FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g20 No. 3 p. 6-7
  • Miezaha Hangoraka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miezaha Hangoraka
  • Mifohaza!—2020
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Olana
  • Toro lalana
  • Nahoana izany no tena ilaina?
  • Inona no azonao atao?
  • Fiaraha-miory—Manampy ho Tsara Fanahy sy Hangoraka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Miezaha Hangoraka
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • Mba Malahelo Anao ve Izy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2018
  • Fianakaviana sy Namana
    Mifohaza!—2019
Hijery Hafa
Mifohaza!—2020
g20 No. 3 p. 6-7
Lehilahy iray fotsy hoditra sy lehilahy iray manaraka ny fivavahana sikh. Miara-mipetraka ao anaty raoplanina ry zareo ary mifampiresaka sady falifaly.

Miezaha Hangoraka

Olana

Mety ho ratsy ny fahitantsika ny zavatra tsy itovizantsika amin’ny hafa, raha mifantoka be loatra amin’ilay izy isika. Lasa heverintsika ho ambany ny olona tsy mitovy amintsika. Raha vao manao an’izany anefa isika, dia ho sarotra amintsika ny hangoraka azy. Rehefa tsy mangoraka indray isika, dia mety hidika izany hoe manana olana lehibe kokoa isika, izany hoe manavakavaka.

Toro lalana

“Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.”—ROMANINA 12:15.

Ahoana izany? Mangoraka isika rehefa mahay mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa sady mahatsapa ny fihetseham-pony.

Nahoana izany no tena ilaina?

Rehefa mangoraka isika, dia lasa tsapantsika hoe hay mitovy ihany isika sy ny olon-kafa. Hay mitovy amin’ny azy ihany ny fihetseham-pontsika sy ny zavatra ataontsika. Ho hitantsika koa hoe fianakaviana iray ihany ny olona rehetra, na inona na inona fiaviany, sarangany, na ny fianarana vitany. Tsy dia hankahala olona isika raha mifantoka amin’ny zavatra itovizantsika aminy.

Raha mangoraka koa isika dia hanaja ny hafa. Tsy nanaja an’ireo olona nolazaina fa ambany, ohatra, i Anne-Marie avy any Sénégal. Niova anefa izy rehefa niezaka nangoraka. Izao no nolazainy: “Rehefa hitako ny fijaliana niaretan’ireny olona ireny, dia lasa saina aho hoe ho nanao ahoana aho raha izaho no teo amin’ny toerany. Tsapako avy eo hoe tsy ambony noho ireny olona ireny aho. Tsisy na inona na inona nataoko ka nahatonga ahy ho tsara kokoa noho ry zareo.” Raha miezaka hahatsapa ny fijaliana atrehin’ny olona isika dia hangoraka azy fa tsy hanakiana azy.

Inona no azonao atao?

Raha misy sokajin’olona tsy dia tianao, dia iezaho fantarina hoe inona avy ny zavatra itovizanareo. Azonao saintsainina, ohatra, hoe inona no tsapany amin’ireto toe-javatra ireto:

Raha mangoraka isika, dia ho hitantsika hoe fianakaviana iray ihany ny olona rehetra

  • Misakafo miaraka amin’ny fianakaviany

  • Nahavita an’ilay asa mafy nila nataony tamin’iny andro iny

  • Mikorana miaraka amin’ny namany

  • Mihaino ny hira tiany indrindra

Avy eo dia miezaha hipetraka eo amin’ny toerany. Saintsaino hoe:

  • ‘Inona no hataoko raha misy olona manambanimbany ahy?’

  • ‘Inona no hataoko raha misy olona mitsaratsara ahy, nefa tsy mahafantatra tsara ahy akory?’

  • ‘Raha anisan’io sokajin’olona io aho, ahoana no tiako hitondran’ny hafa ahy?’

Ireo lehilahy roa teo ihany mampiseho ny sarin’izy ireo manao zavatra mitovy. Ohatra hoe sarin’izy ireo miaraka amin’ny fianakaviany, manao fanatanjahan-tena, ary miasa.

Tantara Tena Nisy: Robert (Singapour)

“Nieritreritra aho taloha hoe hafahafa ny olona marenina, tsy kinga saina, ary mora tafintohina. Nihatakataka tamin-dry zareo àry aho. Tsy nieritreritra anefa aho hoe nanavakavaka. Hoatran’ny hoe tsy nisy vokany ratsy tamin’ny hafa mantsy ilay izy.

“Tsy nitsaratsara ny marenina intsony aho rehefa nangoraka azy ireo. Hoatran’ny hoe votsavotsa saina ny fahitako ny marenina taloha. Rehefa niresaka tamin-dry zareo mantsy aho, dia tsy taitra mihitsy izy fa izaho fotsiny no nojereny. Niezaka nipetraka teo amin’ny toerany àry aho, dia tsapako hoe ho nanao hoatran-dry zareo koa aho raha tsy henoko ny zavatra tenenin’ny olona amiko. Na dia manana fitaovana manampy ahy haheno kokoa aza aho, dia mety ho diso fandray ny paozin’ny tarehiko ny olona. Mety hoe miezaka hahazo an’ilay zavatra resahina no fahitany ahy, nefa tsy henoko akory ilay izy raha ny marina.

“Tsy nanavakavaka intsony aho rehefa niezaka nipetraka teo amin’ny toeran’ny marenina.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara