisy Vavolombelon’i Jehovah 900 000 teo ho eo teto Etazonia niezaka mafy nampionona ireo vonton’alahelo, taorian’ilay loza. Ny fitiava-namana no nanosika azy ireo hampionona ireo mana-manjo. (Matio 22:39) Niezaka nanasongadina ilay hany tena fanantenana ho an’ny olombelona iharam-pahoriana koa izy ireo, rehefa nitory.—2 Petera 3:13.
Nangoraka olona ny Vavolombelona, rehefa niresaka tamin’izy ireo. Ny tanjony dia ny hitondra fampiononana avy amin’ny Soratra Masina sy ny hamelombelona ny olona, toy ny nataon’i Kristy, izay nilaza toy izao: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.”—Matio 11:28-30.
Nisy anti-panahy maromaro avy amin’ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah etsy Manhattan, navela hiditra tao amin’ilay toerana nitrangan’ny loza, mba hiresaka amin’ireo mpamonjy voina, ka hampionona azy ireo. Nihaino tsara azy ireo ny olona. Izao avy no nolazain’ireo anti-panahy ireo: “Nanganohano ny mason’ireo lehilahy ireo rehefa namakianay andinin-teny tao amin’ny Baiboly izy ireo.” Nisy mpamonjy voina naka aina teo ambony sambo iray. “Toy ny hoe namoy fo ireo lehilahy ireo, sady nitanondrika no tsy nahatanty tsotra izao ny zavatra hitany. Niara-nipetraka tamin’izy ireo izahay ary namakianay andinin-teny tao amin’ny Baiboly izy ireo. Nisaotra anay indrindra izy ireo, ka nilaza fa tena nilain’izy ireo io fampiononana io.”
Matetika no nitady zavatra hovakina ny olona noresahina taorian’ilay loza, ary bokikely an’arivo no nomena azy ireo maimaim-poana. Anisan’izany ilay hoe Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao, Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any? ary ilay hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Nampiasaina manokana koa ireo Mifohaza! (anglisy) hoe “Fampihorohoroana Amin’ny Endriny Vaovao” (22 May 2001) sy ilay hoe “Reseo ny Tahotra Vokatry ny Zavatra Nanjo” (22 Aogositra 2001) Nohazavain’ny Vavolombelona tamin’ny olona maro ny fampanantenan’ny Baiboly fitsanganana amin’ny maty. (Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15) Olona an-tapitrisa angamba no nandre io hafatra mampionona io.
Tokony hampieritreritra antsika izany
Tokony hahatonga antsika rehetra hieritreritra momba ny fomba ampiasantsika ny fiainantsika ny loza toy ilay nitranga teto New York. Tsy mikatsaka afa-tsy izay hahasoa ny tenantsika ve isika, sa miezaka hampitombo ny fahasambaran’ny olon-kafa kosa? Hoy i Mika mpaminany: “Izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.” (Mika 6:8) Ny fanetren-tena dia tokony hanosika antsika handinika ny Tenin’Andriamanitra, mba hahitana ny tena fanantenana ho an’ny maty sy izay hataon’Andriamanitra atsy ho atsy mba hamerenana ny Paradisa eto an-tany. Raha maniry handalina ireo fampanantenan’ny Baiboly ianao, dia mampirisika anao izahay mba hiresaka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny tanànanao.—Isaia 65:17, 21-25; Apokalypsy 21:1-4.
[Efajoro/Sary, pejy 11]
NY VAVAK’I TATIANA
Notantarain’i Lena, vady navelan’i Calvin Dawson, tamin’ny Mifohaza! ny vavaka nataon’i Tatiana, zanany vavy fito taona, andro vitsivitsy taorian’ny nahafantarany fa tsy hody intsony ny rainy. Rehefa avy nivavaka i Lena, dia nanontany i Tatiana hoe: ‘Afaka mivavaka koa ve aho ry Neny?’ Nanaiky ny reniny, ary nivavaka toy izao i Tatiana: “Jehovah, Rainay any an-danitra, misaotra amin’ity sakafo ity sy ny andro niainanay androany. Mba omeo ny fanahinao izahay sy i Neny mba hampahatanjaka anay. Mba omeo ny fanahinao koa i Dada, mba hampahatanjaka azy rehefa mody izy. Ka rehefa mody izy, dia hahafinaritra, hatanjaka sy ho faly ary ho salama, dia hahita azy indray izahay. Amin’ny anaran’i Jesosy ... Oay! Hadinoko fa hatanjaho koa i Neny. Amena.”
Tsy azon’i Lena antoka raha nazava tamin’i Tatiana ny zava-nitranga, ka hoy izy: “Tena tsara iny vavaka nataonao iny ry Tiana. Nefa fantatrao moa sombinaiko fa tsy hody i Dada?” Avy hatrany dia taitra be i Tatiana, ka nilaza hoe: “Tsy hody ve izy?” “Tsy hody izy”, hoy ny reniny. “Toa efa nilaza izay taminao ange aho e! Noheveriko fa azonao ange hoe tsy hody i Dada e.” Hoy i Tatiana: “Nilaza tamiko foana anefa ianao fa hody atỳ izy ao amin’ny tontolo vaovao!” Azon’i Lena tamin’izay ny tian’ny zanany vavy holazaina, ka hoy izy: “Aza fady, Tatiana a. Tsy azoko tsara ny teninao. Nieritreritra aho fa miandry an’i Dada hody rahampitso ianao.” Nomarihin’i Lena hoe: “Faly aho fa tena mino ny tontolo vaovao ny zanako.”