FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/5 p. 12
  • Fampaherezana An’ireo Nidonam-pahoriana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampaherezana An’ireo Nidonam-pahoriana
  • Mifohaza!—2002
  • Mitovitovy Aminy
  • Manantena inona ny olon-tiana nodimandry?
    Manantena inona ny olon-tiana nodimandry?
  • Inona no Manjo An’ireo Olo-malalantsika Nody Mandry?
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Lasa Aiza Ireny Olona Maty Ireny?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • “Ho Foana Mandrakizay ny Fahafatesana”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/5 p. 12

Fampaherezana An’ireo Nidonam-pahoriana

NAMPIHORON-KODITRA ny olona rehetra eran-tany ny fanafihana nataon’ny mpampihorohoro tany Etazonia, tamin’ny 11 Septambra 2001. Olona an’arivo no maty tao anatin’ny iray andro; an-jato tamin’ireny no mpamono afo be herim-po sy polisy ary mpitsabo amin’ny vonjy taitra.

Raha vao nitranga iny loza iny, dia niara-misalahy nampahery ireo namoy havan-tiana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanao izany izy ireo mba “hahasitrana ny torotoro fo” sy “hampionona ny malahelo rehetra.”—Isaia 61:1, 2.

Hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah efa hatramin’ny taona maro, fa fanontaniana fametraky ny olona namoy havan-tiana ireto valiana eto ambany ireto. Valian’ny Baiboly izy ireo. Nahoana àry raha jerenao ao amin’ny Baibolinao mihitsy ireo andininy voalaza eo ambany ireo?

Voalahatra mialoha ve ny fahafatesan’ny olona?

Milaza ny Baiboly ao amin’ny Mpitoriteny 9:11 fa mahazo ny olona rehetra “ny fotoana sy ny sampona” (“tampoka”, Baiboly Anglisy Vaovao). Ny Baiboly ve dia mbola hampirisika antsika hitandrina ihany, raha hoe efa voalahatra mialoha ny fahafatesana?—Jereo, ohatra, ny Deoteronomia 22:8.

Nahoana isika no maty?

Napetraka tao amin’ny paradisa teto an-tany i Adama sy Eva, ilay mpivady voalohany. Tsy maty izy ireo raha nankatò foana. Raha tsy mankatò an’Andriamanitra ihany izy vao ho faty. (Genesisy 1:28; 2:15-17) Nampalahelo fa tsy nankatò ny Mpamorona azy tokoa i Adama sy Eva. Nosazina izy ireo noho izany, ka ny fahafatesana no saziny. Koa nandova ota sy fahafatesana ny olombelona satria taranak’i Adama sy Eva daholo. Manazava ny Baiboly hoe: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana.”—Romana 5:12.

Manao ahoana ny maty?

Hoy Andriamanitra tamin’i Adama, taorian’ny nikomiany: ‘Hiverina any amin’ny tany ianao; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray ianao.’ (Genesisy 3:19) Tsy mahatsiaro tena intsony àry izany ny maty, izany hoe tena tsy misy intsony. Milaza ny Baiboly hoe: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5) Milaza koa izy fa “miverina ho amin’ny taniny” ny olona rehefa maty “ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.”—Salamo 146:3, 4.

Manana fanahy tsy mety maty ve isika?

Mampianatra mazava tsara ny Baiboly fa tsy manana fanahy mbola velona aorian’ny fahafatesana isika. Milaza mazava izy hoe “ny fanahy izay manota no ho faty.” (Ezekiela 18:4) Koa rehefa maty àry ny olona iray, dia afaka milaza isika hoe maty ny fanahiny.

Inona no fanantenana ho an’ny maty?

Asehon’ny Baiboly fa mikasa hamelona indray ny maty Andriamanitra, rehefa hanangana azy ireny ho ao amin’ny paradisa eto an-tany; tsy hisy intsony ny aretina sy ny fahafatesana any. Hoy i Jesosy hoe: “Avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony; dia hivoaka izy.”—Jaona 5:28, 29; Apokalypsy 21:1-4.

Nampitovin’i Jesosy tamin’ny torimaso ny fahafatesana, rehefa niresaka momba an’i Lazarosy sakaizany maty vao haingana izy. (Jaona 11:11-13) Taorian’ny nananganan’i Jesosy azy tamin’ny maty, i Lazarosy koa dia tsy niresaka mihitsy hoe tany amin’ny toeram-pijaliana na hoe nanana fiainan-tsambatra tany an-danitra izy, nandritra ny fotoana fohy nahafatesany. (Jaona 11:37-44) Mazava be izany, satria tsy mahatsiaro tena ny maty. Tsy mijaly izy ireny, fa miandry ny “andro” hananganana azy fotsiny. Ny tena zava-dehibe dia hoe, hita tamin’ny nananganan’i Jesosy an’i Lazarosy fa mbola afaka ho velona indray ny maty. Nasehon’i Jesosy tamin’io fahagagana io tokoa, ny santionany amin’izay zavatra hitranga eto an-tany rehefa ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra. (Asan’ny Apostoly 24:15) Tena mampahery izany ho an’ireo namoy havan-tiana nandritra an’iny fotoana feno hotakotaka iny!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara