Manontany ny Tanora Hoe...
Tsara sa Ratsy ny Lalao Video?
TSY fialam-boly tena maoderina fotsiny ny lalao video. Manampy anao hampiasa saina izy io, sady manala sorisory. Tsy izay ihany anefa fa manampy anao hanao zavatra haingana koa izy io. Ary hita tamin’ny fanadihadiana, fa mahay mifantoka kokoa ny maso rehefa manao lalao video. Mety hanatsara ny vakiteninao sy ny fahaizanao matematika mihitsy aza ny sasany. Mba manan-kolazaina amin’ny namanao koa ianao, raha efa nanao ny lalao video nivoaka farany. Izany mantsy no ambentin-dresaky ny mpianatra matetika.
Mila miera amin’ny ray aman-dreninao anefa ianao, alohan’ny hanaovana lalao video. (Kolosianina 3:20) Raha avelany ianao, dia tokony hahay hifidy lalao mahafinaritra, sady mety amin’ny Kristianina. Mila mitandrina tsara àry ianao. Nahoana?
Misy maha ratsy azy!
Hoy i Brian, 16 taona: “Tsara be ny lalao video sady be mpanao.” Tsy izy rehetra anefa no tsara, araka ny mety ho efa fantatrao. Niaiky toy izao i Brian: “Afaka manao zavatra tsy ho sahinao atao mihitsy ianao, amin’ny lalao video. Tsy maintsy hahita faisana tsinona ianao, raha tena manao an’ilay izy.” Inona tokoa no mety ho vokatr’ireny lalao ireny eo aminao?
Maro ny lalao video mampirisika ny olona hanao zavatra raran’ny Baiboly, toy ny fijangajangana sy teny ratsy ary herisetra. (Salamo 11:5; Galatianina 5:19-21; Kolosianina 3:8) Aseho ho toy ny fanao tsara ny fifandraisana amin’ny Devoly, ao amin’ny lalao sasany. Hoy i Adrian, 18 taona, momba ny lalao iray be mpitia: “Misy jiolahim-boto miady ao, misy olona mifoka rongony, manao firaisana, miteny ratsy. Eo koa ny herisetra sy ra mandriaka ary vonoan’olona mahatsiravina.” Toa tsy misy dikany anefa ny lalao teo aloha, raha oharina amin’izay mivoaka farany. Azo iaraha-milalao amin’olon-kafa amin’ny alalan’ny Internet, ny be mpitia indrindra amin’ireny, hoy i James, 19 taona. Lasa avo lenta kokoa àry ny lalao video. Hoy koa izy: “Ao an-tranonao fotsiny ianao, dia efa afaka mifaninana amin’ny olona any andafy.”
Misy karazana lalao iray koa lasa tena be mpitia. Toy ny hoe ao amin’ny tanàna iray ianao. Afaka mamorona mpilalao hapetraka ao ianao. Mety ho olona izany, na biby, na bibiolona, ka ireny no ampilalaovina. Misy mpilalao an’arivony noforonin’olon-kafa koa ao amin’ilay tanàna. Ahitana fivarotana, fiara, trano, ary toerana fandihizana sy fivarotan-tena ao. Hoatran’ireny tanàna tena izy ireny mihitsy izy io. Afaka mifampiresaka eo no ho eo ianao sy ny mpandray anjara hafa, sady afaka mampifanandrina ny mpilalao noforoninareo, na mampanao zavatra hafa azy ireo.
Inona no mitranga ao amin’ireny tanàna ireny? Hoy ny mpanao gazety iray: ‘Ampanaovin’ny olona zavatra tsy ho sahiny hatao na tsy ho azony atao mihitsy, ny mpilalao noforoniny. Fahita koa ny firaisana sy fivarotan-tena.’ Bokotra vitsivitsy monja no tsindriana, dia afaka mampanao firaisana ny mpilalao noforoniny ny olona, sady mifampiresaka momba ny firaisana ao amin’ny Internet. Milaza koa ny gazety Mpahay Siansa Vaovao (anglisy) fa “feno heloka bevava, Mafia, mpanera olona ho an’ny mpivaro-tena, mpanao an-keriny, mpanao hosoka, ary mpamono olona” ao amin’ireny tanàna ireny. Hoy ny gazety iray hafa: ‘Manahy ny mpanao tsikera, satria misy fanao voararan’ny lalàna ao amin’ireny tanàna ireny. Mpametaveta mpivaro-tena, ohatra, ny mpilalao foronin’ny olona sasany. Ny an’ny hafa kosa ankizy no asainy manaram-po amin’ny firaisana.’
Nahoana ianao no mila mahay mifidy tsara?
Mety hilaza ny olona manao lalao video mamoafady hoe: “Tsy mampaninona ilay izy, satria tsy tena izy fa kilalao fotsiny.” Aza manaiky ho voafitaky ny hevi-diso toy izany anefa!
Hoy ny Baiboly: “Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin’ny fanaony na madio sy mahitsy ny fitondrantenany.” (Ohabolana 20:11) Raha zatra manao lalao video misy herisetra sy fitondran-tena maloto ianao, moa ve ianao azo lazaina hoe manana fisainana madio sy mahitsy? Hita imbetsaka tamin’ny fanadihadiana, fa vao mainka mahery setra ny olona tia fialam-boly misy herisetra. Hoy ny gazety Mpahay Siansa Vaovao: “Misy vokany kokoa noho ny mijery tele ny manao lalao video, satria tsy mijery fotsiny ilay olona, fa mandray anjara mihitsy.”
Toy ny mpifoka sigara ny olona manao lalao video misy herisetra na fitondran-tena maloto. Hanimba azy izy io, na dia tsy eo no ho eo aza. Raha zatra mifoka sigara ny olona, dia ho simba ny havokavony. Ho feno poizina avy amin’ilay sigara ny rany, ka hiteraka aretina izany. Raha zatra mijery sary mampiseho mivantana olona manao firaisana sy herisetra mahatsiravina koa ianao, dia hanimba anao izany ka ‘tsy hahalala menatra’ intsony ianao. Hibahana ao an-tsainao ny fanirian’ny nofo ka hotanterahinao.—Efesianina 4:19; Galatianina 6:7, 8.
Inona no lalao video tokony hofidiko?
Raha avelan’ny ray aman-dreninao hanao lalao video ianao, inona no hanampy anao hahay hifidy izany? Ahoana no hahalalanao ny fotoana tokony holaninao amin’izy io? Diniho izao:
◼ Sao dia hampahatezitra an’i Jehovah ity lalao video tiako ity? Ho tezitra na ho faly aminao Andriamanitra, arakaraka izay lalao video fidinao. Hoy ny Salamo 11:5: “Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan’ny fanahiny.” Hoy koa ny Baiboly momba ireo tia mifandray amin’ny Devoly: “Fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany.” (Deoteronomia 18:10-12) Tokony harahintsika ny torohevitra ao amin’ny Salamo 97:10, raha te ho naman’Andriamanitra isika. Izao no voalaza ao: “Hianareo izay tia an’i Jehovah, mankahalà ny ratsy.”
◼ Inona no ho vokany eo amin’ny fomba fisainako? Eritrereto izao: ‘Ho mora sa vao mainka ho sarotra amiko ny “handositra ny fijangajangana”, raha manao io lalao io aho?’ (1 Korintianina 6:18) Tsy hifantoka amin-javatra mahitsy, madio, ary tsara intsony ny sainao, raha manao lalao video misy sary na resaka manaitra ny filan’ny nofo ianao. (Filipianina 4:8) Hoy i Amy, 22 taona: “Be dia be ny lalao video mahatonga anao ho mafy fo, ka tsy mampaninona anao intsony ny herisetra sy ny teny ratsy ary ny fijangajangana. Lasa mora resin’ny fakam-panahy ianao. Tena mila fidinao tsara àry izay lalao video ataonao.”
◼ Adiny firy no holaniko amin’izy io? Hoy i Deborah, 18 taona: “Tsy ny lalao video rehetra no ratsy. Mety handany fotoana anefa izy ireny, ary mety ho sarotra ialana mihitsy aza.” Mety handany fotoana tokoa na dia ny lalao video tsara aza. Raiso an-tsoratra àry ny fotoana laninao amin’ilay izy. Ampitahao amin’ny fotoana laninao anaovana ireo zavatra tsy maintsy ataonao izany avy eo. Ho hainao amin’izay hoe inona no tokony hatao voalohany.—Efesianina 5:15, 16.
Tsy milaza akory ny Baiboly hoe tokony hianatra na hiasa foana isika. Voalaza ao kosa fa ‘ao ny andro ihomehezana ary ao ny andro andihizana.’ (Mpitoriteny 3:4) Tsara homarihina fa tsy fialam-boly ihany ny ‘mandihy’, fa fampiasam-batana koa. Nahoana àry raha mba manao lalao mampiasa vatana indraindray, toy izay hipetraka foana eo anoloan’ny ordinatera?
Mahaiza mifidy
Mahafinaritra erỳ ny manao lalao video, indrindra raha hainao tsara ilay izy. Ary izany no tena antony tokony hahaizanao hifidy tsara azy ireny. Eritrereto izao: ‘Inona avy no taranja tena haiko any am-pianarana?’ Matetika dia ny taranja tena hainao no tianao, sa tsy izany? Arakaraka ny itiavanao an’ilay taranja anefa no vao mainka ahaizanao azy. Eritrereto indray àry izao: ‘Inona no lalao video tiako indrindra? Manampy ahy ho tsara fitondran-tena ve ilay izy sa tsia?’
Inona no hanampy anao hahay hifidy lalao video? Soraty izay lalao video tianao. Lazao avy eo ny tanjona amin’ilay izy sy ny tetika atao mba hahatratrarana izany. Ampitahao amin’ireo toro lalan’ny Baiboly voalaza ato amin’ity lahatsoratra ity izany. Diniho avy eo, raha mety amin’ny Kristianina ilay lalao na tsia.
Aoka àry ianao ho sahy hifidy ny lalao video ataonao, fa aza manaraka fotsiny izay ataon’ny namanao. Ambonin’ny zava-drehetra, dia ampiharo ity torohevitra ity: “Fantaro tsara foana izay ankasitrahan’ny Tompo.”—Efesianina 5:10.
Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”
ERITRERETO IZAO:
◼ Inona no holazainao amin’ny namanao, raha asainy manao lalao video misy herisetra na fitondran-tena maloto ianao?
◼ Inona no azonao atao, mba tsy ho variana amin’ny lalao video ianao, amin’ny fotoana tokony hanaovanao ireo zavatra tsy maintsy ataonao?
[Teny notsongaina, pejy 19]
Toy ny mpifoka sigara ny olona manao lalao video misy herisetra na fitondran-tena maloto. Hanimba azy izy io, na dia tsy eo no ho eo aza
[Efajoro, pejy 18]
Impiry ianao no manao lalao video?
□ Mahalana
□ Indray mandeha isan-kerinandro
□ Isan’andro
Adiny firy ianao no milalao?
□ Minitra vitsivitsy
□ Adiny iray na latsaka
□ Adiny roa mahery
Inona no karazana lalao video tianao indrindra?
□ Fifaninanana mamily fiara
□ Spaoro
□ An-kitifitifitra
□ Hafa
Soraty eto izay lalao video fantatrao hoe tsy mety amin’ny Kristianina.
․․․․․
[Efajoro/Sary, pejy 20, 21]
HO AN’NY RAY AMAN-DRENY
Hitanareo angamba, rehefa namaky ilay lahatsoratra teo aloha ianareo, fa niova be ny lalao video, tsy toy ny tamin’ny andronareo. Ahoana no hanampianareo ny zanakareo hamantatra ny mety ho voka-dratsin’izy ireny, ary hitandrina mba tsy ho voan’izany?
Tsy tsara ny manome tsiny ny mpamokatra lalao video, na manizingizina fa mandany fotoana fotsiny ireny lalao ireny. Tadidio fa tsy ny lalao video rehetra no ratsy. Mety ho sarotra ialana anefa izy ireny, ary handany fotoana be. Fantaro àry ny fotoana lanin’ny zanakareo ilalaovana azy ireny. Jereo koa izay lalao video tiany. Azonareo anontaniana mihitsy aza izy hoe:
◼ Inona ny lalao video tena tian’ny mpiara-mianatra aminao?
◼ Inona no hita ao amin’ilay izy?
◼ Fa maninona ilay izy no tena tian’ny ankizy?
Ho gaga ianareo hahita fa mahalala zavatra betsaka momba ny lalao video ny zanakareo! Mety ho efa nanao lalao video heverinareo fa ratsy mihitsy aza izy. Aza tonga dia tezitra anefa, raha izany no mitranga. Hararaoty kosa izany mba hanampiana azy handinika tsara.—Hebreo 5:14.
Mametraha fanontaniana hanampy azy hahita hoe nahoana izy no tia lalao video ratsy. Anontanio, ohatra, izy hoe:
◼ Mahatsapa hoe ailikiliky ny namanao angaha ianao, satria tsy mahazo manao an’io lalao video io?
Araka ny hita ao amin’ilay lahatsoratra alohan’ity, dia misy tanora manao lalao video, mba hanan-kolazaina amin’ny namany. Raha toy izany ny amin’ny zanakareo, dia tsara raha torohevitra momba ny faneren’ny namana no omena azy. Hafa indray ny fomba anampiana azy, raha lalao misy herisetra mahatsiravina na misy firaisana no tiany.—Kolosianina 4:6.
Ahoana anefa raha ireo zava-dratsy ireo mihitsy no mahafinaritra azy? Matetika ny tanora toy izany no manizingizina avy hatrany, fa tsy misy vokany eo aminy ny lalao video feno herisetra mahatsiravina. Hoy izy: ‘Tsy hoe rehefa manao an’ilay izy amin’ny ordinatera ange aho, dia hoe hanao an’ilay izy tokoa any aoriana any e!’ Vakio aminy àry ny Salamo 11:5, hita eo amin’ny pejy 20. Hita avy amin’io andininy io, fa tsy ny olona mampidi-doza na mahery setra fotsiny no halan’Andriamanitra, fa izay mifaly hampidi-doza na tia herisetra koa. Toy izany koa ny amin’izay tia fijangajangana na zava-dratsy hafa raran’Andriamanitra.—Salamo 97:10.
Ireto misy soso-kevitra avy amin’ny manam-pahaizana:
◼ Aza avela hanao lalao video ao amin’ny toerana tsy ahafahanareo manara-maso azy ny zanakareo. Ohatra hoe ao amin’ny efitra fatoriany.
◼ Mametraha fitsipika (ohatra hoe tsy mahazo milalao raha tsy avy misakafo hariva, na raha tsy vita ny entimody, na zavatra hafa tsy maintsy atao).
◼ Lazao fa mahasoa koa ny mampiasa vatana, toy izay hipetraka foana.
◼ Araho maso ny zanakareo rehefa milalao. Tsara aza raha miara-milalao aminy ianareo indraindray.
Raha tianareo hanaraka ny torohevitrareo momba ny fialam-boly anefa ny zanakareo, dia ianareo aloha no tokony ho modely. Eritrereto àry izao: ‘Inona no karazana filma tiako?’ Raha mifanohitra amin’izay lazainareo mantsy ny ataonareo, dia ho voamariky ny ankizy izany!