FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g21 No. 3 p. 10-13
  • Inona no Lazain’ny Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Lazain’ny Baiboly?
  • Mifohaza!—2021
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Tsy Lazain’ny Baiboly?
  • Oviana Andriamanitra no Nanomboka Namorona An’izao Rehetra Izao?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Diso ve ny Genesisy Rehefa Jerena ny Siansa?
    Mifohaza!—2006
  • Ahoana Marina no Namoronana Izao Rehetra Izao?
    Mifohaza!—2014
  • Diso ve ny Genesisy Rehefa Jerena ny Siansa?
    Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?
Hijery Hafa
Mifohaza!—2021
g21 No. 3 p. 10-13

Inona no Lazain’ny Baiboly?

“Izao no tantaran’ny lanitra sy ny tany tamin’ny fotoana namoronana azy.” (Genesisy 2:⁠4) Fintinin’ny Baiboly amin’ireo teny ireo hoe ahoana no nisian’ny planetantsika. Mifanaraka amin’ny voka-pikarohana hitan’ny mpahay siansa ve izany? Diniho ireto ohatra vitsivitsy ireto.

Tany am-piandohana: Noforonina ny lanitra hita maso sy ny tany

Efa nisy foana ve izao rehetra izao?

Hoy ny Genesisy 1:1: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.”

Maro ny mpahay siansa malaza mino hoe efa nisy foana izao rehetra izao. Nino an’izany foana ry zareo talohan’ny 1950. Noho ireo voka-pikarohana vao haingana anefa dia niaiky ny ankamaroan’ny mpahay siansa hoe nanam-piandohana izao rehetra izao.

Hoatran’ny ahoana ny tany tamin’ny voalohany?

Resahin’ny Genesisy 1:2, 9 fa tamin’ny vao noforonina ny tany, dia ‘tsy nisy endriny sady tsy nisy na inona na inona’ fa tototry ny rano.

Mifanaraka amin’ny zavatra hitan’ny mpahay siansa izany. Resahin’i Patrick Shih, mpikaroka momba ny zavamananaina, hoe “tsy nisy oksizenina teto an-tany tamin’ny voalohany .⁠.⁠. sady tsy nisy na inona na inona.” Hoy koa ny gazety iray momba ny kintana sy planeta: “Tototry ny rano ny tany, tamin’ny voalohany ary zara raha nisy tany maina.”

Niova tsikelikely ve ny atmosferantsika?

Hita avy amin’ny fitantarana ao amin’ny Genesisy 1:3-5 fa tara-pahazavana kely fotsiny no tody tetỳ an-tany tamin’ny voalohany. Tatỳ aoriana vao tazana avy tetỳ ny masoandro sy ny volana.​—Genesisy 1:14-18.

Tsy milaza ny Baiboly hoe tao anatin’ny enina andro misy 24 ora avy no namoronana ny zavamananaina rehetra teto an-tany

Milaza ny foibem-pikarohana momba ny tontolo iainana, izay naorin’i Smithson, fa hazavana manjavozavo fotsiny no tody tetỳ an-tany tamin’ny voalohany. Hoy izy io: “Feno gazy metanina matevina be nanodidina ny tany. Nihananify anefa ilay gazy metanina tatỳ aoriana, ka lasa manga ny lanitra.”

Niara-nisy ve ny zavamananaina sa nisy filaharany?

1—Andro voalohany: Tonga tetỳ an-tany ny tara-pahazavana.​—Genesisy 1:3-5

2—Andro faharoa: Nisy rano sy etona matevina be nanarona ny tany. Nosarahina ireo, ka lasa nisy elanelany nanasaraka ny rano teto an-tany sy ilay etona matevina.​—Genesisy 1:6-8

3—Andro fahatelo: Nihena ny rano ary nipoitra ny tany maina.​—Genesisy 1:9-13

4—Andro fahefatra: Tazana avy tetỳ an-tany ny masoandro sy ny volana.​—Genesisy 1:14-19

5—Andro fahadimy: Namorona ny biby any anaty rano sy ny voro-manidina Andriamanitra. Nataony afaka manan-taranaka izy ireo.​—Genesisy 1:20-23

6—Andro fahenina: Namorona ny biby an-tanety Andriamanitra, na ny kely izany na ny lehibe. Ny mpivady olombelona voalohany no noforoniny farany tamin’io andro io.—Genesisy 1:24-31

Resahin’ny Genesisy 1:20-27 fa ny trondro no noforonina voalohany, dia avy eo ny vorona, ny biby, ary ny olombelona no noforonina farany. Mino ny mpahay siansa hoe ny trondro no nisy voalohany, dia ela be tatỳ aoriana vao nisy ny biby mampinono, ary mbola taoriana kokoa vao nisy ny olombelona.

Tsy milaza ny Baiboly hoe tsy hisy fiovana mihitsy eo amin’ny zavamananaina

“Fohy ny fitantaran’ny Baiboly ao amin’ny Genesisy 1, nefa mahavariana fa mifanaraka amin’ny voka-pikarohana hitan’ny mpahay siansa ny zavatra resahina ao.”​—Gerald Schroeder, mpahay fizika.

Inona no Tsy Lazain’ny Baiboly?

Misy miteny hoe tsy mifanaraka amin’ny voka-pikarohana hitan’ny mpahay siansa, hono, ny zavatra lazain’ny Baiboly. Ny fahazoany ny zavatra resahin’ny Baiboly anefa no diso.

Tsy milaza ny Baiboly hoe 6 000 taona fotsiny izao rehetra izao na ny tany. Resahiny fotsiny hoe noforonina ny tany sy izao rehetra izao “tany am-piandohana.” (Genesisy 1:⁠1) Tsy nofaritany hoe tamin’ny firy taona lasa izany.

Tsy milaza ny Baiboly hoe tao anatin’ny enina andro misy 24 ora avy no namoronana ny zavamananaina rehetra teto an-tany. Fe-potoana fotsiny no tiany holazaina amin’ilay teny hoe “andro.” Resahin’ny Baiboly, ohatra, hoe niforona ny planetantsika sy ny zavamananaina eo aminy “tamin’ny andro nanaovan’i Jehovaha Andriamanitra ny tany sy ny lanitra”, izany hoe nandritra anʼireo enina “andro” resahin’ny Genesisy toko 1. (Genesisy 2:4) Fe-potoana lava be àry ny andro tsirairay tamin’ireo enina “andro” nanomanan’Andriamanitra ny tany sy namoronany ny zavamananaina teo amin’izy io.

Tsy milaza ny Baiboly hoe tsy misy fiovana mihitsy eo amin’ny zavamananaina. Milaza ny bokin’ny Genesisy fa noforonina “araka ny karazany avy” ny biby. (Genesisy 1:24, 25) Tsy teny fampiasan’ny mpahay siansa ilay hoe “karazana” resahin’ny Baiboly. Mety ho azo ilazana zavamananaina iray tarika anefa izy io. Mety hisy biby na zavamaniry maro isan-karazany àry ao anatin’ilay “karazana” iray resahin’ny Baiboly. Mety hisy endriny samihafa koa ireo zavamananaina iray karazana rehefa mandeha ny fotoana.

Ahoana ny hevitrao?

Hitantsika teo fa tsotra sy marina tsara ny fanazavan’ny Baiboly momba ny hoe ahoana no nampisy an’izao rehetra izao, hoatran’ny ahoana ny tany tamin’ny voalohany, ary ahoana no nampisy ny zavamananaina. Mety ho marina koa ve izany ny Baiboly rehefa milaza hoe iza no namorona an’ireny rehetra ireny? Hoy Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): “Mifanaraka amin’ny zavatra hitan’ny mpahay siansa vao haingana ilay hoe avy amin’ny hery iray mihoatra noho ny an’ny olombelona no nampisy an’izao rehetra izao.”b

Diniho izao:

Vakio ny Genesisy 1:1–2:4. Tena tsy mitovy amin’ny angano fahiny momba ny famoronana io fitantarana io. Mino, ohatra, ny Babylonianina fa avy tamin’ny fatin’ny andriamanibavy anankiray sy ny ran’ny andriamanitra iray no namoronana an’izao rehetra izao sy ny olombelona. Ny Ejipsianina fahiny indray mino hoe noforonin’ny andriamanitra Ra avy tamin’ny ranomaso ny olombelona. Ny Sinoa indray mieritreritra hoe avy tamin’ny fatin’ny olona ngezabe anankiray no niforona ny zavaboary eto an-tany. Ny olombelona kosa, hono, niforona avy tamin’ny parasy teo amin’io faty io. Angano hoatran’ireo ve no fahitanao ny fitantarana ao amin’ny Baiboly sa mifanaraka amin’ny siansa?

Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay video efatra minitra hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?

a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.

b Ny Rakipahalalana Britannica dia tsy manohana an’ilay hevitra hoe nisy namorona ny zavamananaina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara