FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 3/13 p. 14-15
  • Robert Boyle

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Robert Boyle
  • Mifohaza!—2013
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • MPAHAY SIANSA
  • LEHILAHY NANAM-PINOANA
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2013
  • Nanampy ny Olona Hahazo ny Tenin’Andriamanitra ny Baibolin’i Bedell
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Nanokanako ny Fiainako ny Siansa
    Mifohaza!—2003
  • Loharanom-pahendrena Ambony Tsy Manam-paharoa
    Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?
Hijery Hafa
Mifohaza!—2013
g 3/13 p. 14-15

FIANARANA AVY TAMIN’NY LASA

Robert Boyle

Mety ho fantatr’ireo olona tia tantara fa i Robert Boyle ilay mpahay siansa namorona ny lalàn’i Boyle. Hazavaina amin’io lalàna io ny fifandraisan’ny tsindry sy ny habetsahan’ny rivotra. Nisy vokany be teo amin’ny fandrosoana ara-tsiansa tatỳ aoriana ny zavatra hitany. Tsy mpahay siansa fotsiny anefa i Robert Boyle fa tena nino an’Andriamanitra sy ny Baiboly koa.

ZANAKA mpanankarena i Boyle ary teraka tao amin’ny Lapan’i Lismore, any Irlandy, tamin’ny 1627. Tamin’izany ireo olona manan-tsaina no nanomboka nanampy ny mpiara-belona taminy mba tsy hafana fo tafahoatra, na dia izany aza no nampiavaka ny olona nandritra ny taonjato maro. Anisan’ireny olona manan-tsaina ireny i Boyle. Nataony hoe Philarète, na “Olona Tia Toetra Tsara”, ny anarany tamin’izy mbola tanora.

Tena tia fahamarinana i Boyle sady tia nizara izay nianarany, ka namoaka boky be dia be. Nisy vokany tamin’Atoa Isaac Newton, mpahay siansa malaza, sy ny olona maro hafa niara-belona taminy ireny boky ireny. Anisan’ny namorona ny Fikambanan’ny Mpanao Fikarohana Ara-tsiansa i Boyle tamin’ny 1660. Mbola misy any Londres, any Angletera, io fikambanana io hatramin’izao.

MPAHAY SIANSA

I Boyle no voalaza fa namorona ny simia. Tsy nitovy tamin’ny mpahay simia tamin’ny androny izy. Ny azy ireo mantsy nafeniny ny vokatry ny fikarohana nataony, na navoakany boky ihany fa nataony tsy azon’ny olon-tsotra. Ny an’i Boyle kosa nohazavainy tamin’ny an-tsipiriany. Nino koa izy hoe tsara kokoa ny manao fanandramana mba hahitana izay tena marina, fa tsy manaiky fotsiny an’izay neken’ny mpahay siansa hatramin’izay.

Hitan’i Boyle tamin’ny fikarohana nataony fa singan-javatra maro mitambatambatra no manome zavatra iray, ary ny fomba itambaran’ireo singa ao anatiny no tsy mampitovy ny zavatra iray amin’ny hafa.

Voafintina ao amin’ilay bokiny hoe Ilay Mpahay Simia Be Fisalasalana (anglisy) ny hevitr’i Boyle momba ny fikarohana ara-tsiansa. Noresahiny tao fa tsy tokony hanambony tena na hiziriziry amin’ny heviny ny mpahay siansa, fa tokony ho vonona hanaiky fahadisoana. Nilaza izy fa tokony hahay hanavaka ny zavatra fantany fa marina sy izay heveriny ho marina ireo mpiziriziry amin’ny heviny.

Nilaza izy fa tokony hahay hanavaka ny zavatra fantany fa marina sy izay heveriny ho marina ireo mpiziriziry amin’ny heviny

LEHILAHY NANAM-PINOANA

Nataon’i Boyle nifanaraka tamin’ny zavatra fantany fa marina koa ny zavatra ninoany. Nandinika an’izao rehetra izao sy ny fomba nanaovana ny zavamananaina izy, ka nanatsoaka hevitra hoe tsy maintsy nisy namorona izy ireny. Tsy nekeny àry ilay hevitry ny manam-pahaizana tamin’izany hoe tsy misy Andriamanitra. Tsy maintsy hiaiky ny olona iray hoe misy Andriamanitra raha misaina tsara izy, hoy i Boyle.

Nihevitra anefa i Boyle fa tsy hahafantatra ny tena marina ny olona, raha tsy ampian’Andriamanitra. Manampy amin’izany, hoy izy, ny Baiboly na ny Tenin’Andriamanitra.

Nalahelo i Boyle nahita hoe maro no tsy nahalala ny fampianaran’ny Baiboly, ka toa tsy tena marim-pototra ny finoany. Tsy rariny ny hoe izay fivavahan’ny ray aman-dreniny fotsiny no arahin’ny olona iray, na izay fivavahana ao amin’ny toerana misy azy. Naniry mafy hanampy ny olona handalina ny Baiboly i Boyle.

Nanome vola àry izy mba hamoahana Baiboly amin’ny fiteny maro, toy ny teny arabo, irlandey, malezianina, tiorka, ary ny fiteny sasany ampiasain’ireo Indianina any Amerika Avaratra. Hita hoe nahira-tsaina nefa nanetry tena i Robert Boyle. Tena naniry hahalala ny marina izy ary te hanampy ny hafa hahalala an’izany koa.

MOMBAMOMBA AZY

  • Teraka tany Irlandy tamin’ny 1627.

  • Izy no voalaza fa namorona ny simia.

  • Mpahay siansa voalohany namoaka boky miresaka amin’ny an-tsipiriany ny fanandramana nataony.

  • Nisy vokany be tamin’i Isaac Newton ny zavatra nosoratany. Zandriny kokoa i Newton ary niara-belona izy ireo.

  • Nanome vola handikana Baiboly ho amin’ny fiteny maro.

  • Maty tany Angletera tamin’ny 1691, tamin’izy 64 taona.

BAIBOLY AMIN’NY TENY IRLANDEY

Fantatr’i Robert Boyle fa efa tamin’ny 1573 no nanomboka nandika ampahany amin’ny Baiboly ho amin’ny teny irlandey ny manam-pahaizana vitsivitsy. Nanonta an’ilay ampahany nantsoina hoe Testamenta Vaovao izy ireo, tamin’ny 1602. Voadika tamin’ny 1640 kosa ny Soratra Hebreo, izay antsoina matetika hoe Testamenta Taloha. Tsy natao pirinty anefa izy io, raha tsy tamin’ny 1685. Tamin’io mantsy i Boyle no nanome vola hanaovana an’ilay izy. Nadika tamin’ny teny irlandey koa ny Apokrifa, izany hoe ireo boky tsy anisan’ny Baiboly nefa atambatry ny olona amin’ny Baiboly. Tia fahamarinana i Boyle, ka tsy nanaiky ny hanaovana pirinty an’ireny boky ireny.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara