FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 3/14 p. 8-9
  • Vola

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vola
  • Mifohaza!—2014
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny vola ve no mahatonga ny olana rehetra?
  • Inona no ilana ny vola?
  • Ahoana no ampiasana tsara ny vola?
  • Ny Vola ve no Fototry ny Ratsy Rehetra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ahoana no Fiheveranao ny Vola?
    Mifohaza!—2015
  • Ahoana no Tokony Hiheverana ny Vola?
    Mifohaza!—2007
  • Ahoana no Hahaizana Mitantam-bola?
    Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
Hijery Hafa
Mifohaza!—2014
g 3/14 p. 8-9

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Vola

Ny vola ve no mahatonga ny olana rehetra?

‘Fitiavam-bola no anisan’ny fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao.’—1 Timoty 6:10.

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Ny vola no mahatonga ny olana rehetra eo amin’ny fiainana.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Tsy ny vola no mahatonga olana, fa ny “fitiavam-bola.” Nilaza olana telo mpahazo an’ireo olona tia vola loatra i Solomona, mpanjaka nanan-karena. Voalohany, be fanahiana: ‘Ny habetsahan’ny fananan’ny mpanankarena no tsy ahitany tory.’ (Mpitoriteny 5:12) Faharoa, tsy mety afa-po: “Izay tia volafotsy dia tsy ho afa-po amin’izay volafotsy ananany. Ary izay tia harena koa tsy ho afa-po amin’izay harena azony.” (Mpitoriteny 5:10) Fahatelo, alaim-panahy hanao ratsy foana: ‘Tsy hitoetra ho tsy manan-tsiny izay maimay te hanan-karena.’—Ohabolana 28:20.

Inona no ilana ny vola?

‘Fiarovana ny vola.’—Mpitoriteny 7:12.

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Ireo manam-bola no sambatra sy milamin-tsaina.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Voafitaka ireo mihevitra fa ny vola no mahasambatra sy mampilamin-tsaina. Izay ilay hoe “famitahan’ny harena” resahin’ny Marka 4:19. Na izany aza anefa, dia ‘ny vola no ahazoana ny zava-drehetra.’ (Mpitoriteny 10:19) Afaka mividy sakafo sy fanafody, ohatra, isika rehefa manam-bola, ary ilaina izany mba hahavelona antsika.—2 Tesalonianina 3:12.

Mila vola koa isika hikarakarana ny fianakaviantsika. Hoy mantsy ny Baiboly: “Raha misy tsy manome izay ilain’ny olona tokony ho adidiny, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nanda ny finoana izy.”—1 Timoty 5:8.

Ahoana no ampiasana tsara ny vola?

‘Mipetraha aloha ary ataovy kajy izay ho lany.’—Lioka 14:28.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Ampiasao amin’izay zavatra ankasitrahan’Andriamanitra ny volanao. (Lioka 16:9) Manaova ny marina foana, ary ampiasao amin’izay tena ilana azy ny vola. (Hebreo 13:18) “Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola”, hoy ny Hebreo 13:5. Aza mividy zavatra tsy takatry ny volanao àry.

Tsy raran’ny Baiboly ny mitrosa, nefa mampitandrina izy hoe: “Izay misambo-bola dia mpanompon’ilay mampisambotra.” (Ohabolana 22:7) Aza tia mividy zavatra tampotampoka àry, satria ‘hahantra izay Rehetra maimaika.’ (Ohabolana 21:5) Manaova kosa tahiry, ary ampiasao amin’izay zava-dehibe aminao izany.—1 Korintianina 16:2.

Mampirisika antsika koa ny Baiboly mba “ho zatra manome.” (Lioka 6:38) Tokony halala-tanana isika raha te hampifaly an’Andriamanitra, satria “ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” (2 Korintianina 9:7) “Aza manadino hanao soa sy hizara amin’ny hafa” àry, “fa sorona toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra.”—Hebreo 13:16.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara