Fianarana 31
Aoka Ianao Hampiaiky ny Mpihaino Anao, Miaraha Manjohy Hevitra Aminy
1, 2. Inona moa no atao hoe fanaporofoan-kevitra mampiaiky?
1 Matoa ianao miteny amin’ny mpihaino dia ny mba hihainoany anao; nefa tsy izay fotsiny. Ho tianao ihany koa ny hanekeny ny fanaporofoan-kevitrao sy ny hanaovany zavatra mifanaraka amin’izany. Izany no hataon’ny mpanatrika raha miaiky ny amin’ny fahamarinan’ny fanambaranao izy ka mahitsy ny fony. Ny hoe mampiaiky dia mampino amin’ny alalan’ny porofo. Nefa tsy ampy ho azy fotsiny foana akory izany porofo izany. Amin’ny ankapobeny dia tsy maintsy tohanana amin’ny fanaporofoan-kevitra tsara izany. Mba handresen-dahatra amin’ny fanaporofoan-kevitra iray, dia misy fototra telo: voalohany, ireo porofo ihany; faharoa, ny filaharana anehoana izany; fahatelo, ny fomba sy fanao fampiasa mba hampisehoana izany. Amin’ity Fianarana ity, izay mifanitsy amin’ny hevitra hoe “Fanaporofoan-kevitra mampiaiky” ao amin’ny taratasy Torohevitra Momba ny Lahateny, dia hijery izay lazaina isika, izany hoe ireo porofo aroso fa tsy ny fomba fampiseho izany.
2 Ny fanaporofoan-kevitra tsara iray dia mitaky antony azo ekena sy mampiaiky; izany no hojeren’ny mpanoro hevitra anao. Tokony hampiaiky ny fanaporofoan-kevitrao na dia rehefa vakina eo amin’ny taratasy aza. Raha toa ilay fampiekena ka miankina amin’ny fomba nampisehoana azy fa tsy miankina amin’ireo zavatra nampiasainao ho toy ny porofo, dia ilainao amin’izay ny mampitombo io toetra io mba hahatonga ny fanaporofoan-kevitrao ho mafy orina sy hahitam-bokatra.
3-6. Asehoy ny antony ilana hametrahana fototra.
3 Fametrahana fototra. Alohan’ny hampisehoana ireo porofo homenao dia tsy maintsy mametraka ny fototry ny fanaporofoan-kevitrao ianao. Ilaina aloha ny mamaritra tsara ny votoatin’ny fiaraha-midinika sy miainga avy amin’ny zavatra iombonana amin’ny fanasoritana dieny eo am-piandohana ireo hevitra izay hifanarahanareo.
4 Indraindray dia tsy maintsy faritana mazava ny hevitr’ireo teny. Tokony hesorina izay rehetra tsy mahakasika ilay resaka. Makà fotoana handatsahana ny fototry ny fanaporofoan-kevitrao. Tokony ho mafy orina ny fototra, nefa aza hadinoina fa tsy io akory ilay trano manontolo. Rehefa manohitra fanaporofoan-kevitra ianao, dia fakafakao ireo hevitra isan-karazany manohana izany mba hahitanao ireo lesoka sy hamaritanao izay fanaporofoan-kevitra hampiasainao sy ny fomba hahatongavana hatrany amin’ny fototr’ilay raharaha.
5 Mandritra ny fanomanana ny lahateninao, dia manandrama mijery mialoha hoe fahalalana inona no efa ananan’ny mpihaino anao ny amin’ilay foto-dresaka hovelabelarinao. Izany dia hanampy anao hamaritra hoe fototra inona no tsy maintsy apetraka, alohan’ny hampisehoana ny fanaporofoan-kevitrao.
6 Ny fahaiza-mandanjalanja sy ny fahalalam-pomba kristianina dia mitaky antsika ho sariaka sy feno fiheverana ao amin’ny fanaporofoan-kevitsika na dia tsy izany aza ny zava-kendren’ity Fianarana ity. Ampiasao tsara foana ny fahalalanao ireo foto-pitsipika kristianina ary sokafy ny saina sy ny fon’ireo mpihaino anao.
7-13. Hazavao ny hevitry ny hoe “porofo marim-pototra omena”.
7 Porofo marim-pototra omena. Tsy “voaporofo” akory ny hevitra iray satria fotsiny mino sy manamafy izany ilay mpandahateny. Aza hadinoina fa zon’ireo mpanatrika tanteraka ny manontany tena hoe: “Nahoana izany no marina? Nahoana ianao no milaza izany?” Andraikitry ny mpandahateny ny manome ny antony ho azy ireo.
8 Ny valin’ireo fanontaniana hoe “Amin’ny fomba ahoana?”, “Iza?”, “Aiza?”, “Oviana?” sy “Inona?” dia samy milaza zava-misy avokoa, fa ny valin’ny fanontaniana hoe “Nahoana?” kosa dia manome antony. Maningana io fanontaniana io amin’izany lafiny izany, ka mitaky aminao zavatra bebe kokoa noho ny fitantarana zava-misy fotsiny. Misedra ny fahaizanao manjohy hevitra izany. Noho izany, rehefa manomana ny lahateninao ianao dia manontania tena matetika hoe “Nahoana?” ary aoka ho azonao antoka ny fahafahanao manome ny valiny.
9 Matetika dia azonao tohanana ny filazanao amin’ny fanononana ny teny nataon’olona iray izay ekena ho fahefana. Izao fotsiny no tiana holazaina amin’izany: raha ilay olona no milaza izany, dia tsy maintsy ho marina ilay izy satria ekena ho olona mahafanta-javatra izy. Koa satria miaiky ny amin’ny fahaizany ny olon-drehetra dia ampy ny manonona azy mba hanaporofoana ny fahamarinan’ny hevitra iray. Antony ampy io mba hinoana izany. Mazava ho azy fa i Jehovah Andriamanitra no Fahefana tampony amin’io lafiny io. Noho izany dia mahaforona porofo ny fakana teny iray avy ao amin’ny Baiboly. Porofo “vavolombelona” izany satria “fanambaran’ny” olona iray heverina ho vavolombelona azo ekena.
10 Noho izany, mba hanomezana porofo vavolombelona, dia tsy maintsy azonao antoka aloha fa eken’ny mpihaino anao ilay vavolombelona tononinao. Raha fahefana olombelona no tononinao, dia fantaro tsara ny mombamomba azy sy izay mety ho fiheveran’ny olona azy. Olona maro no hanaiky ny Baiboly ho Fahefana araka an’Andriamanitra, kanefa misy mihevitra azy io ho boky nataon’olombelona, ka noho izany dia tsy manam-pahefana feno. Ho an’ireto farany, dia ilaina ny hanononana porofo hafa na hanaporofoana tsara ny fahamarinan’ny Baiboly aloha.
11 Mitandrema! Tokony hampiasaina amim-pahamarinana ny porofo rehetra. Aza maka tenin’olona ka mampivaona izany amin’ny teny manodidina azy. Aoka ho azonao antoka fa izay lazainao dia mitovy tanteraka amin’izay tao an-tsain’ilay fahefana tononinao. Aoka ianao ho hentitra rehefa maka tenin’olon-kafa. Mitandrema koa rehefa manome antontan’isa. Raha tsy araka ny tokony ho izy no anehoana azy ireny, dia mety hifoterany ianao ka hanimba zavatra ny vokany. Tsarovy ilay rangahy tsy nahay nilomano izay maty an-drano tao amin’ny renirano iray tsy nisy afa-tsy iray metatra monja ny halaliny tamin’ny antsalany. Hadinony ilay lavaka telo metatra tao afovoany!
12 Ankoatra ireo fanambaran’olombelona na an’Andriamanitra dia misy porofo miankina amin’ny toe-javatra. Izany dia porofo miorina amin’ny hevitra notsoahina avy amin’ny zava-misy fa tsy teny nataon’ny vavolombelona. Mba hahatonga ny fanatsoahan-kevitrao ho marim-pototra sy hampiaiky dia tsy maintsy manana fitambarana zava-misy sy fanaporofoan-kevitra ampy tsara ianao mba hanohanana ny fanatsoahan-kevitrao.
13 Raha toa ny fitambaran’ny porofo omenao (na manao ahoana na manao ahoana filaharana anehoana azy) ka ampy mba hampiekena ny mpihaino anao, ilay rahalahy manoro hevitra anao dia hihevitra izany ho mahafa-po. Hipetraka eo amin’ny toeran’ireo mpihaino izy ary hanontany tena hoe: “Nampiaiky ahy ve izy?” Raha afaka mamaly hoe eny izy, dia hidera anao noho ny fanaporofoan-kevitrao.
14. Inona moa izany hoe famintinana mandaitra?
14 Famintinana mandaitra. Misy karazana famintinana mazàna tena ilaina amin’ny fanaporofoan-kevitra mampiaiky. Izany dia fanasana farany hanjohy hevitra sy hanaiky ireo porofo aroso. Tsy tokony ho famerenana filazan-javatra fotsiny ny famintinana, na dia toy izao fotsiny aza ny dikan’izy io, raha ny marina: “Rehefa heverina amin’izao sy izao, dia tsy maintsy hita fa...” Io lafiny io dia natao mba handravonana ireo hevitra rehetra sy mba hanaovana fanatsoahan-kevitra avy amin’izany. Matetika dia ny famintinana mandaitra no mampiorina tsara ireo fanaporofoan-kevitra ka mahatonga azy ireo ho tena hampiaiky tokoa.
**********
15, 16. Nahoana isika no tokony hanampy ny mpihaino hanjohy hevitra?
15 Na dia tsara aza ny fanaporofoan-kevitra ampiasainao ao amin’ny lahateny iray dia tsy ampy ny mitanisa fotsiny ireo zava-misy. Misy fomba tokony hanehoanao izany, dia fomba izay hanampy ny mpihaino hanjohy hevitra sy hahatakatra ny fanaporofoan-kevitrao ary hanjary hanao fanatsoahan-kevitra mitovy amin’ny anao. Izany no resahin’ilay hevitra hoe “Fanampiana ny mpihaino hanjohy hevitra” voasoratra eo amin’ny taratasy Torohevitra Momba ny Lahateny.
16 Irintsika ny hanana io toetra io satria ny tenan’Andriamanitra koa aza manjohy hevitra miaraka amintsika. Nanazava ny fanoharany tamin’ireo mpianany koa i Jesosy ary nanao izay hahaizan’izy ireo mampianatra ny hafa izany fahamarinana izany koa. Mba hitarihana ny mpihaino hanjohy hevitra, dia tsy maintsy ampiasaina ny fomba rehetra mety hanampy azy hahatakatra ny fanaporofoan-kevitrao sy hanatsoaka hevitra mitovy amin’ny anao ary hampiasa izany mba hampianarana olon-kafa.
17, 18. Ahoana no ihazonana hatrany ny hevitra iraisana?
17 Fihazonana hatrany ny hevitra iraisana. Mba hahitana hevitra iraisana dieny eo am-piandohan’ny lahateny dia tsy maintsy tandremanao izay lazainao sy ny fomba filazanao izany. Ary tsy maintsy hazoninao hatrany io hevitra iraisana io mandritra ny famelabelarana manontolo, raha tsy izany dia hamoy ny mpihaino anao eny an-dalana ianao. Lazao ireo hevitra ao amin’ny lahateninao amin’ny fomba hahatonga izany heken’ny mpihaino anao. Tadidio ao an-tsaina foana ny fomba fijeriny an’ilay foto-kevitra resahina, ary asio fiheverana izany mba hanampiana azy hahita fa marim-pototra ny fanaporofoan-kevitrao.
18 Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:22-31, ny apostoly Paoly dia manome ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fomba ahitana hevitra iraisana, ny ihazonana izany hatrany mandritra ny lahateny manontolo ary ny anampiana ny mpihaino hanjohy hevitra. Mariho ny fomba nanorenany hevitra niraisana teo am-piandohana sy ny nihazonany izany hatrany tamim-pahaiza-mandanjalanja nandritra ilay lahateny manontolo. Rehefa tonga teo amin’ny faran’ny lahateniny izy, dia nampiaiky ny mpihaino sasany momba ny fahamarinana, ka anisan’izany ny mpitsara iray izay nanatrika teo. — Asan’ny Apostoly 17:33, 34.
19-23. Milazà fomba famelabelaran-kevitra ampy.
19 Famelabelaran-kevitra ampy. Mba hitarihana ny mpihaino hanjohy hevitra amin’ny foto-dresaka iray dia tsy maintsy ampisehoana fanazavana ampy izy ary atao izany mba tsy hahatonga azy handa fanaporofoan-kevitra satria fotsiny hoe tsy azony tsara ny hevitr’ilay izy. Anjaranao ny manampy azy amin’izany lafiny izany.
20 Mba hahavitana izany, dia aoka ianao hiahy ny tsy hamelabelatra hevitra maro loatra. Ho very izay tsara amin’ny famelabelaranao raha aseho haingana loatra izany. Makà fotoana mba hanazavana hevitra amin’ny fomba lalina, mba tsy hahatonga ny mpihaino handre izany fotsiny, fa mba hahatakatra ny heviny koa. Rehefa milaza hevitra iray lehibe ianao, dia makà fotoana hamelabelarana izany. Valio ireto fanontaniana ireto: Nahoana? Iza? Amin’ny fomba ahoana? Inona? Rahoviana? ary Aiza? Ampio ny mpihaino anao hahatakatra amin’ny fomba feno ny hevitrao. Mba hampisehoana fa mety ny fanazavanao dia mety ho azonao atao koa ny mampiseho ireo hevitra roa mifanohitra. Rehefa avy nanonona foto-pitsipika iray dia ahitam-bokatra indraindray ny manonona ohatra azo ampiharina. Mazava ho azy fa ilaina ny maneho fahaiza-manavaka. Ny halavan’ny famelabelarana hevitra iray dia hiankina amin’ny fotoana ananana sy amin’ny halehiben’ilay hevitra raha oharina amin’ilay foto-kevitra resahina.
21 Ilaina foana ny fanontaniana mba hanampiana ny mpihaino hanjohy hevitra. Handrisika hieritreritra ny fanontaniana tsy miandry valiny arahin’ny fiatoana araka ny tokony ho izy. Rehefa miresaka amin’ny olona iray na roa ianao toy ny any amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, dia azonao atao ny mampiresaka azy ireo amin’ny alalan’ny fanontaniana mandritra ny famelabelaranao, ary aoka ho azonao antoka avy amin’izany fa mahazo sy manaiky ireo hevitra lazainao izy ireo.
22 Koa satria ianao maniry hitarika ny sain’ny mpihaino anao, dia tokony horaisinao ho fiaingana ireo zavatra efa fantany, na avy tamin’ny zavatra niainany izany, na avy tamin’ny fanazavana nomenao azy teo aloha. Mba hamantarana raha namelabelatra tamin’ny fomba ampy ny hevitra sasany ianao na tsia, dia tsy maintsy asianao fiheverana izay efa fantatry ny mpihaino anao momba ilay foto-dresaka.
23 Zava-dehibe foana ny handinihana ny fihetsiky ny mpihaino mba hahazoana antoka fa maharaka ny fanazavanao izy. Raha ilaina izany, dia avereno ny hevitra iray ary dia hazavao indray izany, alohan’ny hifindrana amin’ny manaraka. Raha tsy misahirana manampy ny mpihaino hanjohy hevitra ianao, dia mety tsy haharaka ny fizotran’ny hevitrao izy.
24. Noho ny antony tsara dia tsara inona no tokony hanaovanao fampiharana ireo fanaporofoan-kevitra amin’ny mpihaino anao?
24 Fampiharana natao ho an’ny mpihaino. Na inona na inona fanaporofoan-kevitra aseho dia aza hadinoina mihitsy ny manazava tsara ny fampiharana izany amin’ilay raharaha dinihinareo. Aza hadinoina koa ny manosika ny mpihaino anao hanao zavatra mifanaraka amin’ireo hevitra vao avy nasehonao. Raha niaiky marina noho ny fanambaranao izy ireo dia ho vonona hanao zavatra.