FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g21 No. 3 p. 8-9
  • Zavatra Tsy Hain’ny Mpahay Siansa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zavatra Tsy Hain’ny Mpahay Siansa
  • Mifohaza!—2021
  • Mitovitovy Aminy
  • Miresaka ny Finoany Ilay Manam-pahaizana Momba ny Fanjary Tsaika
    Mifohaza!—2016
  • Misy Vokany eo Amin’ny Fiainanao ny Siansa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Afaka Mampisy Heviny Kokoa ny Fiainanao ny Mpamorona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Ahoana no Nampisy ny Fiainana?
    Foto-kevitra Hafa
Hijery Hafa
Mifohaza!—2021
g21 No. 3 p. 8-9
Lehilahy iray mpampianatra taranja siansa miresaka amin’ny mpianany vitsivitsy.

Zavatra Tsy Hain’ny Mpahay Siansa

Betsaka ny zavatra hain’ny mpahay siansa momba an’izao rehetra izao. Maro anefa ny fanontaniana lehibe mbola tsy voavalin’izy ireo.

Hain’ny mpahay siansa ve hoe ahoana no nampisy an’izao rehetra izao sy ny zavamananaina? Tsia. Misy milaza hoe afaka manazava ny niandohan’izao rehetra izao ireo mpahay siansa. Hafa anefa no nolazain’i Marcelo Gleiser, izay misalasala ny amin’ny fisian’Andriamanitra, sady mpampianatra momba ny kintana sy planeta ao amin’ny oniversite any Dartmouth. Hoy izy: “Mbola tsy voazavanay mihitsy hoe ahoana no niandohan’izao rehetra izao.”

Hoy ny gazety Vaovao Ara-tsiansa (anglisy) momba ny hoe ahoana no nampisy ny zavamananaina: “Mety tsy ho afaka hamantatra ny nampisy ny zavamananaina teto an-tany isika. Efa tsy hita intsony mantsy ny ankamaroan’ireo vato sy fôsily hahafantarana ny zava-nitranga tany aloha be tany.” Mbola tsy hain’ny mpahay siansa àry ny valin’ilay fanontaniana hoe: “Ahoana no nampisy an’izao rehetra izao sy ny zavamananaina?”

Izao anefa: Raha nisy namorona ny zavamananaina eto an-tany, dia mety ho iza izany? Raha tena misy ny Mpamorona, ary hendry sy be fitiavana izy, nahoana ny olombelona no avelany hijaly? Nahoana no be dia be hoatr’izao ny fivavahana? Nahoana ny mpivavaka no avelany hanao ratsy?

Tsy voavalin’ny siansa izany. Tsy midika anefa izany hoe tsy ho afaka hahita ny valiny mihitsy ianao. Olona maro mantsy no nahita valiny mahafa-po tao amin’ny Baiboly.

Te hahafantatra ve ianao hoe nahoana ny mpahay siansa sasany no mino fa misy ny Mpamorona rehefa avy nandinika ny Baiboly izy ireo? Midira ao amin’ny jw.org/mg ary karohy ilay hoe “hevitry ny olona momba ny niandohan’ny fiainana.”

Nanampy azy Ireo ho Resy Lahatra ny Siansa sy ny Baiboly

Georgiy Koidan, mpahay simia

“Rehefa manao ny asako aho, dia matetika no manambatambatra zavatra simika mba ho lasa molekiola. Misy dingana maromaro ilay izy, dia mila alamina mialoha. Tsy mety mitambatra ilay molekiola raha tsy narahina tsara ny dingana sasany. Tena sarotra ny asako. Mbola tsotra anefa izany raha oharina amin’ny zavatra mitranga ao anatin’ny sela. Misy zavatra simika mitambatambatra koa mantsy ao mba ho lasa molekiola. An’arivony amin’izany anefa no hita ao anatin’ny sela. Rehefa mahita an’izany aho dia resy lahatra hoe tena misy ny Mpamorona ary tena mahay simia izy.

“Rehefa nianatra Baiboly aho dia hitako hoe miavaka amin’ny boky hafa izy io. Efa ho 2 000 taona izay no nanoratana azy, nefa mbola tena ilaina amin’izao ny torohevitra ao anatiny. Atorony ao hoe ahoana no andaminana olana eo anivon’ny fianakaviana na any am-piasana ary eo amin’ny fiaraha-monina, ary tena mandaitra izany. Tsy maintsy hoe mahay lavitra noho isika ilay nanome an’izany torohevitra faran’izay tsara izany.

Yan-Der Hsuuw, manam-pahaizana momba ny fanjary tsaika

“Raha vao manomboka miforona ny zaza ao am-bohoka, dia tsy maintsy miara-miasa ny sela rehetra mba hahatonga ny sela sasany ho lasa selan’ny rafi-pitatitra, selan-kozatra, selan’ny taolana, selan’ny ra, na tamba-tsela hafa, ary amin’ny farany lasa zazakely. Mbola tsy azonay tsara hatramin’izao hoe ahoana no mahatonga an’ireny sela ireny ho lasa zazakely. Hitako hoe tsy maintsy ho avy amin’ny Mpamorona iray marani-tsaina izany.

“Miresaka momba ny fitomboan’ny zaza ao am-bohoka ny Salamo 139:15, 16. Mifanaraka amin’ny zavatra hitan’ny mpahay siansa vao haingana izany. Tena marina ilay izy na dia efa ela be aza no nosoratana. Ahoana no nahaizan’ilay mpanoratra Baiboly an’izany raha tsy ny Mpamorona no nampahafantatra azy?”

Tadiavo ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Rocío Picado Herrero: Manazava ny Finoany Ilay Mpampianatra Simia.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara