FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g03 8/3 p. 31
  • Lehilahy Nifidy ny Hankatò An’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lehilahy Nifidy ny Hankatò An’Andriamanitra
  • Mifohaza!—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • Nitana ny Teny Nataony Izy Ireo!
    Mifohaza!—2000
  • Mahazo Fampaherezana Isika ka Mampahery ny Hafa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Tsy Anenenako Mihitsy Ireny na dia Saro-kenatra aza Aho!
    Tantaram-piainan’ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Asa iray mety hahasambatra anao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Mifohaza!—2003
g03 8/3 p. 31

Lehilahy Nifidy ny Hankatò An’Andriamanitra

TSY nitovy hevitra ara-politika ny olona tany Eoropa tamin’ny 1937, ka nanjaka ny fifandirana. Sarotra àry ny toe-javatra nisy ny Kristianina marina. Tokony hankatò an’Andriamanitra ve izy ireo sa hankatò ny olona? (Asan’ny Apostoly 5:29) Fantatr’ireo tovolahy hantsoina ho miaramila fa mety ho faty izy ireo, raha mankatò an’Andriamanitra.

Tsy maintsy nanao izany safidy izany i Antonio Gargallo, tovolahy espaniola iray 19 taona. Efa naharitra herintaona teo ho eo ny ady an-trano tany Espaina, fony izy nantsoin’ny tafiky ny Jeneraly Franco hanao miaramila. Efa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa i Antonio, ny taona talohan’io. Efa novakiny ny torohevitry ny Baiboly hoe tokony tsy homba ny atsy na ny aroa, na hianatra ady akory, ny mpanompon’Andriamanitra. (Isaia 2:4; Jaona 17:16) Nanandrana nandositra tany Frantsa izy, satria tsy te hanao miaramila sy hamono ny mpiray tanindrazana taminy. Voasambotra anefa izy, ka nentina tany amin’ny toby miaramila tany Jaca, eo akaikin’ny sisin-tanin’i Frantsa.

Nampanaovin’ny fitsarana miaramila safidy hentitra izy: Na ho miaramila, na ho faty. Nanapa-kevitra ny hankatò an’Andriamanitra i Antonio. Taloha kelin’ny hahafatesany, dia izao no nosoratany ho an’ny reniny sy ny anabaviny, izay tsy Vavolombelon’i Jehovah:

“Voasambotra aho, ary nomelohina ho faty, nefa tsy nandalo fitsarana akory. Anio alina no fara fiainako. Aza malahelo na mitomany ianareo . . . satria nankatò an’Andriamanitra aho. Tsy maty antoka anefa aho, satria hanana fiainana vaovao sy tsara kokoa, raha sitrapon’Andriamanitra. . . . Tena tony aho izao, na dia mihamanatona aza ny ora farany. Manoroka farany anareo ny zanakareo sady anadahinareo tena tia anareo.”a

Nisy miaramila telo nilaza fa nihira fiderana ho an’i Jehovah i Antonio, teny an-dalana hamonoana azy. Tsy miafina amin’i Jehovah sy ny Zanany ny sorona toy izany. Matoky isika fa hatsangana amin’ny maty i Antonio. Izany no valisoan’ny Kristianina mahatoky.—Jaona 5:28, 29.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tsy voarain’ny reniny mihitsy io taratasin’i Antonio io, fa notahirizin’ny tafika espaniola nandritra ny am-polo taona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara