Topy Maso Eran-tany
Kiraro Hodi-trondro
Milaza ny gazety El Comercio any Lima, fa manamboatra kiraro amin’ny hoditra truite (karazan-trondro) ny indostria vaovao iray any amin’ny Tendrombohitra Andes, any Peroa. Diovina ary alòna amin’ny ranon-javamaniry ireo hoditry ny trondro nompiana. Hosorana menaka izy ireo avy eo, ary asiana loko voajanahary azo avy amin’ny tamotamo, na haon-javamaniry, na achiote (zavamanitra meksikanina). Tsy manimba ilay soratsoratra manintona toy ny diamondra eo amin’ilay hoditra izany. Azo anaovana “poketra, na tadim-pamantaranandro, na fonona telefaonina fitondra mandeha koa izy io.” Hoy i Barbara León, injeniera nitarika an’io tetik’asa io: “Izao no tena zava-dehibe: tsy ampiasaina mihitsy ny loko tsy voajanahary toy ny krôma. Noho izany, dia tsy atahorana hanimba ny tontolo iainana ilay hodi-trondro.”
Mbola Tsy Misy Fanafody Tsara toy ny Hehy!
“Hita fa tena mampihena ny fahaketrahana ny fihainoana tantara kely mampihomehy isan’andro, mandritra ny efatra herinandro”, hoy ny gazety The Independent any Londres. “Nisy marary nasaina nihaino kasety fampihomehezana nandritra ny antsasa-kadiny isan’andro. Sitrana ny sasany ary ny hafa nahatsapa hoe nihena 50 isan-jato ny fahaketrahany.” Nasehon’ny fanadihadiana maherin’ny 100 tany Etazonia, fa mety hahasoa ny hehy vokatry ny vazivazy. Tsy ny ketraka ihany no nandray soa, fa ireo olona tsy nahazaka zavatra, nanana tosidra ambony, mora andairan’aretina, ary na dia ireo voan’ny kansera sy rohana mamely ny tonon-taolana aza. Fantatra hatry ny ela fa mahasalama ny hehy, saingy tsy fantatra mazava ny antony. Mampitandrina toy izao anefa ny Dr. Ed Dunkleblau, mpitsabo aretin-tsaina: Aza manao vazivazy mandratra sy manesoeso, ary tandremo ny mampihomehy be loatra. Raha tsy izany mantsy dia hihevitra ilay marary fa tsy raharahaina ny aretiny.
‘Atao Ambanin-javatra ny Fivavahana’
Nasehon’ny fanadihadiana vao haingana tany Brezila, fa ny 65 isan-jaton’ireo olona mahantra mipetraka an-tanàn-dehibe no milaza fa Katolika. Ny 35 isan-jato ihany anefa no milaza fa mino an’i Jesosy sy Maria ary ny foto-pampianaran’ny eglizy. Mbola vitsy noho izany aza, izany hoe 30 isan-jato monja, no mandeha miangona isan-kerinandro. Nasehon’io fanadihadiana nampanaovin’ny Zaikabe Nasionalin’ny Eveka Brezilianina io koa, fa maro no tsy manaiky ny fampianaran’ny eglizy katolika momba ny firaisana alohan’ny fanambadiana (44 isan-jato) sy ny fisaraham-panambadiana (59 isan-jato), ny fanambadiana indray (63 isan-jato) ary ny fanabeazana aizana (73 isan-jato). Nihena ny herin’ny eglizy, hoy ilay teolojianina antsoina hoe Severino Vicente, satria tsy ampy ny pretrany, tsy manan-kery firy eo amin’ny fampianarana any Brezila intsony izy, ary tsy miditra lalina amin’ny fampianarana momba ny foto-pinoana. Hoy izy: “Nampianarina ireo Katolika tatỳ aoriana fa samy afaka mitondra tena araka izay hitany fa mety ny olona, ary ataon’izy ireo ambanin-javatra ny fivavahana.”
Misy Loza na ao An-trano Aza!
Namoaka ny antontan’isa azo avy tamin’ny hopitaly momba ny taona 1999 ny Sampan-draharaha Britanika Momba ny Varotra sy ny Indostria. Hita tamin’izany fa “olona 76 no maty isan-kerinandro, noho ny loza nitranga tao an-trano. Betsaka noho ny olona maty noho ny lozam-pifamoivoizana izany”, hoy ny gazety The Guardian any Londres. Anisan’ny tena nahafaty “ny fitaovana fikojakojana, tohatra, môkety ary kafitera nisy rano nangotraka.” Olona maherin’ny 3 000 isan-taona no nentina tany amin’ny efitra fitsaboana vonjy aina, satria voafingan’ny sobikana lamba maloto. Maherin’ny 10 000 no naiditra hopitaly, satria nidiran-doza rehefa nanandrana nampiditra ba, ary maherin’ny 13 000 no naratra rehefa nikarakara legioma. Vokatry ny fisotroan-toaka ny loza 100 000 teo ho eo. Nilaza toy izao ny mpitondra tenin’ny Fikambanana Britanikan’i Londres Momba ny Aro Loza: “Mitandrina isika rehefa any am-piasana sy eny an-dalana, fa manao an-tsirambina kosa isika rehefa ao an-trano. Mety ho voa mafy ianao, raha esorinao ny saron’ny kafitera feno rano mahamay, ka latsaka eo amin’ny tongotrao.”
Fomba Fitehirizan’ny Vikings ny Sakafony
Arivo taona lasa izay, dia naka rano avy tao anaty honahonam-pompotra ny Vikings, ka nentiny teny ambony sambo izany, satria mbola tsara foana izy io na dia amam-bolana aza. Fanaon’ny Skandinavianina anefa, rehefa tetỳ an-tanety, ny nitahiry trondro sy sakafo toy ny karaoty sy nave tao anaty honahonam-pompotra mba tsy hahasimba azy ireo. Noheverin’ny mpikaroka hatramin’izay fa ireo zavatra mavomavo ao anatin’ny zavamaniry hita ao anaty fompotra, na ny tsy fisian’ny oksizenina ao no miaro ny zavatra voajanahary tsy ho simba haingana. Ankehitriny, hoy ny masoivohom-baovao CNN, dia nahita karazana siramamy tao anaty fompotra ny Dr. Terence Painter (ao amin’ny Oniversite Momba ny Siansa sy Teknolojian’i Norvezy) sy ny mpiara-miasa aminy. Ka io siramamy io no tena miaro ireo zavatra voajanahary. Mba hampisehoana fa mandaitra izy io, dia nisy hodi-trondro nalevin’izy ireo tao anaty vovo-kazo, ary nisy koa nalevin’izy ireo tao anaty fompotra, na nofonosiny tamin’ny fompotra. Hoy ny CNN: “Mbola tsara foana ireo trondro notehirizina tao anaty fompotra na nofonosina tamin’izy io, hatramin’ny iray volana, fa ireo tao anaty vovo-kazo kosa maimbo rehefa afaka roa andro.”
Mety hampihetsika Aretim-po ny Zavon-tsetroka
“Mety hampihetsika aretim-po ao anatin’ny adiny roa ny zavon-tsetroka matevina manenika ny tanàn-dehibe kanadianina, mandritra ny vanin-taona mafana”, hoy ny gazety National Post any Kanada. Misy loto bitika, tsy hita maso ao anaty zavon-tsetroka, ka avy amin’ny fiara sy ny foiben-kerin’aratra ary ny toeram-pamindroana ny ankamaroany. “Mora mihetsika ny aretim-pon’ireo voan’ny diabeta sy marary fo ary be taona. Rehefa mijanona eo amin’ny toerana be rivotra maloto ny olona toy izany, dia mitombo 48% ny mety hihetsehan’ny aretim-pony”, hoy ilay gazety. “Raha mijanona eo mandritra ny 24 ora kosa izy, dia mitombo ho 62% izany.” Rehefa nisy fampitandremana mahakasika ny zavon-tsetroka, dia “ataovy izay hijanonana ao an-trano. Tsara raha alefanao ny fampangatsiahana rivotra”, hoy ny Dr. Murray Mittleman, avy ao amin’ny Oniversiten’i Harvard. “Tena bitika mantsy ireo loto ireo ka tafiditra ao an-trano mihitsy, fa ilay fampangatsiahana rivotra no mamoaka izany any ivelany.”
Ny Herin’ny Torimaso Kely
Araka ny gazety The Times any Londres, dia nilaza ny Profesora Jim Horne, avy ao amin’ny Oniversiten’i Loughborough, fa raha tsy te ho rendremana ianao amin’ny tolakandro, dia “matoria kely folo minitra fotsiny.” Hoy i Horne: “Toy ny fitsaboana rehetra izy io: Mandaitra kokoa ilay izy raha ampiasainao raha vantany vao marary ianao.” Nasiana efitrano fakana torimaso kely ao amin’ny fikambanana sasany tany Etazonia. Nasiana fandriana, bodofotsy, ondana, ary feon-kira mandrotsirotsy ho an’ny mpiasa tao anatin’izy ireo, ary koa famantaranandro maneno isaky ny 20 minitra. Nampitandrina anefa ny Profesora Horne, fa mety hahatsiaro ho tsy metimety ianao rehefa mifoha raha natory ela loatra, ohatra hoe, 25 minitra. “Raha vao dila ny folo minitra, dia mihevitra amin’izay ny vatana fa efa alina ny andro, ka tonga ny torimaso lalina.”
Ny Hatavezana Be Loatra sy ny Kansera
“Ny hatavezana be loatra no antony voalohany mahavoan’ny kansera an’ireo tsy mpifoka sigara, any amin’ny tany tandrefana, nefa azo sorohina izany”, hoy ny gazety The Times any Londres. Nasehon’ny fikarohana nandritra ny 50 taona, fa mety hihena 50 isan-jato ny mety hahavoan’ny kansera an’ireo tsy mpifoka, raha ovany ny fomba fiainany. Tafiditra amin’izany, ohatra, ny fampihenana tena raha matavy loatra. “Raha tsy mpifoka sigara ianao, ny zavatra roa tena tokony hotandremanao dia ny hatavezana be loatra sy ny tsimokaretina mahatonga ny kanseran’ny vavony sy ny vozon-tranonjaza”, hoy ny Profesora Julian Peto, avy ao amin’ny Fikambanana Britanika Mikaroka Momba ny Kansera. “Nasehon’ny fanandramana natao tamin’ny biby fa tsy mora voan’ny kansera kokoa izy ireo, rehefa noferana ny sakafo nohaniny.” Ny taona, ny hoe lahy na vavy, na halava ary ny toe-batana no hamaritan’ny dokotera ny tokony ho lanjan’ny olona. Ka raha mihoatra 20 isan-jaton’izany ny lanjan’ny olona iray, dia ataon’izy ireo hoe matavy loatra izy.
Tokantranomaso
“Tena mora misaraka kokoa ny ray aman-dreny, raha efa nanao tokantranomaso vao nisora-panambadiana”, hoy ny gazety National Post any Kanada. Nisy fandinihana nataon’ny Statistikan’i Kanada, ary anisan’ny nanoratra izany i Heather Juby. Noheverin’ny mpikaroka, hoy izy, fa hanaja ny fifanekeny ny ray aman-dreny manan-janaka. “Mora misaraka kokoa anefa ny mpivady mirona hanao tokantranomaso”, hoy izy. Hitan’ny mpikaroka fa ny 25,4 isan-jaton’ny olona nanao tokantranomaso talohan’ny fisoratam-panambadiany no nisaraka, fa 13,6 isan-jaton’ny ray aman-dreny tsy nanao tokantranomaso kosa no nisaraka. “Tsy dia maharitra loatra ny fifandraisan’ny olona [manao tokantranomaso] vao mivady”, hoy i Juby, “satria manamaivana ny fanekena hanaja ny fanambadiana angamba ny olona vonona hanao izany.”