FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g20 No. 3 p. 4-5
  • Fantaro ny Tena Zava-misy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fantaro ny Tena Zava-misy
  • Mifohaza!—2020
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Olana
  • Toro lalana
  • Nahoana izany no tena ilaina?
  • Inona no azonao atao?
  • Manavakavaka ve Ianao?
    Mifohaza!—2020
  • Iharan’ny Fitsarana An-tendrony ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Olana Eran-tany ny Fanavakavahana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Rahoviana no Tsy Hisy Intsony ny Fanavakavahana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
Hijery Hafa
Mifohaza!—2020
g20 No. 3 p. 4-5
Lehilahy roa manadinadina vehivavy iray mitady asa ao amin’​ny orinasa iray mpanamboatra aotomobilina. Tsy mahazo aina ilay vehivavy.

Fantaro Ny Tena Zava-misy

Olana

Manavakavaka ny olona matetika satria tsy fantany ny tena zava-misy. Ireto misy ohatra:

  • Mino ny mpampiasa sasany hoe tsy mety amin’ny vehivavy ny asa ilana fahaizana manokana.

  • Teo anelanelan’ny taona 500 sy 1500 tany ho any, dia nendrikendrehina ho nanapoizina lavadrano sy nanaparitaka aretina ny Jiosy. Nolazaina koa hoe nahatonga ny olana ara-toe-karena tany Alemaina izy ireo, nandritra ny fitondrana nazia. Tena nankahalain’ny olona ny Jiosy noho izany, ary mbola hita izany amin’izao.

  • Be dia be koa ny olona mieritreritra hoe malahelohelo lava na kivy amin’ny fiainana ny olona manana kilema.

Milaza ho mahita porofo manamarina an’izany ny olona mino an’ireo. Ary raha tsy mitovy hevitra aminy ianao, dia lazaina hoe vendrana.

Toro lalana

“Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny olona.”—OHABOLANA 19:2.

Ahoana izany? Tsy hety ny fanapahan-kevitra raisintsika raha tsy mahalala ny tena zava-misy isika. Hitsaratsara ny hafa isika raha mino zavatra tsy marina.

Mampirisika ny Olona Hanavakavaka ve ny Baiboly?

Misy milaza fa mampirisika ny olona hanavakavaka ny Baiboly. Inona anefa no tena lazain’izy io?

  • Fianakaviana iray ihany ny olombelona rehetra: “Avy tamin’ny olona anankiray no [nanaovan’Andriamanitra] ny olona any amin’ny firenena rehetra.”—Asan’ny Apostoly 17:26.

  • Tsy manavakavaka Andriamanitra: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

  • Ny toetran’ny olona no ifantohan’Andriamanitra fa tsy ny paoziny: “Ny olona mijery izay hitan’ny maso, fa i Jehovah kosa mijery ny fo.”—1 Samoela 16:7.a

a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.

Nahoana izany no tena ilaina?

Raha mahalala ny tena marina momba ny olona sasany isika, dia tsy ho mora hino ny lainga aelin’ny hafa momba azy. Rehefa fantatsika hoe tsy marina ny zavatra lazain’ny olona momba ny sokajin’olona iray, dia tsy ho mora hino ny zavatra henontsika momba ny hafa isika.

Tantara Tena Nisy: Jovica (Eoropa)

Efa hatramin’ny mbola kely i Jovica, ilay voaresaka tany aloha, no naheno fanaratsiana momba ny foko anankiray. Henony tamin’ny mpiray tanindrazana taminy izany, na tamin’ny vaovao, na tamin’ny fandaharana tamin’ny tele. Hoy izy: “Lasa nanavakavaka an’ireo olona ireo aho, ary nanjary tsy tiako maizina ry zareo. Nihevitra koa aho hoe rariny aho raha nahatsapa an’izany.

“Rehefa nanao miaramila anefa aho, dia tsy maintsy niara-nipetraka sy niara-niasa tamin’ny miaramila avy amin’io foko io. Lasa fantatro kokoa ry zareo, tatỳ aoriana. Lasa nianatra ny fitenin-dry zareo mihitsy aza aho, dia nihaino ny hiran-dry zareo. Lasa tiako ny niaraka tamin’ireo miaramila ireo, dia lasa niova ny fiheverako azy ireo. Mety hankahala ny olona ao amin’io foko io indray anefa aho raha tsy mitandrina. Aleoko àry tsy mihaino vaovao manaratsy an-dry zareo. Tsy mijery filma na fandaharana maneso azy ireo koa aho. Fantatro mantsy hoe mety hivadika ho hatezerana na fankahalana ny fanavakavahana.”

Inona no azonao atao?

  • Tadidio fa matetika ny zavatra lazain’ny olona momba ny antokon’olona iray no tsy mihatra amin’ny olona tsirairay ao amin’izy io.

  • Ekeo hoe tsy voatery hahafaoka ny zava-misy rehetra ny fanazavana azonao momba ny hafa.

  • Miezaha hahafantatra ny tena zava-misy, ary loharanon-kevitra azo itokisana jerena.

Nandresy ny fankahalana izy ireo

Sary: 1. Lehilahy roa mandeha an-tongotra ary mifampiresaka. 2. Ilay lehilahy iray teo ihany faly miaraka amin’​ny namany.

Inona no nanampy ny Arabo iray sy ny Jiosy iray tsy hifankahala intsony?

Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Rahoviana no Hanjaka ny Fitiavana ary ho Resy ny Fankahalana?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara