FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g25 No. 1 p. 12-13
  • Miezaha Halala-tanana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miezaha Halala-tanana
  • Mifohaza!—2025
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NAHOANA IZANY NO ILAINA?
  • INONA NO AZONAO ATAO?
  • Sambatra ny Olona Tia Manome
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Nahoana Aho no Tokony Hanampy Olona?
    Manontany ny Tanora
  • Malala-tanana sy Mahay Mandanjalanja i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Torohevitra mba Hifandraisana Tsara Aman’olona
    Mifohaza!—2021
Hijery Hafa
Mifohaza!—2025
g25 No. 1 p. 12-13
Fianakaviana falifaly miara-misakafo amin’ny vahininy eo an-tokotany. Tsotsotra ny tranon-dry zareo.

AHOANA NO HIATREHANA NY FIAKARAN’NY VIDIM-PIAINANA?

Miezaha Halala-tanana

Raha sahirana ianao noho ny fiakaran’ny vidim-piainana, dia mety hieritreritra ianao hoe tsy ho vita izany halala-tanana izany. Tena hanampy anao anefa ilay hoe tia manome. Sady afaka mitsitsy ianao no malala-tanana.

NAHOANA IZANY NO ILAINA?

Mahatonga antsika ho falifaly sy hahatsapa ho misy vidiny ilay hoe malala-tanana, na kely aza no omentsika. Hita tamin’ny fikarohana aza hoe mahasalama ny vatana sy ny saina izany. Tsy hanahy na tsy hiady saina be, ohatra, isika dia tsy hiakatra koa ny tosidrantsika, ary tsy dia ho henontsika mihitsy aza izay manaintaina amin’ny vatantsika. Mety hahita tory tsara koa isika.

“Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”​—Asan’ny Apostoly 20:35.

Hanaiky hampiana kokoa isika rehefa tia manome, na vola na zavatra hafa ilay omentsika. Hoy i Howard, mipetraka any Angletera: “Mitady hevitra hanomezana sy hanampiana olona izahay mivady dia tsy dia mahatsapa izahay hoe manahirana olona, rehefa izahay indray no mila fanampiana.” Mazava ho azy hoe tsy mitady valiny ny olona tena malala-tanana. Hahazo namana tena vonon-kanampy anefa izy rehefa mila fanampiana.

“Aoka ianareo ho zatra manome, dia mba homena koa ianareo.”​—Lioka 6:38.

INONA NO AZONAO ATAO?

Zarao izay anananao. Na kely aza ny anananao dia mety mbola misy zavatra azonao zaraina foana ao, ohatra hoe sakafo tsotsotra. Hoatr’izany izao ry Duncan, mipetraka any Ogandà. Mahantra ry zareo nefa tia manome. Hoy i Duncan: “Manasa olona hisakafo atỳ an-trano izahay mivady isak’alahady, na dia tsotsotra aza ilay sakafo. Mahafinaritra anay tsinona ny miaraka amin’olona.”

Mazava ho azy hoe mila mahay mandanjalanja ianao rehefa manome, sao dia ny vady aman-janakao indray no tsy manana an’izay ilainy.​—Joba 17:5.

Andramo izao: Manomeza sakafo na zava-pisotro tsotsotra ho an’olona iray. Raha misy zavatra tsy ilainao intsony dia omeo an’izay olona mety mila azy ilay izy, ohatra hoe ny namanao na ny mpiray tanàna aminao.


Mitadiava zavatra hafa omena. Misy fanomezana tena tsara nefa tsy vidina. Manome ny fotoanantsika, ohatra, isika sady mampiseho hoe be fiahiana rehefa manampy olona. Na teny feno hatsaram-panahy aza ange dia efa fanomezana e! Aza misalasala àry miteny amin’ny olona hoe sarobidy aminao ry zareo sady tena tianao.

Andramo izao: Jereo izay mila olona hanao ny raharahany, na hanamboatra ny simba amin’ny tranony, na mila olona hirakirahina. Mandefasa karta na hafatra ho an’ny namanao, na dia mba hilazana fotsiny aza hoe mahatsiaro azy ianao.

Betsaka ny soa azonao raha miezaka halala-tanana foana ianao.

“Aza hadinoina ny manao soa sy ny mizara amin’ny hafa.”​—Hebreo 13:16.

Mpivady manadio ny tokotanin’ny vehivavy iray be taona. Manala ravinkazo maina ry zareo. Omen’ilay vehivavy be taona dite mafana izy mivady.
Trey.

“Tianay ny mahandro sakafo ho an’ny namanay sy miara-mihinana an’ilay izy amin-dry zareo na dia teritery aza ny tranonay. Tena te hanohana an-dry zareo mantsy izahay. Indraindray izahay mba afaka manome vola, fa ny fotoananay anefa matetika no azonay omena. Imbetsaka izahay no nahatsapa hoe mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”​—Trey, Israely.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara