Fianarana 34
Fanoharana Mifanentana
1, 2. Hazavao fohy ny anjara asan’ny fanoharana ao amin’ny lahateny iray.
1 Rehefa mampiasa fanoharana ny mpandahateny iray, raha ny marina, dia mandatsaka ao an-tsain’ireo mpihaino azy, sary feno heviny. Manaitra ny fahalianana ny fanoharana ary manamafy ireo hevi-dehibe. Manosika hieritreritra izany ary manamora ny fahazoana ireo hevi-baovao. Ny fanoharana tsara fantina dia sady manintona ny saina no misy heriny eo amin’ny fihetseham-po. Ho vokatr’izany, ilay hafatra dia ampitaina ao an-tsaina amin-kery, dia hery iray izay mazàna tsy efan’ny filazana zava-misy fotsiny. Nefa tsy marina izany raha tsy mifanentana ny fanoharana. Tokony hety amin’ilay foto-kevitrao izany.
2 Azo atao indraindray ny mampiasa fanoharana mba hanalavirana fitsarana an-tendrony. Alohan’ny hirosoana amin’ny foto-pampianarana iadian-kevitra, dia azo atao matetika ny manilika ireo fanoherana amin’ny alalan’ny fanoharana tsara iray. Azo atao ny miteny toy izao ohatra: “Tsy handoro ny rantsantanan-janany ny ray iray mba hanasaziana azy.” Io fanoharana io, lazaina alohan’ilay fiaraha-midinika ny amin’ny foto-pampianarana momba ny “afobe” dia hampiseho ny endrika maharikorikon’io fisainana ara-pivavahan-diso io, ka hahamora ny fanoherana azy izany.
3-6. Avy aiza no azontsika anatsoahana fanoharana?
3 Mety hanana endriny maro samy hafa ny fanoharana: fampisehoana fitoviana, fampitahana, fifanoherana, fifanahafana, sary an’ohatra, zavatra niainana, ohatra. Tovozina amin’ny loharano maro izany. Mety hiresaka momba ny zavatra noforonina manana aina na tsy manana aina, izany. Azo tsoahina avy amin’ny asa aman-draharahan’ny mpihaino izany, na avy amin’ny toetoetra mampiavaka ny olombelona, na avy amin’ireo fanaka ao an-trano, na avy amin’ny zava-bitan’ny olombelona toy ny trano, sambo, sns. Nefa na inona na inona fanoharana ampiasaina, dia tokony hofidina arakaraka ny fisehoan-javatra sy ny foto-kevitra izany, fa tsy satria fotsiny hoe io no fanoharana tian’ilay mpandahateny indrindra.
4 Tandremo! Aza dia laroana fanoharana be loatra ny lahateninao. Ampiasao izy ireny, nefa aza atao be loatra!
5 Toy ny fahaizana zava-kanto ny fampiasana tsara ny fanoharana. Ilaina ny hakingana sy ny traikefa, kanefa dia tena mandaitra tokoa izy ireny. Mba hianaranao hampiasa izany tsara, dia manazara tena mieritreritra amin’ny alalan’ny fanoharana. Rehefa mamaky teny ianao, dia tano an-tsoratra ireo fanoharana hitanao fa ampiasaina ao. Rehefa mijery zavatra ianao, dia mitadiava hanatsoaka fanoharana avy amin’izany mifandray amin’ny fiainana sy ny fanompoan’ny Kristianina. Raha ohatra ka mahita voninkazo toa maina sy malazo ianao dia afaka mieritreritra hoe: “Toy ny voninkazo ny fisakaizana. Mba hahavelona azy tsara, dia tsy maintsy tondrahana izy.” Misy olona amin’izao fotoana izao no mijery ny volana ho toy ny tanjona iray hanaovana dia ana habakabaka fotsiny. Ny Kristianina kosa dia mahita azy io ho asan-tanan’Andriamanitra, zanabolana noforonin’Andriamanitra, zavatra haharitra mandrakizay, izay misy vokany eo amin’ny fiainantsika, izay mahatonga ny fisondrotana sy fihemoran’ny ranomasina.
6 Raha tsy mahita fanoharana tsotra ianao eo am-panomanana lahateny iray, dia mitadiava foto-kevitra mifandray amin’izany ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower. Jereo raha misy fanoharana ampiasaina ao. Eritrereto ireo teny fototra ao amin’ilay lahateny sy ny sary mety ho tonga ao an-tsainao avy amin’izany. Manatsoaha fanoharana avy amin’izany. Nefa aza hadinoina fa mbola ratsy kokoa noho ny tsy fampiasana fanoharana mihitsy, ny fampiasana fanoharana tsy mifanentana. Ny hevitra hoe “Fanoharana mifanentana amin’ny foto-kevitra” voamarika eo amin’ny taratasy Torohevitra Momba ny Lahateny dia manolotra lafiny maro izay tokony hotadidina ao an-tsaina.
7-9. Nahoana no tena mandaitra ny fanoharana tsotra?
7 Tsotra. Mora tadidy kokoa ny fanoharana tsotra. Tokony hanazava ny fanaporofoan-kevitra lehibe indrindra ilay izy, fa tsy hanamaizina izany kosa noho izy io sarotra loatra. Ireo fanoharana nampiasain’i Jesosy dia natao tamin’ny teny vitsivitsy monja matetika. (Jereo, ohatra, ny Matio 13:31-33; 24:32, 33.) Tokony ho mora azo ireo teny ampiasaina. Raha mitaky fanazavana be loatra ny fanoharana iray dia manjary enta-mavesatra fotsiny. Esory izany na tsory.
8 I Jesosy dia nampiasa zavatra madinika mba hanazavana zavatra lehibe, zavatra mora azo mba hanazavana zavatra sarotra. Ny fanoharana iray dia tokony ho mora alaina sary an-tsaina, tsy ho be tsipiriany loatra indray miaraka. Tokony hazava sy ho azo tsapain-tanana izany. Tsy mora adika vilana ny fanoharana toy izany.
9 Ny fanoharana iray dia tokony hifanitsy amin’ny lafiny rehetra amin’ilay foto-kevitra lazaina fa hazavainy. Raha misy lafiny sasany amin’ilay fanoharana tsy mifanentana, dia aleo tsy ampiasaina izany. Hivily any amin’ireo lafiny tsy mifanentana ny sain’ny sasany ka tsy hahatratra ny zava-kendreny ilay fanoharana.
10, 11. Lazao ny antony tsy maintsy anazavana tsara ny fampiharana fanoharana.
10 Fampiharana voazava tsara. Raha tsy manao fampiharana ny fanoharana iray ianao, dia misy mpihaino sasany mety hahatakatra izay tianao holazaina, fa maro no tsy hahatakatra. Tokony hazava tsara ao an-tsain’ilay mpandahateny ilay fanoharana, ary tokony ho fantany ny zava-kendren’izy io. Izay maha sarobidy ilay fanoharana fotsiny no tokony holazainy. (Jereo Matio 12:10-12.)
11 Azo ampiharina amin’ny fomba maro samy hafa ny fanoharana iray. Azo atao ny mampiasa azy io mba hanaporofoana foto-pitsipika iray izay lazaina fotsiny eo aloha na eo aorian’ilay fanoharana. Azo ampiharina izy io amin’ny fanamafisana ireo vokatr’ilay fanaporofoan-kevitra naseho tamin’ilay fanoharana. Na koa, azo atao ny mianina amin’ny fampisehoana ny fifanahafana misy amin’ny tsipirian’ilay fanoharana sy ny an’ilay foto-kevitra dinihina.
12-14. Inona no hanampy antsika hamaritra raha mifanentana ny fanoharana iray?
12 Fanamafisana ireo hevi-dehibe. Aza mampiasa fanoharana iray satria fotsiny hoe sendra nahita izany ianao. Fakafakao ny foto-kevitrao mba hamaritana hoe inona avy ireo hevi-dehibe, avy eo dia mifidiana fanoharana vitsivitsy mba hanaovana izay hahazoana izany tsara. Raha manonona fanoharana manaitra mifandray amin’ireo hevitra madinika ianao, dia ireo no ho tadidy fa tsy ireo hevi-dehibe. (Jereo Matio 18:21-35; 7:24-27.)
13 Tsy tokony hanakona ilay fanaporofoan-kevitra ny fanoharana. Mety ho ilay sary no ho tadidin’ny mpihaino, kanefa, rehefa mitamberina ao an-tsaina ilay fanoharana, dia tokony ho tadidy koa ilay hevitra nohazavainy. Raha tsy izany no mitranga, dia satria nanjary nisongadina be loatra ilay fanoharana.
14 Rehefa manomana lahateny sy mifidy fanoharana, dia tombàny ny vidin’ilay fanoharana raha ampitahaina amin’ireo hevitra tokony hohamafisiny. Manamafy sy mampisongadina ireo hevitra ireo ve ilay izy? Mahatonga ireo hevitra ho mora azo sy ho mora tadidina kokoa ve ilay izy? Raha tsy izany, dia fanoharana tsy mifanentana ilay izy.
**********
15, 16. Hazavao hoe nahoana ireo fanoharana no tokony ho antonona ny mpihaino.
15 Tsy vitan’ny hoe tsy maintsy mifandray amin’ilay foto-kevitra fotsiny ny fanoharana, fa tsy maintsy ampifanarahina amin’ny mpihaino koa. Resahina mitokana io hevitra io eo amin’ny taratasy momba ny torohevitra eo ambanin’ilay marika hoe “Fanoharana antonona ny mpihaino”. Rehefa tsy maintsy nanitsy an’i Davida i Natana noho ny nanotany tamin’i Batseba dia mahantra iray tsy nanana afa-tsy zanak’ondry kely iray monja no nofidiny ho ohatra. (2 Sam. 12:1-6). Tsy hoe feno fahaiza-mandanjalanja fotsiny ilay fanoharana fa nety tamin’i Davida izay efa mpiandry ondry. Takany avy hatrany izay tian’i Natana holazaina.
16 Raha efa zokiolona ny ankamaroan’ireo mpanatrika dia tsy tokony hampiasaina ny fanoharana izay tsy manintona afa-tsy ny tanora ihany. Mifanohitra amin’izany anefa fa hifanentana tsara ireo ohatra ireo ihany raha mitodika amin’ny antokona mpianatra ianao. Indraindray dia azo atao ny manao fanoharana amin’ny endriny roa samy hafa, ohatra ho an’ireo tanora sy antitra, lehilahy sy vehivavy.
17-19. Avy aiza no hanatsoahantsika ireo fanoharana mba hanairany ny sain’ny mpihaino?
17 Notsoahina avy amin’ny toe-javatra fahita andavanandro. Raha mampiasa zavatra misy eo akaiky eo ianao rehefa manao fanoharana, dia hahafantatra tsara izany ny mpihaino anao. Izany no nataon’i Jesosy. Raha niresaka tamin’ilay vehivavy teo am-pantsakana izy dia nampitaha tamin’ny rano ny toetrany mamelombelona. Nanatsoaka ny fanoharany avy tamin’ny zavatra madinika teo amin’ny fiainana izy fa tsy tamin’ireo zavatra tsy fahita. Ireo ohatra nomeny dia namohafoha avy hatrany sary iray tao an-tsain’ny mpihaino azy na nampahatsiahy azy ireo fisehoan-javatra niainana. Nampiasa fanoharana izy mba hampianarana.
18 Tokony hanao toy izany koa isika. Mety tsy hahafantatra firy ny amin’ny tontolon’ny varotra ireo renim-pianakaviana, nefa hahita fahombiazana kokoa eo amin’izy ireo ianao raha manatsoaka ny fanoharanao avy amin’ireo zavatra izay mahakasika ny fiainany isan’andro: ny zanany, ny raharahany ao an-tokantranony ary koa ireo zavatra ampiasainy ao an-tranony.
19 Mandaitra koa ny fanoharana iray miorina amin-javatra tena eo an-toerana, angamba tsy hita afa-tsy ao amin’io toerana io. Azo atao koa ny manonona fisehoan-javatra izay nitranga tao amin’ny faritany ary fantatra tsara, raha tahiny izany ka tsy ratsy.
20-22. Manonòna fandrika vitsivitsy tsy maintsy halavirina amin’ny fampiasana fanoharana.
20 Tsara fantina. Izay rehetra fanoharana ampiasaina dia tokony hifanentana amin’ny dinidinika iray momba ny Baiboly. Miharihary fa tsy tokony ho resaka “kivalavala” mahakasika ny fitondran-tena ny fanoharana. Halaviro ireo filazana misy heviny roa raha toa ka mety ho diso ny fandraisana azy. Fitsipika tsara iray tokony harahina ity manaraka ity: Aza ampiasaina ilay izy raha mampisalasala anao.
21 Tsy tokony hanafintohina tsy amin’ny antony ny mpihaino, indrindra fa ireo vaovao, ny fanoharana. Noho izany antony izany, dia tsy tsara apoitra ny resaka mahakasika foto-pampianarana mahatonga adihevitra, izay tsy misy ifandraisana mivantana amin’ilay foto-kevitra dinihina. Tsy hampiasa fanoharana momba ny fampidiran-dra na ny fiarahabana saina, ohatra, ianao raha tsy izany no votoatin’ilay lahateny. Mety hisy ho tafintohina amin’ny fanoharana sahala amin’izany. Hafa indray ny toe-javatra raha toa ka miresaka ny amin’izany zavatra izany ny hevitra iray ao amin’ny lahateninao. Amin’izay ianao dia manana fahafahana hanjohy hevitra momba izany ka hampiaiky ny mpihaino anao. Nefa aza manimba ny zava-kendrenao amin’ny fampiasana fanoharana izay hahatonga ireo mpihaino anao hanohitra ireo fahamarinana lehibe tianao haseho aminy.
22 Manehoa àry fahaiza-mahataka-javatra rehefa mifantina ny fanoharanao. Aoka ianao hahazo antoka fa mifanentana ilay izy. Ho toy izany izy io raha sady mifanaraka amin’ny foto-kevitra no antonona ny mpihaino anao.