FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g21 No. 3 p. 3
  • Inona no Hanampy Anao Hanapa-kevitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Hanampy Anao Hanapa-kevitra?
  • Mifohaza!—2021
  • Mitovitovy Aminy
  • Afaka Mampisy Heviny Kokoa ny Fiainanao ny Mpamorona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Miezaha ho Resy Lahatra Kokoa hoe Misy ny Mpamorona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Ahoana no Nampisy An’izao Rehetra Izao?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Ny Mpamorona Anao — Fantaro ny Mombamomba Azy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Mifohaza!—2021
g21 No. 3 p. 3
Vehivavy iray lasa saina mijery mpitondra fivavahana iray mitazona Baiboly sy mpahay siansa iray mitazona sarina ADN.

Inona no Hanampy Anao Hanapa-kevitra?

“Niforona ho azy izao rehetra izao.”​—Stephen Hawking sy Leonard Mlodinow, mpahay fizika, 2010.

“Namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.”​—Baiboly, Genesisy 1:1.

Noforonin’Andriamanitra ve izao rehetra izao sy ny zavamananaina, sa niforona ho azy? Mifanao atsimo sy avaratra ny tenin’ireo mpahay fizika voalaza etsy ambony sy izay lazain’ny Baiboly. Samy be mpanohana ireo hevitra ireo. Betsaka anefa ny olona tsy mahazo antoka hoe inona no marina. Adihevitra be izany ao amin’ireo boky be mpitia sy ireo fandaharana amin’ny tele.

Nanizingizina angamba ny mpampianatra anareo hoe tsy misy ny Mpamorona, fa niforona ho azy izao rehetra izao sy ny zavamananaina. Voaporofon’izy ireo ve anefa izany? Angamba koa ianao efa naheno mpitondra fivavahana nilaza hoe tena misy ny Mpamorona. Nanome porofo ve anefa ry zareo, sa asainy manaiky an’izany fotsiny ianao?

Efa nisaintsaina an’izany angamba ianao, dia nieritreritra hoe tsy misy afaka manaporofo raha tena misy ny Mpamorona. Mety ho efa lasa saina koa aza ianao hoe: ‘Zava-dehibe ve anefa ny valin’izany?’

Hahita porofo vitsivitsy ianao ato amin’ity gazety ity. Nanampy olona maro izy ireo mba ho resy lahatra fa tena misy ny Mpamorona. Horesahina ato koa hoe nahoana no zava-dehibe ny valin’io fanontaniana io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara