Fampidirana
Manahy ve ianao satria miakatra foana ny vidim-piainana? Tsy maintsy miasa ela kokoa sy mafy kokoa ve ianao, izay vao mahita harapaka? Tsy dia manam-potoana iarahana amin’ny vady aman-janakao intsony ve ianao? Natao ho anao ny lahatsoratra ato amin’ity Mifohaza! ity raha izany, satria hanampy anao hanatsara ny fomba fiainanao sy hampihena ny adin-tsainao. Miresaka fanantenana azo antoka ny lahatsoratra farany, hoe ho tsara be ny fiainana. Mety hampahery anao izany dieny izao.