Ny Fiheveran’ny Baiboly
Tena Ratsy ve ny Miboboka Toaka?
EFA an-taona maro no nanjaka tao amin’ny teatra sy ny televiziona ilay mamo lava natao hampihomehezana. Marina fa milalao fotsiny ireny mpanakanto ireny, nefa hita amin’ny hatsikana ataony fa mifanohitra be ihany ny fiheveran’ny maro ny fimamoana. Ao ny mihevitra azy io ho fahalemena, ao koa ny mihevitra fa tsy dia mampaninona izy io.
Tsy mahatsikaiky velively anefa ny tena zava-misy. Anisan’ireo fanao mampidi-doza indrindra ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny fibobohana toaka, araka ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana. Voalaza fa amin’ny fanao manandevo rehetra, dia izy io no mahafaty sy mankarary olona betsaka indrindra, manarakaraka ny sigara. Maherin’ny 184 000 tapitrisa dolara isan-taona no lany noho izy io, any Etazonia fotsiny.
Mbola hamaivanin’ny sasany ihany anefa ny fibobohana toaka, na dia eo aza izany rehetra izany. Tsy hitany izay maharatsy ny miboboka toaka tsindraindray, na dia ekeny aza fa misy voka-dratsiny ny fimamoana lava. Fanaon’ny tanora any amin’ny tany sasany koa ny mimamo, mba hampisehoana fa efa olon-dehibe izy. Tsy lehibe tsy kely, fa mihamaro hatrany ireo mpiboboka toaka na dia eo aza ny fampitandreman’ireo fikambanana ara-pahasalamana. Ataony indray migoka ny toaka eran’ny “botakely” eo ho eo na maherin’izany aza. Tsy mahagaga àry raha maro no manontany tena raha ratsy tokoa ny miboboka toaka. Inona no resahin’ny Baiboly momba izany?
Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny divay sy ny toaka
Miresaka imbetsaka momba ny divay sy ny toaka ny Baiboly. Nanoratra i Solomona Mpanjaka hoe: “Mandehana, hano amin’ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin’ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan’Andriamanitra ela ny asanao.” (Mpitoriteny 9:7) Neken’ny mpanao salamo fa avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny “divay izay mampifaly ny olona.” (Salamo 104:14, 15) Koa ny divay àry dia iray amin’ireo fanomezana itahian’i Jehovah ny olombelona.
Miharihary koa fa tsy nanameloka ny fisotroana divay mihitsy i Jesosy. Nanova rano ho lasa divay tena tsara aza izy tamin’ny fahagagana voalohany nataony, nandritra ny mariazy iray. (Jaona 2:3-10) Divay koa no nampiasaina mba hoenti-manondro ny rany, rehefa nanorina ny Sakafo Harivan’ny Tompo izy. (Matio 26:27-29) Miresaka momba ny hasarobidin’ny divay eo amin’ny fitsaboana koa aza ny Baiboly. Nampirisihin’i Paoly, ohatra, i Timoty mba ‘hisotro divay kely noho izy narary vavony.’—1 Timoty 5:23; Lioka 10:34.
Vahaolana: mahalala onony
Mariho fa nilaza i Paoly hoe “divay kely sotroina.” Melohin’ny Baiboly rehefa mety ho tsy fahalalana onony eo amin’ny zava-pisotro mahamamo. Afaka nisotro kely ireo mpisorona jiosy rehefa tsy niasa, nefa tsy nahazo nikasika zava-pisotro mahamamo mihitsy izy ireo rehefa manao asa fisoronana. (Levitikosy 10:8-11) Nampitandremana koa ireo Kristianina voalohany, taona maro tatỳ aoriana, fa “tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra” ny mpimamo.—1 Korintianina 6:9, 10.
Nilaza koa i Paoly, rehefa nanome toromarika an’i Timoty, fa tsy tokony ho “mpimamo mila ady” na “mpiboboka divay” ireo manana andraikitra eo anivon’ny fiangonana.a (1 Timoty 3:3, 8) Tokony horoahina tsy ho anisan’ny fiangonana ireo mpimamo tsy mibebaka, araka ny didin’ny Baiboly. (1 Korintianina 5:11-13) Mety tsara ny ilazan’ny Baiboly fa “mpaniratsira ny divay.” (Ohabolana 20:1) Tsy mahafehy tena sy tsy afa-misaina ara-dalàna intsony mantsy ny olona mamo.
Nahoana no melohin’ny Baiboly ny fibobohana toaka?
‘Mampianatra antsika hahita soa’ i Jehovah. Fantany fa hanimba antsika sy ny hafa foana ny karazana fanaranam-po rehetra. (Isaia 48:17, 18) Marina indrindra izany raha ny momba ny zava-pisotro mahamamo. Manontany ny Tenin’Andriamanitra hoe: “An’iza ny Indrisy? An’iza ny Endrey? An’iza ny fifandirana? An’iza ny fitolokoana? An’iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An’iza ny maso mivoara-mena?” Izy ihany no mamaly hoe: “An’izay mikikitra amin’ny divay, eny, an’izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.”—Ohabolana 23:29, 30.
Manao zavatra tsy voahevitra sy mampidi-doza, ny olona nisotro be: mety hiharan-doza ny tenany na ny olon-kafa raha mitondra fiara izy, miraiki-po be loatra amin’ny vadin’olona izy ka mampiady, miteniteny foana sy manaonao foana koa izy na manao hadalana mihitsy aza. (Ohabolana 23:33) Marina mihitsy ilay filazana fa anisan’ireo zava-doza indrindra ho an’ny fiaraha-monina ankehitriny ny fibobohana toaka. Tsy mahagaga raha nananatra Andriamanitra hoe: “Aza misakaiza amin’izay mpiboboka divay.”—Ohabolana 23:20.
Nilaza i Paoly, ao amin’ny Galatianina 5:19-21, fa “asan’ny nofo” ny fibobohan-toaka sy ny lanonana feno filibana, ary mifanohitra amin’ny vokatry ny fanahy. Ho simba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra raha miboboka toaka isika. Mazava àry fa tsy tokony hanaram-po amin’ny zava-pisotro mahamamo mihitsy ny Kristianina.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tokony ho fakan-tahaka ho an’ny andian’ondry ny mpiandraikitra, na eo amin’ny fitondran-tenany na ny fahaizany mandanjalanja. Asehony amin’izany fa miezaka mafy hanaraka ny fitsipik’i Jehovah izy. Takina amin’ny Kristianina rehetra koa anefa izany.